Welcome to Justified Walk Ministries
 
 

 

Home  
     

 

Media Center  
     

 

Contact  
     

 

Donation  
     

 

About Frank  
     

 

Links  
     

 

Other Languages  
     
                                                                                                                                                                   Download
 

Malagasy

 Ny Akanjony

Sa ny ahy 

Frank B. Phillips

 

Raha tianao ny handray maimaimpoana boky fanampiny amin’ny teny anglisy dia mifandraisa amin’ny Justified Walk Ministries, P:O Box 233, Berrien Springs, MI 49103,

telefaonina (269) 471-9224

    Raha tianao ny handray mamaimpoana boky fanampiny amin’ny teny Malagasy na amin’ny teny frantsay dia manafara amin’ny pastoran’ny Distrika-nao izay hampita ny fangatahanao.

    Ny antsipiriany fanampiny momba ity boky ity amin’ny teny anglisy, ireo toriteny, sy ireo loharanon-kevitra hafa nataon’ I Frank B. Phillips, na ireo izay natolony hovakiana, dia eo amin’ny internet araka izao adiresy izao : www.justifiedwalk.com 

    Ny Tenin’ny Soratra Masina rehetra dia noraisina avy tamin’ny Baiboly, Fikambanana Mampiely Baiboly, Antananarivo. Ny teny hafa rehetra noraisina dia avy amin’ny asa soratr’ i Ellen White, afa-tsy izay nasiana fanambarana manokana. 

Copyrighted 2003

Tsy azo adika na alain-tahaka na aiza na aiza

Nadikan’ i  Rasamoely Emilienne sy Victor Rasoanaivo Andrianomenjanahary Avy amin’ ilay boky amin’ ny teny anglisy hoe “His robe or Mine”, Nosoratan’ i Frank Phillips Nahazoana alalana avy tamin’ ny

“Justified Walk Ministries”

P.O. Box 233, Berrien Springs, MI 49103

(269) 471)-9224

tamin’ ny Aogositra 23,  2005

 

Tsy natao hamidy ity boky it. Voaloa teo amin’ ny Hazo fijaliana ny vidiny! Satria efa kasa dia lasa ny fotoana ary maika dia maika ny hafatra raketiny, dia miezaka izahay hizara ity boky ity betsaka ary haingana araka izay azo atao. Raha nandraisanao fitahiana ianao izay novakianao, dia mivavaka izahay mba hizaranao ny boky amin’ olon-kafa, ary fifaliana ho anay ny hanome anao boky fanampiny. Raisinay amim-pifaliana ny fanomezana  hoenti-manohana izao ezaka izao raha natambesatry ny Tompo teo amin’ ny fonao ny hanome izany fiaraha-miasa izany.

 

“Nandray maimaimpoana ianareo; koa manomeza maimaimpoana.” “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”

 

 

 

 

FIZAHAN-TAKELAKA

 

Ala-sarona Click on blue to start                                              5

Fitarihan-teny                                                                             7

Toko 1    Tsiambaratelo! Zava-miafina “Top Secret”              12

Toko 2    Araka ny lalאna tanteraka                                         22

Toko 3    Tanteraka manao ahoana ny tsara?                          34

Toko 4    Fivavahana an-tokotanim-pasana                             41

Toko 5    Ateraka ny Kristiana fa tsy atao                                50

Toko 6    Inona no manaraka ny Fanamarinana?                     59

Toko 7    Natao hiakarana ny tohatra                                       70

Toko 8    Ho tsara fototra ny finoanareo... dia manehoa...       82

Toko 9    Hitarina ny fototra, Fahatanjahan-tsaina                   89

Toko 10  Tovozan-kery tsy misy fetra, fahalalאna                    94

Toko 11  Laharam-pahamehana: Fahalalאna onony               100 

Toko 12 Faharetana: Asa tanteraka ataon’ Andriamanitra      106

Toko 13  Tsy misy fiatona eto                                                   111

Toko 14  Ahoana? Tsy misy fifaninanana intsony?                  116

Toko 15  Fitiavana tsy hita lany                                                120

Toko 16  Moa ve Jeso nalaim-panahy tena tahaka antsika?   124

Toko 17  Manarahy Ahy                                                             134

Toko 18  Tomoera Amiko                                                           141

Tovana “A” Ny toen’ i Kristy                                                      149

Tovana “B” Sitrapon’ Olombelona                                             176

Tovana “C”  Planan’ny fanamasinanan’ Andriamanitra           186

Tovana “D”     Planan’ Andriamanitra                                       189

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Ala-sarona

Nosoratan’ Itompokolahy Frank B. Phillips ity boky ity nandritra ny folo taona nisotroany ronono, raha nitondra ny hafatra kanto indrindra momba an’ i “Kristy Fahamarinanatsika” tany amin’ ny fivoriam-pifohazana izy sy ny vadiny Dorothy. Nitahy fatratra ny ezaka nataony Andriamanitra.  Liana sy ravoravo ireo nanatrika ny fotoana, nizara ny hafatra tamin’ ny hafa,  ary niroso tamin’ ny fanavaozam-piainana namelombelona. Nisy Herinandrom-pivavahana tao amin’ ny Oniversite ao Andrews, tamin’ izay no nampirisihana an’ i Pastora Phillips hanao an-tsoratra ny toriteniny mba havoaka ho boky. Nosoratany izany, nefa indrisy, fa tsy nisy nanonta – saika nohadinoina- nandritra ny roa-polo taona mahery.

        Tsy ela izay anefa, nanintona ny sain’ ny zanak’ Andriamanitra indray ireo hafatry ny Pastora Phillips, noho ny fitondran’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny fomba tsotra sy mahagaga – fizarאna ny toritenim-pifohazany tamin’ ny raki-peo, CDs, ny Internet; ary ankehitriny amin’ ny alalan’ izao sora-tאnany izao – koa fifaliana ho anay ny manao tatitra milaza fa mampiasa ireo hafatra ireo amin’ ny fomba mahagaga indray Andriamanitra.  Mino izahay fa novelomin’ Andriamanitra indray ireo hafatra ireo manoloana ny laharam-pahamehana dodona eo amin’ ny vahoakany izay, matetika loatra, tsy mbola nahare manokana, na oviana na oviana, na nampihatra amin’ ny tenany ireo fahamarinana manova ny fiainana momba an’ i Kristy Fahamarinantsika, ary, vokatr’ izany, zara raha niainany ilay fiainana be dia be voalaza antenaina ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra.

        Noho izany, dia fifaliana ho anay ny manolotra an-tsoratra ireo hafatra nentiny ireo, ary mivavaka izahay mba ho voaray am-po ireo hafatra ireo,  hitondra ilay fiainana be dia be, ka ahatonga ny mpamaky tsirairay ho tanאna mimanda ho an’ Andriamanitra eto amin’ ity izao tontolo izao anjakan’ ny fikomiana ity, mba samy ho tonga tilikambo mafy orina ho an’ ny fahamarinana sy ny fitiavana ny fo tsirairay, ary ho jiro mpitari-dאlana  eny an-kavoana  ny fiainana tsirairay, hitondra ny hafa eo amin’ ny fahalalאna ny fahamarinana.

 

Ilay akanjo-mpanambady

Fitarihan-teny

 

Mahaliana manokana ny vahoakan’ Andriamanitra  ankehitriny ny fanoharana momba ilay mpanambady. Tahaka ny fanoharana momba ny virjina folo, dia tsy mbola tanteraka hatramin’ ny farany izy io: samy tsy hita ny fiafaran’ ireo fanoharana ireo raha tsy mandray ny vadiny Jesosy. Miandry ny ampakarina ny mpampakatra ao amin’ Ilay fanoharana voalohany. Ao amin’ ilay faharoa kosa, dia ny ampakarina no miandry ny Mpampakatra.

Mampiseho ny firaisan’ ny maha-olombelona sy  ny maha-Andriamanitra  ny fampakaram-bady. Ilay akanjo-mpanambady, izay tsy maintsy hanaovana, dia mampiseho ny toetra amam-panahin’ i Kristy, izay zava-dehibe ho an’ izay nasaina tsirairay ho amin’ ny fampakaram-bady raha hoeken’ ny Ray ho vadin’ ny Mpampakatra izy.

Misy toe-javatra telo samihafa asehon’ ny Matio 22 an-tsary rehefa nandefa ny mpanompony ny Mpanjaka, Rain’ ny Mpampakatra, haka ny ampakarina ho any amin’ ny fampakaram-bady. Voafidy ny ampakarina ary efa nampahafantarina azy izany, koa fantany fa hampakarina ho vadin’ ny mpampakatra izy. Izao no voalaza: “Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” Jaona 1:11. Sahirana loatra ny fiangonana, ilay vady voafidy, ka tsy te-hanatanteraka ny fanambadiana araka izay fomba nangatahin’ ny Mpampakatra.

Ny akanjo- mpanambady no olאna. Nanantitrantitra ny ampakarina fa izay akanjo safidiny no hanaovany – fa tsy io akanjo tsotra, lany lamaody nokasain’ ny Rain’ ny Mpampakatra fa hanaovany io.

Farany dia tena nahatezitra ilay ampakarina loatra ny plana manontolo ka nanapa-kevitra izy fa ny hany azo hatao dia ny misaraka amin’ ny Mpampakatra. Mba hanaovany izany dia tsy maintsy noraisiny ho andraikitra feno eo anatrehan’ ny lalאna ny toe-javatra. Niakatra fitsarana ny raharaha ary na dia fantatry ny mpitsara sy ny vahoaka aza fa tsy nanan-tsiny ny Mpampakatra, dia re ny antsoantson’ ny ampakarina hoe: “... Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana.” Jaona 19:15. Notanterahina ilay zava-doza.  Tsy naharitra ela anefa ny fahatsiarovan’ ilay ampakarina ho maivamaivana, satria tsy nampandrimandry azy ny tenin’ ny Mpampakatra nambarany andro maro taloha hoe: “Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy”. Jaona 2:19. Tsaroan’ ny ampakarina ireo fahagagana marobe nataony fony fahavelony ka tsy nisy farany ny tahotra nameno azy.

Araka ny teniny, dia niverina ny Mpampakatra rehefa afaka hateloana, velona sady tomady. Nolazainy tamin’ iray anisan’ ireo mpanaraka ny ampakarina fa tsy maintsy hitselika vetivety hihaona amin’ ny Rainy Izy mba ho azony antoka fa ara-dalאna daholo ny zavatra rehetra, raha ny momba ny ezaka nataon’ ny tenany hanantanterahana ny planan’ ny Rainy.  Jaona 20:17.

Nandeha Izy ary iny androtr’ iny ihany dia tafaverina. Namangy ny sasantsasany tamin’ ny fianakavian’ ny ampakarina Izy. Nahalasa fisainana lalina olona maro avy tamin’ ny ampakarina izany famangiana izany. Io ihany ve ilay olona nohomboina tamin’ ny hazo fijaliana, hateloana izay? Resy lahatra ry zareo nony farany, fa tena Izy ihany io. Faly dia faly ny Mpampakatra noho ny nahafantarana Azy, ka nirahiny izy ireo hitady ny havan’ ny ampakarina sisa ary hamerina azy ho eo Aminy. Hafa anefa ny tao an-tsain’ ny ampakarina ka tsy nety izy. Mbola resaka akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady ihany no olאna.

Ny fototr’ izany dia ny olona tsirairay avy tamin’ ny ampakarina (ny fiangonana), izay rehetra nilaza fa mino sy manaiky ny Mpampakatra, dia samy nandray akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady daholo. Tsy ny toerana hividianana na ny fampanjairana ny akanjo no olאna, satria rehefa manaiky ny taratasy fanasana ho anisan’ ireo avy amin’ ny ampakarina ny olona, dia mahazo ilay akanjo ho fanomezana izy. Ny miakanjo azy mihitsy no olאna!

Tsy ela tao aorian’ izao, dia tsapan’ Ilay Mpampakatra fa tsy ho tanteraka ny fanambadiany amin’ ilay fofom-bady nofidiny satria izy io tsy mety hisalotra ny akanjo. Noho izany dia nolazainy ny namany tsy hiezaka handresy lahatra io ampakarina nofidiny io intsony ho avy sy hanaiky Azy. Nasainy nandeha tamin’ ny toeran-kafa izy ireo hitady ampakarina izay vonona hanao ilay akanjo.

Nandeha nivezivezy izy ireo. Raha ny tena marina, nandeha “eny ambany lanitra rehetra” izy nitondra ny filazantsara (vaovao mahafaly), nizara fanasana (Kolosiana 1:23), nefa tsy firy no rototra.

Nandritra ny valonjato sy arivo taona nanaraka eo ho eo, dia maro ny mpanompo no nirahina, solon-tenan’ ny Mpampakatra hanasa izay rehetra ho avy amin’ ny fampakaram-bady. Toa niverina foana ilay olאna – ilay akanjo-fitondra amin’ ny fampakaram-bady. Nisy nilaza fa tsy mety ny manasaron-javatra toy izany. Nisy nihevitra fa tsara ihany ny akanjon’ ny tenany. Nifamadibadika teny ny hevitra.

Ny niafarany dia na ny mpanompo aza nisavoritaka. Nanasa olona izy ary tsy nasiany teny akory ny akanjo tsy maintsy hanaovana. Nisy aza nilaza hoe: “Raha manome vola ampy ianao, dia aza atao manahirana anao ilay akanjo.” Maro koa no nilaza hoe: “Tsy hitanay izay tena anton’ io akanjo io, noho izany adinoy fotsiny any izany; minoa fotsiny dia handray tsara anao ny Mpampakatra.”

Nifandimby ny taona ary tsy mbola vonona ihany ny ampakarina. Tsy handrin’ny Mpampakatra ny handray ny vadiny ka nandefa toro-marika manokana tamin’ ny alalan’ ny olona iray avy amin’ ny ampakarina Izy. Matetika no nandefa toro-marika manokana ho an’ ny vadiny Izy, nentin’ ny mpitondra hafatra manokana, ary, nanantena indray Izy, fa hisava ny olאna izay niteraka fisavoritahana teo amin’ ny fampiasana ilay fanomezany manokana. Nokendreny ny hanome toro-marika sy antsipiriany tamin’ ireny hafatra ireny momba ny fomba hanaovana sy hitafiana ilay akanjo, izay toa lasa olאna be toy izany. Nisy nandray tsara ny toro-marika manokana ary nisy kosa nitsipaka izany. Izay nanaiky ny toro-marika fanampiny dia toa nanaiky tsara ilay akanjo.  Hitany fa tena fitahiana namaha betsaka amin’ ny olאna teo aminy izany. Izay nandא ny toro-marika kosa dia toa mbola niatrika ny zava-tsarotra teo aloha ihany.

Tonga ny fotoana nilazan’ ny Mpanjaka fa tsy hihemotra intsony ny fampakaram-bady. Noho izany, dia nanindry mandry an’ i Jones sy Waggoner Izy, tamin’ ny Novambra 1888, hihaona tamin’ ny sasany avy amin’ ny ampakarina izay teo am-pivoriana, nandinika izay fomba tsara indrindra hanomanana ny ampakarina ho amin’ ny fampakaram-bady. Nanizingizina izy mirahalahy fa ny hafatra izay notoriany no fomba marina hiomanana amin’ ny fampakaram-bady.

Ilay akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady indray no olאna. Nisy nanaiky ny hitondra ilאn’ ilay akanjo raha mety miaraka amin’ ny azy izany. Ny hafa kosa dia tsy nila mihitsy. Nisy vitsivitsy nandray izany ho fanomezana ka nandray azy ary niakanjo azy tamim-pifaliana.

Tsy voavaha ny olאna, na dia izany aza, raha ny mikasika ny ampakarina. Rehefa afaka taona vitsy dia toa nanjavonjavo teny ilay olאna. Niezaka indray ny Mpampakatra hamoha ny ampakarina tao amin’ ny faharendremany mitera-doza. Vao nanomboka ity taon-jato ity tamin’ izay. Nisy boky nosoratana sy naparitaka nisy toro-marika mazava momba ny fiomanana ho amin’ ny fampakaram-bady. Tsy mbola resy lahatra tsara ny amin’ ilay akanjo anefa ny ampakarina, na dia niantso azy foana aza ny Mpampakatra hoe: “Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao ry Ziona o...”  Isaia 52:1

Niandry tamim-paharetana ny Mpampakatra mandra-paha-ambivotra ny fotoana tsy ahazoany miandry intsony. Nitombo haingana dia haingana ireo zava-tsarotra  eo amin’ izao tontolo izao. Raha ny ara-politika, ny ara-toe-karena, ara-piarahamonina, ny ara-tontolo iainana, ny ara-panahy sy ny ara-batana dia efa antomotra ny fahapotehan’ izao tontolo izao. Nanapa-kevitra indray ny Mpampakatra hanomana ny vadiny ho vonona ho amin’ ny fiverenany tsy ho ela, ka nododosany hanaiky hanao ny akanjo.

Tsy misy akanjo tahaka ilay akanjo fitondra amin’ ny fampakarambady eran’ izao tontolo izao manontolo. Mitondra fiadanana, fifaliana, fahafahampo sy fitiavana ao amin’ ny fon’ ny olombelona izany. Tsy hitan’ izay manao azy anefa izany, ary tsy hitan’ ireo mambra hafa (ny fiangonana) mpanotrona ny mpanambady koa. Nefa dia manjary andriamby mahery misintona ny hafa hanaiky ny antson’ ny filazantsara.

Izay no antony nahatonga ilay olona iray tsy nanao ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady tsy ho sina, rehefa nanontaniana ny antony, raha tsy rehefa niditra nijery ny nasaina ny Mpanjaka Matio 22:12. Nahatsiaro tamאna izy teo amin’ ny lanonana mandra-pihiditry ny Mpanjaka. Tamin’ izay fotoana izay vao tonga saina izy fa fantatra izy io mody tamאna io, ka tsy nisy fialan-tsiny azony naroso. Tsarovy fa nandray ilay akanjo izy fony izy nanaiky antso fanasana. Inona no azony alahatra? Io ampofoany, mivalona tsara io, ny akanjo. Ninoany ireo foto-kevitra asehony, fa tena tsy azoazony kosa ny miakanjo azy, maneritery loatra izany. Nikasa ny hanao sy hitafy azy ihany izy, fa tsy mbola izao. Tsy mahagaga raha sina izy.

 Natao ity boky ity hanehoana mazava ny fomba handraisana sy hanaovana ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady, izay tsy maintsy hanאnana sy hisaloran’ izay rehetra hihaona amin’ ny Tompo amim-piadanana ka tsy ho sina rehefa ho tonga Izy.  Eo am-pamakiana ny toko manaraka ianao dia ho hitanao ilay ao ambadik’izao fisavoritahana izao sy ny fomba mety hahafaka anao amin’ ny heriny. Amin’ izay, ary amin’ izay ihany, dia ho hitantsika mazava ny “ahoana” sy ny “nahoana” eo amin’ ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra  hanavotana antsika.

 

1. TSIAMBARATELO! Zava-Misy “Top Secret”

Sahan’ ady ny sain’ ny olombelona izay misy ady mitera-pahafatesana tsy mbola nisy toy izany, eto amin’ ity planeta ity. Manao izay hifehezany ny saintsika Kristy mba hahatrarantsika ny fahafenoana fara-tampony eo amin’ ireo fahaizana izay narafin’ Izy tenany ao amin’ io taova mahazendana io. Satana kosa, etsy andaniny, mitady izay hifehezany izay “fandrafiana an’ Andriamanitra ” ao amin’ io saina io. Romana 8:7.

Nampitahaina amin’ ny solosaina ny sain’ ny olombelona ka ny ati-dohan’ izany solosaina izany dia novolavolaina hifandray amin’ ny fotoana rehetra iasany amin’ ny loharano roa: Kristy na Satana. Tahaka ny solosaina, dia miankina amin’ ny zavatra raisin’ ny saina ny fiasany. Rehefa nofakafakainy ny zavatra noraisiny, dia mamaritra izay ho fanapahan-keviny amin’ izay izy sy izay ho fizotry ny hataony.

“Kristy no loharanon’ ny toe-tsaina tsara rehetra”1. Mifanohitra amin’ izany kosa izao: “Miezaka mandrakariva Satana hiasa lalina ao amin’ ny saina sy hifehy izany, ary tsy misy azo antoka ny amintsika raha tsy manana fifandraisana tsy miato amin’ Andriamanitra  isika”2. ‘Tsy misy afa-tsy hery roa no mifehy ny sain’ ny olombelona – dia ny herin’ Andriamanitra  sy ny herin’ i Satana”3. “Fehezin’ i Satana ny saina rehetra izay tsy manapa-kevitra hofehezin’ ny Fanahin’ Andriamanitra”4.

Mazava sy lalina ireo fanambarana voalaza eo aloha, koa andeha hoezahina fakafakaina ny fomba fiasan’ ireo hery roa lehibe ho amin’ ny tsara sy ny ratsy ireo. “Avia ary hifandahatra isika…. “ Isaia 1:18 no fototry ny drafitr’ asan’ Andriamanitra  amin’ ny fianakavian’ ny olombelona. “Ny fo, ny fitiavana, no angatahin’ Andriamanitra  aloha”5. (Samy ampiasaina amin’ ny dikany mitovy ny saina sy ny fo ao amin’ ny Soratra Masina sy ao amin’ ny asa soratr’ i Ellen White)

“Anaka, atolory Ahy ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ ny lאlako” Ohabolana 23:26.

 

“Ny plana miantomboka amin’ ny eo ivelany ary miezaka hiasa amin’ ny ao anatiny dia tsy nahomby hatrany ary tsy hahomby mihitsy. Ny planan’ Andriamanitra  ho anao dia manomboka eo amin’ izay itoeran’ ireo zava-tsarotra rehetra, dia ny fo ary amin’ izay dia hivoaka avy ao amin’ ny fo ireo foto-kevitry ny fahamarinana; ho eo ivelany sy ho ao anatiny ny fanavaozana”6.

 

Izao no matetika lazaina mikasika ny olona iray izay mianatra ny fomba ahatongavany ho Kristiana: “Ny hany sisa tokony hataony dia ny miala amin’ itsy fomba ratsy mahazatra itsy na iroa.” Tsy ny zavatra hanאnana, na ny fihetsika na ny fahazarana eo amin’ ny fiainana no olאna; fitrangan’ ny tena olאna fotsiny ireo. Hoy Andriamanitra: “…ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” 1 Samoela 16:7. “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana fa avy aminy no ihavian’ ny aina” Ohabolana 4:23.

 

“Tahaka ny masirasira miharo amin’ ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety ivelany, no fiasan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra hanova ny fiainana amin’ ny fanavaozana ny fo. Ny fiovאna eto ivelany fotsiny dia tsy ampy hahatonga antsika hifandrindra amin’ Andriamanitra. Betsaka no miezaka hanitsy ny tenany amin’ ny tsy fanaovana an’ itsy fomba ratsy mahazatra itsy na iroa ary manantena ny ho tonga Kristiana amin’ izany fomba izany, nefa dia diso lאlana am-piandohana izy. Ao amin’ ny fo no tokony hanombohana ny asantsika voalohany indrindra.”7

 

Hitantsika mazava fa ny fomba fiasan’ Andriamanitra  hanatanterahany ny asany ho an’ ny olona dia manomboka ao amin’ ny fo na ny saina. Ary na dia io asa io aza dia ilאna ny fanomezantsika alאlana an-tsitrapo. “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona....” Apokalypsy 3:20. “Raha manaiky sy mankatע ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany”. Isaia 1:19. “Fanompoana an-tsitrapo ihany no ho eken’Andriamanitra”.8

Noho izany, tsy afaka hanaiky fankatoavana vokatry ny fanerena Izy, eny, na dia faniriana ahafa-po ny feon’ ny fieritreretana mahatsiaro meloka aza.

 

“Ny olona izay miezaka hitandrina ny didin’ Andriamanitra  noho ny fahatsapany fotsiny fa tsy maintsy hatao izany, satria nangatahina hanao izany izy, dia tsy hanana na oviana na oviana fifaliana eo amin’ ny fankatoavana. Tsy izany no atao hoe mankatע. Rehefa raisina ho enta-mavesatra ny fitakian’ Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ ny fironan’ ny olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy fiainana Kristiana izany fiainana izany. Ny fankatoavana marina dia asa tanterahin’ ny foto-kevitra ao anaty. Mipoitra avy amin’ ny fitiavana ny fahamarinana izany, ary avy amin’ ny fitiavana ny lalאn’ Andriamanitra”9.

 

Nanomboka tany an-danitra ny fomba fiasan’ i Satana ary nahomby izy teo amin’ ny ezaka nataony hanaparitaka ny fikomiana izay nanomboka tao an-tsainy.” “Hevi-petsy lalina no nentiny nanamaizinana ny fikasan’ Andriamanitra. Na zavatra faran’ izay tsotra aza dia toa nanjary zavatra saro-pantarina. Nampidirany fisalasalana tamin-kafetsena fatratra na dia ny teny tsotra indrindra nolazain’ i Jehovah aza”.10

Nahomby indrindra ny plana nataony ka nentiny tety an-tany sahabo ho enina arivo taona izay.

“Mpiasa kinga ny fahavalo, ary raha tsy tarihin’ ny Fanahy masina mandrakariva ny vahoakan’ Andriamanitra dia ho voafitaka sy ho azony.

Efatra arivo taona i Satana no nanao fanandramana momba ny toetra mampiavaka ny sain’ ny olombelona, nianarany izany ary tena hainy. Ny asa feno hafetsena ataony amin’ izao andro farany izao, dia ny fampifamatorana ny sain’ ny olombelona amin’ ny azy, vontosany amin’ ny fisainany izany. An-kafetsena indrindra no anaovany izany asa izany ka tsy fantatr’ izay manaiky hotarihiny fa izy no mitondra azy hanao ny sitrapony. Manantena ilay mpamitaka lehibe amin’ izany fa hikorontana ny sain’ ny lehilahy sy ny vehivavy, ka tsy hisy afa-tsy ny feony ihany no ho re.”11

 

Nanomboka tany an-danitra ny asan’ i Satana tamin’ ny famafazana fisalasalana, fanontaniana sy fisainana tamin’ ny fomba miafina indrindra ka ireo anjely tsy lavo aza tsy tonga saina fa voatariny. Nanambara eritreritra avy amin’ i Satana izy, nefa noheveriny fa avy amin’ ny tenany izany.12 Ny plana nandeha tsara toy izany tany an-danitra dia azo antoka fa handeha tsara eto an-tany. Vavolombelon’ ny fahombiazany isika.

Ndeha hofakafakaintsika miaraka ireo plana ireo. Samy mitady hifehy tanteraka ny saina ireo hery roa ireo ka hanafoana ny andaniny: Andriamanitra, mitady ny fileferan’ ny olona an-tsitrapo Aminy; Satana, kosa mitady ny Fanantitranteran’ny olona ho mahavita-tena, izay tena fanomezana avy amin’ ny devoly mihitsy.

 

“Manomana ny ady farany hataony amin’ ny fiangonana ny fahavalo. Nanafi-tena tsy ho hita mihitsy izy ka maro no zara raha mino ny fisiany, ary mbola be kokoa no resy lahatra amin’ ny asany sy ny heriny mahagaga. Tena adinony marina tokoa ny tantarany; ary rehefa manao dingana iray hafa mandroso izy, dia tsy ho fantany fa izy no fahavalony, ilay menarana ela, fa hoheveriny ho sakaiza, izay tonga hanao asa tsara. Mirehareha izy fa mahavita – tena ka  hankatע ny fironana ratsy indrindra ao amin’ ny fon’ olombelona, noho ny hery miasa mangina miendrika ivelany sy mamitaka avy amin’ i Satana, kanefa amin’ izany dia mino izy fa Andriamanitra  no mitarika azy. Raha misokatra ny masony hahita mazava ny kapiteniny, dia ho hitany fa tsy Andriamanitra  no tompoiny, fa ny fahavalon’ ny fahamarinana rehetra.  Ho hitany fa ilay fahavitאn-tena hireharehany no rojo vy mavesatra indrindra hamatoran’ i Satana ny sainy miroaroa”.13

 

Izao no lazain’ Andriamanitra amin’ ny alאlan’ i Jesosy: “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo” Jaona 8: 36. Hoy i Satana: “Aiza kosa e, tsy tokony ho andevon’iza na iza ianao.”

Fifandaharana mazava ny an’ Andriamanitra, ary saina mandajalanja no ampiasainy. Miafina kosa i Satana, ka mahatonga ny olona hahatsapa fa izay saintsaininy sy izay fanapaha-kevitry ny tenany no arahiny, nefa ny mifanohitra amin’ izany no izy.

Eo amin’ io fifaninana lehibe io dia misy zavatra iray izay tandreman’ i Satana fatratra indrindra tsy ho hita – dia ny fahalemen’ ny tenany. Drafitra nataony ny hahazo antoka ny fahalavoan’ ny olombelona, ary manaraka izany dia nanantena izy fa hahazo famelאn-keloka sy hoekena indray eo amin’ ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny tenany sy ny olona meloka. Hafa anefa ny planan’ Andriamanitra. Satria fikomiana miharihary no nahalavo an’ i Satana sy ny anjeliny, fa ny olona kosa lavo noho ny fakam-panahy, dia tsy mitovy heloka izy ireo. Koa, nilaza Andriamanitra  fa ny olona irery no homena fotoana mety ahazoany manaiky ny herin’ ny fanomezan’ Andriamanitra  manavotra ao amin’ ny Zanany amin’ ny planan’ ny fanavotana.

Tsy ela dia ren’ i Satana fa, noho io plana io, dia tsy maintsy ho tonga olombelona Jesosy, Zanak’ Andriamanitra ka handoa ny tambin’ ny ota hisolo toerana ny olona. Ravoravo ny devoly noho izany. Nefa, nanana olאna izy. Ahoana ary izao no hihazonany ny olona eo ambany fahefany?  Io no tsiambaratelon’ i Satana tsara afina indrindra!

Eo amin’ ny faritra ambony indrindra eo amin’ ny sain’ ny olombelona no nametrahan’ Andriamanitra ny fanomezany sarobidy indrindra ho an’ ny olona – dia ny sitrapo izany. “Izany no hery mibaiko eo amin’ ny toetr’olombelona, dia ny herin’ ny fanapahan-kevitra, na ny herin’ ny safidy. Miankina amin’ ny herin’ ny sitrapo ny zavatra rehetra”.14 “Ny sitraponao no ipoiran’ ny asanao rehetra”.15 Raha voafehin’ i Satana ny fahefana toy izany, dia ho mora ho azy ny hanapotika ny olona amin’ny famitahana azy hihevitra fa mbola manana fotoana lava hiovאna araka izay iriny izy.

Ahoana ary ny momba ilay tsiambaratelo “Top secret”?  “Io sitrapo io, izay manana anjara-toerana lehibe eo amin’ ny toetra amam-panahin’ ny olona, dia nomena hofehezin’ i Satana tamin’ ny fahalavon’ ny olona; ary hatramin’ izay dia niasa tao amin’ ny olona izy hikasa sy hanao ny sitrapony, nefa dia mitondra ny olona eo amin’ ny faharavana sy ny fahoriana izany”.16

Inona no maha-“Top secret” an’ izany? Satria io no fomba hiezahan’i Satana hifehezana nefa tsy ahafantarana akory ny fidirany an-tsehatra. Io fomba io ihany no nampiasainy tany an-danitra. Fantatr’i Satana fa tsy hoesorin’ Andriamanitra  aminy io fifehezana io, satria Andriamanitra tsy manery ny sitrapontsika na oviana na oviana. Tokana ny planan’ i Jehovah – ny hahazo antsika hiverina ho eo Aminy. Noho ny nanomezany an’ i Jesosy ho an’ ny taranak’olombelona, dia afaka miteny Andriamanitra  hoe: “Milefera ianareo Amiko; omeo Ahy io sitraponareo io: alao tsy hofehezin’ i Satana, dia horaisiko ho fanאnako; amin’ izay dia ho afaka hiasa aminareo aho hikasa sy hanao ny sitrapoko”.17

Tsy maintsy hoesorin’i ny olona ny sitrapony tsy hofehezin’ i Satana vao azony homena an’ i Kristy. Fantatr’i Satana tsara fa tsy afaka hitאna na hanery ny sitrapon’ ny olona izy raha misafidy ny hanala izany tsy hofeheziny ny olona. “Tsy manam-pahefana hifehy ny sitrapo na hanery fanahy hanota ilay mpaka fanahy”.18 Raha mbola Kristy no mifehy, dia tsy manan-kery i Satana. “Fantatr’i Satana fa tsy afaka mandresy ny olona izy raha tsy afaka mifehy ny sitrapony”.19

 

“Tsy azon’ ny mpaka fanahy na oviana na oviana atao ny manery antsika hanao ny ratsy. Tsy afaka mifehy ny saintsika izy raha tsy isika no manaiky hotapahiny. Tsy maintsy manaiky ny sitrapo, tsy maintsy mamaha ny famikirany amin’ i Kristy ny finoana vao afaka mampiasa ny heriny amintsika i Satana”.20 Eo no misy ny fahalemeny. “Fantatr’i Satana tsara fa ny fanahy osa indrindra izay mitoetra ao amin’ i Kristy dia mahery noho ny andian-tafiky ny haizina ary fantany fa raha miseho mivantana izy, dia ho voatohitra”.21

 

Tokony ha azontsika mazava fa afaka manala ny sitrapontsika tsy ho eo amin’ i Satana isika; nefa kosa tsy manan-kery hitahiry izany samy irery isika. Tsy maintsy milefitra tanteraka amin’ i Jesosy isika. Andriamanitra  irery no afaka hiaro antsika amin’ ireo fitaka ataon’ i Satana. Raha tsy hentitra isika fa an’ i Kristy ny sitrapontsika, dia hofehezin’ i Satana indray izany. “Tsy misy afa-tsy Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia izay efa nifehy ny sitrapo”.22

Mbola misy zavatra iray koa tokony hazava amintsika tsara mikasika ny fomba hifehezan’ i Satana sy ny devoliny ny sitrapo. “Izay tsy te- ho babon’ i Satana dia tokony hiambina tsara ny fanahiny, ka tsy hikasika boky ratsy, na hijery na hihaino zavatra mety hampiditra fisainana maloto ao amin’ ny eritreriny”.23 Aoka samy hiaro ireo retsika isika, sao ho resin’ i Satana izy ireny, ireny mantsy no lalאm-be mankany amin’ ny fanahy.”24

Kianja ilalaovan’ ny devoly ny retsika dimy – ny tsiro, ny fikasihana, ny fandrenesana, ary ny fanamboloana, - misy toetra itovizana izy rehetra- samy tsy maintsy ho tonga fihetseham-po izy vao azon’ i Satana ampiasaina hirindra amin’ ny planany. Ampiasainy ny fihetseham-pontsika hisolo toerana ny saina mandajalanja hitarika ny sitrapo. Angamba tokony hanontani-tena isika hoe firy ny fanapahan-kevitra ataontsika isan’ andro amin’ ny alalan’ ny fihetseham-po fa tsy amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny saina mandajalanja.

Rehefa esorintsika tsy hofehezin’ i Satana ny sitrapontsika ka ampileferintsika amin’ i Jesosy, dia dioviny izany ary averiny amintsika mifamatotra amin’ ny sitrapon’ ny tenany. Amin’ izany fomba izany no itoerany ao amintsika ary isika ao Aminy. Ny vokany dia rehefa manao ny sitrapony isika, dia ny sitrapontsika ihany no ataontsika.

Tsy azo heverina ho fanandramana zary sangisangy io fileferana io – na zavatra tsy mila ezaka firy, na fisainana manao ahoana.  “Amin’ ny alalan’ ny sitrapo no hamikiran’ ny fahotana amintsika. Aseho amin’ ny fanesorana ny maso hiala sy ny fanapahana ny tאnana ny fampileferana ny sitrapo”.25

Andeha heverintsika hoe misy zanak’Andriamanitra  hampahorian’ ny fahotana mahazatra azy izay ahitany fahafinaretana. Fantany fa tokony hialאny izany ary misy fotoana aza hivavahany amin’ Andriamanitra  hanalאny izany. Mety resy lahatra aza izy hampilefitra io fahazaran-dratsy io amin’ Andriamanitra. Tokony ho fantany fa io toe-javatra iainany io dia fisehoan’ ny sitrapo tsy nampileferina. Mbola manam-paniriana hitarika ny fiainany izy ary jamba tsy mahita fa rehefa Andriamanitra  no mifehy ny sitrapo dia mbola isika ihany no misafidy, fa amin’ izay kosa ny faniriantsika ambony indrindra dia ny hanao ny sitrapony fa tsy ny antsika. Ilaintsika ny mahazo fa ny faniriantsika maha-nofo “te-hanao ny sitrapontsika” dia novaina ho sitrapo voajanahary hanao ny sitrapony amin’ ny alalan’ ny fileferana. Tsy misy verintsika afa-tsy ny faniriantsika hanome fahafinaretana ny tenantsika. Ny azontsika kosa dia ny mivelona amin’ ny plana vaovao izay mahalefy ny herin’ ny fahotana ary mampanjaka fiadanana ao amin’ ny fanahy.

Rehefa mifehy ny sitrapo Andriamanitra, dia ny saina mandajalanja sy ny feon’ ny fieritreretana no mitאna ny retsika dimy fa tsy ny fihetseham-po. Velona amin’ ny finoana isika amin’ izay fa tsy amin’ ny fihetseham-po. Tsy mitsipaka ny fihetseham-po ny mivelona amin’ ny finoana, fa mametraka azy eo amin’ ny toerana tokony hisy azy. Tsy maintsy manaraka ny fampiasאna ny sitrapo ny fihetseham-po fa tsy izy no ho vy miaina manainga ny ataon’ ny sitrapo.

Fantatrao izao ny tsiambaratelo “Top secter”-ny fahavalo! Raha tsy mbola noheverinao ny hanala ny sitraponao tsy ho fehezin’ i Satana, nahoana no tsy atao izany, izao ankehitriny izao? Lazao ho ren’ i Satana: “Alaiko tsy hofehezinao ny sitrapoko ary hampileferiko amin’ i Jesosy”; Dia hilazao Jesosy: “Raiso re ny sitrapoko satria tsy haiko ny mitahiry azy”.

Mampanantena Jesosy fa handray, hanadio, hanasa, ary hamerina izany aminao, nampifamatorany tamin’ ny sitrapony. “Rehefa afoinao ny sitraponao, ny fahendrenao, ka mianatra amin’ i Kristy ianao, dia hoekena ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.”26

Tsy misy hery any an-danitra na ety an-tany izay afaka hanery antsika hanao izany dingana tsotra izany. Ataovy ao an-tsaina fa io no dingana tsotra ao amin’ ny planan’ ny famonjen’ Andriamanitra izay ezahin’ i Satana hanakanana antsika tsy inoana sy hotanterahina. Mety ho tapaka ny fahefany amintsika, amin’ ny dingana tsotra mihazona ny sitrapontsika hilefitra amin’ Andriamanitra  isan’ andro. Fantany fa ety am-pelatאnantsika ny fanalanahidy. Hataontsika ve io dingana io, ka ampiasaintsika ny fanalahidy? Hanokatra ho anao ny herin’ ny lanitra izany, raha mifamatotra amin’ Andriamanitra ianao.

 

I. TSIAMBARATELO ZAVA-MISY “TOP SECRET”

 

A: TRANDRAO

1. Inona “ilay tsiambaratelo “top secret” an’ i Satana, ary inona koa “ilay fahalemeny

2. Ny vavahadintsainao no hibosesehan’ny fisainana maloto: milazא fomba hiarovanao ireo toeran-tsaro-pady ireo.

B: AMPIHARO

“Lazao ho ren’ i Satana: ‘ Alaiko tsy hofehezinao ny sitrapoko, ary ampileferiko amin’ i Jesosy”. Dia hilazao Jesosy: ‘Raiso re ny sitrapoko satria tsy haiko ny mitahiry azy. Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao, dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1   Ilay Tena Fahasambarana p. 30/3

2   Testimonies vol. 4 p. 542

3  Temperance p. 276

4  Testimonies to Ministers, p.79.

5   Testimonies, vol. 2, p.169.

6   Counsels on Diet and Food, p. 35

7   Henoinareo ny fanoharana p. 70/3

8   The SDA Bible Commentary vol. 7 p. 977

8  Henoinareo ny fanoharana p . 70

9   Patriarika sy Mpaminany p.21 / 1

10  Selected Messages,  book 2 pp. 352-353

11  Patriarika sy Mpaminany  pp. 13-19

12  Testimonies, vol. 5 p. 294

13  Ny Tena Hasambarana  pp. 56,57

14  Messages to Young People p. 135

15  Messages to Young people, p. 154

16  Messages to Young people, p.154

17  Hery Mifanandrina  p . 529

18  Temperance, p.16

19  Ilay fitiavana Mandresy, p.116/2

20  Hery Mifanandrina, p. 551/3

21  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 31/2

22  Vavolombelona Mahery p.456/4

23  The Adventist Home p. 401

24  Thoughts from the Mount of Blessings, p. 61

25 Selected Messages, book 1.  p. 110

 

 

2.Araka Ny Lalana TANTERAKA

“Noho izany aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny fahatanterahan’ ny Rainareo izay any an-danitra” Matio 5:48. Milaza amintsika mazava io fanambarana avy amin’ ny toritenin’ i Jesosy teo an-tendrombohitra io fa tsy niova na oviana na oviana ny planan’ Andriamanitra ho an’ ny olona. Tanteraka ny olona raha noforoniny.

Nandova ny fahamelohan’ i Adama ny fianakavian’ ny olombelona, rehefa lavo avy tamin’ ny toetry ny fahatanterahany izy. Na dia izany aza, ny toetra-pahalavoana teo amin’ ny olombelona dia tsy nampihena, na dia kely aza ny fitakiana fahatanterahana nambaran’ i Jesosy mazava ao amin’ ny Matio 5:48 izany.

Nefa kosa, manana plana Andriamanitra  izay ahazoan’ ny olona manatanteraka io fitakiany io. Tsotra indrindra io plana io ka mety hazava amin’ ny olona, nefa mahafaoka ny zavatra rehetra ka Andriamanitra irery ihany no afaka hahatsapa ny halaliny. Jaona 3:16.

Nahatonga io plana io tsy ho azo i Satana tamin’ ny nandisoany ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra eo anatrehan’ ny olona. Vokatr’izany, dia namolavola fomba maro ny olona hahatrarany ny fahatanterahana. Malahelo isika ny amin’ ny mpivavaka “hindu”, izay mivadibadika amin’ ny fandriana misy fantsika miranirany. Nefa miezaka hahatratra tarigetra mitovy isika amin’ ny fanaovana asa tsara, izay mitarika antsika hino fa izany no tokony hataon’ ny Kristiana  raha manantena ny hahatratra ny lanitra izy.

Tsy mampaninona ny fitovizan’ ny sandoka akaiky amin’ ny tena izy. Fa ny sandoka, sandoka ihany. Arakaraka ny fitovizany amin’ ny tena izy ny fitaka fonosiny, ary izany no mahatonga ny hoe “….Tsy ny fiainan’ ny mpanota nafoy na ny olona fara-idiny no tanאna mimanda mafy indrindra ho an’ ny fahalotoam-pitondratena eto amin’ izao tontolo izao; fa ny fiainana toa miseho ho feno hatsarana sy haja ary mendrika andriana, nefa hanolokoloana fahotana, hibahanan’ ny fahalotoana”.1

Mety ho kely ny fahotana. Nefa tsy ny halehiben’ ny fahotana no izy fa ny fandאvana tsy hiaiky ny toetra ratsy manimban’ ny fahotana sy ny tsy fanekena hampilefitra ny fikomiantsika amin’ i Jesosy.  Ny fanoherana ny asany ao amin’ ny fiainantsika no mandratra ny fony, satria tsy misy na inona na inona azony atao, raha tsy minia milefitra aminy isika, tahaka ny tanimanga eo an-tאnan’ ny mpanao vilany.

Voalaza amin’ ny antsipiriany ao amin’ ny Tena Hasambarana (Ny Dia ho eo amin’ i Kristy) ny planan’ Andriamanitra:

“Talohan’ ny nahalavoan’ i Adama dia azony natao ny hanorina toetra marina tamin’ ny fankatoavana ny lalאn’ Andriamanitra. Nefa tsy nahatanteraka izany izy, ary noho ny fahotany dia simba ny toetsika, ka tsy haintsika atao ny mahatonga ny tenantsika ho marina. Koa satria mpanota sady ratsy isika dia tsy azontsika atao ny hankatע tanteraka ny lalאna masina. Tsy ampy hifamatra amin’ izay ilain’ ny lalאna ny fahamarinana ananantsika. Nefa Kristy efa nanao lאlana hahafaka antsika. Velona teto ambonin’ ny tany Izy sady nohodidinin’ ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy toy izay mihatra amintsika. Velona tsy nanana ota Izy. Maty nisolo antsika Izy, ary izao dia manaiky hitondra ny fahotantsika sy hanome antsika ny fahamarinany. Raha omenao Azy ny tenanao, raha manaiky Azy ho Mpamonjy anao ianao, ary na dia efa feno fahotana toy inona aza ny fiainanao dia hisaina ho marina ianao noho ny alאlany. Ny toetr’i Kristy no nisolo ny toetrao, ary hankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra  ianao, toy ilay tsy nanota akory”.2

Hitantsika voasoritra eto amin’ ny fizarאn-dahatsoratra iray ny plana mahagaga nataon’ Andriamanitra. Misahana ny zavatra rehetra mihoatra noho izay fijerintsika indray mitopi-maso anefa io plana io. Hoy i Paoly amintsika: “Rehefa nampahafantarin’ (Andriamanitra ) ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany, hahatanterahiny ny fitondrana hatao mandra-paha-tapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, dia ho Aminy”. Efesiana 1:9, 10

Eritrereto anie ! Izao rehetra izao manontolo no voasariky ny andriambin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ho amin’ ny firindrana tanteraka amin’ ny alאlan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.

Tsy izay fotsiny ihany. Mandray lova isika “.... rehefa notendrena rahateo isika (araka ny plana mialoha) araka ny fikasan’ (Andriamanitra ) izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony (fon’ Andriamanitra)” Efesiana 1:11. Azontsika an-tsaina ve izay rehetra voafaokan’ izany hoe “mpandova” isika? Midika izany fa tena anisan’ ny fianakaviany isika – nofo sy taolany. Mihoatra noho ny natsangana isika;  natsofoka teo amin’ ny tena voaloboka isika. Horesahintsika bebe kokoa izany amin’ ny toko manaraka.

Koa satria ao amin’ ny planan’ Andriamanitra, Jesosy no hery mampivondrona, mihodina eo Aminy izao rehetra izao manontolo, ary mifatotra eo Aminy, amin’ ny mahazakan’ ny fitiavana, ny olona rehetra, dia hitantsika fa ny toetra amam-panahy feno fitiavan’ i Kristy (ny akanjom-pahamarinany) izay nomena ahy – mpanota, no hany fomba ahitan’ ireo anjely, ireo mponina any amin’ izao tontolo izao hafa, ary ny lehilahy sy ny vehivavy, ny firenena rehetra eto an-tany, io no hany ahazoan’ izy rehetra manaiky, tsy am-pisalasalאna fa azo antoka ho amin’ ny mandrakizay isika. Rehefa tahaka Azy ihany isika amin’ ny toetra amam-panahy vao afaka maneho fa mitombona tsy azo hozongozonina.

Azoko antoka fa hitantsika izao fa ny hany lאlana ho amin’ ny fahatanterahana dia amin’ ny fanamarinana – toy ilay tsy nanota akory. Manantena aho fa mazava koa fa ny fanamarinana dia ny fanisana ny toetra amam-panahiny tanteraka izay an’ i Kristy ho an’ ny mpanota tsy tanteraka sy tsy manan-kery.

 

“Inona no atao hoe fanamarinana amin’ ny finoana? Asan’ Andriamanitra amin’ ny fametrahana ny voninahitry ny olona ao amin’ ny vovoka, ary ny manao ho an’ ny olona izay tsy hananany hery atao ho an’ ny tenany. Rehefa mahita ny maha-tsinontsinona azy izy dia vonona ny hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy.”3

 

Andeha indray hojerentsika ny paikady hoenti-manana ny fanamarinana. Fehezan-teny iray no hilazan’ ny Baiboly azy. “Koa noho izany rehefa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia vita fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alאlan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.” Romana 5:1. Na amin’ ny teny hafa:  ny nahafatesan’ i Kristy no nahatonga Azy ho afaka hanamarina izay rehetra maniry hohamarinina. “Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo Kalvary ny vidin’ ny fanavotana ny taranak’ olombelona. Ary tamin’ izany dia azony ny zo hanavotra ny babo ho afaka amin’ ny famikiran’ ilay mpamitaka lehibe.”4 Hitantsika mazava fa fitaovana ihany ny finoana fa tsy fototry ny fanamarinana. Tsy izaho no mijoro amin’ ny finoana, fa ny finoana no mahatonga ahy ho afaka hijoro; mahatoky ny tenin’ Andriamanitra. Ny finoana dia tena zava-misy mihoatra noho ny iray amin’ ny retsika, na mihoatra noho izy dimy aza. (jereo The SDA Bible Commentary, vol. 6. p. 1073).

Misy zavatra iray tokony hojerena raha mandinika ny finoana isika. Hoy i Paoly: “Fantatsika fa tsy hamarinina amin’ ny asan’ ny lalאna ny olona fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, fa tsy amin’ ny asan’ ny lalאna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalאna” Galatiana 2:16.

Andeha hodinihintsika ny fanambarana ao amin’ ny Review and Herald, April 24, 1888:

“Tokony handinika ny fiainan’ ny Mpanavotra antsika isika, satria Izy no ohatra tanteraka ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny sorona tsy hita lany tao Kalvary isika, ary hahita ny maha-ota  mahatsiravina tanteraka ny fahotana sy ny fahamarinan’ ny lalאna. Hahazo hery sy fahamendrehana ianao rehefa nandinika lalina ny lohevitra momba ny fanavotana. Hihalalina ny fahazoanao ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra; ary raha mazava ao an-tsainao ny drafitry ny fanavotana manontolo, dia ho afaka hanatanteraka kokoa ny iraka nomen’ Andriamanitra  anao ianao.  Noho ny faharesen-dahatra lalina ao aminao,  dia ho afaka hijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’ ny toetry ny lalאna tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny maha-ratsy ny fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra  raha manamarina ny mpino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany”.5

 

Hivereno vakiana azafady ny fehezan-teny farany ao amin’ ny fizaran-dahatsoratra eo ambony io ary mariho ny fepetran’ Andriamanitra hanamarinany ny olona.

Tsy haintsika ny mahatakatra io karazana finoana io. Ilay finoan’ Andriamanitra mahagaga ao amin’ ny drafitry ny fanavotana nataony io izay ampihariny amiko – mpanota. Izay azontsika lazaina dia ny hoe: Tompo פ, mino aho, vonjeo aho amin’ ny tsi-finoako.”

Faly indrindra aho fa nomen’ Andriamanitra  ny olona tsirairay ny fatran’ ny finoana. Ary toy inona izany? Finoana ampy hiantoraka tahaka ny an’ ilay ray mahantra nanan-janaka nitoeran’ ny demonia. Ny finoana dia manokatra fotsiny ny varavarana hidiran’i Kristy hanampy antsika araka izay ilaintsika sy araka ny voninahiny. Tsy tompon’ ny finoantsika fotsiny Jesosy, fa Mpanefa azy koa. Hebreo 12:2.

Noho izany, ny paikady hoenti-manana ny fanamarinana izany dia manaraka lalאna. Rehefa misy zavatra ataontsika mikasika ny lalאna dia tsy maintsy mitady olona manana alאlana hanao izany isika. Jesosy no hany manana alאlana hanao izay zavatra mikasika ny lalאna ho antsika. “Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo Kalvary ny vidin’ ny fanavotana ho an’ ny taranak’olombelona. Ary tamin’ izany dia azony ny zo hanavotra ny babo avy amin’ ny famikiran’ ilay mpamitaka lehibe.”6

Raha nandentika ny fantsika teo amin’ ny tאnan’ ny Mpamonjy ny miaramila, dia “azon’ i Jesosy ny zo ho tonga mpisolovavan’ ny olona eo anatrehan’ ny Ray.”7 Satria mikasika ny lalאna ny fanamarinana antsika  dia ny antonta-taratasy momba antsika ihany no arahina, fa tsy ny vata-tenantsika. Raha misy nanao heloka bevava  mahazo famelan-keloka eo anatrehan’ ny lalאna, dia ny fijoroany eo anatrehan’ ny lalאna no miova fa tsy voakasika ny toetra amam-panahiny.

Noho i Jesosy manana alאlana hanao izay zavatra mikasika ny lalאna io ihany, dia araka ny fahamarinana ny fanamarinana. Tsy sanatria fahamarinana ambany kokoa na tsy feno akory izany. Tsy misy na inona na inona azo hanampy io fanomezana kanto loatra io raha ny fotoana, ny fanandramana, ny talenta na ny ezaka. Velona teto amin’ izao tontolo izao Jesosy nandritra ny telo amby telopolo taona sy tapany ary nahavanona toetra amam-panahy tanteraka. Io no fanomezana tsy hay lazaina ho antsika.

Na dia halefanao any amin’ izay faritra lavitra indrindra mety ho tratranao aza ny eritreritrao, dia tsy ho afaka hihevitra zavatra izay ho azonao hanampy io fahatanterahana io ianao, izay fanomezana tsy hay tononina isaina ho antsika.

Eto no misy fakam-panahy ho an’ ny maha-olombelona, ny hino fa tsy mety hanana fahatanterahana tokoa isika, raha tsy misy asa ataontsika ahavanonana azy. Misy asa, mazava ho azy izany, asa tena misedra ary mampahory tokony  hataontsika, hazava amintsika tsy ho ela ny momba an’ izany. Nefa, ataovy ao an-tsaina fa Andriamanitra irery ihany no afaka hanao ny asany ary ny olona irery koa no afaka hanao ny azy. Tsy azon’ Andriamanitra hatao ny miandraikitra ny asan’ ny olona ka hifanaraka amin’ ny lalאn’ ny tenany, toy ny tsy hetezan’ ny olona manao ny asan’ Andriamanitra, sady tsy manan-kery hanaovana izany rahateo koa izy.

Ny fanamasinana – ilay fahamarinan’ Andriamanitra  zaraina – no paikady mamaritra tsara sy manazava ny anjara asantsika amin’ ny azy; hodinihintsika amin’ ny  toko hafa ny momba ny fanamasinana.

Ny fanamarinana no anisana antsika ho nankatע ny didin’ Andriamanitra. (jereo Christ Our Righteousness, p. 99, Review and Herald, August 22, 1893).

“Koa amin’ izany, satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alאlan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.” Romana 5:1. Tsy manamarina ahy fotsiny Jesosy fa mamitra-pihavאnana amiko, mpanota sy Andriamanitra, namorona ahy izay nikomiako. “Tsy antsoina hamitra-pihavanana amin’ Andriamanitra  ny mino: tsy mbola nahavita izany na oviana na oviana izy sady tsy hahavita izany mihitsy. Tokony hanaiky an’ i Kristy ho fihavanany izy, satria eo amin’ i Kristy Andriamanitra  sy ny fihavanana.”8

“..... satria fandrafiana an’ Andriamanitra  ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalאn’ Andriamanitra  izy sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra”. Romana 8:7, 8. Teny tokony hanohina sy hanetsika ny mambra tsirairay ao amin’ ny fiangonana ny teny hoe “ao amin’ ny nofo”. Tsy araka ny finoana mahazatra anefa, fa tsy milaza ny momba ny olona eo amin’ izao tontolo izao, izay tsy mahalala an’ Andriamanitra , ny hoe “ao amin’ ny nofo”, fa milaza ny momba ny olona ao amin’ ny fiangonana kosa izay mahalala an’ Andriamanitra  saingy tsy manaraka mba ahahafantatra Azy bebe kokoa.

Misy ambaratonga telo lazain’ i Paoly momba ny fiainan’ ny olombelona: ny olona amin’ ny maha-olombelona azy, ny olona araka ny nofo, sy ny olona ara-panahy. 1 Korintiana 2:14, 15 sy 3:1. Samy velona amin’ iray amin’ ireo ambaratonga ireo isika. Ny amin’ ny maha-olombelona dia ny toetra nolovaintsika tamin’ ny nahaterahana. Ny ara-panahy dia izay nomen’ Andriamanitra  rehefa nateraka indray isika ka mitohy mitombo ao amin’ i Kristy. Ny ara-nofo dia eo anelanelan’ ireo roa ireo. Ilay toetra vaovao nomena ny olona rehefa nateraky ny Fanahy izy fa tsy ny nofo, nefa tsy nitombo “...hahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy.” Efesiana 4:13.

Io no toetry ny olona lazain’ i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy 3:14-22: “...tsy mangatsiaka na mafana... matimaty, ary tsy mangatsiaka na mafana ... haloan’ ny vavako...”

 

“Ny sary asehon’ ny hoe haloan’ ny vavany dia midika hoe tsy afaka manolotra ny fivavahanareo na ny fanehoam-pitiavanareo amin’ Andriamanitra Izy. Tsy afaka manamarina ny fampianaranareo ny teniny Izy na ny asa ara-panahy ataonareo akory aza. Tsy afaka mitondra ireo fanompoam-pivavahanareo izay mangataka ny hanomezana fahasoavana ho anareo Izy.”9

 

Mahafantatra tsara isika fa raha tsy voahosotra amin’ ny Fanahin’ i Jesosy Tompo ny vavaka ataontsika, dia tsy mihaino antsika Andriamanitra “...Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, raha tsy amin’ ny alאlako”, hoy Jesosy ao amin’ ny Jaona 14:6. Mametraka antsika eo amin’ ny toerana izay tsy maintsy handraisantsika fanapahan-kevitra izany. Izay no nilazan’ i Jesosy hoe: “...Aleo ho mangatsiaka na mafana ianao.” Apokalypsy 3:15. Apokalypsy 3:18 dia manaraka amin’ ny hoe: “dia manoro hevitra aminao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo....” Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina fa vidina tsy amim-bola na amin-karena io entam-barotra io. Isaia 55:1.

Misy nilaza fa “ny fandresena dia ateraky ny zava-tsarotra.” Ny zava-tsarotra ho antsika dia ny mahita ny adalאna mahakivy eo amin’ ny toetra matimaty sy ny mahatsapa ny tena ilאntsika ny hahazo ny volamena atoron’ Andriamanitra antsika. Mila fahendrena manokana eto isika, satria betsaka no tonga teo amin’ io toerana io nefa nanaraka ny planan’ i Satana. Heveriny fa miala ny olאna mianjady aminy izy kanefa izy no mitarika azy ho amin’ ny olאna lalina kokoa.

Hevitra tsara ny “mamadika pejy vaovao”, ny “manapa-kevitra hanao tsaratsara kokoa”, ny “ho mahatoky kokoa” nefa tsy manan-kery hanova ny fiainana ireo.

 

“Tahaka ny masirasira miharo amin’ ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety ivelany, no fiasan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra  hanova ny fiainana amin’ ny fanavaozana ny fo. Ny fiovana ivelany fotsiny dia tsy ampy hahatonga antsika hifandrindra amin’ Andriamanitra. Betsaka no miezaka hanitsy ny tenany amin’ ny fanovana an’ itsy fomba ratsy itsy na iroa, ary manantena ny ho tonga Kristiana amin’ izany fomba izany, nefa dia diso lאlana izy. Ao amin’ ny fo no tokony hanombohana ny asantsika voalohany indrindra.”10 (Jereo koa Selected Messages, book 1; p. 353).

 

Ny fanapahan-kevitra tsy maintsy ataontsika dia ny mamela ny sain’ i Kristy ho tonga saintsika. “Aoka ho aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa”. Filipiana 2:5

 

“Efa nisy zavatra namboarin’ Andriamanitra  rahateo hahatonga antsika ho tahaka Azy; ary hotanterahiny izany amin’ izay rehetra tsy misakana azy amin’ ny sitrapo ratsiny na manao tsinontsinona ny fahasoavany.

Fitiavana tsy hay lazaina no nitiavan’ Andriamanitra  antsika, ary arakaraka ny ahafantarantsika sombiny kely amin’ ny lavan’ izany fitiavana izany, sy ny sakany, ny halaliny ary ny hahavony, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, no ifohazan’ ny fitiavantsika Azy. Amin’ ny hanehoana ny fitiavan’ i Kristy mahataona sy amin’ ny fahalalאna ny fitiavany antsika fony mbola mpanota aza isika, ka mahatonga ny fo vato ho malemy sy resy, ary dia voaova fo ny mpanota ka tonga zanaky ny lanitra. Tsy zavatra an-tery no ampiasain’ Andriamanitra; fitiavana no ampiasainy handroaka ny fahotana ao am-po. Io no fiasאna entiny manova ny fiavonavonana ho fanetren-tena ary ny fankahalאna sy ny tsy finoana ho fitiavana sy finoana”.11

 

Raha ny finoana no fitaovana ary ny fitiavana no hery, izay samy miaraka amin’ i Kristy sy avy Aminy izany, dia hitantsika mora foana fa tsy maintsy ho Azy koa ny ho paik’adiny. Deraina Andriamanitra! Azy izany satria zony tamin’ ny nahafatesany an-tsitrapo teo amin’ ny hazo fijaliana. “Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo Kalvary ny vidin’ ny fanavotana ho an’ ny taranak’olombelona. Ary tamin’ izany dia azony ny zo hanavotra ny babo avy amin’ ny famikiran’ ilay mpamitaka lehibe.”12 Araka izany dia mazava fa noraisin’ i Kristy ho andraikitra izay rehetra azo heverina mikasika ny lalאna, izay takian’ ny lalאna masin‘Andriamanitra alohan’ ny hiezahany hanafaka ny olona avy ao amin’ ny lavaka mangitsokitsoky ny fahotana izay nahalavoany. Fa Kristy no “...Zanak’Ondry Izay voavono hatramin’ ny nanorena an’ izao  tontolo izao”. Apokalypsy 13:8.

Mazava ho azy izao ny hanekentsika ny planan’ Andriamanitra ho tena mampangina ny fiampangana ataon’ i Satana izay milaza fa hatramin’ ny nanotany dia azy ny olona.  Endrey izany fitahiana avy amin’ ny fanomezana sarobidy indrindra omen’ Andriamanitra ny olona rehefa averiny aminy ny sitrapo izay nalefitr’i Adama fony izy lavo! Io fanomezana ny sitrapo averina io dia hahatonga antsika hisafidy ny ho tia, hanompo, ary hankatע tompo hafa raha fantantsika fa tsy manan-kery hanatanterahana izay safidintsika atao isika. 

Io safidy io dia manome alאlana an’ Andriamanitra  hanatanteraka ny planany hanamarina antsika araka ny lalאna sy hanisa ho ahy, mpanota, ny toetra amam-panahiny tanteraka izay novolavolainy teto amin’ ity tany ity, raha nisedra ny fakam-panahy masiaka indrindra nataon’ i Satana Izy. Izay no anton’ ny soratra hoe “toy ny tsy nanota akory”, ary tsy misy na inona na inona azon’ i Satana hatao ny amin’ izany. Izay no antony ny hoe “Raha ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo”.

Aoka averiko indray; Ny finoana no fitaovana; ny fitiavana no hery, ny paikady dia ny planan’ ny fanavotana, ary hoderaina ny anarany masina, araka ny lalאna izany, na aiza na aiza eran’ izao tontolo izao. Tsy araka ny lalאna fotsiny, fa hany loharanon’ ny tena fifaliana sy ny fahasambarana ho an’ izao tontolo izao manontolo.

 

II. ARAKA NY LALANA TANTERAKA

 

A: TRANDRAO

1. Inona no hinoan’ Andriamanitra fa ho tanteraka eo amin’ny mpino nohamarininy?

2. Inona avy ireo “ambaratonga telo lazain’ i Paoly momba ny fiainan’ ny olombelona”? 

 

B: AMPIHARO

“Ny finoana no fitaovana, ny fitiavana no hery, ny paikady dia ny planan’ny fanavotana ary , hoderaina ny anarany masina, araky ny lalאna izany na aiza na aiza eran’ izao tontolo izao. Tsy araka ny lalאna fotsiny fa hany loharanon’ny tena fifaliana sy ny fahasambarana ho an’izao tontolo izao manontolo”.  Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao..

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

 

(Endnotes)

1   Thoughts from the Mount of Blessings, p. 94

2   Ny Tena Hasambarana, pp. 74-75

3   The Review and Herald, September 16, 1902

    Christ Our Righteousness, p. 104

4   Questions on Doctrine, p. 672

5   Christ Our Righteousness, p. 35

6   Questions on Doctrine, p. 672

7   Ilay Fitiavana Mandresy , p. 803/3

8   Selected Messages, book 1, p.395

9   Testimonies, vol. 6. p. 408

10  Henoinareo ny fanoharana, p. 70/3

11  Sambatra  p. 63:3, 4

12 Questions on doctrine, p. 672

 

 

3. TANTERAKA MANAO Ahoana Ny Tsara?

“Inona  no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, tsy hiverina fanindroany ny fahoriana” Nahoma 1:9. Anankiray amin’ny teny fikasana mahagaga indrindra hita ao amin’ny Baiboly manontolo ireo tenin’ny Soratra Masina ireo.

Izao koa no hambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo”. Jaona 8:36. Io teny fikasana mahagaga io, izay milaza fa tsy ho lavo indray ny olona, na oviana na oviana, dia ho tanterahina ao amin’ ny fahafahana izay homeny antsika. Aseho an-tsary antsika eto ny fotoana ho avy tsy ho ela izay tsy hitrangan’ny fahotana sy ny salovatavany mahatsiravina intsony, na dia amin’ny eritreritra aza. 

Ny hamaliantsika avy hatrany izany eritreritra izany dia mety ny hoe, satria afaka daholo ny ratsy, dia tsy hisy fironana ho amin’ny fahotana intsony, ka dia hanjary toetra ny fankatoavana. Nefa kosa, toy izany ihany no toe-javatra nisy tany an-danitra, raha nanomboka ny fahotana. Ary aoka hampahatsiahiviko anareo fa rehefa misosa sy miroborobo ny fiainana dia manalavitra ny Tompo ny olona. Tsy izay ve no anisan’ny olאna lehibe indrindra ao amin’ny fiangonana ankehitriny? “Manan-karena sy efa nihary fananana be”, nefa tsy manam-pitiavana.

Ahoana no ahazoan’Andriamanitra manao teny fikasana goavana toy izany? Ao amin’ny Malakia 3:19, Andriamanitra dia milaza fa ny afo hanadio ny tany dia hanala koa ny fahotana, na ny fakאny na ny sampany. Hoy Jesosy ao amin’ny Jaona 15:5: “Izaho no voaloboka, ianareo no sampany...” Miteny amin’ny mpianany Jesosy eto, rehefa nisaraka taminy ny anankiray tamin’ny roa ambinifolo lahy. Tsy mety sady marina ve ny milaza fa Satana koa no fakany izay hanirin’ireo sampan’ izao tontolo izao? Holevona ao amin’ny afo fanadiovana ireo.

Nefa tsy maintsy mandinika lalina kokoa isika hahita izay voafaoka ao amin’ io teny fikasan’ Andriamanitra ao amin’ny Nahoma 1:9 io, izay manambara fa tsy hiverina fanindroany ny fahavalo. Ny fijereny ny tenany no nipoiran’ ilay fahavalo voalohany!

Afaka mitsiry avy eo anivon’ny fahafahan’ny voarin’ Andriamanitra foana ny fakam-pahotana. Ahoana no ahazoan’ Andriamanitra mampanantena fa tsy hisy hikomy Aminy intsony, na dia amin’ eritreritra aza, ny avy amin’ izay navotany, na izay avy amin’izao tontolo izao tsy nanota, na ny anjely avy any an-danitra aza? Mahazendana ary tena mahazendana, izany ho fiantraikan’ny planan’ny famonjena manerana ny voaharin’ Andriamanitra izany! Andriamanitra, izay mahalala ny ho avy, no manome antoka antsika fa izany no izy.

Efa vita ny asan’ Andriamanitra ho an’ireo izay monina any an-danitra ary afaka nifaly izao tontolo izao misy mponina sy ny anjely satria nafahana tamin’ny fanatrehan’ ny anjely ratsy sy Satana izy ireo. Apokalypsy 12:12. Nefa kosa, mahatsapa feno ny fanatrehan’i Satana sy ireo mpiasany ity tany nasintaka ity sy ny mponina ao aminy.

Na dia izany aza, misy amintsika tsy mbola tena rikoriko ny amin’ny fahotana. Tsy mbola tsapantsika fa mahafaty anie ny hery mamono ao aminy! Toa tahaka ny mihevitra isika fa ho azontsika ariana ny heriny mamosavy antsika mangina, mialoha indrindra ny hamelאna antsika hiditra ny lanitra.

Tsy nahatody ny fahatanterahany ny anjely tany an-danitra. Tsy nahatody ny fahatanterahany ny olombelona tao Edena … Ny hany fanantenana ho antsika dia ny fitokisana tanteraka ny rאn’ Ilay mahavonjy tokoa izay rehetra manatona an’ Andriamanitra amin’ny alאlany”.1 Ny hoe mahavonjy tokoa  dia midika mahavonjy ho afaka amin’ ny “izaho” fa tsy ao amin’ny “izaho”. Miseho ny toetra mahafaty ny fahotana raha  ny “izaho” no itokisantsika fa tsy ny Tenin’ Andriamanitra!

Mety ho izay ve no antony mahatonga antso ho fanehoana ny maha-izy ny tena, tsy mbola nisy toy izany eto amin’ ny izao tontolo izao misy antsika, avy amin’ny ambaratongan’ny fiaraha-monina rehetra? Ny firenena, mitaky fahaleovan-tena. Ny tanאn-dehibe, ny tanאna sy ny vohitra, samy manambara ny fahefany. Poa toa izay niforonany no hivakian’ny fianakaviana. Ny zanaka, “manao izay daninin’ ny kibony”, vokatra mivantana avy amin’ny rivom-piainana maneho ny maha-izy ny tena, manerena an’izao tontolo izao izany.

Miasa tsara Satana. Amin’ izay dia ny “izaho” manana ny maha-izy azy sy manana ny maha-mendrika azy no lazaina fa mahavaha ny olאna eo amin’ ny tena manokana sy eo amin’ ny besinimaro. Eritrereto izay vokatra natombok’ izany toe-tsaina izany tany an-danitra fahizay. “Tsy afaka hihazona ny “izaho” isika nefa hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Isika no hahatratra ny fahamasinana, dia ny fahafoizana ny “izaho” sy ny fandraisana ny sain’ i Kristy”.2

Tsy mahatonga antsika tsy ho afaka ho any an-danitra fotsiny ny fisainan’ ny “izaho”, fa “rehefa tenomina amin’ny asantsika ny “izaho”, dia tsy manamasina, tsy mampivoatra, tsy mahamendrika ny fontsika ny fahamarinana izay entintsika ho an’ny hafa; izany dia tsy ho vavolombelona fa fitaovana tsara ampiasain’ny Tompo isika”.3

Ahoana no ahafaka antsika amin’ ny “izaho”? Hebreo 12:6 dia milaza amintsika hoe: “...Izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny”. Izany no natao dia ny mba hanalana ny faka mangidy rehetra (izaho) mety hitsiry ka hanakorontana antsika.

“Tandremo mba tsy holavinareo izay miteny...” Hebreo 12:25. Mora anie ny manafina ny “izaho” ambadiky ny sarotava milaza fa tsy azontsika izay lazain’ Andriamanitra e. Tsy mampanantena Andriamanitra fa hazava amintsika ny zavatra rehetra alohan’ny hanarahantsika ny antsony. Ny Hebreo faha-11 dia maneho olona mahatoky marobe izay tsy nahazo mazava ireo fikasan’ Andriamanitra, nefa samy nankatע avokoa. Abela, Enoka, Noa sy Abrahama dia santionany vitsy amin’ireo. Mety misy hilaza hoe finoana manao an-jambany izany. Nefa tiako ny mampahatsiahy anareo fa “...finoana no andehanantsika (zanak’ Andriamanitra) fa tsy fahitana” 2 Korintiana 5:7.

Tsara manao ahoana ny tanteraka? Tsy toetry ny fahatsarאna ho tratrariny akory ny fahatanterahana, fa fitokisana an’ Andriamanitra tsotra izao, tsy misy fisalasalאna na fanontaniana. Io toetra io no nampiavaka ny fiainan’ i Joba ary nahazoan’ Andriamanitra nilaza fa izy dia “..... olona marina sy mahitsy ...” Joba 1:8.

Nataon’ i Jehovah io fiderana io na dia nijoro ho vavolombelona aza i Joba ao amin’ny toko 42:6 nanao hoe:  “... miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho”. I Noa dia nolazaina fa “... marina sy tsy nisy tsiny...” Gen 6:9. Nefa tahaka an’ i Lota, Mosesy, Abrahama; Davida sy Solomona, dia maneho ny tsi-fahatanterahan’ny tenany ny tatitra ao amin’ny Baiboly momba ny fiainany.

Tsara manao ahoana ary ny tanteraka? Arakaraka.

 

“Tahaka ny masirasira miharo amin’ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety ivelany, no fiasan’ny fahasoavan’Andriamanitra hanova ny fiainana amin’ny fanavaozana ny fo. Ny fiovana ivelany fotsiny dia tsy ampy hahatonga antsika hifandrindra amin’ Andriamanitra. Betsaka no miezaka hanitsy ny tenany amin’ny fanovana an’itsy fomba ratsy itsy na iroa, ary manantena ny ho tonga Kristina amin’izany fomba izany, nefa dia diso lאlana izy. Ao amin’ny fo no tokony hanombohana ny asantsika voalohany indrindra.”4

“Ny olona izay miezaka ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra noho ny fahatsapany fotsiny fa tsy maintsy hatao izany, satria nangatahina hanao izany izy, dia tsy hanana na oviana na oviana fifaliana eo amin’ny fankatoavana. Tsy izany no atao hoe mankatע. Rehefa raisina ho enta-mavesatra ny fitakian’Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ny fironan’ny olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy fiainana kristiana izany fiainana izany. Ny fankatoavana marina dia asa tanterahin’ny foto-kevitra ao anaty. Mipoitra avy amin’ny fitiavana ny fahamarinana izany, ary avy amin’ny fitiavana ny lalאn’ Andriamanitra. Ny fototra maha-izy ny fahamarinana rehetra dia ny fijoroana ho mahatoky amin’ny Mpanavotra antsika. Hitarika antsika hanao ny marina izany satria izany no marina ary satria ankasitrahan’ Andriamanitra ny fanaovana ny marina”.5 

 

Manana plana Andriamanitra izay mety hahitana antsika ho tanteraka – tsy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona “sao misy hirehareha”. Fanomezana kanto indrindra avy amin’ i Jesosy Kristy io fahatanterahana io, ary homena izay rehetra mino.

 

“Mitaky fahamarinana ny lalאna, - fiainana marina, toetra amam-panahy tanteraka; ary tsy manan-komena amin’ izany ny olona. Tsy afaka manome fahafaham-po feno ireo fitakian’ny lalאn’ Andriamanira masina izy. Nefa raha tonga teto an-tany tamin’ny maha-olombelona Azy Kristy, dia efa nivelona tamin’ny fiainana masina, ary efa nahavanona toetra amam-panahy tanteraka. Ireo dia atolony ho fanomezana  maimaimpoana ireo ho an’izay rehetra handray Azy”.6

 

Tsara manao ahoana ny tanteraka? Zava-bitan’ Andriamanitra ny fahatanterahana naseho teo amin’ny fiainan’i Jesosy Tompontsika nandritra ny fiainany an-tany teto amin’ity planeta ity. Fitokisana tanteraka no asehon’ny fiainany, fiankinana feno tamin’ny Rainy ny amin’ny fiainany isan’andro sy fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ankehitriny, nahavita ny asany Izy – notanterahany ny zavatra rehetra ho antsika – satria fantany fa raha ny herintsika dia tsy hahefa na oviana na oviana izay takian’ny lalאn’ Andriamanitra isika. Inona no anjarantsika? Mampiasa ny sitrapo! Misafidy ny hatoky Azy! Na dia fantatsika aza fa tsy afaka manao izay nofidintsika hatao isika, ny safidintsika kosa dia hanokafantsika ny varavarana mba hanaovan’i Kristy ao amintsika izay tsy haintsika hatao ho an’ny tenantsika. Koa, raha ny marina, ny zanak’Andriamanitra dia misafidy ny hatoky amin’ny zavatra rehetra. Manarak’izany, ny asany dia ny mamela an’i Kristy hanatanteraka izay fitokisana izay ao aminy ary handא ny hamela ny zava-misy manodidina ny tena, hamorona fisalasalאna mikasika ny fomba ampiasain’ i Kristy eo amin’ny asany.

Raha lavintsika ny hisalasala ny amin’ny fomba ampiasainy eo amin’ny asany ao amintsika ka mino tsotra fotsiny isika fa mahafantatra izay ataony Izy, amin’izay dia nianatra ny tsiambaratelon’ny fandresen’ i Kristy isika – na dia miatrika toa faharesena aza.

Hofaranako ity toko ity amin’ny lahatsoratra tiako indrindra sy manampy ahy indrindra, avy amin’ny dia-penin’ olona iray izay nivelona izay nosoratany:

“Ny fanatrehan’ ny Ray no nanodidina an’ i Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-tsy izay navelan’ Ilay fitiavana tsy manam-petra ihany, mba ho fitahiana ho an’izao tontolo izao. Izany no loharanon’ny fiononam-pony ary izany koa no antsika. Izay manana ny Fanahin’i Kristy be dia be ao aminy no mitoetra ao amin’i Kristy, ka ny loza izay nokasaina hahatra aminy dia mianjady amin’ny Mpamonjy, Izay manodidina azy amin’ny fanatrehany. Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy. Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no fiarovana ho azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken’ny Tompo; ary ny zavatra rehetra ”izay avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” (Rom 8:28)”.7

 

Tsara manao ahoana ny tanteraka? Ny hany fahatsarana rehetra mety hananantsika dia ny fitokisana tanteraka an’i Jesosy. “Noho ny fahamendrehan’ i Kristy, noho ny fahamarinany, izay isaina ho antsika amin’ny alאlan’ny finoana, dia natao hahatratra ny fahatanterahan’ny toetra amam-panahy Kristiana isika”.8 

III. TANTERAKA MANAO AHOANA NY TSARA?

 

A: TRANDRAO

1. Rehefa ‘nanafaka antsika Jesosy , moa ve ho lasa ho toetra ny fankatoavana  ka tsy hisy fironana hanota intsony? Aohana kosa  ary no ahazoan’ Andriamanitra manao ny teny fikasana mahatalanjona ao amin’ny Nahoma 1:9?

2. Inona ary izany no hevitry ny hoe “tanteraka”?

 

B: AMPIHARO

“Noho ny fahamendrehan’ i Kristy, noho ny fahamarinany, izay isaina ho antsika  amin’ny alalan’ny finoana, dia natao hahatratra ny fahatanterahan’ny toetra amampanahy Kristiana isika”. Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  The SDA Bible Commentary, vol. 5, p. 1132, The Signs of the Times, Dec. 30, 1889

2  Thoughts from the Mount of  Blessing, p. 143

3  Selected Messages, book 1, p. 405

4  Henoinareo ny fanoharana, p. 70/4

5  Henoinareo ny fanoharana, p. 72/1

6   Ilay Fitiavana Mandresy, p. 822/1

7   Sambatra, p. 60/1

8 Testimonies, vol. 5 p. 744

 

4. FIVAVAHANA An-Tokontanim-pasana

“Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?” Romana 6:3. Ny ankabeazan’ ny Kristiana izay natao batisa asitrika dia mahatsapa marina fa natao batisa ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izy. Fa vitsy loatra koa anefa no mahatsapa fa ho amin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny batisa.

Hoy i Paoly: “Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao”. Romana 6:4.

Tandindon’ ny fanandramana momba ny fahafatesana izay efa tokony ho nisy rahateo teo amin’ ny fiainan’ ny mpino ny  batisa. Ny fahafatesana resahina eto dia ny fahafatesan’ ilay toetrantsika fony teraka. Dia ilay olona taloha, tsy laitra hanarina, izay tsy mendrika afa-tsy ny fahafatesana. Alevina tsy hitsangana indray ny maty, izay no fizotrany raha ny tokony ho izy. Hoy koa Paoly: “..... ny toetsika taloha dia niara-nohombohana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota mba tsy hanompoantsika ny ota intsony” Romana 6:6.

 

“Tsy isalasalאna fa ny zava-tsarotra  dia sarotra eo amin’ ny ankabeazan’ ny mino dia ny fiezahany hiaina ny fiainan’ i Kristy kanefa tsy maty tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy izy aloha. Toa izao no tsapany hoe: Kristy no maty, noho izany tsy ilaintsika ny ho faty, koa manantena ny ho velona izy fa tsy ho faty, noho ny finoany an’ i Kristy. Hoy i Paoly: “Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra”, Romana 8:8, “Izay ao amin’ i Kristy dia efa nanombo ny nofony tamin’ ny hazo fijaliana”. Galatiana 5:24.”1

 

Tena ilaina ny hahafantarana ny maha-zava-dehibe an’ izany raha tiantsika hisy vokan-tsoa ny fiarahantsika mandeha amin’ ny Tompo.

 

“Mahאlana ny fanandramana ny fahaterahana indray eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny. Izay no antony mahatonga fahaverezan-kevitra betsaka toy izao ao amin’ ny fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no mitondra ny anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary tsy masina. Natao batisa izy, saingy nalevim-belona. Tsy maty ny “izaho”, ary noho izany, tsy nitsangana ho amin’ ny fanavaozam-piainana ao amin’ i Kristy izy”.2

 

Nosoratana tamin’ ny 1897 ny fanambarאna etsy aloha. Tsy isalasalאna fa mbola marina izany ankehitriny. Hoy koa i Paoly “Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo.” 2 Korintiana 5:17.

Nahoana no tsy maintsy ho faty ilay olona taloha? Hoy Jesosy mamaly; “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko dia hahazo izany” Matio 16:25. Mazava  fa tsy misy na inona na inona azo atao hanasitranana ilay olona-taloha mpanota. Tokony ho faty fotsiny izy. Raha hisy fiainam-baovao dia tsy maintsy maty ilay olona-taloha. 

Misy fomba fijery izay tena manampy betsaka omen’ i MacGuire, ao amin’ ny bokiny “Ny Hazo fijaliany sy ny ahy” (His Croos and Mine):

“Misy fahasamihafana be ny fahotana sy ny ota. Betsaka ny olona no misetra zava-manahirana indrindra eo amin’ ny fiainany kristiana satria tsy mazava aminy io fahasamihafana io. Ny fanambanin’ ireo asa fandikan-dalאntsika rehetra ireo dia ny foto-kevitry ny ota izay ipoirany. Na dia voavela aza ny asa ratsy nataontsika, dia mbola mitohy manota ihany isika. Mbola misy zavatra tsy maintsy hatao ho antsika, ankoatry ny famelאna tsotra ny fahotantsika”.3

 

Hoy ihany i MacGuire:

“Eto no ilאna ny handinihina ny mampihavaka ny ota sy ny fahotana. Raha ny fahotana, asa tsi-fankatoavana ny didin’ Andriamanitra, dia vonona foana Andriamanitra ny hamela heloka, noho ny fahamendrehan’ i Kristy, ho valin’ ny vavaka fifonana sy finoana. Fa ny ota kosa, tsy azony avela.

Ny ota dia toetra anaty mitarika antsika tsy hankatע an’ Andriamanitra. Tsy miova ny toetra nentintsika raha tonga teto amin’ izao tontolo izao isika, araka ny vakiantsika ao amin’ ny tenin’ ny Mpamonjy: Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia ny fanahy. Ny hany lאlana hialאna amin’ io toetra ratsy io dia amin’ ny alאlan’ ny fahafatesana. Ny hany lאlana handraisana toetra tsara dia ny fahaterahana indray”.4

 

Ny fahafatesana no hany vahaolana ny amin’ ny olona-taloha. Izao no fomba hisian’ ny fahafatesana ao amin’ ny mpino: ao amin’ ny vatana no itoeran’ ireo filאna ambany ary miasa amin’ ny alאlan’ ny vatana izy. Ny teny hoe nofo na araka ny nofo na filאn’ ny nofo dia milaza ny toetra ambany. Baikona isika hanombo ny nofo amin’ ny hazo fijaliana, miaraka amin’ ny faniriany sy ny filאny. Amin’ ny fomba ahoana? Amin’ ny fampijaliana ny vatana ve?, Tsia. Izay tiako atao dia ny mamono ny fakam-panahy hanota. Vonoy ny eritreritra maloto. Tiako raha fehezin’ i Jesosy Kristy ny eritreritro tsirairay.5

Manambara i Paoly ao amin’ ny Romana 6, fa zava-misy ny fahafatesan’ ilay olona-taloha. Ao amin’ ny andininy faha-11 dia lazaina isika hanaiky izany ho zava-misy! Eto no mahadiso ny Kristiana maro. Mora foana ny mino fa fomba fitenin’ ny teolojiana io fanandramana io, fa tsy zavatra tena izy sy azo hampiharina tsy akory.

Satana no tompon’ andraikitra ny amin’ izany fomba fisainana izany. Rehefa milaza zava-misy Andriamanitra, dia hanohitra izany i Satana, ka ovainy na ezahany hamboarina hifanaraka amin’ ny ataony. Fantatr’ i Satana fa raha tena mino ny Kristiana fa maty marina tokoa ilay olona-taloha, dia tapaka ny heriny.

Mba hanamafisana ny filazאny fa tsy tena zava-misy ny fanandramana momba ny fahafatesana, dia miezaka Satana hahatonga ny Kristiana hivelona bebe kokoa hatrany araka ny fihetseham-pony fa tsy amin’ ny finoany. Amin’ izay dia voatariny ho lavo ao amin’ ny fahotana ny mpino. Mitsimbadika amin’ izay izy ka manome tsiny azy, lavo ao amin’ ny fahotana. Ary ampiasainy io fanandramana nahalavoana io ho porofo fa tsy maty ilay olona-taloha. Saina mandajalanja tsotra no ampiasainy mazava ka hoy izy: “raha maty ilay olona-taloha, dia tsy ho azon’ ny fakam-panahy ianao”.

Amin’ izay fotoana izay, dia ilaina ny hanajanonan’ ny Kristiana ny fiezahany hanamarina ny lאlany eo anivon’ ireo fihetseham-po miavosa nanavatsava eo amin’ ny tenany. Na dia eo aza ny fihetseham-po, dia ny Tenin’ Andriamanitra no tsy maintsy inoany.

Raha nanolo-tena ho an’ i Kristy izy dia fantany fa “.... izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny tamin’ ny hazo fijaliana” Galatiana 5:24. Tsy maintsy miverina mandrakariva ho eo amin’ ny Tenin’ Andriamanitra isika ary mampijanona ny ezaka hifandahatra amin’ ny eritreritra aroson ‘i Satana, raha mbola ho Kristina ihany isika. Milaza Andriamanitra fa maty ny olona-taloha na dia lavo tao amin’ ny fahotana aza ianao noho ny fakam-panahy. Satana milaza fa tsy maty izy. Ny fanontaniana mipetraka amintsika izao dia tsy ny hoe inona no inoantsika, fa iza no inoantsika?

Ataoko ahoana ireo fihetseham-po ireo? Vakio indray ny toko voalohany (amin’ ity boky ity) ary diniho fa i Satana no tompon’ ny fihetseham-ponao. Manamafy izany ireto teny manaraka ireto:

“Tokony hanolo-tena isan’andro ho an’ Andriamanitra isika ary hino fa ekeny ny fanatitra, nefa tsy jereny izay mety ho fifandraisan’ ny fihetseham-po sy ny finoana. Mifanalavitra tahaka ny atsinאnana sy ny handrefana ny fihetseham-po sy ny finoana. Tsy miankina amin’ ny fihetseham-po ny finoana. Tsy maintsy mitaraina mafy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana isika, na misy fihetseham-po na tsy misy, ary rehefa izany dia hivelona amin’ ny vavaka nataontsika.  Ny toky sy porofo ho antsika dia ny Tenin’ Andriamanitra, ary rehefa nangataka isika dia tokony hino tsy am-pisalasalana.”6

 

Mba hanampiana antsika hahita ny mahasarotra io resaka finoana mifanohitra amin’ ny fihetseham-po io, andeha hofakafakaintsika tsara ireto teny manaraka:ireto:

 

“...Foto-kevitra fa tsy fihetseham-po no tokony hanompoana an’ Andriamanitra.... Aza afangaro ny finoana sy ny fihetseham-po. Miavaka tsara ireo. Anjarantsika ny mampiasa ny finoana. Ny fampiasאna azy no hitehirizana azy. Minoa, minoa. Aoka ny finoanao hamikitra ny fitahiana, dia anao izany. Tsy ny  fihetseham-ponao no finoana. Rehefa mitondra fitahiana ao am-ponao ny finoana, ka mifaly amin’ ny fitahiana ianao, dia tsy finoana intsony izany, fa fihetseham-po.”7

 

Tsy mora raisina ilay fehezan-teny farany ao amin’ ny andala-dahatsoratra etsy ambony. Hivereno vakiana indray, azafady. Hojerentsika akaiky amin’ izay. Mazava fa kely foana ny dingana avy eo amin’ ny finoana mankeo amin’ ny fihetseham-po. Mety ve ny milaza fa tsy maintsy ho mailo mandrakariva isika sao mikisaka  ho mivelona amin’ ny fihetseham-po ilay mivelona amin’ ny finoana.

Misy ohatra mazava ao amin’ ny Baiboly mety hanampy antsika eto. Hoy ny Baiboly ao amin’ ny Lioka 10:17: “Ary ny fitopolo lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo פ, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.”  Alaovy an-tsary ny fientanentanana nasehon’ ireo misionera niverina namita iraka. Tsy mbola nanao fanandramana toy izao mihitsy izy na oviana na oviana. Niharihary ny fifaliany matoa nosoritana manokana.

Henoy ary ny valitenin’ i Kristy eo amin’ ny andininy 18: “Fa hoy i Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra”. Valiteny izany! Toa hitako soritra eny amin’ ny endrik’ireo mpiasa ny ao ampony, ianareo koa ve? Tsy maintsy nandeha ny resaka teo amin’ izy ireo. Tsy azony angamba izay nolazaintsika. Nahoana Izy no manjombona toy izao? Tsy azoko izay manjo Azy? Nisy aza angamba niezaka nanazava ny tatitra nataony.

Ny valintenin’ i Jesosy anefa dia avy amin’ ny haren’ ny fanandramana izay tsy misy na inona na inona fantatr’ izy ireo. Niverina nankany amin’ ny fahalavעn’ i Losifera ny sain‘ i Kristy ary izao fotsiny no nolazainy: “Hitako tao amin’ i Satana io toe-tsaina io fahiny ary izao dia hitako eto indray. Nomena fahefana lehibe ho fitahiana i Satana. Nampientanentana azy ny fahefana, saingy nohadinoiny ilay fitahiana lehibe kokoa avy amin’ ny fifandraisany tamin’ ny loharanon’ izany fahefana izany. Ny teny fototra izay manambara fahamarinana miezinezina eto dia ny hoe “manaiky anay”.

Henoy izao ny andininy 19 sy 20: “Indro efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. Kanefa aza mifaly ianareo satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”

Ny fitahiana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra harotsaka – fitahiana izay nanefan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny ainy – dia nahilaka ka napetraka teny anjorontrano rehefa nampitahaina tamin’ ny famoahana demonia. Kalvary no sandany naloa mba ho voasoratra any an-danitra ny anarantsika. Azon’ i Kristy nomena, tsy misy sandany mihatra amin’ ny tenany ny fahefana hamoaka demonia. Impiry moa isika no mamisavisa bebe kokoa sakafo eran’ ny harona tonga amin’ ny fomba mahagaga eo an-tokonana amin’ ny fotoana ilאna azy, toy izay ny fanomezan’ Andriamanitra namela antsika ho isan’ ny fianakaviany, “ ...ho momba ny tenany”. Efesiana 5:30.

Rehefa nasehontsika ny olאna eo amin’ ny fivelomana amin’ ny fihetseham-po, andeha hiverenantsika ny fomba fitantאnana ireo fihetseham-po ireo. Moa ve mihidy vazana isika ary mizaka azy? Moa ve iniantsika tsy hoeverina izany ka hantenaintsika fa hisava? Aleo ve havoaka ny fihetseham-po ary amin’ izay dia afaka ny fibosesehiny na ny fanereny antsika? Hisy tompon’ andraikitra ambony hanohina ireo vahaolאna ireo sy ny maro hafa koa.

Mora tantאnana kokoa ny fihetseham-po rehetra raha zahאna aloha ny loharano niaviany. Tsy maintsy hataontsika ao an-tsaina fa ao amin’ ny fo (saina) no hiasan’ Andriamanitra voalohany indrindra, ary avy ao anaty izany asa izany vao mankeo ivelany. Satana kosa, etsy andaniny, miasa amin’ ny alalאn’ ny fihetseham-po ary avy eo ivelany mankao anaty ny asany.

Manainga ny asantsika rehetra amin’ ny alאlan’ ny saina Andriamanitra. Satana kosa manainga azy amin’ ny alאlan’ireo retsika. Dinganiny ny fiasan’ ny saina mandajalanja. Tsarovy indrindra fa “Tsy misy afa-tsy fahefana roa no mifehy ny sain’ ny olona – ny fahefan’ Andriamanitra sy ny fahefan’ i Satana”.8 Rehefa ao an-tsaina ireo zava-misy ireo dia mora kokoa ny mamantatra izay loharanon’ ny fihetseham-po ary ny mahafantatra ny atao amin’ izy ireny.

Ahoana anefa no fitantana ny fihetseham-po rehefa fantatsika fa avy amin’ ny devoly ireny, Aoka ho tsaroantsika ny toro-hevitra ao amin’ ny ‘Adventist Home’, p. 128: “Vonoy ho faty ny fakam-panahy hanota”. Tsy vitantsika amin’ ny herin’ ny tenantsika izany. Eto indrindra no tsy maintsy hampiasantsika ny fahefan’ ny sitrapo.

Tsy maintsy misafidy ny hino an’ Andriamanitra isika na dia eo aza ny fihetseham-pontsika. Rehefa izany, dia tsy maintsy ekentsika tsotra izao fa tsy voafentsika ny fihetseham-pontsika. Mandosira mankany amin’i Jehovah amin’ ny alאlan’ ny vavaka, manaiky ny tsy fahaizantsika, ary misaora Azy noho ny fahefany lehibe sy ny finiavany hanafaka antsika. Ary hanafaka Izy! Ho lasa ny fihetseham-po ary hanjaka ao am-pontsika ny fiadanana.

Mety ilaina ny manao izany matetika aloha mandra–paharesy lahatra an’ i Satana fa sitrapontsika ny tsy hofehezin’ ny fihetseham-po. Mandehana amin’ ny finoana - na misy fihetseham-po na tsy misy fiheseham-po. Eritrereto hatrany izao: Efa maty aho, ary ny fiainako miara-miafina ao amin’ i Krity ao amin’ Andriamanitra”. Kolosiana 3:3. Inona no azon’ ny devoly atao amin’ ny olona maty? Rehefa ampiasaina ny sitrapo hisafidy na dia izay tsy azontsika atao aza, dia omem-boninahitra Andriamanitra, satria tiany ny manao ho antsika izay tsy haintsika hatao ho an’ ny tenantsika.

Mety tsy hahasarika antsika ny fivavahana eo an-tokotanim-pasana, ary azoko antoka fa tsy nahasarika an’i Jesosy koa izany. Nefa, io no hany lאlana hialאna ny olאna mikasika ny fahotana. Hoy Jesosy tamin’ ireo Grika tonga nanatona Azy taloha indrindra ny nahafatesany: “... Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be” Jaona 12:24.

Soso-kevitra ny ahy fa mety ho ao an-tokan-tranonao, ao amin’ ny toeram-piasanao, ao amin’ ny biraonao, na aiza na aiza mety hampirongatra ny “izaho” mandritra  ny asa ataonao isan’ andro ny tokontanim-pasana. Mitaky mihoatra noho ny fahafatesan’ ny “izaho” isan’ andro ny fihazonana ny maha-Kristiana. Miaraka amin’ i Paoly dia “mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay mba haseho eo amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo” 2 Korintiana 4:10, 12.

Lאlana tokana ihany no manintona ny hafa ho eo amin’ i Jesosy fa tsy ho eo amintsika. Raha miafina (voahombo) ny “izaho” dia Jesosy no voaseho. “Miandry Kristy sady maniry mafy indrindra ny hahita ny fanehoana ny toetrany eo amin’ ny fiangonany. Rehefa hita tanteraka eo amin’ ny vahoakany ny toetran’ i Kristy, dia ho avy Jesosy hitaky azy ho fananany.”9 

 

IV. FIVAVAHANA AN-TOKOTANIM-PASANA

 

A: TRANDRAO

1. Vonona ny hamela mandrakariva ny fahotana Andriamanitra noho ny fahamendrehan’ i Kristy, saingy ny ota kosa dia tsy misy fanאfana afa-tsy ny fahafatesana. Avaho ary ny “ota” sy ny “fahotana”.

2. Nahoana no tokony ho mailo hitandro ny “finoana” tsy ho lasa “fihetsehampo” isika, ary fomba ahoana no hifehezana ny fihetsehampo?

 

B: AMPIHARO

“Soso-kevitra ny ahy fa mety ho ao an-tokantranonao, ao amin-ny toeram-piasanao, ao amin’ ny biraonao, na aiza na aiza mety hampirongatra ny “izaho” mandritra ny asa ataonao isan’ andro. Mitaky mihoatra noho ny fahafahatesan’ny “izaho” isan’andro ny fihazonana ny maha-kristiana.” (Jereo 2 Korintiana 4:10, 12). Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  The life of Victory, by Meade MacGuire, p.35

2  The SDA Bible Commentary, vol. 6 ,  p. 1075

3  His Cross and Mine, by Meade MacGuire, p. 80

4  His Cross and Mine, by Meade MacGuire, p. 91

5  Vavolombelona Mahery,  pp. 147, 148

6  Selescted Messages, book 2, p. 243

7  Testimonies, vol. 1, p. 167

8  Temperance, p. 276

9  Henoinareo ny Fanoharana, p. 47-48

 

 

5. ATERAKA Ny Kristiana FA TSY ATAO

Mihoatra noho ny indroa ambinifolo no resahina ao amin’ ny Testamenta Vaovao ny fanandramana momba ny fahateraham-baovao ary matetika no diso ny fandraisana ny dikany. Ho an’ ny maro, dia finoana fotsiny an’i Jesosy izany. Ho an’ ny sasany indray, ny fanekena an’i Jesosy ho Mpamonjy ny tena manokana no atao hoe ateraka indray. Ho an’ ny hafa koa, midika ho ateraka indray ny fanaovana batisa asitrika.

Arosoko ny hevitra fa fanandramana mitondra hery sy aina indrindra ny fahaterahana indray, araka ny fanehoana azy an-tsary ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, hany ka mananosarotra ny betsaka ny fandraisana ara-bakiteny ny fampianaran’ ny Soratra Masina.

“Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany no mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’ Andriama-nitra” 1 Jaona 3:9

“Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy, dia naterak’ Andriamanitra ; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa” 1 Jaona 5:1

“Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” 1 Jaona 5:4

Hitantsika fa eo amin’ ny fahaterahana indray no mitoetra ny hery eo amin’ ny fiainana Kristiana. Tsy maintsy ho zahantsika ny mahatonga io hery io ho fanandramana tena izy ho antsika manokana. Hoy i Jaona: “Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanaka izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana”. 1 Jaona 5:11, 12.

Noho ny fahamaizantsika hahalala ny fahamarinina ve no nanovantsika an-tsirambina ny hahita ny hoe Iza no Fahamarinana? Izany ve? Raha nikaroka ny fahamarinana isika, dia nety nisy zavatra izay manampi-maso antsika tsy hahita ny fahamarinana. Hoezahintsika fantarina izany manampi-maso ny mpikaroka marina izany, ary tena mahomby tokoa amin’izany, amin’izay dia ho fantatsika ny fomba hisavasavאna ny lאlana ho amin’io fanandraman’ ny fahaterahana indray, kanto dia kanto io.

“Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandעndעna. Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny vaaravarana dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy Amiko” Apokalypsy 3:20. Mazava fa miantefa amin’ ny fiangonana Laodikia amin’izao andro izao ireo teny ireo, satria ampahan’ny hafatra manokana alefan’i Jesosy ho an’ ny fiangonany farany izany. Noho izany, tsy maintsy atao izay ahafantarantsika ny valin’ ilay fanontaniana miverimberina manao hoe: “Ahoana no hahateraka ahy indray?” Na hoe fanandramana am-bava fotsiny ve izany? Ara-bakiteny ve? Raha ara-bakiteny, ampahany manao ahoana amin’ ny fiainako no idiran’i Jesosy amin’izany? Ny fiainako ara-pivavahana ve? Ny fiainako amin’ ny asa aman-draharahako ve? Ny fiainako eo amin’ ny fialאm-boliko ve? Mitaky inona mialoha ny fidirany ao amin’ ny fiainako?

 

“Ny eritreritra rehetra dia tokony hoentina ho babon’ i Jesosy Kristy. Ny fironana ho amin’ ny maha-nofo rehetra dia tokony halefitra ho eo ambanin’ ireo herin’ ny fanahy ambony kokoa. Tsy maintsy hanjaka ambony indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra; tsy maintsy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianana tsy zaraina Kristy. Fanאnany novidiny no tokony handraisana ny tenantsika. Tokony hanjary fitaovana ho amin’ ny fahamarinana ny momba ny tenantsika.”1

 

Mazava fa io fanandramana io dia midika be lavitra noho ny finiavana hiala amin’ ny fahazaran-dratsy, ny toetra ratsy ny nofontsika,  ny fitiavantsika an’izao tontolo izao, ary ny fananantsika ara-nofo. Tsy maintsy hofeheziny ny eritreritsika rehetra; Tsy maintsy mitaratra ny fahamarinany ny fironana ara-nofo rehetra sy ny momba ny tena rehetra.

Hoy i Jesosy mba ahazoany manatanteraka izany: “Manoro hevitra anao Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafianao, mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.” Apokalypsy 3:18

“Inona no mahatonga ny fahantrana, ny fitanjahan’ireo mahatsiaro ho manan-karena sy efa nihary fananana be? Ny fahabangan’ ny fahamarinan’ i Kristy.”2 Na dia ny finoana matanjaka ireo foto-pinoana marin’ ny fiangonana aza dia tsy mahavonjy na iza na iza. Tsy maintsy mifehy feno ny endriky ny fiainantsika rehetra Jesosy. Tsy fitakiana tsy an-drariny ataon’ ny Mpamonjintsika izany, fa iray amin’ ny lalאna tsotra napetrak’ Andriamanitra eo amin’ ny zava-boahary. Izany dia ilay milaza hoe: “...fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo....” Romana 8:7.

Izay antony izay no nahatongavan’i Nikodemosy teo amin’i Jesosy indray alina. Navesatra ny fony, satria naniry ny hosaronan’ ny fahamarinan’i Kristy izy, ny hahazo antoka ny famonjena, nefa tsy fantany izay ahazoana izany. Hitan’ i Jesosy izay nitsiny ka tonga dia nohintsiany. “...Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.” Jaona 3:3. Ny harenan’i Nikodemosy, ny fahefany, ny zava-bitan’ ny tenany manokana dia samy tsy nisy tombany hoenti- misetra ireo fepetra nomen’ i Jesosy mba ateraka indray.

Eto ny zava-tsarotra natrehin’ i Nikodemosy. Tsy hitany izay havaly, ka hoy izy hoe; “...Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?” Jaona 3:9. Efa nambaran’ i Jesosy azy fa “ izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.” Andininy 6. Tsy tian’ i Nikodemosy ho hita izany. Tena nanan’ aina be ny “izaho” tao aminy.

Mbola mitoetra ny teny nambaran’ i Kristy tamin’ i Nikodemosy. Tsy afaka manombo ny nofo ny nofo, na firy toy inona fampanantenana, voady, fanoloran-tena ataontsika, na amin’ ny fo marina toy inona no hiezahantsika. Misy nofo “izaho” kely foana mbola velona ary hirongatra indray. Nisy nilaza fa aleo mihevi-dratsy ny “izaho” toy izay tsy hihevitra azy mihitsy.

Mijoro eo am-baravaran’ ny fiangonany Kristy ary miteny amin’ ny feo mitalaho hoe; “.... Raha misy mihaino ny feoko, ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho…..” Apokalypsy 3:20. Nahoana no maneho ny tenany amin’ ny sary toy izany Jesosy? Satria, tahaka an’ i Nikodemosy isika, mbola jamba ny amin’ ny “izaho”. Tsy mbola hitantsika fa ateraka ny Kristiana fa tsy atao.

Betsaka ny Kristiana mafana fo no mihevitra fa, noho ny fanampian’ Andriamanitra dia mety ho voasasa, ho voadio, ho afaka amin’ ny ratsy ao anaty ny olona-taloha ao aminy - ny nofo izany. ary dia ho afaka hiaina amin’ ny fiainana mandresy ho an’ Andriamanitra izy. Hala-tahaka ataon’i Satana izany!  Ny planany dia ny hitarika ny olombelona hino fa azo ovאna ny maha-olombelona, na dia fantany aza fa ny ho faty ihany no mety amin’ io, kanefa ezahiny saronana amin’ ny lainga ny marina ka hihazonana antsika ho jamba.

 

“Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny teo aloha, fa fanavaozana azy. Misy fahafatesana amin’ ny tena sy amin’ ny fahotana, ary fiainam-baovao miaraka amin’ izany. Tsy misy afa-tsy ny asa mahomby ataon’ ny Fanahy Masina ihany no mahatanteraka io fanovana io.”3

 

Tonga teto an-tany Kristy, nandray ny maha-olombelona ary nijoro ho solon-tenan’ ny olombelona, mba haneho fa, eo amin’ ny ady amin’ i Satana, ny olona, arak’izay namoronan’ Andriamanitra azy, mifandray amin’ ny Ray sy ny Zanaka, dia afaka mankatע izay rehetra notakian’ Andriamanitra.”4

 

Tokony hosaintsainina lalina dia lalina io teny io. Hitantsika eo ny antony tsy maintsy ho naterahan’ i Jesosy amin’ ny tena tsy nisy ota tahaka ilay Adama voalohany. Izay ateraky ny Fanahy ihany no azon’Andriamanitra volavolaina sy tefena araka ny sitrapony. Tsy mahatombina ny toetram-pahotana ka tsy hisy vokany izay ataon’ Ilay Mpiasa Mahay. Mety ho ao an-tsaina ihany ny faniriana, fa tsy laitra hahitsy ny nofo. Tsy fahombiazana ny vokany.

Raha niteny Jesosy hoe: “.... Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy....” Jaona 12:24, dia mazava fa ny batisa no noresahiny, izay, raha ny marina, dia tandindon’ ny fahafatesana.

 

“Fanandramana mahאlana ny fahateraham-baovao amin’izao andro izao eo amin’izao tontolo izao. Izay no antony mahatonga fahaverezan-kevitra betsaka toy izao ao amin’ ny fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no mitondra ny anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary tsy masina. Natao batisa izy, fa nalevim-belona. Tsy maty ny “izaho”, ary noho izany, tsy nitsangana ho amin’ ny fanavaozam-piainana ao amin’i Kristy izy”.5 (nosoratana tamin’ ny 1897).

 

“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay rehetra mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rא, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra”. Jaona 1:12, 13. Mazava tsara ny fampianarana avy amin’ ny Tsindrimandry fa tsy maintsy ilaina ny fahaterahana ara-panahy vao manjary zanak’Andriamanitra na mambra ao amin’ ny fianakaviany. Noho izany, dia tsy maintsy mialoha ny fiainana ny fahafatesana.

Tsy efan’ ny olombelona izay hamahana io olאna io. Na dia eo amin’ ny toetram-pahotana misy azy aza ny olona, dia afaka mampiasa ny sitrapo nomen’ Andriamanitra azy ary misafidy ny ho faty sy ateraka indray.

Voasoritra ao amin’ ny toko voalohany ao amin’ity boky ity ny fizotran’ izany. Tsy nisy azontsika natao tamin’ ny nahaterahantsika ara-nofo afa-tsy ny midera an’ Andriamanitra, misy anjara kosa nomen’ Andriamanitra antsika eo amin’ ny fanandraman’ ny fahaterahana indray. Azontsika atao ny misafidy ny ho teraka indray. Noho izany, na dia eto amin’ity fahaterahana indray ity aza dia tsy maintsy misy fifandraisana amin’ ny Ray sy ny Zanaka: izay no tanterahan’ ny fanamarinana.

Manamarina ny mpino ny Ray noho izy manaiky an’i Jesosy sy ny fanavotana nataony teo amin’ ny hazo fijaliana ho an’ ny mpino.

Niaina ny fiainany nifandray mivantana tamin’ ny Rainy Jesosy, hoy Izy hoe: “... ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy...” Jaona 5:19. Ny fiainany nankatoavany izay rehetra fitakian’ Andriamanitra dia tsy naleovany tena nisaraka tamin’ ny Rainy fa niankinany zato isan-jato tamin’ ny Rainy. Izany no maha-ohatra tanteraka ny fiainany harahintsika.

Hoy Jesosy amintsika: “... raha misaraka Amiko inareo, dia tsy mahay manao na inona na inona….” Jaona 5:19. Raha misaraka amin’ i Jesosy isika, na dia eo amin’ ny fanandramana fahateraham-baovao aza, dia tsy afaka mankatע izay rehetra angatahin’ Andriamanitra. Fa Jesosy mitoetra ao amintsika, tahaka ny nitoeran’ ny Ray tao Aminy, no mahatonga ny fankatoavana ho azo atao. Ataony ao amintsika izany. Ary vaovao mahafaly izany, tsy izany ve?

Ny fanontaniana tsy maintsy apetrantsika dia ny hoe: “Inona no takian’ Andriamanitra hataoko?” Ny teny manaraka no ahitantsika ny valiny: “Takian’Andriamanitra ny fo hilefitra tanteraka alohan’ ny hisian’ ny fanamarinana; ary mba hihazonan’ ny olona ny fanamarinana, dia tsy maintsy fankatoavana mitohy, amin’ ny alאlan’ ny finoana mavitrika, velona izay miasa amin’ ny fitiavana sy manadio ny fanahy”.6 Mariho fa fileferana no fepetran’ ny fanamarinana aryfankatoavana mitohy no fepetra hihazonana ny fanamarinana. Moa ve mahatonga antsika hankatע ny fanamarinana? Tsia. Mifandray fotsiny amin’ ny tatitra momba antsika araka ny lalאna ny fanamarinana – izay hijoroantsika eo anatrehan’ Andriamanitra. Ahoana no hahatanterahantsika ny fepetra faharoa? Izao no izy:

“Raha miasa ao amin’ ny fo Andriamanitra, ary mampilefitra ny sitrapony amin’ Andriamanitra ny olona, ka miara-miasa amin’ Andriamanitra, dia tanterahany eo ivelany ny fiainana izay tanterahan’ Andriamanitra ao anaty amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina, ary hirindra ny fikasan’ ny fo sy ny fampiharana eo amin’ ny fiainana. Tsy maintsy hafoy  ny fahotana rehetra ho zavatra fankahala izay nanombo Ilay Tompon’ ny aina be voninahitra teo amin’ ny hazo fijaliana, ary tsy maintsy mitombo ny fanandramana ataon’ ny mpino amin’ ny fanaovana mitohy ny asan’i Kristy. Ny fampileferana mitohy ny sitrapo, amin’ ny fankatoavana mitohy, no hihazonana ny fitahian’ ny fanamarinana.”7

 

Mariho fa ny asan’ ny olona dia ny mampilefitra ny sitrapony. Fileferana tsy ankijanona ny fiainan’ i Kristy. Ho resahintsika bebe kokoa ny amin’izany ao aoriana. Vokatry ny fanamasinana ny fankatoavana mitohy, hojerentsika manaraka koa ny amin’izany. Mety misy hihevitra fa tena tsy misy dikany mihitsy ny olombelona, raha ny endrika nanehoana azy. Izany anefa no izy.

 

“Rehefa mitolo-batana amin’i Kristy ny fanahy, dia misy hery vaovao manjaka ao amin’ ny fo vaovao. Misy fanavaozana  vita izay tsy hain’ ny olona tanterahina na oviana na oviana ho an’ ny tenany. Asa avy any ambony izay manafy toetra avy any ambony ao amin’ ny toetry ny olombelona izany. Ny fanahy izay milefitra amin’ i Kristy, dia manjary tanana mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon’izao tontolo izao mikomy Aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy fahefana hafa hoekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny fanahy izay voatahirin’ ny anjelin’ ny lanitra ho an’ Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan’ i Satana.... Ny hany fiarovana amin’ ny ratsy dia ny fitoeran’ i Kristy ao amin’ ny fo amin’ ny alאlan’ ny finoana ny fahamarinany. Raha tsy manana firaisana velona amin’ Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hanohitra ny vokatra tsy masina ateraky ny fitiavan-tena, sy ny fampanaranam-po ny tena ary ny fakam-panahy hanota. Azontsika atao ny miala amin’ ny fahazaran-dratsy maro, eo amin’ ny fotoana mety isarahantsika amin’i Satana, nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin’ Andriamanitra, amin’ ny alalan’ ny fileferantsika Aminy eo amin’ ny fotoana rehetra, dia ho resy isika.8

“Inona no atao hoe fanamarinana amin’ ny finoana? Asan’ Andriamanitra izay mametraka ny voninahitry ny olona ao amin’ ny vovoka izany, sy ny manao ho an’ ny olona izay tsy hain’ ny olona atao ho an ’ny tenany amin’ ny heriny. Rehefa mahita ny maha-tsinontsinona azy ny olona, dia vonona ny hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy.”9

 

“Nahoana no sarotra toy izany ny manana fiainana feno fahafoizan-tena, fanetren-tena? Satria tsy maty ny amin’izao tontolo izao ireo izay misora-tena ho Kristiana. Mora ny miaina amin’izany aorian’ ny fahafatesana”.10

 

Tsarovy fa ny lאlan’ Andriamanitra tsy lאlantsika. Toa mety hiendrika tsy fahombiazana ny lאlany, fa ny lאlany no hany hahitana fahombiazana marina. Fa rehefa tena ateraka indray isika –

Ny fahafatesana no fahavelomantsika.

Ny fahalemena no iavin’ ny hery

Ny fileferana no ahazoana fandresena

Amin’ izay dia mety ho fantatsika fa ateraka ny Kristiana fa tsy atao.  

 

V.  ATERAKA NY KRISTIANA FA TSY ATAO

 

A: TRANDRAO

1. Inona no dika-fenon’ny “Fahateraham-baovao”, ary fomba ahoana no hahatonga izany ho zava-misy ao amin’ny fiainanao?

2. Ahoana no hihazonana ny fanamarinana?

 

B: AMPIHARO

“Azontsika atao ny miala amin’ny fahazaran-dratsy maro, eo amin’ny fotoana mety hisarahantsika amin’ i Satana, nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fileferantsika Aminy eo amin’ny fotoana rehetra, dia ho resy isika” Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  The Adventist Home, p. 128

2  Christ Our Righteousness, p. 90

3  Ilay fitiavana Mandresy, p. 167/1

4  The SD A Bible Commentary, vol. 7A, p. 650, The Signs of the Times, June 9, 1898

5  The SDA Bible Commentary, vol. 6, p. 1075 Manuscript p. 148, 1897

6  Selected Messages, Book 1. p. 366

7  Selected  Messages, Book 1. p. 397

8  Ilay Fitavana Mandresy, p. 340/2

9  Christ Our Righteousness, p. 104

10  Messages to Young People, p. 127

 

 

6. Inona no manaraka ny Fanamarinana?

Raha misy olona nohamarinina ka izao no voasoratra momba azy any an-danitra “toy ny tsy nanota akory”, dia ho mahagaga raha misy zavatra fanampiny hangatahiny indray amin’ ny karazan-tatitra toy izany. Ny filazאna karazam-pisainana toy izany dia manambara fa mbola ny «lalאna» no mibahana ao an-tsainy. Mbola ao ilay faniriana hanao zavatra hahatonga antsika hahatsapa fa tena  misy izany. Ny tanjona ambony indrindra ho an’ ny olona nohamarinina, dia ny mitana, amin’ ny alאlan’ ny finoana, io toerana tsy tokony ho azy io, fa nomen’ Andriamanitra azy ho fanomezana maimaimpoana noho ny fitiavany. Noho izany, ny fotoana hanamarinana antsika, no fotoana  ihany koa  hanamasinina antsika. Samy amin’ ny alalan’ ny finoana ihany no hahatrarana ny fepetra momba izany.

Mikasika ny tatitra momba anao any an-danitra ny fanamarinana. Manova an’ io tatitra io avy amin’ ny hoe: mpanao heloka bevava voaheloka, ho olona afaka, manana tatitra tsy misy hokianina, hatramin’ ny fiainanao taloha.

Ny fanamasinana dia plana nataon’ ny lanitra izay mahatonga ilay olo-meloka nafahana (isan’ ny fifanakavian’ Andriamanitra ankehitriny) ho afaka hisaotra an’ Andriamanitra hatrany noho ny fanomezany tsy hay lazaina tamin’ ny fanamarinana ho an’ ny olo-mahantra tsy mendrika. Ahoana no hanaovany izany? Amin’ ny famelany an’ Andriamanitra hiasa ao aminy isan’ andro araka ny fikasany sy  ny fanaovany hahatanteraka ny sitrapony. Filipiana 2:13.

Ny anjarantsika dia ny mamela an’ Andriamanitra hiasa ao amin’ ny fiainantsika, manazatra antsika indray hanao “eny” isaky ny milaza Jesosy hoe: “Ity no lאlana ka hizory”. Ny angatahin’ ny lanitra izay hiditra any dia fitokisana feno tsy misy fisalasalana an’ i Jesosy, tsy misy hatak’andro na dia hoe fanontaniana ny nahoana sy ny ahoana aza. Ny valintenintsika ny fitarihany antsika dia tokony handeha ho azy, tahaka ny fanarahan’ ny voninkazo ny masoandro.

Mazava, fa tsy tokony hisy fisalasalana ny lאlana ho amin’ ny fanamarinana antsika (fahamarinana zaraina) na amin’ ny fanamasinana antsika (fahamarinana isaina). Amin’ ny alalan’ ny fanamarinana no anisאna fankatoavana ho antsika, ankehitriny sy amin’ ny ho avy.

“Amin’ ny alalan’ ny fahamarinany isaina no aneken’ Andriamanitra azy ho maneho amin’ izao tontolo izao fa manaiky hiandany amin’ Andriamanitra izy, ary mitandrina ny didiny rehetra.”1

 

 “Tokony handinika ny fiainan’ ny Mpanavotra antsika isika, satria Izy no ohatra tanteraka ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny sorona tsy hita lany tao Kalvary isika, ary hahita ny toetram-pahotana mahatsiravina eo amin’ ny fahotana sy ny fahamarinan’ ny lalאna. Hahazo hery sy fahamendrehana ianao rehefa nandinika lalina ny loha-hevitra momba ny fanavotana. Hihalalina ny fahazoanao ny toetra amam-panahin’Andriamanitra; ary raha mazava ao an-tsainao ny drafitry ny fanavotana manontolo, dia ho afaka hanatanteraka kokoa ny iraka nomen’Andriamanitra anao ianao. Noho ny faharesen-dahatra lalina ao aminao, dia ho afaka hijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’ ny toetry ny lalאna tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny maha-ratsy ny fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra raha manamarina ny mino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany”.2

 

“Ambany ny fivavahan’ ny tena manokana eo amintsika amin’ ny maha-vahoaka antsika. Be loatra ny endrika ivelany, ny fombafomba, ny fivavahana am-bava fotsiny; fa tokony hisy zavatra lalindalina kokoa sy tsara orina kokoa hoentina ao amin’ ny fanandramanantsika ara-pivavahana…. Ny ilaintsika dia ny hahalala an’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fitiavany, araka izay aseho ao amin’ i Kristy, amin’ ny alalan’ ny fahalalana niainana…. Amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’ i Kristy, amin’ ny alalan’ ny fahamarinany, izay isaina ho antsika amin’ ny alalan’ ny finoana, dia tokony hahatratra ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahy Kristiana isika”.3

 

Avy amin’ ny alalan’ ny fanamarinana koa no iavian’ ny fahatanterahana. Amin’ ny alalan’ ny fanamasinana no hihazonana izany toerana izany. Izany no toerana hisy antsika tsy mandra-pahatonga an’ i Jesosy fotsiny fa mandritra ny mandrakizay koa. Anjara hitondra hasambarana ho antsika ny manambara amin’ izao rehetra izao manontolo ny fankasitrahantsika noho ny fanomezana tsy hay lazaina nomen’ i Kristy ho antsika.

Miankina amin’ ny fanamarinana ny famonjena izay fanomezana maimaimpoana avy amin’ Andriamanitra. Ny fihetsintsika manoloana izany fanomezana dia asehon’ ny fifandraisantsika amin’ ny fanamasinana sy ny fitiavantsika hamela an’ i Jesosy hamolavola indray ny toetra amam-panahintsika ka hitaratra ny azy. Asany izany na toy inona na toy inona fomba ampiasainy hahatrarany ny fetrany. Ny anjara asantsika dia ny milefitra Aminy.

Porofon’ ny fanamarinana ve ny fanamasinana? Hoy i Jesosy ao amin’ ny Jaona 15:5: “...izay miray Amiko, ary izaho ao aminy, dia mamoa be izy...” Ny vokatry ny Fanahy no ho hita ao amin’ izay rehetra tena nohamarinina marina. Galatiana 5:22, 23. Mitoetra fotsiny eo amin’ ny fifandraisana ao amin’ i Kristy io ny mpino dia hamokatra izy. Kristy no voaloboka; ny mpino no sampana. Ny toerana maha-anisan’ ny fianakavian’ Andriamanitra antsika no antony hiravoravoant-sika. Tsy maintsy holavintsika ny fampanaranam-pon’ ny tenantsika eo amin’ ny eritreritra arahim-pisalasalana. Fa rehefa natsofoka tao amin’ ny Voaloboka kosa isika, dia manjary momba ny tenany. Ho ilaina foana ny fanamarinana. Ny toetra amam-panahin’ i Kristy no hany fitafiana hisaronana mahafeno izay rehetra takian’ ny lalאn’ Andriamanitra tanteraka; noho izany, dia tsy maintsy hohazonina.

 

“Tsy tian’ ny fahavalon’ ny olona sy Andriamanitra ny hanehoana mazava ity fahamarinana ity (fanamarinana amin’ ny finoana); fantany mantsy fa raha raisin’ ny olona feno izany, dia ho tapaka ny heriny. Raha afaka mifehy ny saina izy ka fisalasalana sy tsi-finona ary haizina no hameno ny fanandramana ataon’ ireo izay misora-tena ho zanak’ Andriamanitra, dia ho azony resena amin’ ny fakam-panahy izy ireo.”4

 

“Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory” Lioka 10:19.

Mazava fa, raha ny ankapobeny, ny Kristiana dia tsy mahafantatra amin’ ny fanandramana nataony fa afaka amin’ ny herin’ i Satana izy amin’ ny fiainany. Tsy midika fahafahana amin’ ny fakam-panahy izany tsy akory. Fa ho lefy ny heriny miaraka amin’ ny fahotana. Vaovao mahafaly ho antsika rehetra izany.

Manana hery matanjaka miasa mangina ao amin’ ny fianakaviana olombelona ny fahotana. Mahasintona ny toetra mpanota izy. Mitondra fahafinaretana vetivety izy. Satria voarara izy, dia manaitaitra. Manangana toe-tsaina hahaleo-tena izy. Manao an-keriny amin’ ny fahefana misafidy na amin’ ny fampiasana ny sitrapo izy. Efa voahevitra avokoa ireo rehetra ireo ao amin’ ny Kristiana tena nateraka marina indray, raha miara-mandeha amin’ ny Tompony amin’ ny fahamarinana izy.

Misy endrika saro-pantarina lavitra momba ny herin’ ny fahotana izay tsy maintsy hojerentsika: “... ny lalאna no herin’ ny ota” 1 Korintiana 15: 56.  Nadika hoe “hery” eto ilay teny grika hoe dunamis  (fahafahana manao).  Matetika kokoa dia adika hoe “fahefana” io teny io. Iray foto-teny amn’ io teny io ny hoe “dynamite”. Izy afaka mipaoka no herin’ ny dynamita. Raha ny lalאna no herin’ ny ota, dia tokony ho fantatsika ny mahamarina an’ izany. Tsy ho fanehoana ny toetra amam-panahiny sady ho “herin’ ny fahotana no nanoratan’ Andriamanitra ny lalאny. Ny lalאm-pitiavan’ Andriamanitra no nahatonga Azy hamorona ny olona ho afaka hanota. Nomeny fahefana hisafidy izy. Ao ve no misy ny herin’ ny fahotana? “Voatohitra ny fakam-panahy rehefa misy hery miasa amin-kery amin’ ny olona hanao zavatra ratsy, ary fantany fa azony atao izany, nefa manohitra, amim-pinoana izy, raha mamikitra ny herin’ Andriamanitra.”5

Mahaliana ny mahafantatra fa ny fahefana nomen’ i Jesosy ny mpianany voalaza ao amin’ ny Lioka 10:19 dia exousia (fahefana) fa tsy fahafahana manao. Fa ny herin’ ny fahavalo ao amin’ io toko sy andininy io ihany dia dunamis (fahafahana manao). Azontsika lazaina izany, fa nomen’ Andriamanitra fahefana amin’ izay rehetra fahazoan’ i Satana manao rehetra ny olona, fa notazonin’ Andriamanitra ho ambany fifehezany ny fahazoa manao sy ny fahafahana amin’ i Satana. Amin’ ny alalan’ i Kristy dia tapaka ny fahefan’ i Satana rehetra satria fahavalo efa resy izy.

Hoy ny teny ao amin’ ny Kolosiana 1:13: “sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan”ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany.” Ny fahafahana amin’ ny fahefan’ i Satana sy ny ho tonga anisan’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia zavatra iray sy mitovy ihany. “Rehefa afoinao ny sitraponao, ny fahendrenao, ary mianatra amin’ i Kristy ianao, dia hohekena ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.”6

Satria toetra-amam-panahin’ Andriamanitra an-tsoratra ny lalאn’ Andriamanitra, ary satria Satana miezaka mandrakariva handiso ny toetra amam-panahiny, dia tokony hahita fanazavana isika eto hampahazava ny maha- “herin’ ny fahotana” ny lalאna.

Ny fandraisana diso sy ny fampiasana diso ny lalאn’ Andriamanitra no nifehezan’ i Satana an’ Israely fahizay nandritra ny taon-jato maro. Ny planan’ Andriamanitra dia ny hahatonga ny lalאny, araka ny nanoratana azy sy ny nanehoana azy tao Sinaן, ho mpitaiza hitondra  ny vahoakany ho eo amin’ i Kristy. Galatiana 3:24. Nanana plana hafa i Satana. Io lalאn’ ny fahafahana io indrindra no hoentina hanandevozana. Amin’ ny fomba ahoana? Amin’ ny fampivondronana ny ezaka rehetra ataony eo amin’ ny asan’ ny lalאna anankiray – dia ny fahazoany mampiaiky. Hoy i Paoly manoratra: “Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoan’ ny iray ...” Romana 5:18. Io no antitranterin’ i Satana sy itoeran’ ny fahefany amin’ ny olona. Ataony izay hahajamba ny masontsika tsy hahita ny tapany farany amin’ io andininy io ihany: “...no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.”

Nahindrahindran’ i Satana mandrakariva ny fanamelohana, dia nasehony ho hany vaholאna azo ekena ny fankatoavana hentitra ny lalאna. Amin’ izay dia nivarilavo sy resy ny olona, raha niezaka tao anatin’ ny fahamoizam-po mahonena, nitandrina izay tsy hananan’ ny tenany “fahazoana mitandrina”  - dunamis, na “fahefana”, exousia, Miara-miasa ny fanamelohana sy ny fahatsiarovana ho meloka ka manjary foibe-toeran’ ny herin’ i Satana eo amin’ ny asa famitahana ny Kristiana.

Ny fiaikena sy ny fahatsiarovana ho meloka dia nokasaina haneho ny olona ny maha-tsinontsinona azy, ka, amin’ ny fahatereny, dia hitodika amin’ Andriamanitra izay naniraka ny Zanany hamaha ny olאna momba ny fahotana izy. Raha misy zaza maniasia, dia samy asehon’ ny ray aman-dreny tia na “ny fahefana”, na “ny fahazoana manao” na dia diso aza ny fandraisana ny fihetsiny. Noho ny fahotana dia nanjary tsy maintsy naseho ny lalאna izay efa nisy hatramin’ ny mandrakizay, saingy diso ny fandraisana sy ny fampiharana azy. Noho ny fanamelohana dia takona tsy teo imason’ ny olona ny fototr’asan’ ny lalאna amin’ ny maha-pitaiza azy.

Nanan-kery masiaka sy mangeja ny fanamelohana teo amin’ ny fivavahana jentilisa sy Kristiana. Maro ireo mpanavao fivavahana no nijaly teo ambanin’ ny fahefany. Ny fivavahana Kristiana, raha ny ankapobeny, dia nitolona tamin’ io olאna io nefa tsy nahita afa-tsy valintenin’ olombelona izay tsy niteraka fitiavana ho an’ Andriamanitra sy izay toe-tsaina tokony aseho miatrika ny lalאna. Nisokatra ny mason’ i Davida ary hitany ny maha-mpitaiza ny lalאna, na ny maha-lאlana azy mankeo amin’ i Kristy. Izao no navaliny: “Endrey ny fitiavako ny lalאnao; fisaintsainako mandrakariva izany”. Salamo 119:97.

Nankahala ny lalאn’ Andriamanitra i Satana hatramin’ ny niantombohan’ ny fihemorany, niezaka mandrakariva ny hanova na ny hanamboatra azy izy. Izay rehetra ezaka atao hampiasאna ny fanamarinana, dia ny fanisאna ny toetra amam-panahin’ Kristy ho an’ ny olona, ho fomba hoenti-manova na hitsipahana ny lalאn’ Andriamanitra dia fanekena an’ i Satana sy fiarahana miasa aminy hikomy amin’ Andriamanitra.

Ny “Antinomianisma”, fitsipahana ny lalאn’ Andriamanitra, dia valitenin’ ny olona amin’ ny olאna momba ny fahotana. Valinteny mifanaraka amin’ ny fiampangana nataon’ i Satana an’ Andriamanitra tany am-boalohany.

Mety hihevitra ny olona “maoderina” fa tsy afaka misetra izay ilainy ny lalאna. Nefa, mbola mila ihany an’ ilay Mpamonjy izay hitondran’ ny lalאna azy izy. Ny marina dia ny olona no mila ny ho ovאna tanteraka, fa tsy ny lalאna. Toe-javatra roa mifandray, nefa samihafa mazava tsara no mahatonga io fanovana io. Voalohany, misy toe-javatra araka ny lalאna notanterahin’ i Kristy ho an’ ny olona teo amin’ ny Hazo fijalian’ i Kalvary raha nandray ny toerana izay rariny raha ho antsika Izy, ka nandoa ny trosa tsy voaloantsika, nefa ho velona. Noho izany, dia miova ny tatitra momba ny olona raha vantany vao manaiky an’ i Kristy ho Mpamonjiny izy ka mampilefitra ny fiainany hofehezin’ i Kristy. “Rehefa mahita ny maha-tsinontsinona azy ny olona, dia vonona ny hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy;”7 Mijoro ho porofo tsy azo lavina ny tsy ahazoana manova ny lalאn’ Andriamanitra Kalvary. Raha azo atao ny nanova na nitsipaka ny lalאna, dia ho tsy nilaina Kalvary. Isaorana Andriamanitra noho ny fanomezany teo Kalvary izay nahazoan’ i Jesosy ny zo hanafaka ny babo nofikirin’ ilay mpamitaka lehibe.8

“Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy, izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny Fanahy” Romana 8:1. Manafaka amin’ ny fanamelohana ny Kristiana milefitra ny fanamarinana. Hoy ny Mpamonjy: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka an’ izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao” Jaona 3:17. mbola mampiaiky ny lalאna, fa i Satana ihany no miasa amin’ ny fanamelohana. Ny Kristiana nateraka indray (nohamarinina) dia mahalala, fa na dia miasa amin’ ny alalan’ ny fihetseham-po aza i Satana hanameloka, Kristy kosa tsy ao amin’ io asa fanamelohana io; “na amin’ inona na amin’ iona no hanamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’ Andriamanitra isika ka mahalala ny zavatra rehetra. Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’ Andriamanitra isika” 1 Jaona 3:20, 21.

Hitantsika ve fa rehefa mazava amintsika ny tena fifandraisan’ Andriamanitra amin’ ny olona—dia fitiavana fa tsy fanamelohana, amn’ izay ihany vao afaka matoky Azy isika? Marina koa izany eo amin’ ny fifandraisan’ ny zaza sy ny ray aman-dreny, ny fifandraisana tena izy ihany no misy fitokisana marina. “Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalאn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalאn’ ny fahotana sy ny fahafatesana” Romana 8:2. Ny lalאn’ ny Fanahy dia mampianatra antsika ny fiainana ao amin’ i Kristy Jesosy  izay nahafaka antsika tamin’ ny lalאn’ ny fahotana sy ny fahafatesana. Afaka tamin’ izany i Paoly ao amin’ ny Romana 7.

Ilay lalאn’ ny fahotana, izay milaza hoe: “.... fa fahafatesana no tambin’ ny ota....’ Romana 6:23 dia manan-kery loza be manameloka ao amin’ ny fiainantsika rehefa antitranterin’ i Satana ao amintsika. Planany ny hanery antsika hibebaka amin’ ny alalan’ ireo fihetseham-po mahonena ireo. Betsaka amin’ ny fibebahan’ ny Kristiana no faniriana ho afaka amin’ ireo fihetseham-po mahery vaika ireo. Raha marina isika dia hitantsika fa ny fitiavan-tena no fakan’ io fibebahana io. Ny Tenin’ Andriamanitra manambara hoe: “...ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka.” Romana 2:4. Tsy noho nyfanamelohana fa  noho ny fibanjinana an’ i Jesosy eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary no mitarika antsika ho amin’ ny fibebahana marina. Ny fahafantarana fa manameloka ny fahotana Izy nefa tia ny mpanota dia manafaka antsika. “Raha ny Zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianaeo” Jaona 8:36.

Rehefa hitantsika fa tratry ny aretina mahafaty atao hoe ota isika izay namela holatra maro atao hoe fahazarana eo amin’ ny nofontsika – fahazarana izay tsy maintsy fongorana – dia mazava amintsika ny faharetana, ny fikirizana, tsy maintsy ampiasain’ i Kristy hanafaka antsika amin’ ireny fahazarana ireny. Amin’ izay ihany vao hitantsika ny mahatonga ny fanamasinana – ilay toe-javatra faharoa – ho fomba ampiasain’ Andriamanitra hanovאna ireo fahazarantsika ireo ary ny maha-asa mandritra ny fiainana an’ izany. Tsy hoe ho tonga ho tsy manana ota isika amin’ ny fetra ny androm-piainantsika, fa ny rafitra no tsy maintsy apetraka ao amintsika ho fileferana  sy finiavana tanteraka izay ahazoan’ Andriamanitra hiasa ao amintsika “... na ny fikasאna na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”. Filipiana 2:13.

Miasa ao amin’ ny maha-izy antsika ny fanamarinana. Raha maty ny amin’ ny “izaho” isika, mampilefitra ny sitrapontsika, ary manasa Azy handray ny fiainantsika, dia misy maha-izy azy vaovao homena ny Kristiana vao teraka indray. Afaka atao manaiky ny lalאn’ Andriamanitra io maha-izy antsika io, raha  nankahala ny lalאn’ Andriamanitra ilay maha-izy taloha. Romana 8:7 Miandraikitra ny fanazarana indray ny toetra amam-panahy sy ny  fanesorana ireo fahazarana izay nivelatra tao amin’ ilay nofo taloha ny fanamasinana. Ireo fahazarana sy ireo fironana nolovaina ireo no sisa tavela amin’ ilay fiainana tia tena taloha. Ireo no hamikiran’ i Satana mafy indrindra eo amin’ ny fiainan’ ireo Kristiana vao teraka indray. Isaorana Andriamanitra fa na dia io famikirana io aza dia mety ho tapaka noho ilay planan’ ny fanavotana mahagaga.

 

6. INONA NO MANARAKA NY FANAMARINANA?

 

A: TRANDRAO

1. Farito indray ny fifandraisan’ny fanamarinana sy ny fanamasinana. Anjara-asan’iza ireo? Inona kosa no anjarantsika?

2. Ahoana no fomba fampiasan’ i Satana ny Romana 5:18, sy Romana 6:23 hitarihana antsika ho amin’ny fiaiken-keloka diso izay vokatry ny tahotra? Inona kosa no mitondra amin’ny fiaiken-keloka tena izy?

 

B: AMPIHARO

3. Toetra vaovao: “Miandraikitra ny fanazarana indray ny toetra amam-panahy, sy ny fanesorana ireo fahazarana izay nivelatra tao amin’ilay nofo taloha, ny fanamasinana”. Angataho amim-bavaka  mba ho zava-misy ho anao izany dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ..

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

 

(Endnotes)

1  Christ Our Righteousness, p. 99

2  Christ Our Righteousness, p. 35

3  Christ Our Righteousness, pp. 81, 82

4  Christ Our Righteousness, p. 54

5  The SDA Bible Commentary, vol. 5, p. 1085, The Youth’s Instructor, July 20, 1899

6  Selected Messages, book 1, p. 110

7  Christ our Righteousness, p. 104

8   Ilay Fitiavana Mandresy, p. 803

 

 

 

 

 

7. NATAO HIAKARANA NY Tohatra

Ny epistilin ‘ i  Petera faharoa dia nataony ho an’ ny antokon’ olona izay “nahazo finoana soa tahaka ny azy amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika» 2 Petera 1:1.

Sarotra ny hanambara amin’ ny teny kanto kokoa fa tahaka an’ i Petera ireo olona ireo, nohamarinina – afaka tamin’ ny fahotany taloha – ary mandeha amin’ ny fiainam-baovao. Rehefa izany dia notarihin’ ny tsindrimandry i Petera, nanambara mazava teo  anatrehan’ ireto Kristiana vao teraka indray ny planan’ Andriamanitra momba ny fahamarinany izay ho zaraina ho azy ireo sy ho antsika.

Tsotra sy manan-kery ny tenin’ i Petera momba ny fanamasinana. Manao fanambarana goavana izy fa nomena antsika “…ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra…”. Ambarany mazava koa aza ny fomba nahatongavan’ ireo fanomezana ireo ho an’ ny mpino – dia amin’ ny finoana ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra izay manondro antsika fa mety ho mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra ny mpino teraka indray.

Ambarany aty aoriana fa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao amin’ ny alאlan’ io fomba io ihany izy: 2 Petera 1:3, 4. Ny fitiavan-tena, izay levona tany am-boalohany raha maty ny toetsika taloha, tamin’ ny alאlan’ ny finoana, no fahalotoan’ ny nofo voalaza eto. Ny vokatr’ izany dia ny ahazoan’ i Jesosy manamarina ny mpino, raha manaiky fa maty ny amin’ ny ota izy. Romana 6:12.

Rehefa izany, araka ny voalazan’ i  Paoly, tsy nohamarinina fotsiny amin’ ny alאlan’ ny rאn’ i Kristy (ny fahafatesany) ny mpino, fa voavonjy koa noho ny fiainan’ i Jesosy. Romana 5:10. Fiainana manao ahoana izany? Deraina ny anarany masina! Ny fiainany tanteraka (toetra amam-panahy) izay novolavolainy teto an-tany nandritra ny telo amby telopolo taona sy tapany.

Ny toetra amam-panahin’ i Jesosy no isaina ho an’ ny mpino aloha ho fanamarinana, ka manjary toy izao no vakin’ ny tatitra momba ny fiainana teo aloha: “tahaka ny tsy nanota mihitsy aho”. Io toetra amam-panahy io, avy eo, no atao zava-misy eo amin’ ny fiainan’ ny mpino raha iny mianatra ny mandeha amin’ ny fiainam-baovao iny izy, amim-pahatokisana ny Tompo izay hanome “ny zavatra rehetra” mifanaraka amin’ io fiainam-baovao io.

Mazava, fa ny zava-kendrena amin’ ny fianarana mandeha amin’ io fiainam-baovao io, dia ny fiankinana tanteraka eo amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra mba hanapotika ny fahazarana sisa navelan’ ilay toetsika taloha, vao nohomboana vao haingana teo amin’ ny hazo fijaliana.

 

“Raha miasa ao amin’ ny fo Andriamanitra, ary mampilefitra ny sitrapony amin’ Andriamanitra ny olona, ka miara-miasa amin’ Andriamanitra, dia tanterahany eo ivelany ny fiainana izay tanterahin’ Andriamanitra ao anaty amin’ ny alאlan’ ny Fanahy Masina, ary hirindra ny fikasan’ ny fo sy ny fampiharana eo amin’ ny fiainana. Tsy maintsy afoy  ny fahotana rehetra ho zavatra fankahala izay nanombo Ilay Tompon’ ny aina be voninahitra teo amin’ ny hazo fijaliana, ary tsy maintsy mitombo ny fanandramana ataon’ ny mpino amin’ ny fanaovana hatrany ny asan’ i Kristy. Ny fampileferana mitohy ny sitrapo, amin’ ny fankatoavana mitohy, no hihazonana ny fitahian’ ny fanamarinana.”1

 

Tena tsy mahagaga, rehefa eo amin’ io fotoana io, ny hifantohan’ ny saina eo amin’ ny hoe: tokony hankatע. Eo matetika no maha-diso ny Kristiana. Tokony hifantoka eo amin’ ny fileferana isika. Raha mahatozo eo amin’ ny fileferana isika, dia hiasa ao amintsika Andriamanitra “... na ny fikasana na ny fanaovana ahatanteraka ny sitrapony.” Filipiana 2:13

 

“Ny maha-izy antsika no toetra amam-panahy.  Izay heverin’ ny olona momba antsika kosa no laza. Asehon’ ireo ohatra ho antsika eo amin’ ny zava-mahazatra antsika ny voalohany, ary asehon’ ny fifehezan-tena tarihin’ ny saina ny faharoa. “Ny hisehoan’ izany toe-panahy izany dia tsy ny fanaovan-tsoa tsindraindray, na ny fahadisoana tsindraindray, fa ny hita lalandava eo amin’ny fiteny sy ny fanao mahazatra”.2

 

Ny fanao mahazatra dia izay ataontsika tsy am-piheverana intsony. Betsaka amin’ ny fiainantsika andavanandro no miainga avy amin’ ny foto-tsiaro (“subconscient”). Tsy maintsy hanjary fahazarana ny fileferantsika amin’ny fitarihin’ i Kristy ny fiainantsika. Izany hoe tsy maintsy hanjary ho toetsika ny manao izany.

 

“Azontsika hatao ny ho akaiky indrindra an’Andriamanitra, ka raha mamely tampoka ny fakam-panahy dia hitodika faingana any Aminy ny saintsika, dia toy ny fitodiky ny voninkazo any amin’ ny masoandro”.3

 

Mampirisika antsika i Paoly manao hoe: “Aoka ho aminareo izao saina izao izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa”. Filipiana 2:5. Manaraka izany ny fileferana tanteraka indrindra izay “...hatramin’ny fahafatesana dia fahafatesana ambonin’ ny hazo fijaliana” Andininy 8.

Ny teny hoe “aoka” dia ahafantarantsika fa eo am-pela-tאnantsika ny fahefana mifehy. “Miandry Kristy sady maniry mafy indrindra ny hahita ny fanehoana ny toetrany eo amin’ ny fiangonany. Rehefa hita tanteraka eo amin’ ny vahoakany ny toetran’ i Kristy, dia ho avy Jesosy hitaky azy ho fanאnany”.4

Ny fanandraman’ ny fahateraham-baovao ao anatin’ ny fahamarinana amin’ ny finoana ihany no mety hahatrאrana io tarigetra io. Ny fahamarinana nomena ho tombony mba ho fanamarinana sy ny fahamarinan’ ny fanamasinana omena no “...zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.... 2 Petera 1:3. Rehefa avelantsika Andriamanitra hanao ho antsika izay tsy haintsika hatao ho an’ ny tenantsika dia manjary antsika ireo fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ireo.

Tokony ho vavaka ataontsika ny nataon’ i Daniela hoe: “Anao ny fahamarinana, Tompo פ, fa anay kosa ny fangaihaizana..” Daniela 9:7. Mafy amin’ ny olona ny mihatrika ny zava-misy fa tsy misy na inona na inona mitoetra ao aminy. “Rehefa hitan’ ny olona ny maha-tsinontsinona azy, dia voaomana hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy.”5 Rehefa misy mampiasa ny teny hoe “mihatsaravelatsihy” dia fantatsika ny tiany mpiteny holazaina. Inoako fa izao fotsiny ihany no tian’ i Daniela hambara: “Tompo פ, tsy mampaninona izay endrika ezahiko aseho, mitarika ho amin’ ny fangaihaizana izany satria tsy tena izy.”

Enga anie avelantsika Andriamanitra hanao ny tenany ho tena izy ao amintsika ka ho afaka hiara-miteny amin’ i Paoly isika hoe: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalאna ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’i Jesosy Kristy. Fa manana izao rakitra izao atao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay. 2 Korintiana 4:6, 7. 

Omena antsika ao amin’ ny 2 Petera 1:5-7 ny tohatr’ i Petera momba ny fanamasinana: “Amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fantajahan-tsainareo dia fahalalאna, ary amin’ ny fahalalאnareo dia fahononam-po ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavana ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. “Asehon’i Petera amintsika eto ireo dingana izay hahatrאrana ny fanamasinana araka ny Baiboly.

 

“Ny finoana, ny fahatanjahan-tsaina, ny fahalalאna, ny fahononam-po,ny faharetana, ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ary ny fitiavana ny rahalahy sy ny fitiavana ny olona rehetra dia samy zana-tohatra hianihina avokoa. Amin’ ny fianihantsika ireo zana-tohatra rehetra ireo no hahazoantsika famonjena, satria amin’ izany no hiakarantsika ambonibony kokoa hatrany ho fanatrאrana ny haavo atolotr’ i Kristy hotratrarintsika. Ho amin’ izany no nanaovana Azy ho “fahendrena, sy fahamarinana sy fanamasinana ary fanavotana ho antsika.”6

 

Alohan’ ny hiakarantsika io tohatra io dia tsy maintsy fantarintsika bebe kokoa ny toetra mampihavaka io rafitra manokana io. Samy dingana eo amin’ ny fivelaran’ ny toetra amam-panahy ny zana-tohatra tsirairay amin’ io tohatra io. Nefa tsy tonga eo amin’ ny fahatanterahana ny dingana tsirairay alohan’ ny handrosoana miakatra ny tohatra.

Azontsika lazaina fa tahaka ny tohatra tady, mihantona avy any ambony io tohatra io. Izany no mahatonga azy ho tohatry ny finoana, avy any ambony ny tanjany. Manomboka amin’ ny zana-tohatra farany ambany ny mpihanika ka dingana iray no ataony isaky ny miakatra, izay manampy amin’ ny toetra amam-panahiny ary “ny kajy ampiasainy amin’ ny anjara asany dia “fanampiana”, ny kajy ampiasain’ Andriamanitra amin’ ny asa ho azy kosa dia “fampitomboana”.7

Atao araka ny filaharany ny dingana satria mifamatotra izy ireo ary mifampiankina. Eo amin’ ny zana-tohatra voalohany no miorina ny faharoa. Mbola ny kajy fampitomboana ihany no ampiasain’ Andriamanitra isaky ny dingana eo amin’ ny toetra amam-panahy raha mbola mitohy ny fitomboantsika ara-panahy.

Misy zavatra fanampiny tsara ho fantatsika momba io tohatra io:

“Akory ny hakanton’ izany mety hitovizana amin’ i Kristy izay atolotra ny mpino tsirairay, dia ny fankatoavana ireo fitsipika rehetra amin’ ny lalאna!  Kanefa tsy vitan’ ny olona velively amin’ ny herin’ ny tenany samirery ny hahatratra izany fenitra izany, satria ny fahamasinana izay ambaran’ ny tenin’ Andriamanitra fa tsy maintsy hanאnana mba havoavonjy azy, dia vokatry ny asan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, rehefa milefitra amin’ ny hery miasa mangina, manabe sy manitsy, avy amin’ ny Fanahin’ny fahamarinana izy ...ny anjaran’ ny Kristiana dia ny hitozo handresy ny diso rehetra eo aminy. Tokony hivavaka lalandava amin’ ny Mpamonjy izy mba hanasitranana ny fanahiny voan’ ny aretim-pahotana. Samy tsy anאnany na ny fahendrena na ny hery ahazoana ny fandresena. An’ Andriamanitra izany, nefa omeny amin’ izay mitalaho amin’ ny fo torotoro sy manetri-tena ka mangataka famonjena Aminy.”8

 

Voamarikao ve fa ny anjarantsika dia ny milefitra amin’ ireo fanandramana entin’ ny fiainana, tsy arahin-taraina, ary manaiky fa avy amin’ i Kristy ny zavatra rehetra, na dia mety ho Satana aza no nihaviany? Satria ny akanjom-paharinanan’ i Kristy no mihodidina antsika, dia tokony ekentsika fa tsy misy na inona na inona afaka mikasika antsika ka tsy navelany. Romana 8:28.

Izay hany avelan’ i Kristy hikasika antsika dia izay hanampy ny toetra amam-panahintsika ho tonga tahaka ny azy. (Jereo Sambatra p. 60). Ny fanekentsika io fahamarinana io no hianarantsika hahatoky Azy amin’ ny lafim-piainana rehetra. Dia, velona amin’ ny finoana isika fa tsy amin’ ny fahitana. Toy izany no niveloman’ i Jesosy teto an-tany ho ohatra ho antsika.

Misy sary anankiray ity: “Mandritra ny andro iainana ny faharetan’ ny asa fanavozana atao ho an’ ny mpanota mikatsaka fahamasinana. Miasa ho fanamasinana ny Kristiana isan’ andro isan’ andro Andriamanitra ary ny olona kosa tokony hiara-miasa Aminy, ka hihezaka hamboly fahazarana tsara.”.9 Voafaritra mazava indray ny anjara asan’ Andriamanitra sy ny anjara asan’ ny olona. Ny anjara asan’ Andriamanitra dia ny asa fanamasinana isan’ andro. Ny anjara asantsika dia fiaraha-miasa “mba hamboly fahazarana tsara”.

Raha tokony “hamboly fahazarana tsara” isika, dia tonga ho azy ny fanontaniana hoe: Ahoana? Mety ho azo handramana ny fanazarana ny sitrapo, ny ezaka mitohy sy maharitra, ny famerimberenana ny fahazarana tian-kitoetra, na azo andramana koa ny vavaka.

Soso-kevitra ny ahy fa nofidina ny teny hoe “mamboly” noho ny halalin’ ny dikany, tsy hisalasalana izany. Raha solointsika hoe “karoty” ny teny hoe “fahazarana”, dia tsy hanahirana antsika firy ny hahazo ny hoe “Ahoana”? Samy mahay mamboly karoty isika rehetra. Alאna fotsiny ny ahi-dratsy ary havאna ny tany hanirian’ny karoty. Ary ny karoty kosa? Avelantsika hokarakarain’ ny Tompo. Izy irery ihany no afaka hampaniry azy. Ny hany azontsika atao dia ny manala ny sakana amin’ izany fitomboana izany.

 

“Maniry mafy ny haneho ny fahasoavany Izy. Raha hesorin’ ny olona ny zava-misakana, dia handrotsaka ny onin’ ny famonjena hitosaka be dia be amin’ ny alאlan’ ny olombelona natao fantsona Izy”.10

 

“Tsy misy zavatra atahoran’ i Satana tahaka ny hanavatsavan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny lאlana ka hanesorany ny sakana rehetra, hahazoan’ i Jehovah mandrotsaka ny Fanahiny amin’ ny fiangonana ana sy ny vahoakany mafy hatoka.”11

Efa fantatsika fa tsy afaka manova ny tenantsika isika. “Moa manova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy”. Jeremia 13:23; Ny anjara asantsika amin’ ny fanalאna izay manakatsakana sy manembatsembana eo amin’ ny fanefena ny toetra amam-panahintsika dia ny manavaka azy rehefa mahita azy. Ary avy eo dia hitozo angataka amim-bavaka ny fanasitranan’ Andriamanitra ny fanahy voan’ ny aretim-pahotana. Hoesoriny ireo sakatsakana rehefa vonona ny tsy hiaro ireo zavatra manakatsakana ireo isika. Ilaintsika ny manavaka ny ahi-dratsy sy ny tena zava-maniry.

Zava-maniry marefo ny vokatry ny Fanahy izay mila fanolokoloana sy fitandremana mandra-pahazoany faka tsara. Rehefa izany, dia manjary miroborobo izy, hany ka afaka miteny tahaka an’ i Paoly isika hoe: “...tsy misy mahazongozona ahy ireo zavatra ireo....” Asan’ny Apostoly 20:24 (nadika avy tamin’ny King James Version.)

Io asa fanomanana rehetra io, tahaka ny fiakarana ny tohatr’ i Petera, dia asan’ ny finoana. “Misy ireo izay miezaka ny hiakatra ny tohatry ny fandrosoana Kristiana kanefa arakaraka ny handrosoany dia miha-mametraka ny fitokisany amin’ ny herin’ olombelona izy ireo, hany ka vetivety dia tsy mahita an’ i Jesosy intsony, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy. Vokany: tsy fahombiazana.” (Jereo Vavolombelona Mahery, p. 468/3).

Aoka hazava amintsika fa ny fanamasinana, tahaka ny fanamarinana dia asan’ ny finoana isaky ny mandingana.

 

“Tokony ho tahaka an’ i Kristy ireo mpanaraka Azy – noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy mifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny lalאny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly. Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy ihany sy amin’ ny alalan’ ny hery avy amin’ ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatiny”.12

 

“Raha ny tenantsika samirery dia tsy afaka manao zavatra tsara isika na dia iray aza; nefa izay tsy azontsika atao, dia hotanterahina amin’ ny alalan’ ny herin’ Andriamanitra ho an’ ny fanahy tsotra sy mino rehetra. Tamin’ ny alאlan’ ny finoana no nanomezana ny zanaky ny teny fikasana. Amin’ ny alאlan’ ny finoana no iforonan’ ny fiainana ara-panahy, ka mahatonga antsika ho afaka hanao ny asan’ ny fahamarinana”.13

 

“Tsy misy afa-tsy Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia izay efa nifehy ny sitrapo”. 14

 

“Amin’ny alאlan’ ny fanomezana ny fahasoavan’ i Kristy no ahafantarana ny tena toetry ny fahotana mahatsiravina, ary amin’ ny farany dia voahongotra tsy ho ao amin’ ny tempolin’ ny fanahy izany”.15

 

Milaza amintsika mazava ireo fanambarana ireo fa rehefa zaraina amintsika ihany ny toetra amam-panahin’ i Kristy eo amin’ ny fanamasinana vao afaka mahita ny fahotana amin’ ny tena maha-izy azy isika – dia aretina mahafaty. Amin’ izay ihany vao afaka hianatra ny hankahala azy isika. Manjary mazava izany rehefa manomboka miakatra ny tohatra isika.

Mariho fa ny ota no resahina, izay manondro ny aretina fa tsy ny fahotana, izay fisehoan’ ny aretina. Azontsika atao mora foana ny hampirongatra fankahalאna lalina ny fahotana ao am-pontsika izay manambara fa misy toe-pahotana anaty izay ipoirany. Nefa matetika no mitodika any amin’ ny fisehoan’ny aretina ny ezaka ataontsika fa tsy any amin’ ny fototr’ aretina. Ary izay no tian’ i Satana ataontsika. Fa raha mbola tsy voakarakara ny aretina, dia fantany fa ho eo hatrany ny fisehoan’ ny aretina hahatonga antsika hitolona sy ho resy foana.

Marina koa fa ataontsika an-tsirambina izao zava-misy izao: Samy tratry ny aretim-pahotana mitovy daholo ny olombelona rehetra, eo amin’ ny maha-olombelona (nofo) azy. Na manao ahoana, na manao ahoana ny firoson’ ny aretina, araka ny fijerin’ Andriamanitra, dia mbola mahafaty foana. Misy fisehoan’ny aretina anefa, izay toa azo ekena ihany eo amin’ ny fiaraha-monina tsara indrindra; fa ny hafa kosa tsipahina satria hoe mahatonga anao ho tsy laitra hanarina.

Tsy maintsy havela Andriamanitra haneho amintsika io toetra mahafaty io ary hahatonga antsika hahita ny fahotana araka ny fahitany azy. Amin’ izay dia ho fanirintsika lalina ny ho afaka amin’ ireo rantsany maloto misandrahaka mamatotra antsika. Nahoana no sarotra toy izany ho an’ ny olombelona ny mahita? Satria mpanota matevi-koditra isika, maraorao, hany ka zara raha mahavaka ny fahotana rehefa mifampikasoka aminy. Izao no zava-doza amin’izany: rehefa toy izany ny fiainantsika dia adinontsika fa “tsy nisy pentim-pahotana teo amin’ i (Kristy), fahoriana tsy hay lazaina ho azy ny mifampikasoka amin’ny ratsy noho ny toetrany masina, sarotiny ny amin’izany.”16 Asa be manao ahoana no tsy maintsy ho tanterahina ao amintsika mba ahazoantsika mitaratra tanteraka ny endriny.

Alohan’ ny hiakarantsika an’ io tohatry ny fanamasinana io, andeha isika hanao indray mijery ny kisary (Fanazavana fanampiny D). Tiana naseho eo ny fomba hisandohan’ i Satana ny planan’ ny fanamasinana toy ny ataony amin’ ny fahamarinan’ ny Baiboly rehetra. Manomboka amin’ ny finoana ny planan’ Andriamanitra ary mifarana amin’ ny fitiavana (Fitiavan’ Andriamanitra). Ny an’ i Satana kosa manomboka amin’ ny “izaho”, izay tena manan’ aina, ary mifarana amin’ ny fihetsiky ny fo.

Mamorona sakana, fanembatsembאnana, izay tsy ahafahan’ ny Kristiana mamolavola ny toetra amam-panahin’ i Kristy ny planan’ i Satana. Mihamahery hatrany ireo toetra mampihavaka ny planany ireo, hany ka manakana ny zavatra farany kendren’ ny fitiavan’ Andriamanitra tsy ho tratra. Ho solon’ izany dia misy takalony tena mahaliana, maharenoka, sady mamitaka antsointsika hoe: fihetsiky ny fo. Ao amin’io faritry ny fiainana mampihetsika ny fo io no hihazonan’ i Satana Kristiana aman-tapitrisany revo sady voafitaka.

Ny hafatra tiako hampitaina tsy ny hoe tsy misy mampihetsika ny fo eo amin’ ny lאlan’ i Jehovah. Misy tokoa izany. Fa ny fitiavan’ i Kristy no manery antsika. 2 Korintiana 5:14. Izany hoe ny fitiavan’ i Kristy no mampitambatra antsika. Izany no vokatry ny fitiavan’ Andriamanitra.

Rehefa ny fo no mihetsika dia mitarika ho amin’ ny fisehoan’ ny fihetseham-po mahery, indrindra eo amin’ izay mifankahazo am-po izany. Ny fitiavan’ i Kristy etsy an-daniny, mahatratra sy manafotra na dia izay manohitra antsika ary na dia izay miady amintsika aza. Manaiky ny fihetsika rehetra isan-karazany atao aminy nefa mbola fitiavana ihany no asetriny izany. Mazava fa tsy toetra anaty eo amin’ ny olombelona izany. Tsy maintsy ho fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Izany no vitan’ ny fanamasinana.

 Tokony ho tsaroantsika koa fa fahasoavana (izay toetra amam-panahin’ Andriamanitra tsy hananan’ ny mpanota) no itomboan’ ny Kristiana (hanam-pitoviana amin’ i Kristy), rehefa mamela an’ Andriamanitra hamolavola ny toe-panahiny ao aminy izy, fa tsy hoe mitombo fahasoavana izy (izany hoe: satria manam-pitoviana amin’ i Kristy izy dia mandray fahasoavana, izay toetra amam-panahin’ Andriamanitra).17 Sarom-pantarina ny fomba fiasan’ny fitomboana raha eo am-piasאna izy, fa mazava kosa ny vokany ho an’ ny mpino sy ho an’ izay mifampikasoka aminy.

Raha miakatra ny tohatra isika dia ataovy ao an-tsaina fa dingan’ ny finoana avy ny dingana tsirairay araka izay asehon’ ny fanambarana eo anelanelan’ ireo tohatra roa eo amin’ny kisarintsika.

Eny, natao hiakarana ny tohatra, ary efa ho vonona ny hanomboka hiakatra isika. Andeha isika hivavaka hangataka an’ Andriamanitra haneho antsika ny sakatsakana sy ny fanelingelenana rehetra izay mety hitsivalana amin’ ny asany ao amintsika tsy hitondra ny vokatry ny fahamarinana. Mety ho hevitra tsara ny manopy maso ny voan’ ny toetra amam-panahy azontsika antenanaina fa hiseho, raha miasa amin’ ny fomba mahagaga ao amintsika Izy. “…Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahalemem-panahy, fahononam-po....” Galatiana 5:22, 23.

 

 

7. NATAO HIAKARANA NY TOHATRA.

 

A: TRANDRAO

1. Inona ihany no avelan’ i Kristy hikasika antsika ary nahoana?

2.  Miandoha amin’inona ary miafara amin’ inona ny Planan’ Andriamanitra amin’ny fanamasinana? Miandoha amin’ inona ary miafara amin’ inona kosa ny plana sandok’ i Satana?

B: AMPIHARO

3. “Tokony ho tsaroantsika koa fa fahasoavana (toetra amam-panahin’Andriamanitra tsy hananan’ ny mpanota) no itomboan’ ny kristiana (hanampitoviana amin’ i Kristy), rehefa mamela an’ Andriamanitra hamolavola ny toe-panahiny ao aminy izy, fa tsy hoe mitombo fahasoavana izy (izany hoe: satria manam-pitoviana amin’ i Kristy izy dia mandray fahasoavana, izay toetra amam-panahin’ Andriamanitra”.    Ndeha hiakarana ny tohatra e! Ento amim-bavaka  ary raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1       Selected Messages; Book 1, p. 397

2  Ny Tena Hasambarana, p. 69/1

3  Ny Tena Hasambarana, p. 118/1

4  Henoinareo ny fanoharana pp. 47/4

5  Christ our righteousness, p. 104, The Review and Herald, September 16, 1902

6  Vavolombelona Mahery, p. 466/1

7   The Acts of the Apostles, p. 532

8  The Acts of the Apostles, p. 532 (Sora-mandry avy aminay)

9  The Acts of  the Apostles, p. 532

10  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 253/1

11  Selected Messages, book 1, p. 124

12  Hery Mifanandrina, p. 484/1

13  Ilay fitiavana Mandresy, p. 84 /3

14  The Desire of Ages p. 38

15  Selected  Messages, book 1, p. 366

16  The SDA Bible Commentary, vol. 7A, p. 451; The Review and Herald, Nov. 8; 1887

17  Henoinareo ny Fanoharana, p. 232

 

 

8. Ho tsara fototra . . .

amin’ny finoanareo dia manehoa . . .

 

Alohan’ny hiakarana tohatra dia mety ny mandinika ny fototra iorenany! Koa satria ny finoana no zana-tohatra voalohany, dia andeha horaisintsika hoe ny finoana no fototra.

Mandefa hafatra i Petera ho an’ ireo izay tahaka azy, efa nohamarinina tamin’ ny finoana. Nefa injay misy miteny hoe: “Efa nilaza ianao fa mihantona avy any ambony io tohatra io ary tsy misy manohana avy aty ambany”. Marina izany. Izay no maha-finoana ny fototra iorenany. Hoy i Paoly “...izay ivelomako ankehitriny ao amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra ...” Galatiana 2:20. Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina fa avy amin’ ny alalאn’ ny finoana avy any ambony ny fototra, sy ireo dingana tsirairay amin’ ity tohatra ity. Raha ny marina, “...Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika  ary iainantsika ....” Asa 17:28. “…Tsy tompon’ ny tenanareo ianareo, fa olom-boavidy ianareo….” 1 Korintiana 6:19-20. Ny rא nalatsaka tao Kalvary io vidiny naloa io, ka nahatonga an’ i Kristy ho nanana izay

fepetra nilaina, araka ny lalאna, hanamarina antsika sy hanafaka antsika amin’ ny tenantsika. Mety ho sarotra amin’ ny sasany amintsika ny manaiky fa ilaintsika ny ho afaka ho amin’ ny tenantsika.

Hahitantsika ny toetsika ankehitriny ny fanehoan’ Andriamanitra an-tsary an’ i Isiraely fahizay: “…Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra, hatramin’ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao, tsy mbola voaporitra, na voafehy na voalemin’ ny diloilo izy.” Isaia 1:5, 6.

Tsy feno fisaorana ve isika fa tena maty marina ilay olona-taloha ao amin’ ny plana fanamarinana nataon’ Andriamanitra? Dia omena fiainana vaovao isika ao amin’ i Kristy araka izay ambaran’ i Paoly hoe: “Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy dia olom-baovao izy (famoronana) efa lasa ny zavatra taloha, indro efa tonga vaovao ireo” 2 Korintiana 5:17. Zava-misy mifototra amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra izany. Mahatonga antsika ho mpiray amin’ ny foman’ Andriamanitra izany, araka ny voalazan’ i Petera.

Tsy maintsy ataontsika mandrakariva ao an-tsaina fa olom-baovao ao amin’ i Kristy isika. Ho tsapantsika, ombieny ombieny, eo am-piakarana ny tohatr’ i Petera fa misy hery matanjaka miasa ao amin’ ny rantsam-batantsika izay hiady hanohitra ny fitarihin’ ny Fanahy mandritra io dian’ ny finoana io. Matetika isika no hihika tahaka an’ i Paoly hoe: “Indrisy olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?” Romana 7:24.

Zava-dehibe ny ahatsiarovantsika  fa mbola mafotaka ary vao miha-mafy aza ny ady ifanaovan’ i Kristy – Ilay mpifehy vaovaon’ ilay olona vaovao – sy Satana – ilay mpifehy voahongana tao amin’ ilay olona-taloha – satria tezitra Satana.  Ny fomba fanaontsika mahazatra no nentiny niasa teo aloha nifehezana ny fiainantsika. Tsy tokony hadinointsika mihitsy fa miseho eo amin’ ny fanao mahazatra ny toetra amam-panahy.

 

“Ny toetra, ny mampihavaka ny tsirairay, ny fahazarana izay mampivaotra ny toetra amam-panahy – izay rehetra atao ao an-tokan-trano dia hiseho eo amin’ izay rehetra mifandray amin’ ny fiainana. Ny fironana arahina dia hanjary eritreritra, teny, fihetsika mifanahaka amin’ izany.”1

 

Izao koa no vakiantsika :

“Ny toetra ratsy ankamamiana eo amin’ ny fikarakarana ny antsipirian-javatra kely dia mifindra eo amin’ ny zavatra lehibebe kokoa… Amin’ izany dia mamorona fahazarana ny asa atao miverimberina, ny fahazarana mamolavola toetra amam-panahy ary ny toetra amam-panahy no manapaka izay ho anjarantsika ho avy sy ho mandrakizay”.2

 

Rehefa mazava tsara ao an-tsaina ireo zava-misy ireo, dia miharihary amintsika ny fototry ny ady: iza no hifehy ny saina. Tsy maintsy mazava ny saintsika hahita ny fahasamihafana eo amin’ ireo hery roa miezaka mafy handray ny fahefana fara-tampony. Izao ary, aoka hilaza ny marina tanteraka amin’ ny tenantsika isika ka hamakafaka ary hahita izay fototry ny ankabeazan’ ny fanapahan-kevitra noraisintsika teo amin’ ny fiainana: na foto-kevitra na fihetseham-po. Raha milaza ny marina isika, dia ho hitantsika fa matetika no nibahana na dia teo amin’ ny fanapahan-kevitra ara-panahy aza ny fihetsehampo. Ireo fihetseham-po ireo, izay lאlam-be namehezan’ i Satana antsika, dia namolavola endrim-pahazarana matanjaka ary tsy ho avelan’ i Satana ho faty ireny raha tsy misy tena ady. Ny fanao mahazatra eo amin’ ny fiainantsika aloha no manainga ny valitenintsika eo amin’ny toe-javatra iray. Raha araka ny fihetseham-pontsika ny ataontsika, dia andraisan’ i Satana tombony iny toe-javatra noforoniny iny ary ampiasain’ ny valitenintsika mahazatra hiampangana, hanamelohana sy hanakiviana antsika. Miezaka izy amin’ izay ny hahatonga antsika hino fa tsy tena izy ny fanamarinana antsika ary mamita-tena  mihitsy isika.

Tsy maintsy mampiana-teny ny Kristiana nateraka indray, velona amin’ ny finoana, hanao izay natoron’ ny anjely an’ i Adama sy Eva  rehefa maka fanahy azy Satana. Eto no tena toa hanafotra antsika ny ady. Tsy nahomby ireo raiaman-drenintsika voalohany, nefa kosa, afaka mandresy isika ao amin’ i Kristy! Amin’ ny fomba ahoana? Nilazאna i Adama sy Eva hitsipaka izay hevi-petsy asosok’i Satana voalohany, dia ho voaaro izy.3 Tsy maintsy fantarintsika eo amin’ ny valiteny mahazatra ny fiasan’ ny fahavalo, ary mahalala ny fahalementsika isika, ka aoka hitodika avy hatrany eo amin’ i Kristy hitady fanampiana. Tsy maintsy ekentsika fa tsy hampandresy antsika ny fanoherana, na manao ahoana na manao ahoana fiezahantsika hifehy ny fihetseham-pontsika! Rehefa mihatrika ny fahalementsika isika ka mametraka ny toe-javatra ho amin’ i Kristy, dia hampiasאny avy hatrany io toe-javatra io ihany ho fitaovana eo am-pela-tאnany hamolavolana ny toetra amam-panahintsika. “Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia izay efa nifehy ny sitrapo”.4

Miasa mamolavola io toetra amam-panahy vaovao io Kristy ary isika kosa serana dia serana milefitra amin’ ny asa ataony mandritra ny fiakarana amin’ ny tohatra manontolo. Andraikitra tsy misy fitsaharana ho antsika tsirairay izany. Ny fanokafantsika ny varavarana amin’ ny alalאn ny fileferana ihany no ahazoany manao ny asany ao amin’ izay vao noforonin’ ny tenany indray. Tsy maintsy hanaiky an-tsitrapo mandrakariva hanala ny sakatsakana sy ny fanelingelenana izay manohitra ny asany ao amin’ ny fiainantsika isika. Na dia ny fileferana aza dia ahatsapana fahafam-po ny fahafantarana fa “Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe hiala amin’ ny maty, mitondra ny rאn’ ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay hankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay Amena” Hebreo 13:20-21.

Na Jesosy aza dia nahazo ny fandresena tamin’ ny alalan’ ny fileferana, rehefa toa resy sy tsy nahomby Izy araka ny fijerin’ ny olombelona Azy, noho izany, tokana ihany ny lאlan’ ny fandresena ho antsika. Ho sarotra hiakarana io tohatra io, tsy noho izy mitsatoka sy ratsy rafitra na maraorao, fa noho ny “izaho”  miezaka hatrany hanao ny asan’ Andriamanitra, fa tsy hanao ny asan’ ny tenany – dia ny milefitra izany.

Misy zavatra manelingelina tsy maintsy ho esorina alohan’ ny hanombohana hiakatra io tohatra io. Raha tsy maty ny “izaho” amin’ ny alalan’ ny fanamarinana, dia tsy ho afaka hiakatra ny tohatr’i Petera isika fa, indro fa hanomboka hiakatra ny tohatra tsy izy.

 

“Fanandramana tsy fahita firy ny fahateraham-baovao amin’ izao vanim-potoana izao. Izay no antony mahatonga fahaverezan-kevitra betsaka toy izao ao amin’ ny fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no mitondra ny anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary tsy masina. Natao batisa izy, fa nalevim-belona. Tsy maty ny “izaho”, ary noho izany, tsy nitsangana ho amin’ ny fanavaozam-piainana ao amin’ i Kristy izy”.5 

 

Hoy i Paoly: “Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany” Romana 6:5. Hoy koa izy: “... nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny nahafatesan’ ny Zanany isika, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny rehefa nampihavanina” Romana 5:10. Miandraikitra izay rehetra araka ny lalאna ny fanamarinana, ny fanamasinana, na ny fizarאna ny fiainan’ i Kristy kosa, no fomba hanapahana izay ho fahaizantsika hiaina any an-danitra. Tsy misy tombam-bidiny mitoetra ny fanamarinana tsy misy fanamasinana ary tsy mety hisy izany fanamasinana tsy misy fanamarinana izany.

“Takian’ Andriamanitra ny fo hilefitra tanteraka alohan’ ny hisian’ ny fanamarinana; ary mba hihazonan’ ny olona ny fanamarinana, dia tsy maintsy hisy fankatoavana mitohy, amin’ ny alalan’ ny finoana velona sy mahery izay miasa amin’ ny fitiavana sy manadio ny fanahy”.6 Izany no fizotry ny fanamasinana.

 

“Aseho mazava eto ny fahamarinana. Tsy mendrika tanteraka io famindram-po sy io fahatsarאna io (ny mpanota). Maimaimpoana no hanamarinana ny mpanota izay tsy manam-pahamendrehana na zo hitaky avy amin’ ny tenany ny fahasoavan’ i Kristy. Famelan-keloka feno sy tanteraka ny fanamarinana. Raha vantany vao manaiky an’ i Kristy amin’ ny alalאn’ ny finoana ny mpanota, amin’ izay fotoana izay indrindra no mahavoavela azy. Isaina ho azy ny fahamarinan’ i Kristy, ary tsy tokony hisalasala intsony ny amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra mamela heloka izy”.7

 

Raha tsy mbola niainanao izany fanamarinana amin’ ny finoana, izany, izay fampileferana tanteraka tsy misy fepetra ny tenanao amin’ i Kristy, ka nanekenao ny nahafatesany tao Kalvary ho fahafatesanao amin’ “ny izaho”, hanoso-kevitra anao aho hanondrika ny lohanao, izao ankehitriny izao, ary hiditra ho eo amin’ ny fandresena nomaniny ho anao.

 

8. HO TSARA FOTOTRA: AMIN” NY FINOANAREO DIA MANEHOA....

 

A: TRANDRAO

1. Nahoana no zava-doza ny fihetsehampo sy ny fihentanampo (fihetsehan’ny fo)? Inona no fomba fanoherana an’i Satana nampianarin’ny anjely an’ i Adama sy Eva.

2.  Inona no lאlan-tokana mankany amin’ny fandresena?

 

B: AMPIHARO

3.  “Takian’ Andriamanitra ny fo hilefitra tanteraka .... dia tsy maintsy hisy fankatoavana mitohy.... Izany  no fizotry ny fanamasinana”. Angataho amim-bavaka izany fandresena eo amin’ny  fileferana izany dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao. 

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Testimonies, vol. 6, p. 174

2  Henoinareo ny Fanoharana, p. 310/3

3  Patriarika sy Mpaminany, p. 34

4  The Desire of Ages, p. 38

5  The SDA Bible Commentary, vol. 6, p. 1075, Manuscript 148; 1897

6  Selected Messages, Book 1. p. 366 (Sora-mandry avy aminay)

7  The SDA Bible Commentary, vol. 6, p. 1071, The Signs of the Times, May 19, 1898

 

9. HITARINA NY FOTOTRA “Fahatanjahan-tsaina

 

Manaiky an’ i Kristy ho Mpamonjy azy ho afaka amin’ ny fahotana ny Kristiana manatona an’ i Kristy amin’ ny fileferana tanteraka. Ny mandrakizay aloha no maha-seriny azy. Mahatsiaro antoka izy ao amin’ i Kristy ka tsy mila manahy intsony ny amin’ ny hoe “ho tafita ihany ve” ho any an-danitra? Mahatsiaro maivamaivana izy nandray fitahiana sy nahazo toky. Mety maharitra fotoana fohy ihany izany na mety mitoetra. Nefa kosa, ho tsapan’izay mpikatsaka mazoto ny fahamarinana fa ny fiainana Kristiana anie ka tsy fiainana milantolanto tsy akory, fa mifandray amin’ ny fiainana andavanandro henjana eto amin’ ity izao tontolo izao itoeran’ ny fahotana ity. Tsy ela dia fantany fa hafa izany hoe Kristiana miaraka amin’ ny Kristiana – namana izay mitolona ho azy, mivavaka ho azy, ary miezaka ny mampahery azy. Aty aoriana, dia ho fantany fa hafa noho izany ny fiainana eo amin’ ny toe-javatra samihafa. Hitany fa ny tokantranon’ny tenany aza toa tsy toerana mora ivelomana ny fiainana Kristiana tahaka ny any am-piangonana na ny eo anivon’ ny mpiara-mandinika ny Baiboly izay nianarany ny momba an’ i Kristy. Mety ho hitany fa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisiny eo amin’ ny asa aman-draharahany izay manelingelina azy, izao izy an’ i Kristy izao. Misy fotoana mety handraisany tombon-tsoa betsaka raha manaiky hifandray tendro kely fotsiny amin’ izao tontolo izao izy, eo amin’ ny fomba fiainany vaovao. Ny fihetsika mahazatra isaky ny zava-miseho, dia ny mampiasa ny saina mandajalanja. Sarotra amintsika loatra ny mahatsiaro fa tsy sainan’ olombelona mandajalanja tsy akory ny finoana. Mitaky ny sain’ Andriamanitra mandajalanja ny fahitana ireo valiteny marina. Hoy Jesosy: “Avia ary hifandahatra isika...” Isaia 1:18. “Natoky Ahy ianareo tamin’ ny famonjena anareo. Hatoky Ahy koa ve ianareo amin’ ny fikarakarana izay ilainareo isan’ andro? Avelanareo ve Aho hifehy ny endrika tsirairay eo amin’ ny fiainanareo? Mampanantena Izy fa raha manao izany isika dia hihantoka izay rehetra ilaintsika Izy, ary ho fanampin’ izany ny fidirana malalaka ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.

Tsy milaza tsy akory izany, mazava ho azy, fa fiainana milantolanto no valiny rehefa dinihina. Nefa kosa, mampahery ny mahafantatra, fa tokony hilefitra tanteraka amin’ i Kristy aho izao, ao amin’ ilay fiainam-pinoana vaovao, tahaka ny nileferako tamin’ ny fanaovan-dratsy talohan’ ny nanatonako an’ i Jesosy. Hoy i Paoly: “... Fa tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo ho mpanompo ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalאna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka fahamasinana” Romana 6:19.

Niaina izany fiainana nilefitra tanteraka izany Jesosy, nefa nanana fikendrena ambony Izy, feno herim-po Izy, nitandrina ny hanao ny asa tsara indrindra nety ho vitany Izy. Tsy afa-po na oviana na oviana tamin’ ny asa tsizarizary Izy. Ny Kristiana nateraka indray dia hanao izay tsara indrindra mety ho vitany, na dia tsy ahitany tombon-tsoa ho an’ ny tenany aza izany. Ambony noho ny fanomban’ izao tontolo izao ny valisoany. Azon’ Andriamanitra hatao, ary hataony izany, ny mametraka olona toy izany eo amin’ ny toerana mpanapahana. Ary amin’ izany, ny voninahitry ny tenany (ny toetra amam-panahiny) dia ho hita taratra eny amin’ ilay olona izay ho toy ny andriamby hisarika olona ho eo amin’ i Kristy.

Nolazaintsika tany aloha fa avy ao anaty ka miseho ety ivelany ny asan’ i Kristy. Manaraka io plana io Izy eo amin’ ny fanamasinana araka ny nasongadin’ ny tohatr’ i Petera azy. Mikasika ny fihetsiky ny saina ireo dingana telo voalohany. Raha milefitra Aminy ny saina dia tsy hisy olאna ny amin’ ny nofo. “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa” Filipiana 2:5. Mariho fa misy hoe “aoka” eo – fileferana ny fomba fisainantsika mahazatra izany. Mitsofoka hatrany amin’ ny zorom-piainantsika rehetra ny fiainam-pinoana vaovao. Midika fitokisana an’ i Kristy izany na dia tsy mazava amintsika aza ny fomba ahazoany manao ny asany sy hanaovany azy. Tsy mba ny fomba fiasan’ Andriamanitra na oviana na oviana no maharevo ny finoana marina, fa ny vokatra nampanantenainy ihany.

Misy zavatra manembatsembana io karazam-pinoana io. Ny fisalasalana no anisan’ ny fitaovana mahomby indrindra fampiאsan’ i Satana. Voamarikareo ve fa rehefa miasa amin’ ny tsy mpino i Satana dia miezaka ny hampitodika azy tsy ho eo amin’ i Kristy, sy ny Baiboly ary ny fahamarinana izy? Nefa kosa, rehefa Kristiana no iasאny, dia mamorona fisalasalana izy. Io no plana nampiasainy tamin’ i Eva. Nitandrina tsara izy aloha tsy hanohitra an’ Andriamanitra. Izay ampy hamafy fisalasalana fotsiny ny amin’ ny antony nanambaran’ Andriamanitra izay nambarany no nolazainy. Rehefa avy namafy fisalasalana tao an-tsain’ i Eva izy dia tonga ny fandavana ny fahamarinana. Efa nampitandremana i Eva hanohitra ny hevi-petsy voalohany avy amin’ ny fahavalo. Tsapany ho voatosika handositra any amin’ ny vadiny – Adama-  izy. Tsapany indray fa raha mihatrika ny fahavalo izy dia hanana hery ampy hanoherana azy.  Mifanatri-tava aminy niova endrika izy izao,  ary indro izy fa miady hevitra aminy.1 Tsy misy zavatra mahafinaritra an’ i Satana mihoatra noho ny mitarika ny Kristiana hifanandrina aminy. “Miezaka izy mba hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahendreny. Milofo tsy an-kijanona izy mba hanisika ao aminy toe-tsaina lian-kahalala sy tsy fanajana ary faniriana tsy mety tony ta-hamantatra ny tsiambaratelon’ ny fahendrena sy ny herin’ ny Tsitoha”. 2

 

“Tsy misy afa-tsy lalאn-tokana no azo hizorana ho an’ ireo izay maniry tokoa ho afaka amin’ny fisalasalana. Aoka tsy hisalasala na hanao fanadihadiana diso lאlana mikasika izay tsy takatry ny saina izy, fa hitandrina kosa ny fahazavana izay efa mamirapiratra sahady eo aminy; amin’ izay dia handray fahazavana lehibebe kokoa izy”.3

 

Ny andraikintsika dia ny mandeha amin’ ny finoana; izay mitaky fankatoavana, na dia tsy azontsika aza ny “nahoana”.

Manambara ny Hebreo 11, ilay toko lehibe momba ny finoana, fa ny finoana “no” fahatokiana sy fanehoana, fa tsy “manana” fahatokiana sy fanehoana. Mety ho sarotra ho antsika ny mahita ireo toetra roa mampiavaka ny finoana ireo.  Manana fironana isika hihezaka hizaha raha tena mananafinoana marina isika. Aiza no hizahantsika izany? Matetika dia ny fihetseham-pontsika no zahantsika! Hoy isika hoe: “mahatsapa an’ izao sy izao aho”. Eo amin’ ny zavatra azo itokisana kokoa noho ny fihetsehampo no tsy maintsy hitoeran’ ny finoantsika. Kianja filalaovan’ ny devoly ireny. “Tsy finoana-fahalalana fotsiny ny finoana fa fahatokisana koa”.4 Ny devoly koa mba mino, ary mangovitra” Jakoba 2:19. Mazava fa tsy finoana izany finoana-fahalalany izany.

Inona no maha-zava-dehibe ny fahazoana an’ izany amin’ ny tohatr’ i Petera? “Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny fahotana”.5 Ny tena fanontaniana izay tsy maintsy ho valiantsika tsirairay dia ny hoe: avelantsika ve Izy hanao ny asany ao amintsika? sa hihizingizina hanao ny ampahan’ny asany isika? Ny fironana dia ny hoe “manadraisa anjara e”. Nefa tokony ho vonona isika hamela ny Mpanao tanimanga hahatע ny fikasאny ka hianom-pahasambarana eo am-pela-tאnany. Amin’ izay, ary amin’ izay ihany vao hisy vidiny ny vokatry ny asany!

 

 

 

9. HITARINA NY FOTOTRA: FANTAJAHAN-TSAINA

 

A: TRANDRAO

1. Azonao itokisana ve ny saina-mandanjalanja eo amin’ny ady amin’ny Ratsy? Nahoana?

2. Ny fomba fiasan’ Andriamanitra ve sa ny teny fikasany no fototra iorenan’ny tena finoana? Inona no manembat-sembana io karazam-pinoana io?

 

B: AMPIHARO

3. “Nefa tokony ho vonona isika hamela ny Mpanao tanimanga hahatע ny fikasany ka hianom-pahasambarana eo am-pela-tאnany”. Ento amim-bavaka dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Jereo Patriarika sy Mpaminany , p. 34-38

2  Patriarika sy Mpaminany , p.36/3

3  Hery Mifanandrina, p. 549

4  Selected Messages, book 1, p. 389

5  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 31/2

 

10. TOVOZAN-KERY TSY MISY FETRA

Fahalalana”

Nivavaka Jesosy hoe: “...Ary izao ny fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao Izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao” Jaona 17:3. Nijoro ho vavolombelona indray i Jaona : “Ry malala, aoka hifankatia isika fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana…. Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jaona 4:7, 8. Tokony heken’ ny Kristiana tsirairay nateraka indray, fa raha hitaratra ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miseho ho azy eo amin’ ny lafim-piainana rehetra ny fitiavana. Tsy isandohana izany fitiavana izany - tsy isalorana – tsy maintsy ho avy ao anaty izany ary Kristy irery no mety ho loharanon’ izany fitiavana izany. Tsy afaka hamolavola io fitiavana io ny Kristiana, fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay avy amin’ ny fahalalana Azy izany.

 

“Ny fahalalana an’ Andriamanitra araka izay aseho ao amin’ i Kristy no fahalalana tsy maintsy hananan’ izay rehetra ho voavonjy. Fahalalana miasa ho fanovan-toetra amam-panahy izany. Io fahalalana io, rehefa noraisina, dia hamorona indray fanahy araka ny endrik’Andriamanitra. Hizara hery ara-panahy izay avy amin’ Andriamanitra izany eo amin’ ny tena manontolo .…1

 

Mitombo ny fahalalana toy izany eo amin’ ny fifandraisana misy finoana miasa izay mamatotra ny andaniny sy ny ankilany ho etiety kokoa hatrany, isaky ny fanandramana vaovao. Vaomarikao ve fa ny fahalalana an’ Andriamanitra, araka izay aseho ao amin’ i Kristy, no tsy maintsy hananantsika ary izay no hamerina ny toetra amam-panahin’Andriamanitra ao amin’ ny olona? Mety ho izany ve no antony hamporisihina antsika handany adiny iray feno fieritreretana hamakiana sy handinihina ny fiainan’ i Kristy, indrindra ireo toe-javatra farany?

Ny fanandramana toy izany dia haneho amintsika fa, amin’ ny maha-olombelona Azy Jesosy, dia nianatra momba an’ Andriamanitra teo amin’ ny reniny aloha, avy eo, rehefa nihalehibe izy, dia avy tamin’ ny zava-boary. Rehefa nianatra namaki-teny izy, dia avy amin’ ny Soratra Masina no  nianarany ny momba an’ Andriamanitra. Nitondra fahazavana teo amin’ ny fianarany ny Rainy ary naneho Azy ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Tsy nampihena, na dia kely aza, ny fahatokiany teo amin’ ny fanaovana ny anjara fanampiana teo amin’ ny fanatanterahana ny anjara asany tao amin’ ny fianakaviana io fahalalana io. Nanjary nahomby izy teo amin’ ny asam-pivelomany ary niasa mafy izy hanohana ny fianakaviana mandra-panomboany ny asam-panompoany ampahibemaso.

Ho hitantsika fa arakaraka ny nahalalאny an’ Andriamanitra, ny nileferany bebe kokoa, ary ny niafarany dia tonga teo amin’ ny fahatanterahany ny fileferany tao amin’ ny sahan’ i Getsemane, raha niantsoantso Izy hoe: “Ray o, raha sitrakao, esory amiko ity kapoaka ity; nefa tsy ny sitrapoko anie no atao fa ny anao” Lioka 22:42.

 

“Tokony handinika ny fiainan’ ny Mpanavotra antsika isika, satria Izy no ohatra tanteraka ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny sorona tsy hita lany tao Kalvary isika, ary hahita ny maha-ota  mahatsiravina tanteraka ny fahotana sy ny fahamarinan’ ny lalאna. Hahazo hery sy ho mendrika andriana ianao rehefa nandinika lalina ny loha-hevitra momba ny fanavotana. Hihalalina ny fahazoanao ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra; ary raha mazava ao an-tsainao ny drafitry ny fanavotana manontolo, dia ho afaka hanatanteraka kokoa ny iraka nomen’ Andriamanitra anao ianao. Noho ny faharesen-dahatra lalina ao aminao, dia ho afaka hijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’ ny toetry ny lalאna tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny toetra mahafaty ny fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra raha manamarina ny mpino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany”.2

 

Vakio tsara ny lahatsoratra efa noraisina etsy aloha izay haneho zavatra efatra halalinintsika manokana eo am-pandinihina ny fiainan’ i Kristy: 1) Ny sorona tsy hita lany nataony, 2) ny maha-fahotana ny fahotana, 3) ny fahamarinan’ ny lalאna, 4) ny lahakevitra momba ny fanavotana. Raha io fahalalana io no ataontsika tarigetran’ ny fianarantsika, dia ampanantenaina setriny efatra manokana isika: 1) Hahazo hery sy ho mendrika andriana isika, 2) hazava kokoa amintsika ny fahazoana ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, 3) hazava kokoa amintsika ny drafitry ny fanavotana, 4) ho afaka kokoa isika hamita ny asa nanirahan’ Andriamanitra antsika. Amin’izay isika dia ho afaka hijoro ho vavolombelon’ ireo foto-kevitra telo eo amin’ ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra, noho ny faharesen-dahatry ny tena manokana: 1) ny toetry ny lalאn’ Andriamanitra tsy azo ovאna, 2) Ny toetra mahafaty ny ota, 3) ny planan’ Andriamanitra momba ny fahamarinana amin’ ny finoana. Maneho antsika ny maha-marina sy ny maha-mpamindrafo an’ Andriamanitra eo amin’ ny toetra amam-panahiny izay iriny ho dika-mitovy eo amin’ ny mpino tsirairay ireo foto-kevitra ireo.

Nomanin’ Andriamanitra ny famporisihina rehetra hampahazoto antsika hiditra eo amin’ ity plana fianarana ity. Romana 5:1, 2, dia manome toky fa ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra ny mpino nohamarinina ary manana ny tombon-tsoa hijoro ao amin’ ny toetra–amam-panahin’ Andriamanitra (nozaraina) mandritra ny fizotry ny fanamasinana.  Manome toky kosa ny Romana 8:1, 2 fa ho afaka amin’ ny fanamelohana ny Kristiana ao anaty ny fanamasinana (mandeha miaraka amin’ i Jesosy) ka handray ny fitahiana lehibe indrindra azo heverina – dia ny Fanahy izay hampianatra azy ny fomba fiarahana mandeha amin’ i Jesosy. Fa “ny fiainana ao amin’ i Kristy Jesosy” no tena lalאn’ ny Fanahy.

Jesosy tenany mihitsy no nilaza hoe “fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo”. Jaona 14:26. Asan’ ny Fanahy Masina ny maneho amintsika izay tena dikan’ “ny fiainana ao amin’ i Kristy Jesosy”.

Ny fahalalana an’ Andriamanitra araka izay aseho ao amin’ i Kristy Jesosy no fahalalana mazava indrindra, mora azo indrindra ary azon’ ny olona horaisina indrindra amin’ ny fahalalana rehetra. Voasoratra amin’ ny voninkazo rehetra izany, amin’ ny hazo rehetra, eny amin’ ireo kintana eny an-danitra, eo amin’ ny fahazavan’ ny masoandro, eo amin’ ny ranomasimbe lalina sy eo amin’ izay rehetra noharin’ ny tאnan’ Andriamanitra. Voasoratra eo amin’ ny bokiny izany – dia ny Baiboly masina. Andriamanitra koa dia nandefa ny persona fahatelo amin’ Andriamanitra ho Mpampianatra antsika momba izay vakiantsika ao amin’ ny boky ny zava-boary na izay voasoratra ao amin’ ny Teniny. Ny zava-tokana kendreny dia ny hahitantsika ny tena izy eo amin’ ny “fiainana ao amin’ i Kristy”.

Izao ankehitriny izao, izao ianao mamaky ireto an-dאlan-tsoratra ireto, dia mety manana fihetseham-po ianao izay horaisin’ ny sainao ho antony hampihemorana ny fotoana hikatsahanao ity fahalalana ity. Ireo fihetseham-po ireo no sakana lehibe indrindra tsy hahatraranao ny zava-kendrena.

Izao no heverintsika: tsy manam-potoana aho, tsy azoko izany, irery aho – raha mba misy olona miara-mianatra amiko, sao hiova be ny fiainako, ka hihomehezana na holavin’ny olona aho. Fihetseham-po avy amin’ i Satana daholo izany, satria fantany tsara ny herin’ ny fihetseham-po. Mamelא ahy hampahatsiaro anao fa mifanohitra ny fihetseham-po sy ny finoana, mifanao atsimo sy avaratra. Noho izany, aza fihetseham-po no katsahina, fa ny fahalalana avy any ambony ary aoka ho afaka hanao fanandramana ny amin’ ny “fiainana a amin’ i Kristy Jesosy” izay fitiavana tsy lany ritra – tena herin’ Andriamanitra ianao.

Rehefa miara-mandeha amin’ i Jesosy isika, dia tsy maintsy ho tsaroantsika fa tsy manameloka antsika Izy na manao diso aza isika. Izy no Havantsika any an-danitra izay mijoro, vonona ny hanampy antsika, amin’ ny fanovאna ny diso ataontsika ho vato fiakarana fa tsy ho vato mahatafintohina.

Satana no mpanameloka gaigilahy. Hoy ny Tenin’ Andriamanitra: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany hanameloka an’ izao tontolo izao, fa hamonjy an’ izao tontolo izao” Jaona 3:17.

Ny fahalalana Azy fotsiny dia nanova olon-dia ho tonga Kristiana tia sy mahate-ho tia. Tsy misy fahalalana hafa eto an-tany na any an-danitra afaka hanao izany. Oh! Manao ahoana ny ilאntsika mahafantatra Azy izay fiainana mandrakizay ny fahalalana Azy.

 

10. TOVOZAN-KERY TSY MISY FETRA.

 

A: TRANDRAO

1. Velabelaro ny momba ireo zavatra efatra tokony hianaranao mifandraika amin’ny fiainan’i Kristy. Inona no vokatra efatra ho azonao araka ny teny fikasana ary inona koa ireo fitsipika telo hiharihary maneho ny fahamarinana sy ny indrafon’ny toetr’Andriamanitra?

2.  Inona no sakana tsy ahitanao ny asan’ny Fanahy Masina, ilay Mpampahery, hahatraranao ny tanjona?

 

B: AMPIHARO

3.  Izy no havantsika avy any an-danitra Izay mijoro, vonona hanampy antsika, amin’ny fanovאna ny diso ataontsika ho vato fiakarana fa tsy ho vato mahatafintohina”. Angataho amim-bavaka  ny hahalalanao Azy dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  My Life Today , p. 293

2  Christ our Righteousness, p. 35

 

 

11. LAHARAM-PAHAMEHANA

“Fahalalana Onony”tc "“Fahalalאna Onony”"

 

Ny fahalalana an’ Andriamanitra norantovina avy tamin’ ny fandinihina ny fiainan’ i Kristy dia mitarika antsika ho azy hanasa an’ i Kristy hametraka ao amintsika ny toetra amam-panahiny. Tamin’ny alalan’ ny finoana no nanovאn’ i Kristy ny saintsika – narindrany tamin’ ny sain’ ny tenany – ankehitriny koa, toy izany, dia manomboka manova ny fomba fiainantsika mihitsy izy. Tsy maintsy hiantomboka amin’ izay tena ilain’ ny olona indrindra izany asa izany.

“Ny fahalalana onony ihany no fototry ny fahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra, fototra iorenan’ ny fandresena rehetra tokony ho azo”.1

 

Ilaina eto ny famaritana mazava ny atao hoe fahalalana oniny.

 

“Ny tena fahalalana oniny dia mampianatra antsika hifady tanteraka izay zavatra rehetra manimba, ary hampiasa amim-pahendrena izay mahasoa. Vitsy no mahatsapa araka izay tokony ho izy hatraiza ny vokatry ny fahazarany eo amin’ ny sakafony izay miantraika eo amin’ ny fahasalamany, ny toetra-amam-panahiny, ny soa mety ho vitany eo amin’ izao tontolo izao, ary ny ho anjarany ho mandrakizay. Tokony hofehezin’ ireo hery ara-pitondran-tena sy ara-tsaina ny fitiavan-komana. Tokony hanompo ny saina ny vatana, fa tsy ny saina no manompo ny vatana”.2

 

“Mahafaoka ny fampanaranam-po ny fitiavan-komana sy ny firehetam-po manimba rehetra ... ny tsi-fahalalאna oniny.”3

 

Ilaina ny hitazonana mazava tsara ao an-tsaina fa mikasika izay hifehy ny sain’ ny olona ny ady ifanaovan’ i Kristy sy Satana. Mazava ho azy, noho izany, fa hanao izay rehetra azony hatao Satana hanimbana na hampahosana ny herin’ny sain’ ny olona. Raha azony atao ny hampihena ny fiasan’ ny saina ho ambany noho izay fahafahana nomen’ Andriamanitra azy, dia hahazo tombony be amin’ Andriamanitra izy amin’ izay. Raha tsy afa-manakatra ny zavatra momba an’ Andriamanitra ny saina, ahoana moa no ahafahany mamoaka fehin-kevitra mijoro? Vokatr’izany dia tsy azo ampiasaina amin’ ny fomba mahasoa ny sitrapo. Fantatr’i Satana fa raha tsy ampiasaina amin’ ny fomba mahasoa ny sitrapo, dia izy no manatombo. Mamorona fisalasalana izy, mampiasa ny fanerena avy amin’ ny namana izy, sns., ka ataony izay hampihemotra ny fanapahan-kevitra. Tandremany fatratra ny tsy ahafantarantsika fa fandraisana fanapahan-kevitra anie ny fanemorana fanapahan-kevitra. Fampiasאna ny sitrapo izany, saingy manome tombony azy.

 

“Ny sakafo faran’ izay tsotra no tokony hampiasainao, nokarakaraina araka izay fomba tsotra indrindra, mba tsy hahaosa, na hahadonto, na hahavoan’ ny paralysisa ireo retsika manify ao amin’ ny ati-doha, ka tsy ho hainao ny hanavaka ny zavatra masina, sy hanombana ho sarobidy indrindra ny fanavotana, sy ny fanadiovan’ ny rאn’ i Kristy.”4

 

“Manomboka eo amim-pisakafoanana ny tsi-fahalalana oniny amin’ ny fihinana sakafo tsy mahasalama.”5 Koa tsy maintsy hipaka hatrany amin’ ny fototry ny olאna ny fahalalana oniny ary avy eo dia hisandrahaka hanenika ny fiainana manontolo.

Nisy fandaharana mirindra misy fizarana valo nalefan’ Andriamanitra ho antsika, fitopolo taona lasa izay, hitehirizana ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-batana, hiasa ho amin’ ny heriny fara-tampony. “Ny rivotra madio, ny masoandro, ny fahalalana oniny, ny fialan-tsasatra, ny fampiasan-tena, ny sakafo ara-dalאna, ny rano, ny fitokisana an’ Andriamanitra – ireo no tena fanafody marina.”6

Maro tsy hita isa ny filazאna avy amin’ ny tsindrimandry momba io plana io, azontsika hianarana ao amin’ ny Baiboly sy ny asa soratr’ i Ellen White. Raha ekentsika ho manam-pahefana ireo loharano ireo, dia manana fitaovana fanomba-nana an’ ireo filazana hafa rehetra isika.

Farany dia nanamarina  ny planan’ Andriamanitra momba ny fahasalamana ireo mpikaroka amin’ izao fotoana izao, ary be dia be ny antonta-kevitra momba ny tsirairay amin’ io plana io. Nisy olona maro izay nomen’ Andriamanitra fahazavana ka nanoratra tamin’ ny teny manan-kery nefa mazava, mikasika ireo lafiny samihafa amin’ io plana io. Tsy misy fialאn-tsiny azontsika halahatra ankehitriny.

Nefa kosa, hodinihintsika akaiky ny fahalemena lehibe indrindra eo amin’ ny olona – dia ny atendany. Raha entina hofehezin’ i Kristy io, dia hahazo ny fandresena amin’ ny fahotana mandoto rehetra isika.

“Ho hita fa handringana olona aman’ arivony ny hery mifehy eo amin’ ny atendana, nefa, raha noresin’ izy ireo izany dia ho nahazo ny fandresena amin’ ny fakam-panahy hafa rehetra nalefan’ i Satana izy”.7

Ny fahalalאna oniny dia midika ho “fifehezana ho amin’ ny antonony ny atenda-kaninan sy ny firehetam-po”. Ny “atenda-kanina kosa dia “faniriana anaty miredareda”. Rehefa hitantsika io fifandraisana ety io, sy ny faritra midadasika faritan’ ny atendana, vao mety ho azontsika ny teny noraisina etsy ambony.

Nalaim-panahy tamin’ ny atendana i Eva. Nefa kosa, ny tena atendany, tsy isalasalana, dia niseho tamin’ ilay fanontaniana tsy niloaka: Nahoana no tsy nomen’ Andriamanitra ho azy ny voan’ io hazo io? Io fanontaniana tsy nilaoka io, izay nasehon’ ny fihetsiny sy nisoritra teny amin’ ny endriny, no nanosika an’ i Satana hanararaotra ny toe-javatra. “Hanky! Efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?” Voasodoka i Eva rehefa nandre ny menarana niteny ny eritreritry ny tenany mihitsy. Firy no manana atendana ankehitriny te-hahalala ny “nahoana” momba ny lאlan’ Andriamanitra. “An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina, fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara...” Deoteronomia 29:29. Rahoviana isika no ho afa-po amin’ izay ambaran’ Andriamanitra ka mamela ny “nahoana” mandra-pisafidiny hanambara izany amintsika?

Miseho amin’ ny lafiny hafa koa ny atendan’ i Eva. Notohizan’ ny menarana tamin’ ny feo manodoka ny fiderana ny hatsara tarehiny ary nahafaly azy izany.

Ny faham-po ampahany ny atendana, dia dingana iray ihany amin’ ny fampitsirina fisalasalana ao an-tsain’ i Eva, satria voaomana izy hino feo izy nanambara fitsarana “tsara” toy izany. Mamaly ny fanontaniana fetsy ataon’ i Satana izy izao: “...Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay hihinana ihany; fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha no efa nataon’ Andriamanitra hoe Aza ihinanareo, na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo” Gen. 3: 2, 3. Kinga sady manan-kery ny valitenin’ ny menarana: “…Tsy ho faty tsy akory ianareo”; Genesisy 3:4. Nohamafisin’ ny fametrahana fisalasalana avy eo io fandאvana mivantana ny fanambaran’ Andriamanitra io: “fa fantatr’ Andriamanitra fa amin’ ny andro izay hihinanareo azy dia hahiratra ny masonareo; ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy” Genesisy 3:5.

 

“Miezaka i Satana mba hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahendreny. Milofo tsy an-kijanona izy mba hanisika ao aminy ny toe-tsaina lian-kahalala sy  tsy fanajana ary faniriana tsy mety tony ta-hamantatra ny tsiambaratelon’ ny fahendrena sy ny herin’ ny Tsitoha. Ny fitiavana hahafantatra izay tsy nasehon’ Andriamanitra dia mahatonga olona maro handalo fotsiny ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra izay mitera-pamonjena.”8

 

Nahita-toerana tao an-tsain’ i Eva ny fisalasalana. Nefa tsy maintsy nohamafisin’ i Satana tamin’ ny fihetsehampo ny fisalasalana. Jereo indray ilay tohatra tian’ i Satana hiakarantsika.

Noararaotiny izao ny valitenin’ i Eva ka notazany ny voankazo ary nametrahany tao an-tאnan’ i Eva. (Mariho ny fomba hanapotehin’ ny fihetsehampo ny fahalalאna). Nampahatsihahivin’ ny menarana an’ i Eva ny teniny ihany: “Aza tendrenareo izany; fandrao maty ianareo”. Miteny Satana: “Ao an-tאnanao izy izao ary tsy maty ianao. Toy izany koa ny mihinana.”

Tsy nisy ratsy nihatra taminy vokatry ny efa nataony ka nihasahy izy. Tsaroan’ ny sainy ny teny nambaran’ ny menarana fa mampahahendry io voankazo io koa dia nohaniny. Tonga izao ny fihetsehampo. (Ataovy ao an-tsaina fa ny fihetsehampo no arabe manokana hiasan’ i Satana.) Tsy nahatsapa porofo ny amin’ ny tsi-fankasitrahan’ Andriamanitra i Eva; fangitakitahana nanerana ny tenany manontolo no tsapany. Noheveriny mihitsy fa izany no zavatra tsapan’ ireo mponina any an-danitra.

Efa nangitakitaka ve ianao noho ny fampanaranam-po tamin’ ny fotoana nanotאna? Tsy mbola nisy very ny herin’ i Satana.

Revon’ ny fihetsehampo i Eva ka nanjary fitaovana handavo an’ i Adama. Mbola ny fihetsehampo ihany no hanapotehan’ i Satana na hanovאny ny fahalalana an’ Andriamanitra izay naseho tamin’ ny olona. “Koa amin’ izany na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona hataonareo dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany”. 1 Korintiana 10:31. Hanaraka ho azy ny fahalalאna oniny ny fahalalאna eo amin’ ny fiainantsika raha vonona ny hihatrika ny olאna momba ny fitiavan-komana isika. Raha ny tenantsika, dia tsy manan-kery isika, nefa manana Ilay Anankiray izay mahery sy mahavonjy eo anilantsika. Raha mihatrika ny fahalementsika isika, ary mampiasa ny sitrapo hisafidy ny Soratra Masina voalaza etsy aloha, na dia efa diso imbetsaka aza isika, fehezin’ Andriamanitra ny atendantsika. Ho antsika amin’ izay ny fandresena. Ary dia voahaja “ny laharam-pahamehana”.

 

11. LAHARAM-PAHAMEHANA: FAHALALANA ONINA  

 

A: TRANDRAO

1. Inona no ady ao ambadikin’ny “tsi-fahalalana onina”?

2. Hivereno ny paika fampiasan’Ilay ratsy.

 

B: AMPIHARO

3. “Raha mihatrika ny fahalementsika isika, ary mampiasa ny sitrapo hisafidy ny Soratra Masina… fehezin’ Andriamanitra ny atendantsika, ho antsika amin’ izay ny fandresena.”. Ento amim-bavaka  izany teny fikasana izany ary dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ....

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Temperance, p. 201

2  Tempperance, p. 138 (Sora-mandry avy aminay)

3  Temperance , p. 137

4  Teesimonies, vol. 2, p. 46. Zahao koa Counsels on Diet and Foods, p. 55 sy Testimonies, vol. 6, p. 327

5  Testimonies, vol. 3, p. 487

6  Tanamasoandron’ ny fahasalamana, p. 92/4

7  Temperance, p.16

8  Patriarika sy Mpaminany, p. 36/3

 

12.Faharetana

ASA TANTERAKA ATAON’ ANDRIAMANITRA

 

Ilaina,  izao isika miakatra izao – eo amin’ ny fanamasinana – ny mahatsiaro fa asan’ ny finoana tanteraka izany. Rehefa manao ny anjarantsika ihany isika – mamantatra ny zavatra manakatsakana sy manelingelina, avy eo dia mahita marina fa tsy mahafaka an’ ireo isika samirery – dia mampiasa ny herin’ ny sitrapo sy misafidy ny ho afaka amin’ ireny fanelingelenana ireny isika. Amin’ izay Andriamanitra vao afaka manao ny asany ao amintsika. Tsy hanery na oviana na oviana ny sitrapo Izy fa hiandry antsika hampiasa izany hanome Azy alאlana hanala ireo. Vao hitantsika teo fa raha vita io asa io no ho vita dia tsy maintsy Izy no tsy maintsy ho nanao azy. Tsarovy fa tsy “manana fahendrena na hery hoenti-mandresy ny ratsy “ isika.1 Tokony hatao ao an-tsaina mazava izany raha mihatrika ny dingana tsirairay isika.

Hoy i Petera: “...ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana...”  2 Petera 1:6. Ny fahasoavan’ ny halemem-panahy no vokatry ny fanamasinana  sarobidy indrindra”2 Ny Webster’s Collegiate Dictionary dia mandresy lahatra ny amin’ny fifandraisana ety amin’ny faharetana sy ny fahalemem-panahy.

Tsy isalasalאna, fa azon’ Andriamanitra novolena tao amin’ i Mosesy mihoatra noho ny tao amin’ ny olombelona hafa rehetra io lafin-toetrany io. Nefa kosa, na dia hadisoana iray aza no tao aminy, eny, na dia voavela aza ny helony, dia nanakana an’ Andriamanitra tsy ho afaka nanatanteraka ny planany ho an’ ny fiainan’ i Mosesy teto an-tany izany. Hitantsika eto fa mihaona aok’ izany ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony. “Ny tena fanamasinana marina ... dia tsy hafa fa fahafatesana ny amin’ ny “izaho” sy fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra isan’ andro.”3

Io foto-kevitry ny fanamasinana io dia mipaka hatrany amin’ ny fototry ny olאna apetrak’ io dingan’ ny faharetana io, satria ny fanelingelenana lehibe indrindra dia ny avonavona. Rentsika ny fivatravatran’ i Petera - ilay lehilahy kinga fiteny sy fiasa tsy ampiheverana.

 

“Ity zava-dratsy nitarika ny fahalavoan’ i Petera sy nanakana ny Fariseo tsy hifandray amin’ Andriamanitra ity, dia mbola antony iray izay mahatonga fahaverezana ho an’ ny olona an’ arivony amin’ izao tontolo izao. Tsy misy zavatra mampalahelo an’ Andriamanitra sy mampidi-doza ny fanahin’ ny olombelona tahaka ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho ampy. Eo amin’ ny fahotana rehetra dia io no tsy misy fanantenana indrindra sy tsy azo sitranina indrindra”. 4

 

Mifanohitra indrindra ny asan’ ny avonavona sy ny fiheverana ho mahavitan-tena ary ny asan’ ny fanetren-tena sy ny fampileferana ny “izaho” ao amin’ny sain’ ny olombelona. Izay no mahatonga antsika hihezaka mafimafy kokoa indray amin’ ny manaraka rehefa nanandrana ny hifehy ny “izaho” isika ka tsy nahomby. Ny ezaka rehetra ataon’ ny olombelona hanana faharetana dia tsy hamokatra na oviana na oviana ny vokatry ny faharetana. Azo atao ihany ny miezaka ny haneho saritsarim-paharetana – manao izany matetika ny mpivarotra, ary mety ho voafitaka tanteraka ny mpividy, satria hafa tanteraka noho ny endrika aseho eny ivelany ilay aseho ao an-tokan-trano mandrakariva.

Ny olאna ho antsika dia mahay mihatsaravelatsihy ny avonavona: mety hiseho hanetri-tena izy, ho mora ampianarina, ho tony, ary ho maharitra aza.

 

“Misy amintsika manana toetra kizitina, sy kinga fiteny ary tsela-pihetsika; nefa aoka tsy hisy hihevitra fa tsy azo hianarana ny faharetana. Zava-maniry haingam-pitombo izy io rehefa tsara voly.”5

 

Fanalאna izay rehetra manakatsakana ny fitomboana irina eo amin’ ny zava-maniry ny fikarakarana ny voly. Tsy olאna amin’ ny ankabeazantsika ny fanalאna sakana, fa ny tsy fetezana  hanaiky izay ilaina hohesorina avy eo amin’ ny toetra amam-panahy, sy ny hamela ny Tompo hanaisotra azy kosa no olאna.  Mba hampitombo haingana ny faharetana, dia tsy maintsy misy fandinihina marina ny “izaho” sy fihatrehina ny tena zava-misy. “Teo amin’ izay niheveran’ i Petera ny tenany ho mahery no nahaosa azy indrindra, ary raha tsy tsapany ny fahalemeny dia tsy nety ho tsapany ny filאny fiankinana amin’ i Kristy.”6

Mety misalotra fitafy hafa hodinihintsika ny faharetana.

 

“Betsaka ny olona no mihevitra ny tenany ho mendri-koderaina satria naharitra fanomezan-tsiny sy nanindry fo. Nefa vitsy manao ahoana kosa ireo izay mankasitraka amin’ ny fony ny fanitsiana, ary mirary fitahiana ho an’ izay miezaka hamonjy azy tsy hizotra eo amin’ ny lאlan-dratsiny”.7

 

Hita mazava fa tafiditra any amin’ ny faritra tsy noheverintsika firy ny faharetana. Mitaky mihoatra noho ny fifehezan-tena tsy hamaly izany. Mikatsaka ny hijery ny toe-javatra rehetra sy ny olona rehetra eo amin’ izay endriny tsara indrindra ny faharetana.

Vakio ny Hebreo 11 ary alao an-tsary ireo vavolombelona marobe toy ny rahona hatramin’ i Abela ka hatramin’ i Samoela sy ireo lehilahy sy vehivavy tsy voatonina, manao andian-tafika, izay nandresy an’ i Satana sy ireo anjeliny marobe, noho ny amin’ i Kristy. Dia alao sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ ny toko faha-12 raha miteny i Paoly manao hoe: “...aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika ....” – ny sakatsakana rehetra. Aza misy avela haniry ny ahi-dratsy ary tomboy ny tany mafy. Manaraka izany dia miteny ny momba ny “…ota izay malaky mahazo antsika ….” izy Hebreo 12:1, dia ireo fahazarana taloha izay mbola eo amintsika avy amin’ ilay olona-taloha ireo ary fampiasan’ i Satana matetika loatra.

 

“Hitsangana hanohitra na inona na inona maneho azy ho fahotana ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Raha isika, samy irery, dia tsy maharesy ny fanirian-dratsy sy ny fahazaran-dratsy izay miezaka hanjaka amintsika. Tsy resintsika ilay fahavalo mahery izay mitאna antsika ho andevony. Andriamanitra irery no manome antsika fandresena .... Nefa tsy afaka miasa ao amintsika Izy raha tsy manaiky sy miara-miasa Aminy isika”.8

 

Rehefa izany rehetra izany, vao afaka isika “...hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’ i Jesosy, Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy...” Hebreo 12:1,2.

Iray amin’ ireo zana-baratra i Jakoba. Ho niantso afo hilatsaka avy an-danitra izy sy i Jaona rahalahiny handevona ireo izay tsy vonona hanaiky an’ i Jesosy sy ireo mpianatra tao amin’ ny tanאnany. Afaka nanova izany rehetra izany anefa Jesosy ka fantatr’ i Jakoba izany asa tanteraky ny faharetana ary namela izao toro-hevitra izao izy: “...ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona” Jakoba 1:4.

 

12. FAHARETANA: ASA TANTERAKA ATAON’ ANDRIAMANITRA

 

A: TRANDRAO

1. Inona ireo sakana roa mitovy eo amin’ny faharetana?

2. Ahoana no fomba handraisana amim-paharetana ny fanakianana?

 

B: AMPIHARO

3. “Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo……” (Jakoba 1:4). Angataho amim-bavaka izany ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Vavolombelona Mahery, p.

2  My Life Today, p. 253

3  My Life Today, p. 248

4  Henoinareo ny Fanoharana , p. 127/1

5  My Life Today, p. 97

6  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 401/1

7  Patriarchs and Prophets, p. 667

8  Thoughts from the Mount of Blessings, p.142

 

13.Tsy

misy fiatona eto

 

Sarotra nianarana ihany hatrizay ny lesona milaza fa « ny tena fahalehibiazana marina dia ao amin’ ny fahatsaram-panahy marina”.1 Nianatra izany tamin’ ny fomba sarotra na dia i Nebokadnezara, mpanjaka be avona aza. Tena ao amin’ ny maha-izy antsika tokoa mantsy ny mihevitra fa lasa ambony amin’ ny toe-panahy araka an’Andriamanitra isika amin’ ny alalan’ ny fanaovana asa tsara.

 

“Ny antony mahatonga ny maro eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny tsy afaka handroso eo amin’ ny fiainana ara-panahy dia satria heveriny ho ny sitrapon’ ny tenany no sitrapon’ Andriamanitra koa. Raha manaraka ny fanirian’ ny tenany izy dia mandoka-tena milaza fa manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy mitolona hanohitra ny “izaho” izy. Misy kosa sasany toa mahomby ihany amin’ ny fotoana kely eo amin’ ny ady ataony amin’ ny faniriany feno fitiavan-tena hitady fahafinaretana sy izay hahamora ny fiainana. Sady tsotra ny fony no mafana, nefa mandreraka azy ny ezaka maharitra ho faty isan’ andro, hihatrika ady sarotra tsy misy farany. Toa mahasintona ny mipetrapetraka, fa mampandositra kosa ny ho faty ny amin’ ny “izaho”; koa dia akimpiny ny masony efa milondolondo, ka lavon’ ny herin’ ny fakam-panahy izy fa tsy manohitra azy”.2

 

Misy antokon’ olona roa asehon’ ny lahatsoratra eo aloha. Ny voalohany dia azo atao hoe mpino tsy sarotiny. Tsy misy ady ataony amin’ ny “izaho”, raha misy aza, dia zara fa misy. Toa mora kokoa ho an’ ireo ny manala ny fanamasinana tsy ho anisan’ ny fanomezan’ Andriamanitra ny fanamarinana amin’ ny finoana noho ny hanaraka ny antson’ ny Tompo manao hoe: ...”Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handא ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.” Matio 16:24.

Ny antoko faharoa dia mpino eo amin’ ny tany be vato izay manjary reraka satria tsy azo antoka tanteraka ao amin’ i Kristy ny fakany. Tsy fantany izany fifaliana mahafoy ny “izaho” sy mamela an’ i Kristy hitondra ny enta-mavesatra izany. Tsy mbola tsapany na oviana na oviana fa mora ny ziogany ary maivana ny entany.

Mizotra ny fanamasinana, mitsofoka mihalalina hatrany ao amin’ ny fiainantsika ary mitaky fileferana feno isaky ny mandingana. Mazava ho azy, fa tsy mora ho an’ ny fo be avona ny hahita fifaliana amin’ ny fanaovana izany.3

 

“Solon-tenan’ izay misora-tena ho mpanaraka an’ i Kristy Jaona sy Jodasy .... Samy nanana toetra tena ratsy avy izy ireo; ary samy afaka nandray ny fahasoavan’ Andriamanitra izay manova ny toetra amam-panahy... ny anankiray, izay maty isan’ andro ny amin’ ny “izaho” ary nandresy ny fahotana, dia nohamasinina tamin’ ny alalan’ ny fahamarinana; ny anankiray kosa, nanohitra ny hery manova ny fahasoavana ka namparanam-po ny faniriana feno fitiavan-tena, ka nanjary andevon’ i Satana.”4

 

Satria ivadibadihan’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny fiainana, dia araka ny hitsiny raha io no sehatra tsy maintsy hiantombohan’ io fahafatesana isan’ andro amin’ ny “izaho” io. Tahaka ny an’ i Jesosy, Ilay tena Ohatra ho antsika, ny valitenintsika tonga ho azy amin’ ny fanapahan-kevitra rehetra dia tsy maintsy ho ny hoe “tsy ny sitrapoko fa ny anao”. Tsy maintsy mihaotra noho ny eritreritra miloaka izany. Mitaky finiavana – araka ny fitarihan’ Andriamanitra izany – hanova, hamela, na hanajanona plana na faniriana, na tiana manao ahoana aza izany. Mitaky fifankazarana amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra sy fahatakarana azy, araka izay nasehony avy tamin’ ny Tsindrimandry. Tsy maintsy hitovy tadin-dokanga amin’ ilay feon’ ny fieritreretana mitsoka malefaka koa isika ka hitandrina fatratra amin’ ny fanombanana ny fitondrany antsika.5 

“Hitarika ny saina hiakatra sy hanazatra azy handinika zavatra madio sy masina”6 ny fanarahana io fizotry ny fahasoavan’ Andriamanitra io. Tsy fanaovana izay ataon’ i Kristy tsy akory, ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, fa fiainana ny fomba niainany. Ilaintsika ho takatra mazava tsara ny toro-hevitr’ i Paoly momba ny fiainana masina araka izay voasoritra ao amin’ ny Kolosiana 3:3, 4. “Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra. Raha hiseho Krisy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.” Voninahitra inona no resahin’ i Paoly eto? “Izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-miafina ity any amin’ ny Jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” Kolosiana 1:27.

Tombon-tsoa manao ahoana izany isika azon’ Andriamanitra hampiasaina haneho ny toetra amam-panahiny amin’ izao tontolo izao tsy mino izany. “Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’ ny alalan’ ny finoana Azy. Ny fahatanterahany eo amin’ ny maha-olombelona no tokony hananan’ ny mpanaraka Azy rehetra, raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny nataony izy”.7

Izany no tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra, tsy miezaka ho tsara na hanao zavatra tsara fa maty isan’ andro amin’ ny “izaho” – mahatoky marina an’ Andriamanitra. “Anaka, atolory Ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lאlako”. Ohabolona 23:26. Ho gaga isika mahita izay azon’ Andriamanitra hatao ao amin’ ny fiainantsika raha mijanona ny miezaka isika fa manomboka maty kosa - satria milefitra amin’ Andriamanitra tahaka an’ i Jesosy.

Kanefa, misy zavatra tena manakatsakana tsy maintsy hatrehintsika rehefa manandrana ny hanao io dingana io isika – dia ny fanaovana marimaritra iraisana izany. Iray amin’ ireo fiadiana mahomby indrindra ao am-pela-tאnan’ i Satana ny hanakana ny Kristiana tsy handroso ara-panahy araka izay irin’ Andriamnitra hataony. Tsy nisy marimaritra iraisana amin’ ny ratsy mihitsy ny fiainan’ i Jesosy. Nanokan-tena tanteraka hanao ny sitrapon’ ny Rainy Izy. Ny teniny hoe: “Ny hanao ny sitraponao no sitrako; Andriamanitro פ.... Sal 40:8 dia maneho ny hany fihetsika tahaka an’ Andriamnitra, na azo ekena, eo imason’ Andriamanitra. Tsy fankatoavana mihitsy ny fankatoavana misalasala.

 

“Rehefa raisina ho zavatra mavesatra ny fitakian’ Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ ny fironan’ ny olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy fiainana kristiana izany fiainana izany. Ny fankatoavana marina dia fanehoana ety ivelany ny foto-kevitra ao anaty. Mipoitra avy amin’ ny fitiavana ny fahamarinana izany, ary avy amin’ ny fitiavana ny lalאn’ Andriamanitra. Ny foto-pisian’ny fahamarinana rehetra dia ny fijoroana ho mahatoky amin’ ny Mpanavotra antsika”.8 

 

Ireo mpianatra taloha, ireo mpanavao fivavahana, ary ny vahoakan’

Andriamanitra tamin’ ny fotoana rehetra dia samy nisetra ny fakam-panahin’ i Satana hanasoketa ny toetrany mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra. Matetika eo amin’ izay heverintsika ho herintsika no ahitan’ i Satana ny fahalementsika. Andeha hojerentsika indray ny endrika iray hafa eo amin’ ny fanandramana nataon’ i Petera.

 

“Teo amin’ izay niheveran-tenan’ i Petera ho mahery no nahosa azy indrindra, ary raha tsy tsapany  ny fahalemeny dia tsy nety ho tsapany ny filאny fiankinana amin’ i Kristy. Raha nianatra ny lesona niezahan’ i Jesosy hampianarina azy  teo amin’ ity fanandramana ity teo amin’ ny ranomasina izy, dia tsy ho resy rehefa tonga taminy ny fisedrana lehibebe kokoa”.9

 

Mety ho azontsika mazavazava kokoa izao ireo tenin’ i Paoly ao amin’ ny 2 Korintiana 12:9: “...Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko tanterahina amin’ ny fahalemena... “Omen’ i Paoly ny setrin’ izany eo amin’ ny andininy manaraka: “...fa ny fahalemeko no fatanjahako”.  Hitantsika fa ny hany lאlana ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny maty isan’ andro amin’ ny “izaho”. Tsia, tsy misy fiatona eo. Manokatra ny masontsika ho amin’ ny fahitana lehibe ao aloha ao fotsiny io zana-tohatra io, raha Kristy velona ao amintsika no manjary fanalahidy fampiasa ho amin’ ny fitoviana amin’ Andriamanitra.

 

13. TSY MISY FIATONA ETO

 

A: TRANDRAO

1. Misy sokajin’olona roa voalaza eto. Sao dia ao anatin’iray amin’ireo ianao?

2. Aoka izay ny “ezaka”, aoka “ho faty”. Saingy misy sakana amin’izany: inona?

 

B: AMPIHARO

3. “Hitantsika fa ny hany lאlana ho amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny maty isan’ andro amin’ny “izaho”, Tsia, tsy misy fiatona eto” Angataho amim-bavaka  dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ..

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Mpaminany sy Mpanjaka, p. 126/5

2  The Acts of the Apostles, p. 565

3  Christ our Righteousness, pp. 33, 34

4  The Acts of the Apostles, pp. 558, 559

5  Messages to Young People, p. 156

6  Testimonies, vol. 2, pp. 478, 479

7  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 718/3

8  Christ‘s Objec Lessons, p. 97

9  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 401/1

 

14.Ahoana ?

TSY MISY FIFANINANANA INTSONY?

 

 

Tsy hitanao hafahafa ve fa ao amin’ ny planan’ Andriamanitra  dia tsy maintsy ekentsika fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ihany no mety ahazoantsika fitiavana ny rahalahy? Raha ekentsika izany foto-kevitra ara-Baiboly izany, dia mihatrika olאna isika. Iza no rahalahiko? Mamaly an’ izany Jesosy ao amin’ ny Lioka 8:21. “... Izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka manaraka azy no reniko sy rahalahiko». Mazava tsara eto fa tsy noferan’ i Jesosy ho izay mankatע tanteraka ny lalאna ihany no “rahalahy”, fa izay manam-paniriana hankatע koa. Milaza amintsika ny Matio 12:49 fa raha nanao ireo teny ireo Izy dia nanondro ny mpianany izay mbola lavitry ny fanatanterahana izay rehetra nolazain’ ny Teny. Olאna tsy nisy farany ho azy ireo ny fifaninanana.

Ny toe-tsaina mampirisika fifaninanana dia toe-tsaina mitsaratsara. Ny toe-tsaina mifaninana sy mitsara, raha ny ipoirany, dia samy avy amin’ i Satana ary tsy manatanteraka afa-tsy izay fikasany. Ahoana ary no tena hahafaka antsika amin’ ireo zavatra manenlingelina ireo? Jesosy ihany indray no manome ny valiny. Fanehoana tonga lafatra izay fomba tokony hiainantsika amin’ ny fifandraisantsika amin’ ny rahalahintsika sy ny anabavintsika ny fiainany.

Nisy teny notsongaina avy tamin’ ny Sambatra p. 60 noraisintsika tao amin’ ny toko fahatelo. Horaisintsika eto indray izany teny izany satria ahitana ny valin-teny amin’ ny hoe nanao ahoana izany fiainan’ i Jesosy feno halemem-panahy tamin’ ny rahalahiny, na dia nanamavo Azy aza izy ireo.1

 

“Ny fanatrehan’ ny Ray no nanodidina an’ i Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-tsy izay navelan’ Ilay fitiavana tsy manam-petra ihany, mba ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao. Izany no loharanon’ ny fiononam-pony ary izany koa no antsika. Izay manana ny Fanahin’ i Kristy be dia be ao aminy no mitoetra ao amin’ i Kristy, ka ny loza izay nokasaina hahatra aminy dia mianjady amin’ny Mpamonjy, Izay manodidina azy amin’ ny fanatrehany. Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy. Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no fiarovana ho azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken’ ny Tompo; ary ny zavatra rehetra ”izay avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra” (Rom 8:28)”.2

 

Tamin’ ny nanekeny ny zavatra rehetra nihatra tamin’ ny fiainany ho avy amin’ ny tאnan’ Andriamanitra mivantana, na dia i Satana aza no niaviany; dia nanana fiadanana marina Izy. Afaka nanaiky ny herisetra ratsy indrindra azon’ ny olombelona zakaina Izy, ara-tsaina sy ara-batana, nefa nanehoany halemem-panahy ambony indrindra izay olombelona niavian’ izany. Raha ny marina, dia izany no niaro Azy tsy handray ny olona ho tompon’ andraikitra amin’ izay nataony Azy. Ankoatry ny maha-olombelona hatrany ny fijeriny ary Satana no noraisiny ho tena fahavalo. Nahatonga Azy ho afaka niray fo na dia tamin’ izay nanenjika Azy aza ka nandray ireo tamin’ ny halemem-panahin’ ny rahalahy. Nangoraka azy ireo Izy fa tsy nangoraka ny tenany. Niezaka ny hanala-tsiny ireo mpanara-dia Azy Izy noho ny tsi-fahalalאn’ izy ireo. Fantany fa Satana no manajamba azy ireo.

Lazaina isika fa ho antsika koa ny loharanon’ ny fiononany. Azonao an-tsaina ve ny hitranga eo amin’ ny fianakavian’ Andriamanitra raha velona araka ny fitsipika nivelomany amin’ ny maha-olombelona Azy teto an-tany ny rahalahiny? Tsy misy fomba hafa mahatonga fahalemem-panahy amin’ ny rahalahy. Tsy afaka hanery ny tenantsika halemy fanahy sy ho tia isika. Tsy maintsy avy ao anaty izany – avy ao amin’ ny fo. Ny planan’ i Jesosy no hany lאlana ahazoan’ ny fo mamaly amin’ny fomba tsy manavaka marina, satria tsy mifantoka intsony amin’ ny olona na amin’ ny fihetsika masiaka ny maso.

Ao amin’ ny hoe “ny zavatra rehetra” ao amin’ ny Romana 8:28 no ahitana ny tena sedra. Vonona ny hampihatra ny fomban’ i Jesosy eo amin’ ny fiainantsika isika, raha ny zavatra sasany, nefa inona marina no dikan’ ny hoe ny zavatra rehetra? Eny e, tsy misy avahana. Na Tompon’ ny rehetra Izy na tsy Tompony mihitsy.

Miaro fatratra antsika Andriamanitra ka ny zava-dratsy rehetra azon’ i Satana atoraka antsika dia havadiny ho fitahiana, raha manaiky isika fa foto-kevitra tsara fampiasa ao amin’ ny fiainantsika ny hoe “ny zavatra rehetra”.

 

“Ny fizahan-toetra eto an-tany dia ampiasain’ Andriamanitra hanala ny tsy fahombiazana rehetra amin’ ny toetrantsika. Na tantאnana miatonta, na fandraka mandoaka, dia samy mampanaintaina avokoa, ary mafy tsy hay lazaina izany hosilatsilahina; kanefa fanamboarana toy izany no atao amin’ ny vato mba hahamendrika azy hanana anjara ao amin’ ny tempolin’ ny lanitra. Raha zavatra tsy misy vidiny no eo am-pelatאnan’ ny Tompo dia tsy hisahiranany na hikelezany aina akory. Fa izay fantany ho vatosoa ihany no amboariny toy izany mba ho sahaza ny toerany izay nokendreny azy”.3

 

Ity koa misy antony tena azo ampiasaina mba hinoana, hanekena, ary hampiharana ny Soratra Masina amin’ ny fiainana andavanandro. Raha mahafaoka ny fanandramana tsara sy ratsy ao amin’ ny fiainana ny “zavatra rehetra” dia manjary mety ampiarina amin’ ny fiainantsika andavanandro ny tenin’ i Paoly ao amin’ ny 1 Tesaloniana 5:18 hoe: “Misaora amin’ ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo”. Izany no fomba niainan’ i Jesosy. Ary tiantsika ny hahomby eo amin’ ny fiainana maha-kristiana antsika, dia tsy maintsy manaraka ny ohatra nomeny isika. Tsy midika akory izany fa tsy maintsy mahita fahafinaretana amin’ izay rehetra manjo antsika isika, fa tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra isika – eny, mifaly aza. Tsy nahita fifaliana tamin’ ny fihetsiky ny olona tahaka ny demonia, fa fantany kosa fa hitondra fitahiana ho an’ izao tontolo izao izany. Tsy hifaly amin’ ny “zavatra rehetra” mihatra amintsika isika, nefa azontsika atao ny ho feno fankasitrahana! Azontsika atao ny misaotra Azy noho ny fahitany fa misy azo amboarina ao amintsika. Isika no akoran-javatra izay rehefa ampalesina , dia ho mendrika ny lapany ary samy hanana ny toerany avy ny vato tsirairay ka samy ho afa-po amin’ izany. Ho lasa mandrakizay ny fifaninanana, satria ho voaongotra tanteraka miaraka amin’ ilay niaviany ny toe-tsaina mitsaratsara, ny avonavona sy ny fitiavan-tena.

 

14. AHOANA? TSY MISY FIFANINANANA INTSONY?

 

A: TRANDRAO

1. Fomba ahoana no mahafaka antsika amin’ny toetsaina mifaninana sy mifampitsaratsara?

2. Nahoana Jesosy no nalahelo ireo nanenjika Azy,  fa tsy nalahelo ny tenany? 

 

B: AMPIHARO

3. “Isika no akoran-javatra izay, rehefa ampalesina, dia ho mendrika ny lapany ary samy manana ny toerany avy ... ho lasa mandrakizay ny fifaninanana”. Angataho amim-bavaka ho zava-misy amin’ny fiainanao izany dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ....

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 76-77

2  Sambatra, p. 60/1

3  Sambatra p. 18/1

 

 

15.Fitiavana

Tsy hita lany

 

Amin’ ny fitiavana ny rahalahy dia manehoa koa fitiavana ny olona rehetra, na fitiavan’ Andriamanitra. Tsy niova mihitsy ny planan’ Andriamanitra. Ny olona dia haveriny eo amin’ ny toerana maha-fitaovana azy izay hitosahan’ ny fitiavan’ Andriamanitra tsy voasakatsakana. Hihoatra ny fanandraman’ i Adama fony izy nivoaka avy teo amin’ ny tאnan’ Andriamanitra izany. Izay no antom-bavak’ i Jesosy farany ho an’ ny mpianany alohan’ ny nankanesany ho any Getsemane: “...mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy” Jaona 17:26. Alao sary an-tsaina, raha azonao atao, ny fitiavan’ Andriamanira mitosaka amin’ ny alalan’ ny fantsona olombelona.

Ny zava-kendren’ ny fanamasinana dia ny ho rafitra famokarana an’ io fitiavana io ao amin’ ny olona. Tsy tanteraka izany noho ny fiezahana ho tia fa ny ho faty ny amin’ ny “izaho” sy ny amin’ ireo zavatra manelingelina izay manakana, na manohitra an’ Andriamanitra eo amin’ ny asany eo amin’ ny fiainantsika.

Nitovy ihany ny fizotran-javatra teo amin’ izay fiakarana ity tohatra rehetra ity. Ny dingana farany dia ny mankafy ilay hery lehibe indrindra any an-danitra na ety an-tany - dia ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Ny zavatra manenlingelina dia ala-tahaka mamitaka ataon’ i Satana ny fitiavan’ Andriamanitra dia ny fihetsiky ny fon’ ny olombelona. Hisy fihetsiky ny fon’ ny olombelona ho valin’ ny fitiavan’ Andriamanitra saingy valiny izany, fa tsy izany no fitiavana.

 

“Ny fiangonana no fitaovana notendren’ Andriaman-itra hilaza ny famonjena amin’ ny olona. Nalamina ho amin’ ny fanompoana izy, ary hitondra ny filazantsara ho an’ izao tontolo izao... Ny fiangonana no nametrahana ny haren’ ny fahasoavan’ i Kristy; ary amin’ ny alalan’ ny fiangonana no hanehoana farany ny fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ izao ‘fanapahana sy fahefana any an-danitra‘ aza (Efes 3:10).1

 

Raha hiseho izany amin’ izao andro famaranana ny tantarana ny tany izao, aleo ho fantarintsika izany fitiavana izany sy ny fomba anehoana izany amin’ ny alalan’ ny olombelona.

Foto-kevitra izay mifehy ny lanitra sy izao rehetra izao manontolo ny fitiavan’ Andriamanitra, afa-tsy eto an-tany. Foto-kevitry ny asa, foto-kevitry ny fiainana. Tahaka ny lאlana misy zotra roa ny fitiavan’ Andriamanitra; mikoriana avy amin’ Andriamanitra manaraka zotra roa izany ka tsy misy fialאn-tsiny ho antsika – voalohany, Ilay Izy nivonona nandany fotoana hifandahatra tamim-paharetana tamin’ i Losifera, ilay anjely nikomy, fa tsy nampihatra avy hatrany ny fitsarana. Io halemem-panahy io no naseho tamin’ ny voalohany dia ny namela ireo voaariny hahatakatra ny tena fitiavan’ Andriamanitra – hanomezana azy fotoana mety hampiasany ny sitrapony (ny fahazoany misafidy) amim-pahendrena. Tamin’ ny farany dia nanapa-kevitra hanohitra an’ Andriamnitra ny ampahatelon’ ny anjelin’ ny lanitra.

Ny adi-tsaina niaretan’ Andriamanitra nizaka fatiantoka toy izany, sy ny fikorotanan-tsaina nanaraka izany teo amin’ ireo anjely nahatoky sy ireo mponina ao amin’ ny planeta hafa, dia nitarika Azy hampihatra ilay plana fanavotana mahazendana. Miseho amin’ ny fomba feno kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra rehefa mazava amintsika fa “hatramin’ny voalohany dia fantatr’ Andriamanitra sy Kristy ny fivadihan’ i Satana, sy ny fahalavoan’ ny olona noho ny hery mamitak’ ilay mpihemotra.”2 Tsy Andriamanitra no nandrafitra ireo zava-doza ireo, fa tazany mialoha izany ary namolavola plana Izy hampiasana ireo hamboleny ny fitiavany ho mandrakizay ao ampon’ ny voaariny.

Mafaoka ny zavatra rehetra indrindra ny planan’ ny Fanavotana izay naoriny ho zava-misy manodidina ny nahatongavan’ i Jesosy ho nofo. Nanjary olona Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga ny fianakavin’ ny olombelona sy ny voaarin’ Andriamanitra rehetra hanana ohatra tanteraka hitarika azy mandrakizay raha mikoriana miverina mankeo amin’ Andriamanitra io riam-pitiavana io. Io no fanehoana faharoa lehibe ny fitiavan’ Andriamanitra.

Manome fototra manaraka ny lalאna io plana io ho famonjena ny olona, ary manome koa ohatra arahina ho an’ ny Kristiana rehetra, sady mamela ny fitiavan’ Andriamanitra ikoriana amin’ ny alalan’ izy ireo. Hoy Jesosy: “Fa tsy nidina avy any an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy” Jaona 6;38; Hoy i Paoly: “Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho; ary tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko; ary izay ivelomako amin’ ny nofo ankehitriny dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” Galatiana 2:20. “...Fa izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny tamin’ ny hazo fijaliana”. Galatiana 5:24.

Tsy misy plana hafa izay ho afaka hanakana ny fitiavan’ Andriamanitra tsy hikoriana amin’ ny alalan’ ny olombelona. Mba ahatonga ny olombelona fitaovana  ho fantsona madio, dia tsy maintsy hombohana ny “izaho”. Na inona na inona farasisan’  “izaho”, niniana navela, dia hanimba ny sary ka hanakana ny fiangonana tsy hitondra ho eo amin’ izao tontolo izao ny ho fanehoana “farany ny fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny fomba hentitra sy feno”.

Hahatanteraka ny asany ny fanamasinana eo amin’ ny fiainantsika rehefa afaka hilaza marina isika amin’ ny lafim-piainana rehetra hoe “tsy ny sitrapoko fa ny Anao”. Izany tokoa no fitiavana tsy hita lany.

 

15. FITIAVANA  TSY HITA LANY

 

A: TRANDRAO

1. Ny tanjon’ny fanamasinana dia ny hamokatra io fitiavana araka an’Andriamanitra io. Inona no sakana?

2. Fariparito io fitiavan’Andriamanitra io.

 

B: AMPIHARO

3. “Hahatanteraka ny asany ny fanamasinana eo amin’ny fiainantsika rehefa afaka hilaza marina isika amin’ny lafimpiainana rehera hoe “Tsy ny sitrapoko fa ny Anao”. Angataho amim-bavaka ny hahatanterahan’izany ao amin’ny fiananao dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ..

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Vavolombelona Mahery, p. 11/1

2  Ilay Fitiavana Mandresy,  p. 12 /2

 

 

16. MOA VE JESOSY Nalaim-panahy TENA TAHAKA ANTSIKA?

 

“Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota” Hebreo 4:15. Tena azo lazaina fa io andinin’ ny Soratra Masina io no fototra teo aloha, ary mbola izy ihany ankehitriny, io no iaingan’ ny adi-hevitra tsy mahasoa momba ny maha-olombelona an’ i Kristy. Misy mitaky fa tokony ho nalaim-panahy tamin’ ny fomba tsy misy valaka amin’ ny an’ ny olombelona rehetra Jesosy mba ahazoany mameno ireo fepetra lazain’ io toko sy andininy io. Izany fehin-kevitra izany dia mitranga nefa tsy nisy fiheverana akory izay rehetra nambaran’ Andriamanitra tamin’ ny fiangonany momba io loha-hevitra io.

Raha nalaim-panahy hangalatra, handainga, hiozona, haloto eritreritra na fihetsika Jesosy, dia ho nanohitra io fakam-panahy io tamin’ iray amin’ ireto  fomba roa ireto Izy: (1) fanoherana ny fironana hilefitra na (2) fahatsapana fa tsy nanan-kery Izy ka nametraka ny olאna eo amin’ ny Rainy. Na ny voalohany na ny faharoa dia tokony ho nisy fironana, izay azon’ i Satana nofohazina. Nefa hoy Jesosy: “Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrian’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy” Jaona 14:30. Tena akaiky ny niafaran’ ny fiainan’ i Jesosy teto an-tany tamin’ izay. Nosedrain’ i Satana izay rehetra zorom-piainan’ i Kristy nefa tsy nahita na inona na inona izay azony nanorenany fakam-panahy izy.

 

“Na dia tamin’ ny eritreritra aza dia tsy nahafahany nitarika an’ i Jesosy hilefitra amin’ ny fakam-panahiny feno hafetsena. Mahita toerana Satana ao amin’ ny fon’ ny olombelona izay azony hamaharana – faniriam-pahotana ankamamiana izany izay hanamafisan’ ny fakam-panahiny ny heriny.”1

 

Tsarovy fa tamin’ ny maha-olombelona Jesosy no nihatrika ireo fakam-panahy ireo. “Tsy nisy na eritreritra na fihetsehampo iray namaly ako ny fakam-panahy.”2 Mariho fa tsy nisy namaly ako na ny eritreriny na ny fihetsehampony izay tsy maintsy mialoha ny fakam-panahy. “Ny fahotana rehetra, ny tsy fifanarahana rehetra, ny filאna mandoto rehetra izay nentin’ ny fandikan-dalאna, dia fahoriana ho an’ ny saina amam-panahiny.”3 “Na oviana na oviana, na tamin’ ny fomba inona, na tamin’ ny fomba inona, tsy nisy nahatsapan’ ny sain’ olombelona, na dia kely aza fa nisy pentim-pahalotoana, na fironana ho amin’ izany, nitoetra tao amin’ i Kristy, na nisy fomba nileferany tamin’ ny fahalotoana.”4 “Nitakemotra teo anatrehan’ ny ratsy ny maha-izy Azy, dia Ilay tsy nanana ota.”5 

Izao no lazain’ ny teny dinihintsika: “…Nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika izy…” ary marina izany. Mba ahitana ny valin’ ny fanontaniana manao hoe “ahoana”, andeha hojerentsika ny lahatsoratra anankiray hafa momba ny Tompontsika.

 

“Zava-tsarotra ho an’ ny andrianan’ ny fiainana ny nanatanteraka ny plana izay noraisiny ho famonjena ny olona, raha notafiany maha-olombelona ny maha-Andriamanitra. Nandray haja amam-boninahitra tany amin’ny lapa tany an-danitra Izy, ary nahazatra Azy ny fahefana feno. Sarotra ho Azy ny mijanona eo amin’ ny laharan’ ny maha-olombelona toy ny mahasarotra ho an’ ny olona ny mihoatra ambonin’ ny laharana ambany misy ny toetrany simba, ka ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra.”6

 

“Ny fihazonana ny voninahiny ho voasarona noho ny maha-zanaky ny taranaka lavo Azy no fifehezana henjana indrindra tsy maintsy nampileferan’ Ilay Andrianan’ ny fiainana ny tenany.”7 Eo no manahirana antsika rehetra. Olאna ho antsika ny hamela ny fomban’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy hitaratra ao amintsika.

Andeha hodinihina izay lazain’ io lahatsoratra io amintsika. Faran’ izay sarotra ho an’ i Kristy ny nanafy ny maha-Andriamanitra Azy amin’ny maha-olombelona. Nahoana? “Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’ ny alalan’ny finoana Azy.  Ny fahatanterahan’ ny maha-olombelona Azy no azon’ ny mpanaraka Azy hananana, raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny nataony izy”.8

Hoy Jesosy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay na inona na inona….” Jaona 5:30.

Mazava tsara fa rehefa “napetrak’ i Jesosy ny akanjo maha-mpanjaka Azy sy ny satroboninahitra fiandrianany,”9 dia noraisiny teo Aminy ny toetra maha-olombelona “araka izay namoronanan’ Andriamanitra azy”. “Tonga teto an-tany Kristy, nandray ny maha-olombelona ary nijoro ho solon-tenan’ ny olona, haneho, eo amin’ ny ady atao amin’ i Satana fa, raha mifandray amin’ ny Ray sy ny Zanaka ny olona, araka ny namoronan’ Andriamanitra azy, dia afaka mankatע ny fitakian’ Andriamanitra rehetra”.10 “Teo amin’ izay niatombohan’ ilay Adama voalohany no niatombohany”.11 Teo amin’ izay tsy nahombiazan’ ilay Adama voalohany no tsy maintsy nahombiazan’ i Kristy, amin’ ny maha-Adama faharoa Azy, ary tsy nampiasa afa-tsy ilay hery mitovy amin’ izay azon’ ilay Adama voalohany nampiasaina ihany Izy. “Tsy nisy pentim-pahotana teo amin’ i Adama raha nanafika azy ny mpaka-fanahy tao Edena .... nijoro teo amin’ ny toeran’ i Adama  Kristy, tany an-efitry ny fakam-panahy, hiharitra ny fisedrana tsy zakan’ i Adama.”12

Tsy misy mihitsy porofo ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra izay milaza fa afaka mankatע an’ Andriamanitra ny manana toetra manota! Ny hafatra avy amin’ Andriamanitra ho an’ ny olona dia izao: manana toetra ara-nofo mpanota raiki-tapisaka ao aminy izy izay tsy azo avotana.

 

“Ota no nolovain’ ny zaza. Nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra ny ota. Natolotr’ i Jesosy ny ainy mba ahazoany mampitohy ny fatorana tapaka tamin’ Andriamanitra. Araka izay nolazaina tamin’ i Adama, dia fahamelohana sy didim-pitsarana manameloka ho faty ihany no raisin’ ny olona avy aminy”.13

 

“Satria fandrafiana (fankahalana) an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo: fa tsy manaiky ny lalאn’ Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany.” Romana 8:7 (Sora-mandry avy aminay). Tsy niezaka na oviana na oviana Kristy haneho na tamin’ iza na tamin’ iza fa mety ho tonga tsy misy ota ny toetra maha-mpanota.. Izao foana no hafatra nentiny: “... Tsy maintsy ateraka indray ianareo.” Jaona 3:7. “…Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy….” Jaona 12:24. “…hainareo ve ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?….” Marka 10:38.

Raha nanana toetra tsy misy ota Kristy, ahoana no fomba nakana fanahy Azy tahaka ahy? Inona moa ny fakam-panahy? “Voatohitra ny fakam-panahy rehefa misy hery mahery vaika miasa amin’ ny olona hanao zavatra ratsy, ary fantany fa azony atao izany, nefa manohitra, amim-pinoana izy, raha mamikitra ny herin’ Andriamanitra.”14 Tsy misy ny fakam-panahy raha tsy misy «hery miasa  mahery hampanao asa ratsy.” “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filאny sy fitahiny izy” Jakoba 1:14. Fomba ahoana no hisian’ ny fakam-panahy hanao ratsy ao amin’ i Kristy, raha toa ka «nahatonga fahoriana tsy hay lazaina taminy ny fifampikasohana amin’ ny fahotana noho ny haranitry ny fahatsapan’ ny toeny masina.”15 Nankahala ny fahotana tamin’ ny fankahalana feno Kristy. Ny Fanahiny, mitoetra ao amin’ ny olona, no hany hery izay mitarika ny olona hankahala ny fahotana, zavatra izay tokony hianaran’ ny Kristiana rehetra nateraka indray hatao.

Mba halaim-panahy tahaka antsika Kristy, dia tsy maintsy nanana faniriana mafy hanao asa ratsy Izy, nefa notoheriny tamin’ ny fitokisany ny Rainy. Fomba ahoana no mety ahitan’ i Satana zavatra toy izany ao amin’ i Jesosy? Fantatr’ i Satana, fa na dia fony zaza aza Jesosy, dia tsy nisy antony ny ezahiny haka fanahy Azy hamaly faty. Na dia nanaovana herisetra aza Izy, izany ho sorena, ho tezitra, na hanao zavatra ratsy, dia tsy azony noeritreretina akory.

 

“Tsy nisy izay tsy nandraman’ i Kristy ny zava-mangidy izay kapoaka anjaran’ ny taranak’ olombelona. Tao ireo izay nanamavo Azy noho ny fomba nahaterahany; ary na dia hatramin’ ny fahazazany aza dia tsy maintsy nisetra ny fijery maneso sy ny bitsibitsika manaratsy Izy. Raha namaly tamin’ ny teny na ny fijery nitory fahatezerana Izy, raha nilefitra tamin’ ireo rahalahiny Izy ka nanao fihetsika tsy mety na dia iray aza, dia tsy ho tanterany ny naha-ohatra tonga lafatra Azy. Noho izany dia tsy ho tanterany ny fanatontosana ny drafitry ny fanavotana antsika.”16 

 

Fantatr’ i Satana ny maha-sarotra ho an’ ny olona ny hiaina eto amin’ ny maha-Kristiana nateraka indray, mihazona ny toetra maha-mpanota azy rahateo ho  voahombo. Fantany fa midika fahafatesana isan’ andro amin’ “izaho” izany (1 Korintiana 15:31) – ary fanombohana eo amin’ ny hazo fijaliana mitohy ny fahazarana tao amin’ ilay toetsika taloha. 2 Korintiana 4:10-12. Noho izany, novainy ny fomba nanatonany an’ i Kristy, ka nalainy fanahy haneho ny toetra maha-izy Azy Izy, izay navelany rehefa tonga teto an-tany Izy. Potika ny planan’ ny famonjena, raha naneho ny toetra maha-Andriamanitra Azy Kristy, satria tsy maintsy izay mety ho azon’ ny olona ihany no nampiasain’ i Kristy.

Tsy mbola nisy olombelona teraka tsy nanam-pahotana  mandra-piterahan’ i Maria an’ i Kristy. Ary tsy nisy teraka intsony hatramin’ izay. Tsy nisy vidiny, ny fanandramana nataon’ i Satana  tamin’ ny zaza, ny ankizy, ny tanora na olon-dehibe manota  rehefa nifanehatra tamin’ ny maha-olombelona tsy manota izy. Niezaka tamin’ ny fomba rehetra azony natao izy hanery an’ i Kristy haneho ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Hitan’ i Satana fa ny olאna lehibe indrindra tamin’ i Kristy raha teto an-tany dia ny fanekena Azy ho Mesia (Ilay voahosotra), dia nampiasain’ i Satana io faniriana eo amin’ ny maha-izy Azy io  ka niezaka izy, amin’ ny alalan’ ny fakam-panahy hanala ny tenany tsy ho eo am-pela-tאnan’ ny Rainy ka hamaly amin’ ny fampiasאna ny maha-Andriamanitra Azy izay efa napetrany. Hatramin’ny fahazazany ka hatrany Kalvary dia tsy namelan’ i Satana io zavatra nokendreny io. Nihanahery vaika ny fakam-panahiny teo amin’ ny hazo fijaliana raha nifofofofo taminy nandritra ny ora maro ny fiantsiana hoe: “Raha ianao no Kristy midina dia hino Anao izahay.” Fantatr’  i Kristy fa azony natao ny namaly tamin’ ny fotoana rehetra ary hanery ireo mpampijaly Azy hanaiky Azy ho Tompo sy Mpanjaka, nefa nolaviny izany ary nankininy ho eo am-pela-tאnan’ ny Rainy ny fiainany ankehitriny sy ho avy.

 

“Noho izany rehefa notsiratsiraina Kristy dia nisy fakam-panahy nahery vaika tonga taminy mba hampiseho ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Teny iray, fijery iray, dia azony hanerena ny mpanenjika Azy hanaiky fa Izy no Tompo ambonin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ny mpisorona sy ny tempoly. Nefa izay no adidy sarotra tsy maintsy hotazoniny, dia ny ho iray amin’ ny taranak’ olombelona ary izay toerana izay no nofidiny”.17

 

Fakam-panahy re izany! Tsy misy olombelona mbola niharan’ ny fakam-panahy toy izany!

Fomba ahoana no nakana fanahy Azy tahaka antsika? Tsy maintsy maty amin’ ny toetrany taloha maha-mpanota azy, ny Kristiana nateraka indray. “Fa izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny tamin’ny hazo fijaliana” Galatiana 5:24. Miverimberina hatrany izany ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra. Ny fitiavan-tena no voalaza fa fakan’ ny ratsy rehetra.18 Misoratra eo amin’ny hoe fitiavan-tena daholo ny fahotana rehetra eo amin’ ny fitsarana.19 “Inona no famantarana ny fo vaovao? Fiainana miova. Misy fahafatesana isan’ andro, isan’ ora amin’ ny fitiavan-tena sy ny avonavona”.20 Ho fanehoana fitiavan-tena ho an’ i Kristy ny hanao asa araka ny fanirian’ ny tenany na amin’ ny fotoana inona na amin’ ny fotoana inona.

Aoka handinin-tena lalina indrindra ny sainao dia ho hitanao fa fitiavan-tena daholo ny fahotana rehetra! Noho io antony io, rehefa maka fanahy ny Kristiana nateraka indray Satana hanao zavatra ratsy, toa mbola manosika azy hanao izany zava-dratsy izany ilay olona-taloha, izay efa nohombohany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ahoana no mahatonga an’ izany rehefa nohombohana tamin’ ny hazo fijaliana ilay olona-taloha? Eto no miseho ny fomba fiasan’ i Satana. Araraotin’ i Satana izao toe-javatra izao: ilay Kristiana nateraka indray, izay manana toetra anaty vaovao tamin’ ny fanamarinana, tsy mandray toetra amam-panahy vaovao amin’ ny fomba mitovy. Mbola volavolaina ny toetra amam-panahy. Marina izany tamin’ i Adama, ary mbola marina koa izany amin’ ny fianakaviana olombelona rehetra. Noforonin’ Andriamanitra tanteraka tamin’ ny lafiny rehetra i Adama, nefa tokony hamolavola toetra amam-panahy tanteraka izy, ary tsy nahomby izy tamin’ izany. Teo no nahombiazan’ i Kristy ary tsy nahombiazan i Adama.  Nisain’ i Kristy ho petra-bolan’ ny Kristiana nateraka indray ny toetra amam-panahin’ ny tenany tsy misy fahotana. Ary io dia napetraka ao amin’ ny petra-bolan’ ny Kristiana izay manaiky izany ho zava-misy izany ka mamela an’ i Kristy hanomboka ny asan’ ny fanamasinana, izay fanovאn ’ i Kristy ny toetra amam-panahiny mba hitaratra ny toetra amam-panahy izay petra-bola araka ny lalאna ho azy tamin’ ny fanamarinana.

Inona no hifandraisan’ izany amin’ ny fomba hakan’ i Satana fanahy antsika? Andeha hojerentsika inona marina moa ny toetra amam-panahy. “Ny isehoan’ izany toe-panahy izany dia tsy ny fanaovan-tsoa tsindraindray, na ny fahadisoana tsindraindray, fa ny hita lalandava eo amin’ ny fiteny sy ny fanao mahazatra”.21 Ny fahazarana, izany, no mahatonga ny toetra amam-panahintsika . Koa, rehefa miaina amin’ ny toetra anaty manota izay mifehy antsika isika, dia maneho ny toetra anaty manota ny fahazarantsika.

Tsy azo homena eo no eo ny fahazarana na ny toetra amam-panahy; izay no antony “tsy hisian’ ny fahamasinana eo no eo”.22 Hitantsika ny fomba hamelaran’ i Satana fandrika amin’ ireo fahazarana taloha mbola velona ao amin’ ny Kristiana vao teraka; na dia miasa ao aminy aza Kristy. Fantany fa tsy manam-pahefana hamerina ny ain’ ilay olona taloha izy, ary Kristy koa tsy hamerina izany; koa ny fanao mahazatra no hany fanantenana ho an’ i Satana. Velariny io fandrika io, izay mety ho amin’ ny alalan’ ny olona na ny toe-javatra, koa valiteny mahazatra no valiteny tonga ho azy. Melohiny isika namaly io, ary ampiasainy ny valitenintsika mahazatra ho porofo fa, raha ny tena marina, tsy maty tsy akory ilay olona taloha. Manantena izy fa amin’ izany fomba izany izy dia hanery antsika izy ho kivy ka hitarika antsika hamoy fo sy hiala tsy ho eo amin’ i Kristy, noho ny fiheverantsika fa tsy mahavoa ilay plana manontolo. Amin’ izany fomba izany no hananganantsika indray ilay olona taloha; amin’izay ihany Satana no afaka mifehy antsika indray.

Hitanao ve fa maka fanahy ny Kristiana Satana amin’ ny fomba mitovy amin’ ny nakany fanahy an’ i Kristy? Samy hiezahany terena izay alainy fanahy haneho ny toetrany anaty. Ny tsy itovizany dia ratsy ny toetrantsika anaty ka tsy tiantsika haseho. Ny toetra anatin’ i Kristy kosa, toetran’ Andriamanitra ka faniriny ny haneho izany. Nefa samy tsy maintsy miankina amin’ ny fileferana amin’ny fifehezan’ Andriamanitra avy izy ireo – Kristy tamin ’ny Rainy ary isika amin’ i Kristy. Ny fileferan’ i Kristy nitarika Azy ho any Kalvary ary toa faharesena ny fijerin’ ny olombelona rehetra izany. Ny fileferantsika mitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay sy fihavanana amin’ Andriamanitra.

Ny fitiavan-tena , izay fakany, no lasibatra. Saingy misy fahasamihafana goavana ny nakana fanahy an’ i Kristy sy ny nakana fanahy antsika. Raha tsy mahomby isika “.... dia manana mpisolovava ao amin’ ny Ray isika, dia Jesosy Kristy Ilay marina.” 1 Jaona 2:1. Fa raha tsy nahomby kosa Jesosy, dia ho very izao rehetra izao ! Ho tsy nahomby ny planan’ ny fanavotana manontolo ary ho nandresy Satana.

Eny, “.... nalaim-panahy tahaka antsika amin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika (Izy), kanefa tsy nanana ota”. Hebreo 4:15.

 

16. MOA VE JESOSY NALAIM-PANAHY TENA TAHAKA ANTSIKA?

 

A: TRANDRAO

1. “Nalaim-panahy tamin-javatra rehetra tahaka antsika” Jesosy: inona no fakam-panahy nahazo an’i Jesosy? (Jereo tany an-efitra…teo amijn’ny hazo fijaliana…sns) Inona no fakam-panahy mahazo antsika (isika = ireo “efa nohamarinina”.

2. Inona no asan’ ny fanamasinana eo amin’ny toetra-amam-panahin’ny olona “nateraka indray”? Faritra aiza no hiasan’i Satana handavona ny olombelona?

 

B: AMPIHARO

3. “Ny fileferantsika mitarika antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay sy fihavanana ho amin’ Andriamanitra” Hivavao mba ho tonga zava-misy amin’ny fiainanao izany .

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  The Review and Herald, November 8, 1887

2  Testimonies, vol. 5, p. 422

3  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 99/2

4  The SDA Bible Commentary, Vol. 5, pp. 1128, 1129, Letter 8, 1895. 5Sora-mandry avy aminay).

5  Testimonies, vol. 2, p. 202

6  The SDA Bible Commentary, Vol. 7, p. 930, The Review and Herald, April 1, 1875 (Sora-mandry avy aminay)

7       The SDA Bible Commentary, vol. 5, p. 1081, Letter 19, 1901. (Sora-mandry avy aminay).

8   The Desire of Ages p. 664 (Sora-mandry avy aminay).

9  The Review and Herald, 9 June 1905

10  Signs of the times, June 9, 1898 (Sora-mandry avy aminay)

11  The Youth’ s Instructor, June 2, 1898 (Sora-mandry avy aminay)

12  The Review and Herald, July 28, 1874

13  Child Guidance, p. 475

14  The SDA Bible Commentary, vol. 5, p. 1082, The Youth’s Instructor, July 20, 1899

15  The SDA Bible Commentary, vol. 7A, p. 451,  The Review and Herald, November 8, 1887

16  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 77/2

17  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 752/2 (Sora-mandry avy aminay)

18  Child Guidance p. 294

19  Testimony Treasures, vol. 1, p. 518

20  The Youth’s Instructor; September 26; 1901

21  Ny Tena Hasambarana, p. 69 /1

22  The Sanctified Life, p. 10

 

17. MANARAHA Ahy

 

“Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handא ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy” Matio 16:24 .

 

“Nohazavain‘ i Jesosy tamin’ ny mpianany izao fa ohatra ny amin’ izay tokony ho fiainany, ny fiainany izay nanafoanany ny tenany. Nantsoiny nanodidina Azy niaraka tamin’ ny mpianany ny olona izay nijanona teo akaikiny teo, ka hoy Izy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handא ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy”. Nampifandraisina tamin’ ny fahefana Romana ny hazo fijaliana. Fitaovana fampijaliana feno habibiana indrindra izany sy endriky ny fahafatesana mahamenatra indrindra. Ny mpanao heloka be vava indrindra no nasandratra hitondra hazo fijaliana ho eo amin’ ny toerana hamonoana azy; ary matetika, rehefa apetraka eo amin’ ny sorony izany, dia manohitra amin’ ny herisetra faran’ izay tratrany izy, mandra-paharesy azy, ka voafatotra amin’ ilay fitaovana fampijaliana. Nibaiko ny mpianany anefa Jesosy handray ny hazo fijaliana ka hitondra izany manaraka Azy. Ho an’ ny mpianatra ireo teny ireo. Na dia nanjavozavo aza ny fahazoany azy, dia nanondro ny fileferany amin’ ny fanetren-tena mangidy indrindra, - dia fileferana ho an’ i Kristy na dia hatramin’ ny fahafatesana aza. Tsy misy fampileferana ny “izaho” feno kokoa azon’ ny tenin’ ny Mpamonjy naseho an-tsary eto”.1 

 

Mariho fa manampy velarana hafa i Lioka amin’ ny hevitry ny teny hoe “isan’ andro”. Midika  ho “fileferana” na fahafoizana”, ny hoe “fahafoizan-tena”. Rehefa tsapantsika fa hatramin’ ny fahafatesana io fampileferana io, dia mandray dikany tena manokana izany, indrindra rehefa ampiharahana amin’ ny teny hoe “isan’ andro”. Toa mahazatra izany ny fihainoana azy, satria i Paoly no nilaza hoe: “maty isan’ andro aho.” 1 Korintiana 15:31, ary koa: “Mitondra  ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy. Fa izahay velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy” 2 Korintiana 4:10-12.

Mazava fa tsy misy afa-tsy lאlana tokana hitarafana ny endrik’ i Jesosy ary tsy amin’ ny alalan’ ny ezaka atao fa amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’ ny tena. Satria mazava indrindra izany ao amin’ ny Soratra Masina, dia niady tamin’ izany foto-kevitra izany tamin’ ny heriny rehetra Satana. Nafatony amin’ ny tenin’ i Kristy ny saintsika ary noantitranteriny ny teny hoe “mandא”. Nefa kosa, nataony izay hiheverantsika fa mitovy ny fandאvana ny “izaho” sy ny fandאvan-tena.

Soloina fotsiny “tena” ny “izaho”, dia miova tanteraka ny dikany ao an-tsain’ ny olombelona.

Mety hitera-bokatsoa marina eo amin’ ny fanorenana toetra amam-panahy ny fanaovana fandאvan-tena. Tsy hitovy mihitsy amin’ ny fandאvana ny “izaho” izany, izay fanomboana ny “izaho” ary fihazonana azy ho voahombo. Rehefa apetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fo Kristy, dia miongana ny “izaho”; ary rehefa hampiakarina ny “izaho”, dia miongana i Kristy. Amin’ ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika dia tsy maintsy ampiasantsika ny “raikipohy” fampiasan’ i Kristy hoe: “Tsy ny sitrapoko fa ny anao”. Narahin’ ny Mpamonjy tanteraka izany fanao izany ka hoy Izy: “…Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ao amiko no manao ny asa” Jaona 14:10.

Io tsiambaratelo io no nianaran’ i Paoly ary nampitainy tamin’ i Timoty ho fototry ny fiainantsika miaraka amin’ i Kristy izao dia izao. Hoy izy: “Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa” 2 Timoty 2:11.

Tsy niteny fotsiny Jesosy fa tsy maintsy mandא ny “izaho” isika, fa tsy maintsy mitondra koa ny hazo fijaliantsika. Mahagaga ny hampiasain’ i Kristy ny hazo fijaliana ho fitaovana hamatorana ny mpino amin’ ny tenany.

“Tandindon’ ny zavatra mitovy ihany ny zioga sy ny hazo fijaliana, - ny fahafoizana ny sitrapo amin’ Andriamanitra.  Mampiray ny olona voafetra hiara-dia amin’ Ilay Zanaka malalan’ Andriamanitra ny mitondra ny zioga. Mampisaraka ny “izaho” amin’ ny fanahy ny manandratra ny hazo fijaliana, ka mametraka ny olona eo amin’ izay hianarany mitondra ny entan’ i Kristy. Tsy afaka manaraka an’ i Kristy isika raha tsy mitondra ny ziogany, raha tsy manandratra ny hazo fijaliana”.2

 

Tsy afaka hihazona ny “izaho” isika nefa hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Isika no hahatratra ny fahamasinana, dia ny fahafoizana ny “izaho” sy ny fandraisana ny sain’ i Kristy”.3

 

“‘Ny antony... mahatonga ny maro eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny tsy afaka handroso eo amin’ ny fiainana ara-panahy dia satria heveriny ho ny sitrapon’ ny tenany no sitrapon’ Andriamanitra koa. Raha manaraka ny fanirian’ ny tenany izy dia mandoka-tena milaza fa manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy mitolona hanohitra ny “izaho” izy. Misy kosa sasany toa mahomby ihany amin’ ny fotoana kely eo amin’ ny ady ataony amin’ ny faniriany feno fitiavan-tena hitady fahafinaretana sy izay hahamora ny fiainana. Sady tsotra ny fony no mafana, nefa mandreraka azy ny ezaka maharitra ho faty isan’ andro, hihatrika ady sarotra tsy misy farany. Toa mahasintona ny mipetrapetraka, fa mampandositra kosa ny ho faty ny amin’ ny “izaho”; koa dia akimpiny ny masony efa milondolondo, ka lavon’ ny herin’ ny fakam-panahy izy fa tsy manohitra azy”.4

 

Ny teny hentitra nataon’ i Kristy hoe: “Manaraha Ahy”, dia tena tsy azo tanterahina raha tsy misy fanandramana ny amin’ izay voalaza eo aloha amin’ io andininy io ihany. Tsy mampirisika ny mpianany sy izay mpanaraka Azy Izy hanao izay nataony fa hiaina ny fiainany.

Notanterahan’ ny Ray, tamin’ ny alalan’ i Kristy, ny asa izay nanirahiny ny Zanany hatao eto amin’ izao tontolo izao. Azony natao izany noho ny safidin’ i Kristy, isam-potoana teo amin’ ny fiainany, ho tonga tahaka ny tanimanga eo am-pela-tאnan’ ny Ray. Teo amin’ ny faritra nisy Azy io fileferana io no nitondra ny hany fanantenam-piadanana ho an’ izao rehetra izao misavorovoro noho ny fikomian’ i Losifera izay nanjary Satana. Eo amin’ ny faritra misy antsika kosa, io fileferana io no hany mitondra fanantenam-pamonjena ho antsika manokana. Tombon-tsoa manokana ho antsika ny miaina eto amin’ ny fiainana izay azony hampiasaina toy ny andriamby mahery mandresy lahatra ny olona ny amin’ ny planan’ ny famonjenan’ Andriamanitra. Io plana io rahateo no hany fomba azo heverina fa afaka manomana ny olombelona hiaina mandrakizay eo amin’ ny tontolo iainana tonga lafatra ao amin’ ny tokan-tranon’ ny voavonjy.

“Ny finoana ny tenin’ i Kristy amin’ izao no fanetren-tena marina sy tena fampileferana marina ny “izaho”.5 “Ny fampileferana ny “izaho” no votoatin’ ny fampianaran’ i Kristy”.6 Rehefa mahita ny maha-zava-dehibe ny fitokisana tanteraka an’ i Kristy ihany isika, eny na dia toa tsy ho azo tanterahina aza ny zava-drehetra, izay isika vao afaka mahazo ny maha-dodona ny tenin’ i Kristy tamin’ i Nikodemosy hoe: “Tsy maintsy ateraka indray”.

Tsy nanan-tsafidy isika fony isika nateraka voalohany, fa ny fahaterahantsika vaovao kosa dia miankina tanteraka amin’ ny fampisantsika ny sitrapontsika malalaka; ny hany hitazonantsika io sitrapo io ho malalaka dia ny safidintsika ny ho faty amin’ ny “izaho” sy ny famelantsika an’ i Kristy hanjaka ao amintsika.

Ny tenin’ i Jesosy no namaranan’ i Matio ny filazantsarany manao hoe: “...Efa nomena Ahy ny fahefana (exousia) rehetra any an-danitra sy ety an-tany.” Matio 28:18. Io no valitenin’ ny Ray tamin’ ny Zanany noho ny fiainana nileferany tanteraka raha teto an-tany Izy, niaina ny fiainan’ ny nofon’ olombelona izay nekeny tanteraka.

Nisy hitsin-dאlana narantiranty an’ i Jesosy. Tany an-efitra, raha vao hanomboka ny asany ampahibemaso Izy, dia niezaka i Satana hiady varotra Aminy. Nasehony Azy ny fanjakana rehetra eto amin’ izao tontolo izao sy ny voninahiny, dia hoy i Satana hoe: “…Izao rehetra izao dia homeko anao, raha hihankohoka eto anatrehako ianao” Matio 4:9. Hitsin-dאlana re izany! Fa nisafidy ny hino sy hatoky an’ Andriamanitra Izy, na dia tamin’ ny lאlan’ ny hazo fijaliana aza, sy fahavononana ny ho faty, koa noraisiny avy tamin’ ny Ray ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Tsy maintsy tazonintsika ao an-tsaina fa nanao io safidy io Izy raha nitafy ny nofon’ ny olombelona  ary tsy nisy hery izay tsy azontsika tsirairay avy raisina nampiasainy.

 

“Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’ ny alalan’ ny finoana Azy. Ny fahatanterahany eo amin’  ny maha-olombelona no tokony hananan’ ny mpanaraka Azy rehetra, raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny nataony izy”.7

 

Angamba ny hitsin-dalאna fetsy indrindra natolotr’ i Satana an’ i Jesosy dia ilay tamin’ ny fiantombohan’ ny fanandramana tao an’ efitra.

 

“Nihezak’ i Satana nampino an’ i Kristy fa tsy mangatak’Azy handeha eo amin’ ny lאlan’ ny fandavan-tena sy ny fahoriana izay nampoiziny Andriamanitra; fa nirahina avy tany an-danitra izy hitondra hafatra ho Azy izay milaza fa tian’ Andriamanitra hosedraina fotsiny ny finiavany hiaritra.

“Nambaran’ i Satana an’ i Kristy fa tokony hametraka fotsiny ny tongony eo amin’ ilay lאlana voapentin-drא Izy, fa tsy handia izany. Nambarany koa fa izy ilay anjely nitאna ny tאnan’ i Abrahama raha nanandratra ny antsy hamono an’ i Isaka izy, ary tonga izy izao hamonjy ny ainy; fa tsy ilainy ny hiaritra ny hanoanana mandreraka sy ny ho faty noana; hanampy Azy hitondra am-pahany amin’ ny planan’ ny famonjena izy”.8

 

Tonga teo amin’ ny zanak’ i Adama tsirairay i Satana, hatramin’ ny voalohany, mitondra io hafatra io ihany. “Maty ho anao Kristy; koa tsy tokony ho faty ianao.” Toa tsara faneno izy izany satria fahamarinana am-pahany. Maty tokoa Kristy hanafaka antsika amin’ ny tambin’ ny ota, izay fahafatesana mandrakizay. Nefa kosa, nivelona tamin’ ny fiainana nandאvan’ ny tenany tanteraka Izy, ho ohatra ny amin’ izay tsy maintsy ho fiainantsika. Hiezaka hitondra izao karazan-kitsin-dאlana rehetra izao Satana amin’ ny Kristiana mitolona, kanefa ny hany lאlana mankany amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny manaraka an’ i Jesosy.

 

17. MANARAHA AHY.

 

A: TRANDRAO

1. “Fandavan-tena sy fandavana ny tena (izaho)”. Avaho ireo hevitra roa ireo. Nahoana no lazaina fa ambony sanda ny “fandavana ny tena (izaho) ao amin’ny fiainana kristiana?

2. Hery toy inona ihany no ninian’ i Kristy nampiasaina hoenti-mandresy? Inona ireo hitsin-dאlana naroson’ i Satana an’i Kristy? 

 

B: AMPIHARO

3. Hihezaka hitondra izao karazan-kitsin-dאlana rehetra  izao Satana amin’ny kristiana mitolona, kanefa ny hany lאlana mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny manaraka an’ i Jesosy”. Angataho amim-bavaka ny hahatanteraka izany aminao dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ....

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 447/2,

2  The SDA Bible Commentary, vol. 5, pp. 1090-91

        The Review and Herald, October 23, 1900

    (Sora-mandry avy aminay)

3  Thoughts from the Mount of Blessing, p. 143

    (Sora-mandry avy aminay)

4  The Acts of the Apostles, p. 565

5  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 570/3

6  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 557/3

7  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 718/3

8  Selected Messages,  book 1, p. 273.

 

18. TOMOERA Amiko

 

Ny toko fahatelo-ambinifolo ny Jaona dia maneho an-tsary ho antsika ny fanasan’,ny Paska izay nankalazain’ i Jesosy sy ny mpianany ny alina talohan’ ny nanombhana Azy teo amin’ ny hazo fijaliana. Nisy mpianatra iray tamin’ izy roa-ambinifolo nisintaka tsy hiara-mandeha amin-drizareo intsony tamin’ io fiaraha-misakafo io. Hamadika ny Tompony mihitsy Jodasy satria nihevitra  ny hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany izy tamin’ izany. Nambaran’ i Jesosy nandritra ny sakafo fa handeha Izy ary tsy ho afaka hanaraka Azy ireo. Araka ny mahazatra, dia nametra-panontaniana, izay tsy isalasalana fa tao an-tsain’ ny rehetra i Petera, hoe: “Hankaiza moa Ianao ary nahoana aho no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny?”  Dia nilokaloka marina izy hoe: “Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny Aminao.” Jaona 13:37. Mbola nilokaloka hafa koa i Petera sy ny mpianatra iny alina iny ihany.

Izao no fivakin’ ny Marka 14:30, 31: “Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handא Ahy in-telo ianao. Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty Aminao aza aho, tsy mba handא Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ izy rehetra.” (Sora-mandry avy aminay).

Fantatr’ i Jesosy fa avy amin’ ny fony ny valitenin’ ireo olona ireo, fa ny nofo no malemy. Ny tsi-fahombiazan’ ny tenany no ho fiadiana mahery indrindra hanakivy azy. Nomen’ i Jesosy ilay hafatra kanto ao amin’ ny Jaona 14 ho setrin’ io fanandramana tsy azo ialאna io.

Raha namarana ny hafatra nentiny Izy dia teny tsotra no hitantsika hoe: “Mitsangאna, andeha isika hiala eto”. Fantatr’ i Jesosy izay halehany. Te-hiaraka Aminy fotsiny ny mpianatra ka nanaraka. Alina ny andro ary tsy isalasalאna, fa feno olona ny arabe tao an-tanאna, satria fotoanan’ ny fankalazana ny Paska tamin’ izay. Amin’ ireny fotoana toy ireny, dia mitsitokotoko eny amin’ ny havoana ny lay, satria tsy ampy ny trano ho an’ ireo vahoaka marobe tonga manatrika ireo lanonana ireo.

Nivoaka ny efitrano ambony Jesosy sy ny mpianany dia nandeha tamin’ ny arabe feno olona. Nitari-dאlana ho any amin’ ny toerana mahazatra izay tena tiany tokoa Izy–ny tendrombohitra Oliva izany–Tsy tany no diany, nefa nohararaotiny ny foto-boaloboka mamelana hanomezana lesona iray koa ho an’ ireto olona izay tiany fatratra.

Nitaratra teo amin’ io voaloboka io ny volana raha nijanona Jesosy ary nampifantoka ny fijeriny taminy. Tsy hisalasalana fa samy nijery ny voaloboka koa ny mpianatra tsirairay. Dia injay ny teny, mazava sady hentitra, nanapaka ny fahanginan’ ny alina: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra” Jaona 15:1. Toa reko izany Petera nitodika tany amin’ i Jaona ka nanao hoe: “Renao ve izany lazainy? Tsy azoko, fantatry ny rehetra fa Isiraely no voaloboka !” Mety namaly Jaona hoe: “Tsy azoko koa, fa andeha henoina. Sao dia hanazava Izy.” Notohizan’ i Jesosy ny lesona.

“Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny (ny Raiko); fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny (ny Raiko) mba hamoa bebe kokoa.” Jaona 15:2.

Ny voambolana hoe “voaloboka”, “sampana”, “mpamboatra”, “esorina”, sns, dia samy nahazatra satria nahazatra ny tanim-boaloboka teo amin’ io faritra io. Azon’ ny mpianatra fa antsy no ampiasain’ ny mpamboatra ho “fanesorana”. Tsy isalasalana fa, na dia tsy nifanaraka tamin’ ny fomba fisainany aza ny hafatra, dia nazava tamin’ ireto olona ireto izany izay milaza fa ny sampana tsy mamoa dia hotapahina tanteraka, ary izay mitondra voa dia mbola hotapahina ihany fa saingy tsy mafy tahaka izany. Azo antoka marina fa tsy nila fitondrana henjana toy izany ny Jiosy! Isiraelita izy–zanak’ i Abrahama. Tao amin’ ny voaloboka izy ireo nandritra ny taranaka maro, mandra-pahatongany ho ilay voaloboka mihitsy, araka ny fisainany.

Niezaka ny hampahery ireo lehilahy ireo Jesosy tamin’ ny filazany hoe: “Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo” Jaona 15: 3. Mety ho azo kokoa ny dikan’ ireo teny ireo raha hazavain’ ny tenin’ ny Soratra Masina hafa toy ny hoe: “Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo...” Kolosiana 3:16. “Koa ario ny fahalotoana sy ny lolom-po rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena; izay mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankatע ny teny ianareo; fa aza mpihaino fotsiny ka mamitaka ny tenanareo» Jakoba 1:21, 22.  Ny tena lazain’ i Kristy dia hoe: “Efa madio ianareo noho ny finoanareo ny teny izay nambarako taminareo.”

Ny andininy manaraka no mampahazava izay nitambesatra teo amin’ ny fon’ i Kristy: “Tomoera amiko ary Izaho aminareo....” Jaona 15: 4. Mazava fa nitsinjo ny fitsarana Azy sy ny hazo fijaliany ny Mpampianatra rehefa handao Azy na dia ny mpianatra aza. Noantitranteriny taminy ny zavatra tsy mbola hitany hatramin’ izao. “Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.” Jaona 15:4. Mbola marina izany ankehitriny. Tsy mhavita na inona na inona isika raha tsy mitoetra ao Aminy. Na dia toa tsy misy azo atao aza, ary tsy mahomby ny zavatra rehetra, mitovy ihany ny hafatra: “Tomoera Amiko; matokia Ahy”.

Mazava kokoa io hafatra momba ny voaloboka sy ny sampany io raha ampirahina amin’ ny Romana 11. Hazo oliva fa tsy voaloboka no hitantsika ao. Samy tandindon’ Isiraely izy ireo, ary nohajain’ ny Jiosy noho izany. Tandidon’ ny Jentilisa ny hazo oliva maniry ho azy, ary tandindon’ Isiraely ny hazo oliva tsara.

Noho ny grefy dia tonga tsy dia intsony ny hazo oliva maniry ho azy, ary noho izany, fa lasa mahasoa sy tsara. Mampianatra ny tsiambaratelo fototry ny fivelomana ny fiainana Kristiana ny fomba fanaovana grefy. Tahaka ny zavatra rehetra misy vidiny, dia tokony halalinintsika kely izany ahitana ny marina.

Ny fanjakan’ i Satana sy ny fanjakan’ Andriamanitra no tondroin’ i Paoly ao amin’ ny Romana 11:24 fa hazo oliva maniry ho azy sy hazo oliva tsara. Ny hany fomba ahatongavan’ ny sampana avy amin’ i Satana sy ny fanjakany ho sampana ao amin’ i Kristy sy ny fanjakany dia amin’ny alalan’ ny fanaovana grefy.

Mitady sampana (isika) ny Mpamboatra (Kristy) izay manam-paniriana ho tonga anisan’ ny fanjakany. Hoy Kristy: “Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa.... Jaona 15: 16. Niantso ny olona rehetra Kristy, noho ny fitiavany tsy hay lazaina, nefa vitsy ihany no namaly ny antso sy nanaiky Azy.

Tsy maintsy manomana ny hazo oliva tsara handray ny sampana oliva maniry ho azy Kristy alohan’ ny ahazoany manao na inona na inona.  Lazain’ i Paoly fa mifanohitra amin’ ny zava-boary izany. Nefa, moa ve tsy mifanohitra amin’ i Kristy ny ankabeazan’ ny lאlan’ ny olona? “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lאlanareo kosa tsy mba lאlako, hoy Jehovah”. Isaia 55:8.

Ny olona maka sampana tsara ary atsofony amin’ ny fototra na fakany maniry ho azy ary amin’ izany dia mahazo voany tsara izy. Andriamanitra kosa maka sampana naniry ho azy ka atsofony amin’ ny fakana tsara, tsy dia, ary mamokatra ny voa tsara indrindra. Ny olona tsy afaka manao ny asany araka ny fanaon’ Andriamanitra ny azy. Asan’ Andriamanitra araka ny fiasany ao amin’ ny fiainan’ ny olona izay manome azy malalaka hanao izany ny planan’ ny famonjena manontolo.

Raha misy olona manao grefy amin’ ny fomba fanaovan’ Andriamanitra azy, dia ho voankazo vao maika ho dia no ho hany vokatra. Io fotsiny, dia tokony hampianatra antsika fa ny hany asantsika dia ny milefitra sy ny mahatoky ny Tompon’ ny asa. “Raha manaiky sy mankatע ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany. Ny finiavana no antsika, ny fankatoavana, dia tanterahiny ao amin’ ny fanahy matoky tsirairay.

Nanomana ny Hazo Oliva tsara handray ny sampana naniry ho azy Andriamanitra tao Kalvary. Hoy isika anefa; “mba ahoana kosa ary ny momba ireo olona hatramin’ i Adama ka hatreo Kalvary?” Tsarovy, fa Kristy no “...Ilay Zanak’Ondry voavono hatry ny nanorenana an’ izao tontolo izao.” Apokalypsy 13:8. Tsy maintsy natao grefy tao Kalvary ny sampana rehetra naniry ho azy hatramin’ i Adama ka hatramin’ ny fiverenan’ i Jesosy.

 

“Ny fahazavana mamirapiratra avy amin’ ny hazo fijaliana dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana,  hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo amin’ ny hazo fijaliana. Amin’ izay dia mahatonga aina vaovao ao amin’ ny fanahy ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny finoana. Voababo hankatע ny sitrapon’ i Kristy ny fisainana sy ny faniriana. Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik’ Ilay miasa ao amintsika mba hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy”.1

 

Voasarika ho eo Kalvary isika izao, ka andeha hojerentsika ny fomba ataon’ ny Mpamboatra ny grefiny. Tahaka ny ataon’ ny mpamboly voninkazo, dia raisin’ ny Mpamboatra ny antsiny fanetezany ka tapahiny ny sampana manaiky izany ho tafasaraka tanteraka amin’ ny loharanon’ ny ainy teo aloha. Mafy ny asa voalohany ary ny Mpamboatra no tsy maintsy manao azy. Ny hany anjarantsika dia ny manam-paniriana sy ny manaiky azy hanao ny asa. Tsy maintsy mitandrina isika tsy himenomenona ny amin’ ny fomba fiasany.

Tsy maintsy maratra ny Hazo Oliva tsara mba handraisany ny sampana atao grefy aminy. Nahatra tao Kalvary io ratra io. Amboarina izao ilay sampana mba ho azo atsofoka ao amin’ ny ratra tao Kalvary. “...Ary izay rehetra manaiky Ahy amin’ ny fizarאna ny sorona nataoko ho an’ ny very, dia hekeko ho mpandray anjara amin’ ny voninahitra sy ny fifalian’ ny voavotra”.2

Hoy i Paoly: “Voahombo miaraka amin’ i Kristy.... aho” Galatiana 2:20 ary koa “.... izay an’ i Kristy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny tamin’ ny hazo fijaliana”. Galatiana 5:24. Rehefa notapahana ho afaka amin’ ny loharanon’ ainy taloha ny sampana, dia tapaka tamin’ ilay toetra  taloha izy. Tsy avelan’ ny mpamboatra fotsiny ho faty izy tsy akory. Mitandrina dia mitandrina izy mametraka ny sampana eo amin’ ny Hazo Oliva tsara maratra. Dia hosorany mastika fanaovana grefy (ny akanjom-pahamarinany) ny faritra ifandraisany. Natao hiaro amin’ ny loto sy ny aretina rehetra izay mety hisakana ny fitomboana ny mastika fanaovana grefy.

 

“Ny fanatrehan’ ny Ray no nanodidina an’ i Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-sy izay navelan’ Ilay fitiavana tsy manampetra ihany, mba ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao. Izany no loharanon’ ny fiononam-pony ary izany koa no antsika. Izay manana ny Fanahin’ i Kristy be dia be ao aminy no mitoetra ao amin’ i Kristy, ka ny loza izay nokasaina hahatra aminy dia mianjady amin’ ny Mpamonjy Izay manodidina azy amin’ ny fanatrehany. Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy. Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no fiarovana azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken’ ny Tompo; ary ny “zavatra rehetra” izay avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” (Romana 8:28).3

 

Mbola tsy vita ny asan’ ny Mpamboatra. Raisiny avy eo ny “horonan-damba fanaovana grefy ka ahodidiny ny sampana sy ny foto-kazo. Ataony mihodidina hatrany izany mandra-paha tsy afahan’ ny rivotra sy ny tafiotry ny fiainana mamaha ny sampana vita grefy. Tsy maintsy manjary iray amin’ ny Hazo Oliva (na voaloboka) ny sampana.

 

“Ny fikambanan’ ny sampana amin’ ny voaloboka hoy Izy, dia mampiseho ny firaisana tokony hotohizanareo Amiko. Atsofoka ao amin’ ny voaloboka velona ny mason-kazo, toy ny manao grefy ka hitombo ao amin’ ny foto-boaloboka izany, ny hoza-kazo mifandray amin’ ny hoza-kazo, ny lalan-dranokazo mifandray amin’ ny lalan-dranokazo. Ny ain’ ny voaloboka no manjary ain’ ny sampana”.4

 

Tsy mbola vita ihany ny asan’ ny Mpamboatra amin’ ny sampana, satria ny hitondra vokatra no zava-kendreny. “... Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po....” Galatiana 5:22, 23. Mamerina antsika any amin’ ny akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady izany, ny akanjon’ ny fahamarinan’ i Kristy izay toetra amam-panahiny, ilay akanjo tsy maintsy hanaovantsika mba ho vonona amin’ ny fiverenan’ ny Tompo isika.

Mba hisehoan’ ny vokatra dia tsy maintsy misy ny fandratsan-ana. Asan’ ny Mpamboatra koa izany. Matetika misy sampana mitsorapaka tsy maintsy rantsanana mba hampahatanjaka ny sampana. Ny raviny be loatra koa matetika mandiso ny fomba fijery ary manakana ny voa tsy hitombo tsara.

Ny zavatra izay arahin’ny mpamboatra maso dia ny toetra mahafaty manokana iraha-mananan’ ny ankabeazan’ ny sampana – dia ny fironany hirefarefa. Ny olאna dia rehefa mikasika ny tany ny sampana mirefarefa, dia mandefa fakany madinika izy ary miezaka hitady famelomana avy amin’ ny loharano roa. Kristy anefa nilaza fa “tsy misy olona mahay manompo tompo roa.... Matio 6:24.

Tsy maintsy ampiasana ny antsy fanetezana hanapahana ireny fakany madinika ireny mba ho avy amin’ ny loharano tokana ihany no iavian’ ny ain’ ny sampana. Hakarin’ ny Mpamboatra ny sampana mirefarefa ary afatony amin’ ny tsanganana mba hifoka ny rivotra madio sy hianoka amin’ ny tanamasoandro ny fitiavan’ Andriamanitra. Hetezana ny fironana rehetra ho amin’ ny ratsy izay nolovaina sy nokolokoloina eo amin’ io asa fandratsanana io izay atao hoe fanamasinana. Asan’ ny Mpamboatra izany. Ny sampana dia mitoetra ary mamela ny Mpamboatra hanao ny asany araka izay fantany fa tsara indrindra ho antsika.

Ny “mitoetra” ihany no ahazoantsika mandroso amin’ ny fahatanterahana, satria Azy io fahatanterahana io fa tsy antsika. Tokony ho feno fankasitrahana isika noho ny famelany antsika hotafiana amin’ ny akanjon’ ny fahamarinany.

 

18. TOMOERA AMIKO.

 

A: TRANDRAO

1.  Fomba fanaovana grefy: ny “hazo oliva tsara” no atsofoka  amin’ny “hazo oliva maniry ho azy”, izay fototra,  mba hamokatra ilay vokatra kasaina. Mitovy amin’izany ve ny “grefin’ny toetran’i Jesosy amintsika? Inona no lesona azo tsoahina amin’izany?

2. Araho isa’ambaratongany ny fanaovana grefy:? 

 

B: AMPIHARO

3. “Ny sampana dia mitoetra ary mamela ny Mpamboatra hanao ny asany araka izay fantany fa tsara indrindra ho antsika”. Angataho amin-bavaka izany ho tanteraka amin\ny fiananao dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.

 

Sorito amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa tanteraka aminao io vavaka io.

 

(Endnotes)

1  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 171/3

2  Ilay fitiavana Mandresy, p. 377/1

3  Sambatra, p. 60/2

4  Ilay Fitiavana Mandresy, p. 729/3

 

TOVANA “A”

Ny toen’ i KRISTY

 

Midika ho zava- drehetra ho antsika ny toetra  maha-olombelona an’ i Kristy ary tsy tokony ho fanadihadiana tsotra fotsiny no andraisana io lohateny io.

 

“Raha hanomboka handinika io loha-teny io isika, dia tokony hotandremana ny teny nambaran’ i Kristy tamin’ i Mosesy teo amin’ ny roimemy nirehitra hoe: ‘Esory ny kapanao fa tany masina io ijoroanao io’. Amin’ ny fanetren-tenan’ izay mitady fahalalאna, amin’ ny fo torotoro, no tokony hiantrehantsika ity fianarana ity. Saha mahavokatra ny fandinihina ny nahatongavan’ i Kristy ho nofo, izay hamaly soa ny mpikaroka mandinika lalina ny fahamarinana miafina.”1

 

Izao no vakiantsika ao amin’ ny Hebreo 2:16: “Fa hita marina fa tsy naka ny toen’ ny anjely Izy; fa ny toen’ ny taranak’ i Abrahama” (Dikan-teny avy amin’ ny King James Version). Raha dinihina maimaika io andininy io dia misy mety hanatsaoka hevitra hilaza fa raha naka ny toen’ ny taranak’ i Abrahama Izy, dia tsy nety ho Adama faharoa. Nefa kosa, ao amin’ i Adama no misy ny fototry ny fianakavian’ ny olombelona rehetra fa tsy ao amin’ ny anjely. Inoako fa nanoratra ho an’ ny Romana sy ny Hebreo i Paoly raha manome antony hafa ho antsika ny amin’ ny maha-Adama faharoa an’ i Kristy. Izao no lazainy ao amin’ ny Romana 9:6: “...fa tsy izay rehetra avy amin’ Israely no Israely”. Hoy ny andininy fahafito: “...avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. Izao no vakiantsika ao amin’ ny andininy fahavalo: “.... tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.” Kristy no Zanaky ny teny fikasana, Zanak’ Andriamanitra. Noho izany, araka ny tokony ho izy dia taranak’ i Abrahama Izy satria tsy nateraky ny sitrapon’ ny nofo. Jaona 1:13. Roa ihany no iavian’ ny olona, dia ny sitrapon’ ny nofo na mivantana avy amin’ Andriamanitra. Nivantana avy tamin’ Andriamanitra i Adama tahak’ izany koa ilay Adama faharoa, Jesosy Kristy.

 

“Tsy nisary ho olombelona Kristy, fa tena naka marina fomban’ olombelona Izy. Tena nanana toetra  maha- olombelona Izy. Satria manana nofo aman-drא ny zaza, dia nandray izany koa Izy. Zanak’ i Maria Izy; taranak’ i Davida, araka ny maha-olombelona.”2

 

Eny, tena olombelona marina Jesosy, tahaka ny naha-olona an’ i Adama; izay noforoniny. Raha ny ara-panahy, dia taranak’ i Abrahama Izy ary, raha ny ara-nofo, dia taranak’ i Davida.

Mazava kokoa ny filazאn’ i Paoly ao amin’ ny Romana 8:3, “...naniraka ny Zanany Andriamanitra, naka ny endriky ny nofo ota....” Hoy ny fanazavana avy amin’ ny tsindrimandry momba io andininy io: “Tahaka ny nanandratana ilay sary natao ho fanasitranana ho azy ireo araka ny endrik’ ireo menarana nahafaty, dia toy izany koa Ilay Anankiray “naka ny endriky ny nofo ota” no ho Mpanavotra azy ireo.”3 Fantatry ny vahoaka Isiraely fa tsy anisan’ ny menarana afo ilay menarana varahina, fa natao ho araka ny endrik’ izy ireo.  Natao araka ny endrik’ ireo rahalahiny Jesosy. Ny olona natao araka ny endrik’