|
Ny
Akanjony
Sa ny ahy
Frank B. Phillips
Raha tianao ny handray
maimaimpoana boky fanampiny amin’ny teny anglisy dia
mifandraisa amin’ny Justified Walk Ministries, P:O Box
233, Berrien Springs, MI 49103,
telefaonina (269)
471-9224
Raha tianao ny
handray mamaimpoana boky fanampiny amin’ny teny Malagasy
na amin’ny teny frantsay dia manafara amin’ny
pastoran’ny Distrika-nao izay hampita ny fangatahanao.
Ny
antsipiriany fanampiny momba ity boky ity amin’ny teny
anglisy, ireo toriteny, sy ireo loharanon-kevitra hafa
nataon’ I Frank B. Phillips, na ireo izay natolony
hovakiana, dia eo amin’ny internet araka izao adiresy
izao : www.justifiedwalk.com
Ny
Tenin’ny Soratra Masina rehetra dia noraisina avy
tamin’ny Baiboly, Fikambanana Mampiely Baiboly,
Antananarivo. Ny teny hafa rehetra noraisina dia avy
amin’ny asa soratr’ i Ellen White, afa-tsy izay nasiana
fanambarana manokana.
Copyrighted 2003
Tsy azo adika na alain-tahaka na aiza na aiza
Nadikan’ i Rasamoely Emilienne sy Victor Rasoanaivo
Andrianomenjanahary Avy amin’ ilay boky amin’ ny teny
anglisy hoe “His robe or Mine”, Nosoratan’ i Frank
Phillips Nahazoana alalana avy tamin’ ny
“Justified Walk Ministries”
P.O. Box 233, Berrien Springs, MI 49103
(269) 471)-9224
tamin’ ny Aogositra 23, 2005
Tsy
natao hamidy ity boky it.
Voaloa teo
amin’ ny Hazo fijaliana ny vidiny! Satria efa kasa dia
lasa ny fotoana ary maika dia maika ny hafatra raketiny,
dia miezaka izahay hizara ity boky ity betsaka ary
haingana araka izay azo atao. Raha nandraisanao
fitahiana ianao izay novakianao, dia mivavaka izahay mba
hizaranao ny boky amin’ olon-kafa, ary fifaliana ho anay
ny hanome anao boky fanampiny. Raisinay amim-pifaliana
ny fanomezana hoenti-manohana izao ezaka izao raha
natambesatry ny Tompo teo amin’ ny fonao ny hanome izany
fiaraha-miasa izany.
“Nandray maimaimpoana ianareo;
koa manomeza maimaimpoana.” “Mahasambatra kokoa ny
manome noho ny mandray”
FIZAHAN-TAKELAKA
Ala-sarona Click on blue to start
5
Fitarihan-teny
7
Toko
1 Tsiambaratelo! Zava-miafina “Top Secret”
12
Toko 2 Araka ny lalאna
tanteraka
22
Toko 3 Tanteraka manao ahoana
ny tsara?
34
Toko 4 Fivavahana
an-tokotanim-pasana
41
Toko 5 Ateraka ny Kristiana fa
tsy atao
50
Toko 6 Inona no manaraka ny
Fanamarinana?
59
Toko 7 Natao hiakarana ny
tohatra
70
Toko 8 Ho tsara fototra ny finoanareo... dia
manehoa...
82
Toko 9 Hitarina ny fototra,
Fahatanjahan-tsaina
89
Toko 10 Tovozan-kery tsy misy
fetra, fahalalאna
94
Toko 11 Laharam-pahamehana: Fahalalאna
onony
100
Toko 12
Faharetana: Asa tanteraka ataon’ Andriamanitra
106
Toko 13 Tsy
misy fiatona eto
111
Toko
14 Ahoana? Tsy misy fifaninanana intsony?
116
Toko 15
Fitiavana tsy hita lany
120
Toko 16 Moa ve Jeso nalaim-panahy
tena tahaka antsika? 124
Toko
17 Manarahy Ahy
134
Toko
18 Tomoera Amiko
141
Tovana
“A” Ny toen’ i Kristy
149
Tovana “B” Sitrapon’ Olombelona
176
Tovana
“C” Planan’ny fanamasinanan’ Andriamanitra
186
Tovana
“D” Planan’ Andriamanitra
189
Nosoratan’ Itompokolahy Frank B. Phillips ity boky ity
nandritra ny folo taona nisotroany ronono, raha nitondra
ny hafatra kanto indrindra momba an’ i “Kristy
Fahamarinanatsika” tany amin’ ny fivoriam-pifohazana izy
sy ny vadiny Dorothy. Nitahy fatratra ny ezaka nataony
Andriamanitra. Liana sy ravoravo ireo nanatrika ny
fotoana, nizara ny hafatra tamin’ ny hafa, ary niroso
tamin’ ny fanavaozam-piainana namelombelona. Nisy
Herinandrom-pivavahana tao amin’ ny Oniversite ao
Andrews, tamin’ izay no nampirisihana an’ i Pastora
Phillips hanao an-tsoratra ny toriteniny mba havoaka ho
boky. Nosoratany izany, nefa indrisy, fa tsy nisy
nanonta – saika nohadinoina- nandritra ny roa-polo taona
mahery.
Tsy ela izay anefa, nanintona ny sain’ ny zanak’
Andriamanitra indray ireo hafatry ny Pastora Phillips,
noho ny fitondran’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny
fomba tsotra sy mahagaga – fizarאna
ny toritenim-pifohazany tamin’ ny raki-peo, CDs, ny
Internet; ary ankehitriny amin’ ny alalan’ izao sora-tאnany
izao – koa fifaliana ho anay ny manao tatitra milaza fa
mampiasa ireo hafatra ireo amin’ ny fomba mahagaga
indray Andriamanitra. Mino izahay fa novelomin’
Andriamanitra indray ireo hafatra ireo manoloana ny
laharam-pahamehana dodona eo amin’ ny vahoakany izay,
matetika loatra, tsy mbola nahare manokana, na oviana na
oviana, na nampihatra amin’ ny tenany ireo fahamarinana
manova ny fiainana momba an’ i Kristy Fahamarinantsika,
ary, vokatr’ izany, zara raha niainany ilay fiainana be
dia be voalaza antenaina ao amin’ ny Tenin’
Andriamanitra.
Noho izany, dia fifaliana ho anay ny manolotra
an-tsoratra ireo hafatra nentiny ireo, ary mivavaka
izahay mba ho voaray am-po ireo hafatra ireo, hitondra
ilay fiainana be dia be, ka ahatonga ny mpamaky
tsirairay ho tanאna
mimanda ho an’ Andriamanitra eto amin’ ity izao tontolo
izao anjakan’ ny fikomiana ity, mba samy ho tonga
tilikambo mafy orina ho an’ ny fahamarinana sy ny
fitiavana ny fo tsirairay, ary ho jiro mpitari-dאlana
eny an-kavoana ny fiainana tsirairay, hitondra ny hafa
eo amin’ ny fahalalאna
ny fahamarinana.
Ilay
akanjo-mpanambady
Fitarihan-teny
Mahaliana manokana ny vahoakan’ Andriamanitra
ankehitriny ny fanoharana momba ilay mpanambady. Tahaka
ny fanoharana momba ny virjina folo, dia tsy mbola
tanteraka hatramin’ ny farany izy io: samy tsy hita ny
fiafaran’ ireo fanoharana ireo raha tsy mandray ny
vadiny Jesosy. Miandry ny ampakarina ny mpampakatra ao
amin’ Ilay fanoharana voalohany.
Ao amin’
ilay faharoa kosa, dia ny ampakarina no miandry ny
Mpampakatra.
Mampiseho
ny firaisan’ ny maha-olombelona sy ny
maha-Andriamanitra ny fampakaram-bady. Ilay
akanjo-mpanambady, izay tsy maintsy hanaovana, dia
mampiseho ny toetra amam-panahin’ i Kristy, izay
zava-dehibe ho an’ izay nasaina tsirairay ho amin’ ny
fampakaram-bady raha hoeken’ ny Ray ho vadin’ ny
Mpampakatra izy.
Misy
toe-javatra telo samihafa asehon’ ny Matio 22 an-tsary
rehefa nandefa ny mpanompony ny Mpanjaka, Rain’ ny
Mpampakatra, haka ny ampakarina ho any amin’ ny
fampakaram-bady. Voafidy ny ampakarina ary efa
nampahafantarina azy izany, koa fantany fa hampakarina
ho vadin’ ny mpampakatra izy. Izao no voalaza: “Tonga
tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” Jaona
1:11. Sahirana loatra ny fiangonana, ilay vady voafidy,
ka tsy te-hanatanteraka ny fanambadiana araka izay fomba
nangatahin’ ny Mpampakatra.
Ny akanjo-
mpanambady no olאna.
Nanantitrantitra ny ampakarina fa izay akanjo safidiny
no hanaovany – fa tsy io akanjo tsotra, lany lamaody
nokasain’ ny Rain’ ny Mpampakatra fa hanaovany io.
Farany dia
tena nahatezitra ilay ampakarina loatra ny plana
manontolo ka nanapa-kevitra izy fa ny hany azo hatao dia
ny misaraka amin’ ny Mpampakatra. Mba hanaovany izany
dia tsy maintsy noraisiny ho andraikitra feno eo
anatrehan’ ny lalאna
ny toe-javatra. Niakatra fitsarana ny raharaha ary na
dia fantatry ny mpitsara sy ny vahoaka aza fa tsy
nanan-tsiny ny Mpampakatra, dia re ny antsoantson’ ny
ampakarina hoe: “...
Ento, ento,
homboy amin’ ny hazo fijaliana.” Jaona 19:15.
Notanterahina ilay zava-doza. Tsy naharitra ela anefa
ny fahatsiarovan’ ilay ampakarina ho maivamaivana,
satria tsy nampandrimandry azy ny tenin’ ny Mpampakatra
nambarany andro maro taloha hoe: “Ravao ity tempoly ity,
ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy”. Jaona
2:19. Tsaroan’ ny ampakarina ireo fahagagana marobe
nataony fony fahavelony ka tsy nisy farany ny tahotra
nameno azy.
Araka ny
teniny, dia niverina ny Mpampakatra rehefa afaka
hateloana, velona sady tomady. Nolazainy tamin’ iray
anisan’ ireo mpanaraka ny ampakarina fa tsy maintsy
hitselika vetivety hihaona amin’ ny Rainy Izy mba ho
azony antoka fa ara-dalאna
daholo ny zavatra rehetra, raha ny momba ny ezaka nataon’
ny tenany hanantanterahana ny planan’ ny Rainy. Jaona
20:17.
Nandeha Izy
ary iny androtr’ iny ihany dia tafaverina. Namangy ny
sasantsasany tamin’ ny fianakavian’ ny ampakarina Izy.
Nahalasa fisainana lalina olona maro avy tamin’ ny
ampakarina izany famangiana izany. Io ihany ve ilay
olona nohomboina tamin’ ny hazo fijaliana, hateloana
izay? Resy lahatra ry zareo nony farany, fa tena Izy
ihany io. Faly dia faly ny Mpampakatra noho ny
nahafantarana Azy, ka nirahiny izy ireo hitady ny havan’
ny ampakarina sisa ary hamerina azy ho eo Aminy. Hafa
anefa ny tao an-tsain’ ny ampakarina ka tsy nety izy.
Mbola resaka akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady
ihany no olאna.
Ny fototr’
izany dia ny olona tsirairay avy tamin’ ny ampakarina (ny
fiangonana), izay rehetra nilaza fa mino sy manaiky ny
Mpampakatra, dia samy nandray akanjo fitondra amin’ ny
fampakaram-bady daholo. Tsy ny toerana hividianana na ny
fampanjairana ny akanjo no olאna,
satria rehefa manaiky ny taratasy fanasana ho anisan’
ireo avy amin’ ny ampakarina ny olona, dia mahazo ilay
akanjo ho fanomezana izy. Ny miakanjo azy mihitsy no olאna!
Tsy ela tao
aorian’ izao, dia tsapan’ Ilay Mpampakatra fa tsy ho
tanteraka ny fanambadiany amin’ ilay fofom-bady nofidiny
satria izy io tsy mety hisalotra ny akanjo. Noho izany
dia nolazainy ny namany tsy hiezaka handresy lahatra io
ampakarina nofidiny io intsony ho avy sy hanaiky Azy.
Nasainy nandeha tamin’ ny toeran-kafa izy ireo hitady
ampakarina izay vonona hanao ilay akanjo.
Nandeha
nivezivezy izy ireo. Raha ny tena marina, nandeha “eny
ambany lanitra rehetra” izy nitondra ny filazantsara
(vaovao mahafaly), nizara fanasana (Kolosiana 1:23),
nefa tsy firy no rototra.
Nandritra ny
valonjato sy arivo taona nanaraka eo ho eo, dia maro ny
mpanompo no nirahina, solon-tenan’ ny Mpampakatra hanasa
izay rehetra ho avy amin’ ny fampakaram-bady. Toa
niverina foana ilay olאna
– ilay akanjo-fitondra amin’ ny fampakaram-bady. Nisy
nilaza fa tsy mety ny manasaron-javatra toy izany. Nisy
nihevitra fa tsara ihany ny akanjon’ ny tenany.
Nifamadibadika teny ny hevitra.
Ny
niafarany dia na ny mpanompo aza nisavoritaka. Nanasa
olona izy ary tsy nasiany teny akory ny akanjo tsy
maintsy hanaovana. Nisy aza nilaza hoe: “Raha manome
vola ampy ianao, dia aza atao manahirana anao ilay
akanjo.” Maro koa no nilaza hoe: “Tsy hitanay izay tena
anton’ io akanjo io, noho izany adinoy fotsiny any
izany; minoa fotsiny dia handray tsara anao ny
Mpampakatra.”
Nifandimby
ny taona ary tsy mbola vonona ihany ny ampakarina. Tsy
handrin’ny Mpampakatra ny handray ny vadiny ka nandefa
toro-marika manokana tamin’ ny alalan’ ny olona iray avy
amin’ ny ampakarina Izy. Matetika no nandefa toro-marika
manokana ho an’ ny vadiny Izy, nentin’ ny mpitondra
hafatra manokana, ary, nanantena indray Izy, fa hisava
ny olאna
izay niteraka fisavoritahana teo amin’ ny fampiasana
ilay fanomezany manokana. Nokendreny ny hanome
toro-marika sy antsipiriany tamin’ ireny hafatra ireny
momba ny fomba hanaovana sy hitafiana ilay akanjo, izay
toa lasa olאna
be toy izany. Nisy nandray tsara ny toro-marika manokana
ary nisy kosa nitsipaka izany. Izay nanaiky ny
toro-marika fanampiny dia toa nanaiky tsara ilay
akanjo. Hitany fa tena fitahiana namaha betsaka amin’
ny olאna
teo aminy izany. Izay nandא
ny toro-marika kosa dia toa mbola niatrika ny
zava-tsarotra teo aloha ihany.
Tonga ny fotoana nilazan’ ny Mpanjaka fa tsy hihemotra
intsony ny fampakaram-bady. Noho izany, dia nanindry
mandry an’ i Jones sy Waggoner Izy, tamin’ ny Novambra
1888, hihaona tamin’ ny sasany avy amin’ ny ampakarina
izay teo am-pivoriana, nandinika izay fomba tsara
indrindra hanomanana ny ampakarina ho amin’ ny
fampakaram-bady. Nanizingizina izy mirahalahy fa ny
hafatra izay notoriany no fomba marina hiomanana amin’
ny fampakaram-bady.
Ilay
akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady indray no olאna.
Nisy nanaiky ny hitondra ilאn’
ilay akanjo raha mety miaraka amin’ ny azy izany.
Ny hafa
kosa dia tsy nila mihitsy. Nisy vitsivitsy nandray izany
ho fanomezana ka nandray azy ary niakanjo azy
tamim-pifaliana.
Tsy voavaha
ny olאna,
na dia izany aza, raha ny mikasika ny ampakarina. Rehefa
afaka taona vitsy dia toa nanjavonjavo teny ilay olאna.
Niezaka indray ny Mpampakatra hamoha ny ampakarina tao
amin’ ny faharendremany mitera-doza. Vao nanomboka ity
taon-jato ity tamin’ izay. Nisy boky nosoratana sy
naparitaka nisy toro-marika mazava momba ny fiomanana ho
amin’ ny fampakaram-bady. Tsy mbola resy lahatra tsara
ny amin’ ilay akanjo anefa ny ampakarina, na dia niantso
azy foana aza ny Mpampakatra hoe: “Mifohaza, mifohaza,
tafio ny herinao ry Ziona o...” Isaia 52:1
Niandry
tamim-paharetana ny Mpampakatra mandra-paha-ambivotra ny
fotoana tsy ahazoany miandry intsony. Nitombo haingana
dia haingana ireo zava-tsarotra eo amin’ izao tontolo
izao. Raha ny ara-politika, ny ara-toe-karena,
ara-piarahamonina, ny ara-tontolo iainana, ny ara-panahy
sy ny ara-batana dia efa antomotra ny fahapotehan’ izao
tontolo izao. Nanapa-kevitra indray ny Mpampakatra
hanomana ny vadiny ho vonona ho amin’ ny fiverenany tsy
ho ela, ka nododosany hanaiky hanao ny akanjo.
Tsy misy
akanjo tahaka ilay akanjo fitondra amin’ ny
fampakarambady eran’ izao tontolo izao manontolo.
Mitondra fiadanana, fifaliana, fahafahampo sy fitiavana
ao amin’ ny fon’ ny olombelona izany. Tsy hitan’ izay
manao azy anefa izany, ary tsy hitan’ ireo mambra hafa
(ny fiangonana) mpanotrona ny mpanambady koa. Nefa dia
manjary andriamby mahery misintona ny hafa hanaiky ny
antson’ ny filazantsara.
Izay no
antony nahatonga ilay olona iray tsy nanao ny akanjo
fitondra amin’ ny fampakaram-bady tsy ho sina, rehefa
nanontaniana ny antony, raha tsy rehefa niditra nijery
ny nasaina ny Mpanjaka Matio 22:12. Nahatsiaro tamאna
izy teo amin’ ny lanonana mandra-pihiditry ny Mpanjaka.
Tamin’ izay fotoana izay vao tonga saina izy fa fantatra
izy io mody tamאna
io, ka tsy nisy fialan-tsiny azony naroso. Tsarovy fa
nandray ilay akanjo izy fony izy nanaiky antso fanasana.
Inona no azony alahatra? Io ampofoany, mivalona tsara
io, ny akanjo. Ninoany ireo foto-kevitra asehony, fa
tena tsy azoazony kosa ny miakanjo azy, maneritery
loatra izany. Nikasa ny hanao sy hitafy azy ihany izy,
fa tsy mbola izao.
Tsy mahagaga
raha sina izy.
Natao ity boky ity
hanehoana mazava ny fomba handraisana sy hanaovana ny
akanjo fitondra amin’ ny fampakaram-bady, izay tsy
maintsy hanאnana
sy hisaloran’ izay rehetra hihaona amin’ ny Tompo amim-piadanana
ka tsy ho sina rehefa ho tonga Izy. Eo am-pamakiana ny
toko manaraka ianao dia ho hitanao ilay ao ambadik’izao
fisavoritahana izao sy ny fomba mety hahafaka anao amin’
ny heriny. Amin’ izay, ary amin’ izay ihany, dia ho
hitantsika mazava ny “ahoana” sy ny “nahoana” eo amin’
ny drafitra lehibe nataon’ Andriamanitra hanavotana
antsika.
1.
TSIAMBARATELO!
Zava-Misy
“Top Secret”
Sahan’ ady ny sain’ ny olombelona izay misy ady
mitera-pahafatesana tsy mbola nisy toy izany, eto amin’
ity planeta ity. Manao izay hifehezany ny saintsika
Kristy mba hahatrarantsika ny fahafenoana fara-tampony
eo amin’ ireo fahaizana izay narafin’ Izy tenany ao amin’
io taova mahazendana io. Satana kosa, etsy andaniny,
mitady izay hifehezany izay “fandrafiana an’
Andriamanitra ” ao amin’ io saina io. Romana 8:7.
Nampitahaina amin’ ny solosaina ny sain’ ny olombelona
ka ny ati-dohan’ izany solosaina izany dia novolavolaina
hifandray amin’ ny fotoana rehetra iasany amin’ ny
loharano roa: Kristy na Satana. Tahaka ny solosaina, dia
miankina amin’ ny zavatra raisin’ ny saina ny fiasany.
Rehefa nofakafakainy ny zavatra noraisiny, dia mamaritra
izay ho fanapahan-keviny amin’ izay izy sy izay ho
fizotry ny hataony.
“Kristy no
loharanon’ ny toe-tsaina tsara rehetra”1.
Mifanohitra amin’ izany kosa izao: “Miezaka mandrakariva
Satana hiasa lalina ao amin’ ny saina sy hifehy izany,
ary tsy misy azo antoka ny amintsika raha tsy manana
fifandraisana tsy miato amin’ Andriamanitra isika”2.
‘Tsy misy afa-tsy hery roa no mifehy ny sain’ ny
olombelona – dia ny herin’ Andriamanitra sy ny herin’ i
Satana”3.
“Fehezin’ i Satana ny saina rehetra izay tsy manapa-kevitra
hofehezin’ ny Fanahin’ Andriamanitra”4.
Mazava sy
lalina ireo fanambarana voalaza eo aloha, koa andeha
hoezahina fakafakaina ny fomba fiasan’ ireo hery roa
lehibe ho amin’ ny tsara sy ny ratsy ireo.
“Avia ary
hifandahatra isika…. “ Isaia 1:18 no fototry ny drafitr’
asan’ Andriamanitra amin’ ny fianakavian’ ny
olombelona. “Ny fo, ny fitiavana, no angatahin’
Andriamanitra aloha”5.
(Samy ampiasaina amin’ ny dikany mitovy ny saina sy ny
fo ao amin’ ny Soratra Masina sy ao amin’ ny asa soratr’
i Ellen White)
“Anaka, atolory Ahy
ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ ny lאlako”
Ohabolana 23:26.
“Ny plana
miantomboka amin’ ny eo ivelany ary miezaka hiasa amin’
ny ao anatiny dia tsy nahomby hatrany ary tsy hahomby
mihitsy. Ny planan’ Andriamanitra ho anao dia manomboka
eo amin’ izay itoeran’ ireo zava-tsarotra rehetra, dia
ny fo ary amin’ izay dia hivoaka avy ao amin’ ny fo ireo
foto-kevitry ny fahamarinana; ho eo ivelany sy ho ao
anatiny ny fanavaozana”6.
Izao no
matetika lazaina mikasika ny olona iray izay mianatra ny
fomba ahatongavany ho Kristiana: “Ny hany sisa tokony
hataony dia ny miala amin’ itsy fomba ratsy mahazatra
itsy na iroa.” Tsy ny zavatra hanאnana,
na ny fihetsika na ny fahazarana eo amin’ ny fiainana no
olאna;
fitrangan’ ny tena olאna
fotsiny ireo. Hoy Andriamanitra: “…ny olona mijery ny
miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” 1
Samoela 16:7.
“Tandremo ny
fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana fa
avy aminy no ihavian’ ny aina” Ohabolana 4:23.
“Tahaka ny masirasira
miharo amin’ ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety
ivelany, no fiasan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra hanova
ny fiainana amin’ ny fanavaozana ny fo. Ny fiovאna
eto ivelany fotsiny dia tsy ampy hahatonga antsika
hifandrindra amin’ Andriamanitra. Betsaka no miezaka
hanitsy ny tenany amin’ ny tsy fanaovana an’ itsy fomba
ratsy mahazatra itsy na iroa ary manantena ny ho tonga
Kristiana amin’ izany fomba izany, nefa dia diso lאlana
am-piandohana izy. Ao amin’ ny fo no tokony hanombohana
ny asantsika voalohany indrindra.”7
Hitantsika
mazava fa ny fomba fiasan’ Andriamanitra
hanatanterahany ny asany ho an’ ny olona dia manomboka
ao amin’ ny fo na ny saina. Ary na dia io asa io aza dia
ilאna
ny fanomezantsika alאlana
an-tsitrapo. “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho
ka mandondona....” Apokalypsy 3:20. “Raha manaiky sy
mankatע
ianareo dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany”. Isaia
1:19. “Fanompoana an-tsitrapo ihany no ho
eken’Andriamanitra”.8
Noho izany,
tsy afaka hanaiky fankatoavana vokatry ny fanerena Izy,
eny, na dia faniriana ahafa-po ny feon’ ny
fieritreretana mahatsiaro meloka aza.
“Ny olona izay miezaka
hitandrina ny didin’ Andriamanitra noho ny fahatsapany
fotsiny fa tsy maintsy hatao izany, satria nangatahina
hanao izany izy, dia tsy hanana na oviana na oviana
fifaliana eo amin’ ny fankatoavana. Tsy izany no atao
hoe mankatע.
Rehefa raisina ho enta-mavesatra ny fitakian’
Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ ny fironan’ ny
olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy fiainana
Kristiana izany fiainana izany.
Ny fankatoavana marina dia asa
tanterahin’ ny foto-kevitra ao anaty. Mipoitra avy amin’
ny fitiavana ny fahamarinana izany, ary avy amin’ ny
fitiavana ny lalאn’
Andriamanitra”9.
Nanomboka
tany an-danitra ny fomba fiasan’ i Satana ary nahomby
izy teo amin’ ny ezaka nataony hanaparitaka ny fikomiana
izay nanomboka tao an-tsainy.”
“Hevi-petsy
lalina no nentiny nanamaizinana ny fikasan’
Andriamanitra.
Na zavatra
faran’ izay tsotra aza dia toa nanjary zavatra
saro-pantarina. Nampidirany fisalasalana tamin-kafetsena
fatratra na dia ny teny tsotra indrindra nolazain’ i
Jehovah aza”.10
Nahomby
indrindra ny plana nataony ka nentiny tety an-tany
sahabo ho enina arivo taona izay.
“Mpiasa kinga ny
fahavalo, ary raha tsy tarihin’ ny Fanahy masina
mandrakariva ny vahoakan’ Andriamanitra dia ho voafitaka
sy ho azony.
Efatra arivo taona
i Satana no nanao fanandramana momba ny toetra
mampiavaka ny sain’ ny olombelona, nianarany izany ary
tena hainy. Ny asa feno hafetsena ataony amin’ izao
andro farany izao, dia ny fampifamatorana ny sain’ ny
olombelona amin’ ny azy, vontosany amin’ ny fisainany
izany. An-kafetsena indrindra no anaovany izany asa
izany ka tsy fantatr’ izay manaiky hotarihiny fa izy no
mitondra azy hanao ny sitrapony. Manantena ilay
mpamitaka lehibe amin’ izany fa hikorontana ny sain’ ny
lehilahy sy ny vehivavy, ka tsy hisy afa-tsy ny feony
ihany no ho re.”11
Nanomboka
tany an-danitra ny asan’ i Satana tamin’ ny famafazana
fisalasalana, fanontaniana sy fisainana tamin’ ny fomba
miafina indrindra ka ireo anjely tsy lavo aza tsy tonga
saina fa voatariny. Nanambara eritreritra avy amin’ i
Satana izy, nefa noheveriny fa avy amin’ ny tenany
izany.12 Ny
plana nandeha tsara toy izany tany an-danitra dia azo
antoka fa handeha tsara eto an-tany. Vavolombelon’ ny
fahombiazany isika.
Ndeha
hofakafakaintsika miaraka ireo plana ireo. Samy mitady
hifehy tanteraka ny saina ireo hery roa ireo ka
hanafoana ny andaniny: Andriamanitra, mitady ny
fileferan’ ny olona an-tsitrapo Aminy; Satana, kosa
mitady ny Fanantitranteran’ny olona ho mahavita-tena,
izay tena fanomezana avy amin’ ny devoly mihitsy.
“Manomana ny ady
farany hataony amin’ ny fiangonana ny fahavalo.
Nanafi-tena tsy ho hita mihitsy izy ka maro no zara raha
mino ny fisiany, ary mbola be kokoa no resy lahatra
amin’ ny asany sy ny heriny mahagaga. Tena adinony
marina tokoa ny tantarany; ary rehefa manao dingana iray
hafa mandroso izy, dia tsy ho fantany fa izy no
fahavalony, ilay menarana ela, fa hoheveriny ho sakaiza,
izay tonga hanao asa tsara. Mirehareha izy fa mahavita –
tena ka hankatע
ny fironana ratsy indrindra ao amin’ ny fon’ olombelona,
noho ny hery miasa mangina miendrika ivelany sy mamitaka
avy amin’ i Satana, kanefa amin’ izany dia mino izy fa
Andriamanitra no mitarika azy. Raha misokatra ny masony
hahita mazava ny kapiteniny, dia ho hitany fa tsy
Andriamanitra no tompoiny, fa ny fahavalon’ ny
fahamarinana rehetra. Ho hitany fa ilay fahavitאn-tena
hireharehany no rojo vy mavesatra indrindra hamatoran’ i
Satana ny sainy miroaroa”.13
Izao no
lazain’ Andriamanitra amin’ ny alאlan’
i Jesosy: “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho
afaka tokoa ianareo” Jaona 8: 36. Hoy i Satana: “Aiza
kosa e, tsy tokony ho andevon’iza na iza ianao.”
Fifandaharana mazava ny an’ Andriamanitra, ary saina
mandajalanja no ampiasainy. Miafina kosa i Satana, ka
mahatonga ny olona hahatsapa fa izay saintsaininy sy
izay fanapaha-kevitry ny tenany no arahiny, nefa ny
mifanohitra amin’ izany no izy.
Eo amin’ io
fifaninana lehibe io dia misy zavatra iray izay
tandreman’ i Satana fatratra indrindra tsy ho hita – dia
ny fahalemen’ ny tenany. Drafitra nataony ny hahazo
antoka ny fahalavoan’ ny olombelona, ary manaraka izany
dia nanantena izy fa hahazo famelאn-keloka
sy hoekena indray eo amin’ ny fankasitrahan’
Andriamanitra ny tenany sy ny olona meloka. Hafa anefa
ny planan’ Andriamanitra. Satria fikomiana miharihary no
nahalavo an’ i Satana sy ny anjeliny, fa ny olona kosa
lavo noho ny fakam-panahy, dia tsy mitovy heloka izy
ireo. Koa, nilaza Andriamanitra fa ny olona irery no
homena fotoana mety ahazoany manaiky ny herin’ ny
fanomezan’ Andriamanitra manavotra ao amin’ ny Zanany
amin’ ny planan’ ny fanavotana.
Tsy ela dia
ren’ i Satana fa, noho io plana io, dia tsy maintsy ho
tonga olombelona Jesosy, Zanak’ Andriamanitra ka handoa
ny tambin’ ny ota hisolo toerana ny olona. Ravoravo ny
devoly noho izany. Nefa, nanana olאna
izy. Ahoana ary izao no hihazonany ny olona eo ambany
fahefany? Io no tsiambaratelon’ i Satana tsara afina
indrindra!
Eo amin’ ny
faritra ambony indrindra eo amin’ ny sain’ ny olombelona
no nametrahan’ Andriamanitra ny fanomezany sarobidy
indrindra ho an’ ny olona – dia ny sitrapo izany. “Izany
no hery mibaiko eo amin’ ny toetr’olombelona, dia ny
herin’ ny fanapahan-kevitra, na ny herin’ ny safidy.
Miankina amin’ ny herin’ ny sitrapo ny zavatra rehetra”.14 “Ny
sitraponao no ipoiran’ ny asanao rehetra”.15 Raha
voafehin’ i Satana ny fahefana toy izany, dia ho mora ho
azy ny hanapotika ny olona amin’ny famitahana azy
hihevitra fa mbola manana fotoana lava hiovאna
araka izay iriny izy.
Ahoana ary ny momba ilay tsiambaratelo “Top secret”?
“Io sitrapo io, izay manana anjara-toerana lehibe eo
amin’ ny toetra amam-panahin’ ny olona, dia nomena
hofehezin’ i Satana tamin’ ny fahalavon’ ny olona; ary
hatramin’ izay dia niasa tao amin’ ny olona izy hikasa
sy hanao ny sitrapony, nefa dia mitondra ny olona eo
amin’ ny faharavana sy ny fahoriana izany”.16
Inona no maha-“Top secret” an’ izany? Satria io no fomba
hiezahan’i Satana hifehezana nefa tsy ahafantarana akory
ny fidirany an-tsehatra. Io fomba io ihany no
nampiasainy tany an-danitra. Fantatr’i Satana fa tsy
hoesorin’ Andriamanitra aminy io fifehezana io, satria
Andriamanitra tsy manery ny sitrapontsika na oviana na
oviana. Tokana ny planan’ i Jehovah – ny hahazo antsika
hiverina ho eo Aminy. Noho ny nanomezany an’ i Jesosy ho
an’ ny taranak’olombelona, dia afaka miteny
Andriamanitra hoe: “Milefera ianareo Amiko; omeo Ahy io
sitraponareo io: alao tsy hofehezin’ i Satana, dia
horaisiko ho fanאnako;
amin’ izay dia ho afaka hiasa aminareo aho hikasa sy
hanao ny sitrapoko”.17
Tsy
maintsy hoesorin’i ny olona ny sitrapony tsy hofehezin’
i Satana vao azony homena an’ i Kristy. Fantatr’i Satana
tsara fa tsy afaka hitאna
na hanery ny sitrapon’ ny olona izy raha misafidy ny
hanala izany tsy hofeheziny ny olona. “Tsy
manam-pahefana hifehy ny sitrapo na hanery fanahy hanota
ilay mpaka fanahy”.18 Raha
mbola Kristy no mifehy, dia tsy manan-kery i Satana.
“Fantatr’i Satana fa tsy afaka mandresy ny olona izy
raha tsy afaka mifehy ny sitrapony”.19
“Tsy azon’ ny mpaka fanahy na oviana
na oviana atao ny manery antsika hanao ny ratsy. Tsy
afaka mifehy ny saintsika izy raha tsy isika no manaiky
hotapahiny. Tsy maintsy manaiky ny sitrapo, tsy maintsy
mamaha ny famikirany amin’ i Kristy ny finoana vao afaka
mampiasa ny heriny amintsika i Satana”.20 Eo
no misy ny fahalemeny. “Fantatr’i Satana tsara fa ny
fanahy osa indrindra izay mitoetra ao amin’ i Kristy dia
mahery noho ny andian-tafiky ny haizina ary fantany fa
raha miseho mivantana izy, dia ho voatohitra”.21
Tokony ha azontsika mazava fa afaka manala ny
sitrapontsika tsy ho eo amin’ i Satana isika; nefa kosa
tsy manan-kery hitahiry izany samy irery isika. Tsy
maintsy milefitra tanteraka amin’ i Jesosy isika.
Andriamanitra irery no afaka hiaro antsika amin’ ireo
fitaka ataon’ i Satana. Raha tsy hentitra isika fa an’ i
Kristy ny sitrapontsika, dia hofehezin’ i Satana indray
izany. “Tsy misy afa-tsy Kristy irery ihany no afaka
hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny
fahotana.
Tonga Izy
handroaka ny demonia izay efa nifehy ny sitrapo”.22
Mbola misy
zavatra iray koa tokony hazava amintsika tsara mikasika
ny fomba hifehezan’ i Satana sy ny devoliny ny sitrapo.
“Izay tsy te- ho babon’ i Satana dia tokony hiambina
tsara ny fanahiny, ka tsy hikasika boky ratsy, na hijery
na hihaino zavatra mety hampiditra fisainana maloto ao
amin’ ny eritreriny”.23 Aoka
samy hiaro ireo retsika isika, sao ho resin’ i Satana
izy ireny, ireny mantsy no lalאm-be
mankany amin’ ny fanahy.”24
Kianja
ilalaovan’ ny devoly ny retsika dimy – ny tsiro, ny
fikasihana, ny fandrenesana, ary ny fanamboloana, - misy
toetra itovizana izy rehetra- samy tsy maintsy ho tonga
fihetseham-po izy vao azon’ i Satana ampiasaina hirindra
amin’ ny planany. Ampiasainy ny fihetseham-pontsika
hisolo toerana ny saina mandajalanja hitarika ny
sitrapo. Angamba tokony hanontani-tena isika hoe firy ny
fanapahan-kevitra ataontsika isan’ andro amin’ ny
alalan’ ny fihetseham-po fa tsy amin’ ny alalan’ ny
fampiasana ny saina mandajalanja.
Rehefa
esorintsika tsy hofehezin’ i Satana ny sitrapontsika ka
ampileferintsika amin’ i Jesosy, dia dioviny izany ary
averiny amintsika mifamatotra amin’ ny sitrapon’ ny
tenany.
Amin’ izany
fomba izany no itoerany ao amintsika ary isika ao Aminy.
Ny vokany dia rehefa manao ny sitrapony isika, dia ny
sitrapontsika ihany no ataontsika.
Tsy azo
heverina ho fanandramana zary sangisangy io fileferana
io – na zavatra tsy mila ezaka firy, na fisainana manao
ahoana.
“Amin’ ny
alalan’ ny sitrapo no hamikiran’ ny fahotana amintsika.
Aseho amin’ ny fanesorana ny maso hiala sy ny fanapahana
ny tאnana
ny fampileferana ny sitrapo”.25
Andeha
heverintsika hoe misy zanak’Andriamanitra hampahorian’
ny fahotana mahazatra azy izay ahitany fahafinaretana.
Fantany fa tokony hialאny
izany ary misy fotoana aza hivavahany amin’
Andriamanitra hanalאny
izany. Mety resy lahatra aza izy hampilefitra io
fahazaran-dratsy io amin’ Andriamanitra. Tokony ho
fantany fa io toe-javatra iainany io dia fisehoan’ ny
sitrapo tsy nampileferina. Mbola manam-paniriana
hitarika ny fiainany izy ary jamba tsy mahita fa rehefa
Andriamanitra no mifehy ny sitrapo dia mbola isika
ihany no misafidy, fa amin’ izay kosa ny faniriantsika
ambony indrindra dia ny hanao ny sitrapony fa tsy ny
antsika. Ilaintsika ny mahazo fa ny faniriantsika
maha-nofo “te-hanao ny sitrapontsika” dia novaina ho
sitrapo voajanahary hanao ny sitrapony amin’ ny alalan’
ny fileferana. Tsy misy verintsika afa-tsy ny
faniriantsika hanome fahafinaretana ny tenantsika. Ny
azontsika kosa dia ny mivelona amin’ ny plana vaovao
izay mahalefy ny herin’ ny fahotana ary mampanjaka
fiadanana ao amin’ ny fanahy.
Rehefa mifehy
ny sitrapo Andriamanitra, dia ny saina mandajalanja sy
ny feon’ ny fieritreretana no mitאna
ny retsika dimy fa tsy ny fihetseham-po. Velona amin’ ny
finoana isika amin’ izay fa tsy amin’ ny fihetseham-po.
Tsy mitsipaka ny fihetseham-po ny mivelona amin’ ny
finoana, fa mametraka azy eo amin’ ny toerana tokony
hisy azy. Tsy maintsy manaraka ny fampiasאna
ny sitrapo ny fihetseham-po fa tsy izy no ho vy miaina
manainga ny ataon’ ny sitrapo.
Fantatrao izao
ny tsiambaratelo “Top secter”-ny fahavalo! Raha tsy
mbola noheverinao ny hanala ny sitraponao tsy ho fehezin’
i Satana, nahoana no tsy atao izany, izao ankehitriny
izao? Lazao ho ren’ i Satana: “Alaiko tsy hofehezinao ny
sitrapoko ary hampileferiko amin’ i Jesosy”; Dia hilazao
Jesosy: “Raiso re ny sitrapoko satria tsy haiko ny
mitahiry azy”.
Mampanantena
Jesosy fa handray, hanadio, hanasa, ary hamerina izany
aminao, nampifamatorany tamin’ ny sitrapony. “Rehefa
afoinao ny sitraponao, ny fahendrenao, ka mianatra amin’
i Kristy ianao, dia hoekena ao amin’ ny fanjakan’
Andriamanitra ianao.”26
Tsy
misy hery any an-danitra na ety an-tany izay afaka
hanery antsika hanao izany dingana tsotra izany. Ataovy
ao an-tsaina fa io no dingana tsotra ao amin’ ny planan’
ny famonjen’ Andriamanitra izay ezahin’ i Satana
hanakanana antsika tsy inoana sy hotanterahina. Mety ho
tapaka ny fahefany amintsika, amin’ ny dingana tsotra
mihazona ny sitrapontsika hilefitra amin’ Andriamanitra
isan’ andro. Fantany fa ety am-pelatאnantsika
ny fanalanahidy. Hataontsika ve io dingana io, ka
ampiasaintsika ny fanalahidy? Hanokatra ho anao ny
herin’ ny lanitra izany, raha mifamatotra amin’
Andriamanitra ianao.
I. TSIAMBARATELO
ZAVA-MISY “TOP SECRET”
A: TRANDRAO
1.
Inona “ilay tsiambaratelo “top secret” an’ i Satana, ary
inona koa “ilay fahalemeny
2.
Ny vavahadintsainao no hibosesehan’ny fisainana maloto:
milazא fomba hiarovanao
ireo toeran-tsaro-pady ireo.
B: AMPIHARO
“Lazao ho ren’ i Satana: ‘ Alaiko tsy hofehezinao ny
sitrapoko, ary ampileferiko amin’ i Jesosy”. Dia hilazao
Jesosy: ‘Raiso re ny sitrapoko satria tsy haiko ny
mitahiry azy. Angataho amim-bavaka ny
fahatanterahan’izany aminao, dia raiso ho zava-misy eo
amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Ilay Tena
Fahasambarana p. 30/3
2 Testimonies
vol. 4 p. 542
3 Temperance p.
276
4 Testimonies to
Ministers, p.79.
5 Testimonies,
vol. 2, p.169.
6 Counsels on
Diet and Food, p. 35
7 Henoinareo ny
fanoharana p. 70/3
8 The SDA Bible
Commentary vol. 7 p. 977
8 Henoinareo ny
fanoharana p . 70
9 Patriarika sy
Mpaminany p.21 / 1
10 Selected
Messages, book 2 pp. 352-353
11 Patriarika sy
Mpaminany pp. 13-19
12 Testimonies,
vol. 5 p. 294
13 Ny
Tena Hasambarana pp. 56,57
14 Messages to
Young People p. 135
15 Messages to
Young people, p. 154
16 Messages to
Young people, p.154
17
Hery Mifanandrina p . 529
18 Temperance,
p.16
19 Ilay
fitiavana Mandresy, p.116/2
20
Hery Mifanandrina, p. 551/3
21 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 31/2
22
Vavolombelona Mahery p.456/4
23 The Adventist
Home p. 401
24 Thoughts from
the Mount of Blessings, p. 61
25 Selected Messages, book 1. p. 110
2.Araka
Ny Lalana TANTERAKA
“Noho izany aoka ho tanteraka ianareo tahaka ny
fahatanterahan’ ny Rainareo izay any an-danitra” Matio
5:48. Milaza amintsika mazava io fanambarana avy amin’
ny toritenin’ i Jesosy teo an-tendrombohitra io fa tsy
niova na oviana na oviana ny planan’ Andriamanitra ho
an’ ny olona. Tanteraka ny olona raha noforoniny.
Nandova ny fahamelohan’ i Adama ny fianakavian’ ny
olombelona, rehefa lavo avy tamin’ ny toetry ny
fahatanterahany izy. Na dia izany aza, ny
toetra-pahalavoana teo amin’ ny olombelona dia tsy
nampihena, na dia kely aza ny fitakiana fahatanterahana
nambaran’ i Jesosy mazava ao amin’ ny Matio 5:48 izany.
Nefa
kosa, manana plana Andriamanitra izay ahazoan’ ny olona
manatanteraka io fitakiany io. Tsotra indrindra io plana
io ka mety hazava amin’ ny olona, nefa mahafaoka ny
zavatra rehetra ka Andriamanitra irery ihany no afaka
hahatsapa ny halaliny. Jaona 3:16.
Nahatonga io plana io tsy ho azo i Satana tamin’ ny
nandisoany ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra eo
anatrehan’ ny olona. Vokatr’izany, dia namolavola fomba
maro ny olona hahatrarany ny fahatanterahana. Malahelo
isika ny amin’ ny mpivavaka “hindu”, izay mivadibadika
amin’ ny fandriana misy fantsika miranirany. Nefa
miezaka hahatratra tarigetra mitovy isika amin’ ny
fanaovana asa tsara, izay mitarika antsika hino fa izany
no tokony hataon’ ny Kristiana raha manantena ny
hahatratra ny lanitra izy.
Tsy
mampaninona ny fitovizan’ ny sandoka akaiky amin’ ny
tena izy. Fa ny sandoka, sandoka ihany. Arakaraka ny
fitovizany amin’ ny tena izy ny fitaka fonosiny, ary
izany no mahatonga ny hoe “….Tsy ny fiainan’ ny mpanota
nafoy na ny olona fara-idiny no tanאna
mimanda mafy indrindra ho an’ ny fahalotoam-pitondratena
eto amin’ izao tontolo izao; fa ny fiainana toa miseho
ho feno hatsarana sy haja ary mendrika andriana, nefa
hanolokoloana fahotana, hibahanan’ ny fahalotoana”.1
Mety
ho kely ny fahotana. Nefa tsy ny halehiben’ ny fahotana
no izy fa ny fandאvana
tsy hiaiky ny toetra ratsy manimban’ ny fahotana sy ny
tsy fanekena hampilefitra ny fikomiantsika amin’ i
Jesosy. Ny fanoherana ny asany ao amin’ ny fiainantsika
no mandratra ny fony, satria tsy misy na inona na inona
azony atao, raha tsy minia milefitra aminy isika, tahaka
ny tanimanga eo an-tאnan’
ny mpanao vilany.
Voalaza amin’ ny antsipiriany ao amin’ ny Tena
Hasambarana (Ny Dia ho eo amin’ i Kristy) ny planan’
Andriamanitra:
“Talohan’ ny nahalavoan’ i Adama dia azony natao ny
hanorina toetra marina tamin’ ny fankatoavana ny lalאn’
Andriamanitra. Nefa tsy nahatanteraka izany izy, ary
noho ny fahotany dia simba ny toetsika, ka tsy haintsika
atao ny mahatonga ny tenantsika ho marina. Koa satria
mpanota sady ratsy isika dia tsy azontsika atao ny
hankatע tanteraka ny
lalאna masina. Tsy ampy
hifamatra amin’ izay ilain’ ny lalאna
ny fahamarinana ananantsika. Nefa Kristy efa nanao lאlana
hahafaka antsika. Velona teto ambonin’ ny tany Izy sady
nohodidinin’ ny fizahan-toetra sy ny fakam-panahy toy
izay mihatra amintsika.
Velona tsy
nanana ota Izy. Maty nisolo antsika Izy, ary izao dia
manaiky hitondra ny fahotantsika sy hanome antsika ny
fahamarinany. Raha omenao Azy ny tenanao, raha manaiky
Azy ho Mpamonjy anao ianao, ary na dia efa feno fahotana
toy inona aza ny fiainanao dia hisaina ho marina ianao
noho ny alאlany.
Ny toetr’i Kristy no nisolo ny toetrao, ary
hankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra ianao, toy
ilay tsy nanota akory”.2
Hitantsika
voasoritra eto amin’ ny fizarאn-dahatsoratra
iray ny plana mahagaga nataon’ Andriamanitra. Misahana
ny zavatra rehetra mihoatra noho izay fijerintsika
indray mitopi-maso anefa io plana io. Hoy i Paoly
amintsika: “Rehefa nampahafantarin’ (Andriamanitra ) ny
zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny
safidiny izay nokasain’ ny tenany, hahatanterahiny ny
fitondrana hatao mandra-paha-tapitry ny andro voatendry,
hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i
Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, dia ho
Aminy”.
Efesiana
1:9, 10
Eritrereto
anie ! Izao rehetra izao manontolo no voasariky ny
andriambin’ ny fitiavan’ Andriamanitra ho amin’ ny
firindrana tanteraka amin’ ny alאlan’
i Jesosy Kristy Tompontsika.
Tsy
izay fotsiny ihany. Mandray lova isika “.... rehefa
notendrena rahateo isika (araka ny plana mialoha) araka
ny fikasan’ (Andriamanitra ) izay mahefa ny zavatra
rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony (fon’
Andriamanitra)” Efesiana 1:11. Azontsika an-tsaina ve
izay rehetra voafaokan’ izany hoe “mpandova” isika?
Midika izany fa tena anisan’ ny fianakaviany isika –
nofo sy taolany. Mihoatra noho ny natsangana isika;
natsofoka teo amin’ ny tena voaloboka isika.
Horesahintsika bebe kokoa izany amin’ ny toko manaraka.
Koa
satria ao amin’ ny planan’ Andriamanitra, Jesosy no hery
mampivondrona, mihodina eo Aminy izao rehetra izao
manontolo, ary mifatotra eo Aminy, amin’ ny mahazakan’
ny fitiavana, ny olona rehetra, dia hitantsika fa ny
toetra amam-panahy feno fitiavan’ i Kristy (ny
akanjom-pahamarinany) izay nomena ahy – mpanota, no hany
fomba ahitan’ ireo anjely, ireo mponina any amin’ izao
tontolo izao hafa, ary ny lehilahy sy ny vehivavy, ny
firenena rehetra eto an-tany, io no hany ahazoan’ izy
rehetra manaiky, tsy am-pisalasalאna
fa azo antoka ho amin’ ny mandrakizay isika. Rehefa
tahaka Azy ihany isika amin’ ny toetra amam-panahy vao
afaka maneho fa mitombona tsy azo hozongozonina.
Azoko antoka fa hitantsika izao fa ny hany lאlana
ho amin’ ny fahatanterahana dia amin’ ny fanamarinana –
toy ilay tsy nanota akory. Manantena aho fa mazava koa
fa ny fanamarinana dia ny fanisana ny toetra
amam-panahiny tanteraka izay an’ i Kristy ho an’ ny
mpanota tsy tanteraka sy tsy manan-kery.
“Inona no atao hoe fanamarinana amin’
ny finoana? Asan’ Andriamanitra amin’ ny fametrahana ny
voninahitry ny olona ao amin’ ny vovoka, ary ny manao ho
an’ ny olona izay tsy hananany hery atao ho an’ ny
tenany. Rehefa mahita ny maha-tsinontsinona azy izy dia
vonona ny hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy.”3
Andeha indray hojerentsika ny paikady
hoenti-manana ny fanamarinana. Fehezan-teny iray no
hilazan’ ny Baiboly azy. “Koa noho izany rehefa
nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia vita
fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alאlan’
i Jesosy Kristy Tompontsika.” Romana 5:1. Na amin’ ny
teny hafa: ny nahafatesan’ i Kristy no nahatonga Azy ho
afaka hanamarina izay rehetra maniry hohamarinina.
“Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo Kalvary ny
vidin’ ny fanavotana ny taranak’ olombelona. Ary tamin’
izany dia azony ny zo hanavotra ny babo ho afaka amin’
ny famikiran’ ilay mpamitaka lehibe.”4 Hitantsika
mazava fa fitaovana ihany ny finoana fa tsy
fototry ny fanamarinana. Tsy izaho no mijoro amin’
ny finoana, fa ny finoana no mahatonga ahy ho afaka
hijoro; mahatoky ny tenin’ Andriamanitra. Ny finoana dia
tena zava-misy mihoatra noho ny iray amin’ ny retsika,
na mihoatra noho izy dimy aza. (jereo The SDA Bible
Commentary, vol. 6. p. 1073).
Misy
zavatra iray tokony hojerena raha mandinika ny finoana
isika. Hoy i Paoly: “Fantatsika fa tsy hamarinina amin’
ny asan’ ny lalאna ny
olona fa amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy, fa tsy
amin’ ny asan’ ny lalאna,
satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalאna”
Galatiana 2:16.
Andeha hodinihintsika ny fanambarana ao amin’ ny Review
and Herald, April 24, 1888:
“Tokony handinika ny fiainan’ ny
Mpanavotra antsika isika, satria Izy no ohatra tanteraka
ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny sorona tsy hita
lany tao Kalvary isika, ary hahita ny maha-ota
mahatsiravina tanteraka ny fahotana sy ny fahamarinan’
ny lalאna. Hahazo hery
sy fahamendrehana ianao rehefa nandinika lalina ny
lohevitra momba ny fanavotana. Hihalalina ny fahazoanao
ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra; ary raha mazava
ao an-tsainao ny drafitry ny fanavotana manontolo, dia
ho afaka hanatanteraka kokoa ny iraka nomen’
Andriamanitra anao ianao. Noho ny faharesen-dahatra
lalina ao aminao, dia ho afaka hijoro ho vavolombelona
eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’ ny toetry ny lalאna
tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo
amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny maha-ratsy ny
fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra
raha manamarina ny mpino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho
fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra
any an-danitra sy ety an-tany”.5
Hivereno vakiana azafady ny fehezan-teny farany ao amin’
ny fizaran-dahatsoratra eo ambony io ary mariho ny
fepetran’ Andriamanitra hanamarinany ny olona.
Tsy
haintsika ny mahatakatra io karazana finoana io. Ilay
finoan’ Andriamanitra mahagaga ao amin’ ny drafitry ny
fanavotana nataony io izay ampihariny amiko – mpanota.
Izay azontsika lazaina dia ny hoe: Tompo
פ, mino aho, vonjeo aho
amin’ ny tsi-finoako.”
Faly
indrindra aho fa nomen’ Andriamanitra ny olona
tsirairay ny fatran’ ny finoana. Ary toy inona izany?
Finoana ampy hiantoraka tahaka ny an’ ilay ray mahantra
nanan-janaka nitoeran’ ny demonia. Ny finoana dia
manokatra fotsiny ny varavarana hidiran’i Kristy hanampy
antsika araka izay ilaintsika sy araka ny voninahiny.
Tsy tompon’ ny finoantsika fotsiny Jesosy, fa Mpanefa
azy koa. Hebreo 12:2.
Noho
izany, ny paikady hoenti-manana ny fanamarinana izany
dia manaraka lalאna.
Rehefa misy zavatra ataontsika mikasika ny lalאna
dia tsy maintsy mitady olona manana alאlana
hanao izany isika. Jesosy no hany manana alאlana
hanao izay zavatra mikasika ny lalאna
ho antsika. “Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo
Kalvary ny vidin’ ny fanavotana ho an’ ny
taranak’olombelona. Ary tamin’ izany dia azony ny zo
hanavotra ny babo avy amin’ ny famikiran’ ilay mpamitaka
lehibe.”6
Raha
nandentika ny fantsika teo amin’ ny tאnan’
ny Mpamonjy ny miaramila, dia “azon’ i Jesosy ny zo ho
tonga mpisolovavan’ ny olona eo anatrehan’ ny Ray.”7 Satria
mikasika ny lalאna ny
fanamarinana antsika dia ny antonta-taratasy momba
antsika ihany no arahina, fa tsy ny vata-tenantsika.
Raha misy nanao heloka bevava mahazo famelan-keloka eo
anatrehan’ ny lalאna,
dia ny fijoroany eo anatrehan’ ny lalאna
no miova fa tsy voakasika ny toetra amam-panahiny.
Noho
i Jesosy manana alאlana
hanao izay zavatra mikasika ny lalאna
io ihany, dia araka ny fahamarinana ny fanamarinana. Tsy
sanatria fahamarinana ambany kokoa na tsy feno akory
izany. Tsy misy na inona na inona azo hanampy io
fanomezana kanto loatra io raha ny fotoana, ny
fanandramana, ny talenta na ny ezaka. Velona teto amin’
izao tontolo izao Jesosy nandritra ny telo amby telopolo
taona sy tapany ary nahavanona toetra amam-panahy
tanteraka.
Io no
fanomezana tsy hay lazaina ho antsika.
Na dia
halefanao any amin’ izay faritra lavitra indrindra mety
ho tratranao aza ny eritreritrao, dia tsy ho afaka
hihevitra zavatra izay ho azonao hanampy io
fahatanterahana io ianao, izay fanomezana tsy hay
tononina isaina ho antsika.
Eto no misy
fakam-panahy ho an’ ny maha-olombelona, ny hino fa tsy
mety hanana fahatanterahana tokoa isika, raha tsy misy
asa ataontsika ahavanonana azy. Misy asa, mazava ho azy
izany, asa tena misedra ary mampahory tokony
hataontsika, hazava amintsika tsy ho ela ny momba an’
izany. Nefa, ataovy ao an-tsaina fa Andriamanitra irery
ihany no afaka hanao ny asany ary ny olona irery koa no
afaka hanao ny azy. Tsy azon’ Andriamanitra hatao ny
miandraikitra ny asan’ ny olona ka hifanaraka amin’ ny
lalאn’
ny tenany, toy ny tsy hetezan’ ny olona manao ny asan’
Andriamanitra, sady tsy manan-kery hanaovana izany
rahateo koa izy.
Ny
fanamasinana – ilay fahamarinan’ Andriamanitra zaraina
– no paikady mamaritra tsara sy manazava ny anjara
asantsika amin’ ny azy; hodinihintsika amin’ ny toko
hafa ny momba ny fanamasinana.
Ny
fanamarinana no anisana antsika ho nankatע
ny didin’ Andriamanitra. (jereo Christ Our
Righteousness, p. 99, Review and Herald, August 22,
1893).
“Koa amin’ izany,
satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia
aoka isika hanana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’
ny alאlan’
i Jesosy Kristy Tompontsika.” Romana 5:1. Tsy manamarina
ahy fotsiny Jesosy fa mamitra-pihavאnana
amiko, mpanota sy Andriamanitra, namorona ahy izay
nikomiako. “Tsy antsoina hamitra-pihavanana amin’
Andriamanitra ny mino: tsy mbola nahavita izany na
oviana na oviana izy sady tsy hahavita izany mihitsy.
Tokony hanaiky an’ i Kristy ho fihavanany izy, satria eo
amin’ i Kristy Andriamanitra sy ny fihavanana.”8
“..... satria
fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa
tsy manaiky ny lalאn’
Andriamanitra izy sady tsy hainy akory izany. Ary izay
ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’
Andriamanitra”. Romana 8:7, 8. Teny tokony hanohina sy
hanetsika ny mambra tsirairay ao amin’ ny fiangonana ny
teny hoe “ao amin’ ny nofo”. Tsy araka ny finoana
mahazatra anefa, fa tsy milaza ny momba ny olona eo
amin’ izao tontolo izao, izay tsy mahalala an’
Andriamanitra , ny hoe “ao amin’ ny nofo”, fa milaza ny
momba ny olona ao amin’ ny fiangonana kosa izay mahalala
an’ Andriamanitra saingy tsy manaraka mba ahahafantatra
Azy bebe kokoa.
Misy
ambaratonga telo lazain’ i Paoly momba ny fiainan’ ny
olombelona: ny olona amin’ ny maha-olombelona azy, ny
olona araka ny nofo, sy ny olona ara-panahy. 1
Korintiana 2:14, 15 sy 3:1. Samy velona amin’ iray amin’
ireo ambaratonga ireo isika. Ny amin’ ny maha-olombelona
dia ny toetra nolovaintsika tamin’ ny nahaterahana. Ny
ara-panahy dia izay nomen’ Andriamanitra rehefa
nateraka indray isika ka mitohy mitombo ao amin’ i
Kristy.
Ny ara-nofo
dia eo anelanelan’ ireo roa ireo. Ilay toetra vaovao
nomena ny olona rehefa nateraky ny Fanahy izy fa tsy ny
nofo, nefa tsy nitombo “...hahatratra ny ohatry ny
halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy.” Efesiana 4:13.
Io no
toetry ny olona lazain’ i Jaona ao amin’ ny Apokalypsy
3:14-22: “...tsy mangatsiaka na mafana... matimaty, ary
tsy mangatsiaka na mafana ... haloan’ ny vavako...”
“Ny sary asehon’ ny
hoe haloan’ ny vavany dia midika hoe tsy afaka manolotra
ny fivavahanareo na ny fanehoam-pitiavanareo amin’
Andriamanitra Izy. Tsy afaka manamarina ny
fampianaranareo ny teniny Izy na ny asa ara-panahy
ataonareo akory aza. Tsy afaka mitondra ireo
fanompoam-pivavahanareo izay mangataka ny hanomezana
fahasoavana ho anareo Izy.”9
Mahafantatra tsara isika fa raha tsy voahosotra amin’ ny
Fanahin’ i Jesosy Tompo ny vavaka ataontsika, dia tsy
mihaino antsika Andriamanitra “...Tsy misy olona mankany
amin’ ny Ray, raha tsy amin’ ny alאlako”,
hoy Jesosy ao amin’ ny Jaona 14:6. Mametraka antsika eo
amin’ ny toerana izay tsy maintsy handraisantsika
fanapahan-kevitra izany. Izay no nilazan’ i Jesosy hoe:
“...Aleo ho mangatsiaka na mafana ianao.” Apokalypsy
3:15. Apokalypsy 3:18 dia manaraka amin’ ny hoe: “dia
manoro hevitra aminao Aho hividy amiko volamena voadio
tamin’ ny afo....” Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina
fa vidina tsy amim-bola na amin-karena io entam-barotra
io. Isaia 55:1.
Misy nilaza
fa “ny fandresena dia ateraky ny zava-tsarotra.” Ny
zava-tsarotra ho antsika dia ny mahita ny adalאna
mahakivy eo amin’ ny toetra matimaty sy ny mahatsapa ny
tena ilאntsika
ny hahazo ny volamena atoron’ Andriamanitra antsika.
Mila fahendrena manokana eto isika, satria betsaka no
tonga teo amin’ io toerana io nefa nanaraka ny planan’ i
Satana. Heveriny fa miala ny olאna
mianjady aminy izy kanefa izy no mitarika azy ho amin’
ny olאna
lalina kokoa.
Hevitra
tsara ny “mamadika pejy vaovao”, ny “manapa-kevitra
hanao tsaratsara kokoa”, ny “ho mahatoky kokoa” nefa tsy
manan-kery hanova ny fiainana ireo.
“Tahaka ny
masirasira miharo amin’ ny koba miasa avy ao anatiny ka
miseho ety ivelany, no fiasan’ ny fahasoavan’
Andriamanitra hanova ny fiainana amin’ ny fanavaozana
ny fo. Ny fiovana ivelany fotsiny dia tsy ampy hahatonga
antsika hifandrindra amin’ Andriamanitra. Betsaka no
miezaka hanitsy ny tenany amin’ ny fanovana an’ itsy
fomba ratsy itsy na iroa, ary manantena ny ho tonga
Kristiana amin’ izany fomba izany, nefa dia diso lאlana
izy. Ao amin’ ny fo no tokony hanombohana ny asantsika
voalohany indrindra.”10 (Jereo
koa Selected Messages, book 1; p. 353).
Ny
fanapahan-kevitra tsy maintsy ataontsika dia ny mamela
ny sain’ i Kristy ho tonga saintsika. “Aoka ho aminareo
izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa”.
Filipiana 2:5
“Efa nisy zavatra namboarin’
Andriamanitra rahateo hahatonga antsika ho tahaka Azy;
ary hotanterahiny izany amin’ izay rehetra tsy misakana
azy amin’ ny sitrapo ratsiny na manao tsinontsinona ny
fahasoavany.
Fitiavana tsy hay lazaina no nitiavan’
Andriamanitra antsika, ary arakaraka ny
ahafantarantsika sombiny kely amin’ ny lavan’ izany
fitiavana izany, sy ny sakany, ny halaliny ary ny
hahavony, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, no
ifohazan’ ny fitiavantsika Azy. Amin’ ny hanehoana ny
fitiavan’ i Kristy mahataona sy amin’ ny fahalalאna
ny fitiavany antsika fony mbola mpanota aza isika, ka
mahatonga ny fo vato ho malemy sy resy, ary dia voaova
fo ny mpanota ka tonga zanaky ny lanitra.
Tsy zavatra an-tery no ampiasain’
Andriamanitra; fitiavana no ampiasainy handroaka ny
fahotana ao am-po. Io no fiasאna
entiny manova ny fiavonavonana ho fanetren-tena ary ny
fankahalאna
sy ny tsy finoana ho fitiavana sy finoana”.11
Raha ny
finoana no fitaovana ary ny fitiavana no hery, izay samy
miaraka amin’ i Kristy sy avy Aminy izany, dia
hitantsika mora foana fa tsy maintsy ho Azy koa ny ho
paik’adiny. Deraina Andriamanitra! Azy izany satria zony
tamin’ ny nahafatesany an-tsitrapo teo amin’ ny hazo
fijaliana. “Naloany teo amin’ ny hazo fijaliana teo
Kalvary ny vidin’ ny fanavotana ho an’ ny
taranak’olombelona. Ary tamin’ izany dia azony ny zo
hanavotra ny babo avy amin’ ny famikiran’ ilay mpamitaka
lehibe.”12 Araka
izany dia mazava fa noraisin’ i Kristy ho andraikitra
izay rehetra azo heverina mikasika ny lalאna,
izay takian’ ny lalאna
masin‘Andriamanitra alohan’ ny hiezahany hanafaka ny
olona avy ao amin’ ny lavaka mangitsokitsoky ny fahotana
izay nahalavoany. Fa Kristy no “...Zanak’Ondry Izay
voavono hatramin’ ny nanorena an’ izao tontolo izao”.
Apokalypsy 13:8.
Mazava ho
azy izao ny hanekentsika ny planan’ Andriamanitra ho
tena mampangina ny fiampangana ataon’ i Satana izay
milaza fa hatramin’ ny nanotany dia azy ny olona.
Endrey izany fitahiana avy amin’ ny fanomezana sarobidy
indrindra omen’ Andriamanitra ny olona rehefa averiny
aminy ny sitrapo izay nalefitr’i Adama fony izy lavo! Io
fanomezana ny sitrapo averina io dia hahatonga antsika
hisafidy ny ho tia, hanompo, ary hankatע
tompo hafa raha fantantsika fa tsy manan-kery
hanatanterahana izay safidintsika atao isika.
Io safidy
io dia manome alאlana
an’ Andriamanitra hanatanteraka ny planany hanamarina
antsika araka ny lalאna
sy hanisa ho ahy, mpanota, ny toetra amam-panahiny
tanteraka izay novolavolainy teto amin’ ity tany ity,
raha nisedra ny fakam-panahy masiaka indrindra nataon’ i
Satana Izy. Izay no anton’ ny soratra hoe “toy ny tsy
nanota akory”, ary tsy misy na inona na inona azon’ i
Satana hatao ny amin’ izany. Izay no antony ny hoe “Raha
ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa
ianareo”.
Aoka
averiko indray; Ny finoana no fitaovana; ny fitiavana no
hery, ny paikady dia ny planan’ ny fanavotana, ary
hoderaina ny anarany masina, araka ny lalאna
izany, na aiza na aiza eran’ izao tontolo izao. Tsy
araka ny lalאna
fotsiny, fa hany loharanon’ ny tena fifaliana sy ny
fahasambarana ho an’ izao tontolo izao manontolo.
II. ARAKA
NY LALANA TANTERAKA
A: TRANDRAO
1. Inona no
hinoan’ Andriamanitra fa ho tanteraka eo amin’ny mpino
nohamarininy?
2. Inona
avy ireo “ambaratonga telo lazain’ i Paoly momba ny
fiainan’ ny olombelona”?
B: AMPIHARO
“Ny finoana
no fitaovana, ny fitiavana no hery, ny paikady dia ny
planan’ny fanavotana ary , hoderaina ny anarany masina,
araky ny lalאna
izany na aiza na aiza eran’ izao tontolo izao. Tsy araka
ny lalאna
fotsiny fa hany loharanon’ny tena fifaliana sy ny
fahasambarana ho an’izao tontolo izao manontolo”.
Angataho amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao..
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Thoughts from
the Mount of Blessings, p. 94
2 Ny
Tena Hasambarana, pp. 74-75
3 The Review
and Herald, September 16, 1902
Christ Our Righteousness, p. 104
4
Questions on Doctrine, p. 672
5 Christ Our
Righteousness, p. 35
6
Questions on Doctrine, p. 672
7 Ilay
Fitiavana Mandresy , p. 803/3
8 Selected
Messages, book 1, p.395
9 Testimonies,
vol. 6. p. 408
10 Henoinareo ny
fanoharana, p. 70/3
11 Sambatra p.
63:3, 4
12 Questions on doctrine, p. 672
3. TANTERAKA
MANAO
Ahoana Ny Tsara?
“Inona no
heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah?
Fahafonganana no hataony, tsy hiverina fanindroany ny
fahoriana” Nahoma 1:9. Anankiray amin’ny teny fikasana
mahagaga indrindra hita ao amin’ny Baiboly manontolo
ireo tenin’ny Soratra Masina ireo.
Izao koa no
hambaran’ny Tenin’Andriamanitra: “Koa raha ny Zanaka no
hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo”. Jaona 8:36.
Io teny fikasana mahagaga io, izay milaza fa tsy ho lavo
indray ny olona, na oviana na oviana, dia ho tanterahina
ao amin’ ny fahafahana izay homeny antsika. Aseho
an-tsary antsika eto ny fotoana ho avy tsy ho ela izay
tsy hitrangan’ny fahotana sy ny salovatavany
mahatsiravina intsony, na dia amin’ny eritreritra aza.
Ny
hamaliantsika avy hatrany izany eritreritra izany dia
mety ny hoe, satria afaka daholo ny ratsy, dia tsy hisy
fironana ho amin’ny fahotana intsony, ka dia hanjary
toetra ny fankatoavana. Nefa kosa, toy izany ihany no
toe-javatra nisy tany an-danitra, raha nanomboka ny
fahotana. Ary aoka hampahatsiahiviko anareo fa rehefa
misosa sy miroborobo ny fiainana dia manalavitra ny
Tompo ny olona. Tsy izay ve no anisan’ny olאna
lehibe indrindra ao amin’ny fiangonana ankehitriny?
“Manan-karena sy efa nihary fananana be”, nefa tsy
manam-pitiavana.
Ahoana no
ahazoan’Andriamanitra manao teny fikasana goavana toy
izany? Ao amin’ny Malakia 3:19, Andriamanitra dia milaza
fa ny afo hanadio ny tany dia hanala koa ny fahotana, na
ny fakאny
na ny sampany.
Hoy Jesosy
ao amin’ny Jaona 15:5: “Izaho no voaloboka, ianareo no
sampany...” Miteny amin’ny mpianany Jesosy eto, rehefa
nisaraka taminy ny anankiray tamin’ny roa ambinifolo
lahy. Tsy mety sady marina ve ny milaza fa Satana koa no
fakany izay hanirin’ireo sampan’ izao tontolo izao?
Holevona ao amin’ny afo fanadiovana ireo.
Nefa tsy
maintsy mandinika lalina kokoa isika hahita izay
voafaoka ao amin’ io teny fikasan’ Andriamanitra ao
amin’ny Nahoma 1:9 io, izay manambara fa tsy hiverina
fanindroany ny fahavalo. Ny fijereny ny tenany no
nipoiran’ ilay fahavalo voalohany!
Afaka
mitsiry avy eo anivon’ny fahafahan’ny voarin’
Andriamanitra foana ny fakam-pahotana. Ahoana no
ahazoan’ Andriamanitra mampanantena fa tsy hisy hikomy
Aminy intsony, na dia amin’ eritreritra aza, ny avy
amin’ izay navotany, na izay avy amin’izao tontolo izao
tsy nanota, na ny anjely avy any an-danitra aza?
Mahazendana ary tena mahazendana, izany ho
fiantraikan’ny planan’ny famonjena manerana ny voaharin’
Andriamanitra izany!
Andriamanitra,
izay mahalala ny ho avy, no manome antoka antsika fa
izany no izy.
Efa vita ny
asan’ Andriamanitra ho an’ireo izay monina any
an-danitra ary afaka nifaly izao tontolo izao misy
mponina sy ny anjely satria nafahana tamin’ny
fanatrehan’ ny anjely ratsy sy Satana izy ireo.
Apokalypsy 12:12. Nefa kosa, mahatsapa feno ny
fanatrehan’i Satana sy ireo mpiasany ity tany nasintaka
ity sy ny mponina ao aminy.
Na dia izany
aza, misy amintsika tsy mbola tena rikoriko ny amin’ny
fahotana. Tsy mbola tsapantsika fa mahafaty anie ny hery
mamono ao aminy! Toa tahaka ny mihevitra isika fa ho
azontsika ariana ny heriny mamosavy antsika mangina,
mialoha indrindra ny hamelאna
antsika hiditra ny lanitra.
Tsy
nahatody ny fahatanterahany ny anjely tany an-danitra.
Tsy nahatody ny fahatanterahany ny olombelona tao Edena
… Ny hany fanantenana ho antsika dia ny fitokisana
tanteraka ny rאn’ Ilay
mahavonjy tokoa izay rehetra manatona an’ Andriamanitra
amin’ny alאlany”.1 Ny
hoe mahavonjy tokoa dia midika mahavonjy ho
afaka amin’ ny “izaho” fa tsy ao amin’ny
“izaho”. Miseho ny toetra mahafaty ny fahotana raha ny
“izaho” no itokisantsika fa tsy ny Tenin’ Andriamanitra!
Mety
ho izay ve no antony mahatonga antso ho fanehoana ny
maha-izy ny tena, tsy mbola nisy toy izany eto amin’ ny
izao tontolo izao misy antsika, avy amin’ny
ambaratongan’ny fiaraha-monina rehetra?
Ny firenena,
mitaky fahaleovan-tena. Ny tanאn-dehibe,
ny tanאna
sy ny vohitra, samy manambara ny fahefany. Poa toa izay
niforonany no hivakian’ny fianakaviana. Ny zanaka,
“manao izay daninin’ ny kibony”, vokatra mivantana avy
amin’ny rivom-piainana maneho ny maha-izy ny tena,
manerena an’izao tontolo izao izany.
Miasa tsara
Satana. Amin’ izay dia ny “izaho” manana ny maha-izy azy
sy manana ny maha-mendrika azy no lazaina fa mahavaha ny
olאna
eo amin’ ny tena manokana sy eo amin’ ny besinimaro.
Eritrereto izay vokatra natombok’ izany toe-tsaina izany
tany an-danitra fahizay. “Tsy afaka hihazona ny “izaho”
isika nefa hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Isika no
hahatratra ny fahamasinana, dia ny fahafoizana ny
“izaho” sy ny fandraisana ny sain’ i Kristy”.2
Tsy mahatonga
antsika tsy ho afaka ho any an-danitra fotsiny ny
fisainan’ ny “izaho”, fa “rehefa tenomina amin’ny
asantsika ny “izaho”, dia tsy manamasina, tsy
mampivoatra, tsy mahamendrika ny fontsika ny
fahamarinana izay entintsika ho an’ny hafa; izany dia
tsy ho vavolombelona fa fitaovana tsara ampiasain’ny
Tompo isika”.3
Ahoana no
ahafaka antsika amin’ ny “izaho”? Hebreo 12:6 dia milaza
amintsika hoe: “...Izay zanaka rehetra raisiny no
kapohiny”. Izany no natao dia ny mba hanalana ny faka
mangidy rehetra (izaho) mety hitsiry ka hanakorontana
antsika.
“Tandremo mba
tsy holavinareo izay miteny...” Hebreo 12:25. Mora anie
ny manafina ny “izaho” ambadiky ny sarotava milaza fa
tsy azontsika izay lazain’ Andriamanitra e. Tsy
mampanantena Andriamanitra fa hazava amintsika ny
zavatra rehetra alohan’ny hanarahantsika ny antsony. Ny
Hebreo faha-11 dia maneho olona mahatoky marobe izay tsy
nahazo mazava ireo fikasan’ Andriamanitra, nefa samy
nankatע
avokoa. Abela, Enoka, Noa sy Abrahama dia santionany
vitsy amin’ireo.
Mety misy hilaza hoe finoana manao an-jambany izany.
Nefa tiako ny mampahatsiahy anareo fa “...finoana no
andehanantsika (zanak’ Andriamanitra) fa tsy fahitana” 2
Korintiana 5:7.
Tsara manao ahoana ny tanteraka? Tsy toetry ny fahatsarאna
ho tratrariny akory ny fahatanterahana, fa fitokisana
an’ Andriamanitra tsotra izao, tsy misy fisalasalאna
na fanontaniana. Io toetra io no nampiavaka ny fiainan’
i Joba ary nahazoan’ Andriamanitra nilaza fa izy dia
“..... olona marina sy mahitsy ...” Joba 1:8.
Nataon’ i Jehovah io fiderana io na dia nijoro ho
vavolombelona aza i Joba ao amin’ny toko 42:6 nanao
hoe: “... miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny
lavenona aho”.
I Noa dia
nolazaina fa “... marina sy tsy nisy tsiny...” Gen 6:9.
Nefa tahaka an’ i Lota, Mosesy, Abrahama; Davida sy
Solomona, dia maneho ny tsi-fahatanterahan’ny tenany ny
tatitra ao amin’ny Baiboly momba ny fiainany.
Tsara manao
ahoana ary ny tanteraka? Arakaraka.
“Tahaka ny
masirasira miharo amin’ny koba miasa avy ao anatiny ka
miseho ety ivelany, no fiasan’ny
fahasoavan’Andriamanitra hanova ny fiainana amin’ny
fanavaozana ny fo. Ny fiovana ivelany fotsiny dia tsy
ampy hahatonga antsika hifandrindra amin’ Andriamanitra.
Betsaka no miezaka hanitsy ny tenany amin’ny fanovana
an’itsy fomba ratsy itsy na iroa, ary manantena ny ho
tonga Kristina amin’izany fomba izany, nefa dia diso lאlana
izy. Ao amin’ny fo no tokony hanombohana ny asantsika
voalohany indrindra.”4
“Ny olona izay
miezaka ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra noho ny
fahatsapany fotsiny fa tsy maintsy hatao izany, satria
nangatahina hanao izany izy, dia tsy hanana na oviana na
oviana fifaliana eo amin’ny fankatoavana. Tsy izany no
atao hoe mankatע.
Rehefa raisina ho enta-mavesatra ny
fitakian’Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ny
fironan’ny olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy
fiainana kristiana izany fiainana izany. Ny fankatoavana
marina dia asa tanterahin’ny foto-kevitra ao anaty.
Mipoitra avy amin’ny fitiavana ny fahamarinana izany,
ary avy amin’ny fitiavana ny lalאn’
Andriamanitra. Ny fototra maha-izy ny fahamarinana
rehetra dia ny fijoroana ho mahatoky amin’ny Mpanavotra
antsika. Hitarika antsika hanao ny marina izany satria
izany no marina ary satria ankasitrahan’ Andriamanitra
ny fanaovana ny marina”.5
Manana
plana Andriamanitra izay mety hahitana antsika ho
tanteraka – tsy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona “sao
misy hirehareha”. Fanomezana kanto indrindra avy amin’ i
Jesosy Kristy io fahatanterahana io, ary homena izay
rehetra mino.
“Mitaky
fahamarinana ny lalאna,
- fiainana marina, toetra amam-panahy tanteraka; ary tsy
manan-komena amin’ izany ny olona. Tsy afaka manome
fahafaham-po feno ireo fitakian’ny lalאn’
Andriamanira masina izy. Nefa raha tonga teto an-tany
tamin’ny maha-olombelona Azy Kristy, dia efa nivelona
tamin’ny fiainana masina, ary efa nahavanona toetra
amam-panahy tanteraka. Ireo dia atolony ho fanomezana
maimaimpoana ireo ho an’izay rehetra handray Azy”.6
Tsara manao
ahoana ny tanteraka? Zava-bitan’ Andriamanitra ny
fahatanterahana naseho teo amin’ny fiainan’i Jesosy
Tompontsika nandritra ny fiainany an-tany teto amin’ity
planeta ity. Fitokisana tanteraka no asehon’ny fiainany,
fiankinana feno tamin’ny Rainy ny amin’ny fiainany
isan’andro sy fanatanterahana ny sitrapon’
Andriamanitra.
Ankehitriny, nahavita ny asany Izy – notanterahany ny
zavatra rehetra ho antsika – satria fantany fa raha ny
herintsika dia tsy hahefa na oviana na oviana izay
takian’ny lalאn’
Andriamanitra isika. Inona no anjarantsika?
Mampiasa ny
sitrapo! Misafidy ny hatoky Azy! Na dia fantatsika aza
fa tsy afaka manao izay nofidintsika hatao isika, ny
safidintsika kosa dia hanokafantsika ny varavarana mba
hanaovan’i Kristy ao amintsika izay tsy haintsika hatao
ho an’ny tenantsika. Koa, raha ny marina, ny
zanak’Andriamanitra dia misafidy ny hatoky amin’ny
zavatra rehetra. Manarak’izany, ny asany dia ny mamela
an’i Kristy hanatanteraka izay fitokisana izay ao aminy
ary handא
ny hamela ny zava-misy manodidina ny tena, hamorona
fisalasalאna
mikasika ny fomba ampiasain’ i Kristy eo amin’ny asany.
Raha
lavintsika ny hisalasala ny amin’ny fomba ampiasainy
eo amin’ny asany ao amintsika ka mino tsotra fotsiny
isika fa mahafantatra izay ataony Izy, amin’izay dia
nianatra ny tsiambaratelon’ny fandresen’ i Kristy isika
– na dia miatrika toa faharesena aza.
Hofaranako ity
toko ity amin’ny lahatsoratra tiako indrindra sy manampy
ahy indrindra, avy amin’ny dia-penin’ olona iray izay
nivelona izay nosoratany:
“Ny fanatrehan’ ny Ray no nanodidina
an’ i Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-tsy
izay navelan’ Ilay fitiavana tsy manam-petra ihany, mba
ho fitahiana ho an’izao tontolo izao. Izany no
loharanon’ny fiononam-pony ary izany koa no antsika.
Izay manana ny Fanahin’i Kristy be dia be ao aminy no
mitoetra ao amin’i Kristy, ka ny loza izay nokasaina
hahatra aminy dia mianjady amin’ny Mpamonjy, Izay
manodidina azy amin’ny fanatrehany.
Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy.
Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no
fiarovana ho azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy,
afa-tsy izay eken’ny Tompo; ary ny zavatra rehetra ”izay
avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia an’
Andriamanitra.” (Rom 8:28)”.7
Tsara manao
ahoana ny tanteraka? Ny hany fahatsarana rehetra mety
hananantsika dia ny fitokisana tanteraka an’i Jesosy.
“Noho ny fahamendrehan’ i Kristy, noho ny fahamarinany,
izay isaina ho antsika amin’ny alאlan’ny
finoana, dia natao hahatratra ny fahatanterahan’ny
toetra amam-panahy Kristiana isika”.8
III.
TANTERAKA MANAO AHOANA NY TSARA?
A: TRANDRAO
1. Rehefa
‘nanafaka antsika Jesosy , moa ve ho lasa ho toetra ny
fankatoavana ka tsy hisy fironana hanota intsony?
Aohana kosa ary no ahazoan’ Andriamanitra manao ny teny
fikasana mahatalanjona ao amin’ny Nahoma 1:9?
2. Inona
ary izany no hevitry ny hoe “tanteraka”?
B: AMPIHARO
“Noho ny
fahamendrehan’ i Kristy, noho ny fahamarinany, izay
isaina ho antsika amin’ny alalan’ny finoana, dia natao
hahatratra ny fahatanterahan’ny toetra amampanahy
Kristiana isika”. Angataho amim-bavaka ny
fahatanterahan’izany aminao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 The SDA Bible
Commentary, vol. 5, p. 1132, The Signs of the Times,
Dec. 30, 1889
2 Thoughts from
the Mount of Blessing, p. 143
3 Selected
Messages, book 1, p. 405
4 Henoinareo ny
fanoharana, p. 70/4
5 Henoinareo ny
fanoharana, p. 72/1
6 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 822/1
7 Sambatra, p.
60/1
8 Testimonies, vol. 5 p. 744
4.
FIVAVAHANA
An-Tokontanim-pasana
“Tsy
fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao
batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho
amin’ ny fahafatesany?” Romana 6:3. Ny ankabeazan’ ny
Kristiana izay natao batisa asitrika dia mahatsapa
marina fa natao batisa ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny
Zanaka ary ny Fanahy Masina izy. Fa vitsy loatra koa
anefa no mahatsapa fa ho amin’ ny fahafatesan’ i Kristy
ny batisa.
Hoy i
Paoly: “Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho
amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny
nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny
voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny
fiainam-baovao”. Romana 6:4.
Tandindon’
ny fanandramana momba ny fahafatesana izay efa tokony ho
nisy rahateo teo amin’ ny fiainan’ ny mpino ny batisa.
Ny fahafatesana resahina eto dia ny fahafatesan’ ilay
toetrantsika fony teraka. Dia ilay olona taloha, tsy
laitra hanarina, izay tsy mendrika afa-tsy ny
fahafatesana. Alevina tsy hitsangana indray ny maty,
izay no fizotrany raha ny tokony ho izy. Hoy koa Paoly:
“..... ny toetsika taloha dia niara-nohombohana taminy
hanimbana ny tenan’ ny ota mba tsy hanompoantsika ny ota
intsony” Romana 6:6.
“Tsy isalasalאna
fa ny zava-tsarotra dia sarotra eo amin’ ny ankabeazan’
ny mino dia ny fiezahany hiaina ny fiainan’ i Kristy
kanefa tsy maty tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy izy
aloha. Toa izao no tsapany hoe: Kristy no maty, noho
izany tsy ilaintsika ny ho faty, koa manantena ny ho
velona izy fa tsy ho faty, noho ny finoany an’ i Kristy.
Hoy i Paoly: “Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay
manao ny sitrapon’ Andriamanitra”, Romana 8:8, “Izay ao
amin’ i Kristy dia efa nanombo ny nofony tamin’ ny hazo
fijaliana”. Galatiana 5:24.”1
Tena ilaina
ny hahafantarana ny maha-zava-dehibe an’ izany raha
tiantsika hisy vokan-tsoa ny fiarahantsika mandeha amin’
ny Tompo.
“Mahאlana
ny fanandramana ny fahaterahana indray eo amin’ izao
tontolo izao ankehitriny. Izay no antony mahatonga
fahaverezan-kevitra betsaka toy izao ao amin’ ny
fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no mitondra ny
anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary tsy masina.
Natao batisa izy, saingy nalevim-belona. Tsy maty ny
“izaho”, ary noho izany, tsy nitsangana ho amin’ ny
fanavaozam-piainana ao amin’ i Kristy izy”.2
Nosoratana
tamin’ ny 1897 ny fanambarאna
etsy aloha. Tsy isalasalאna
fa mbola marina izany ankehitriny. Hoy koa i Paoly “Koa
raha misy olona ao amin’ i Kristy dia olom-baovao izy;
efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao
ireo.” 2 Korintiana 5:17.
Nahoana no
tsy maintsy ho faty ilay olona taloha? Hoy Jesosy
mamaly; “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia
hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho
ny amiko dia hahazo izany” Matio 16:25. Mazava fa tsy
misy na inona na inona azo atao hanasitranana ilay
olona-taloha mpanota. Tokony ho faty fotsiny izy. Raha
hisy fiainam-baovao dia tsy maintsy maty ilay
olona-taloha.
Misy fomba
fijery izay tena manampy betsaka omen’ i MacGuire, ao
amin’ ny bokiny “Ny Hazo fijaliany sy ny ahy” (His Croos
and Mine):
“Misy fahasamihafana be ny fahotana sy
ny ota. Betsaka ny olona no misetra zava-manahirana
indrindra eo amin’ ny fiainany kristiana satria tsy
mazava aminy io fahasamihafana io. Ny fanambanin’ ireo
asa fandikan-dalאntsika
rehetra ireo dia ny foto-kevitry ny ota izay ipoirany.
Na dia voavela aza ny asa ratsy nataontsika, dia mbola
mitohy manota ihany isika. Mbola misy zavatra tsy
maintsy hatao ho antsika, ankoatry ny famelאna
tsotra ny fahotantsika”.3
Hoy ihany i MacGuire:
“Eto no ilאna
ny handinihina ny mampihavaka ny ota sy ny fahotana.
Raha ny fahotana, asa tsi-fankatoavana ny didin’
Andriamanitra, dia vonona foana Andriamanitra ny hamela
heloka, noho ny fahamendrehan’ i Kristy, ho valin’ ny
vavaka fifonana sy finoana. Fa ny ota kosa, tsy azony
avela.
Ny ota dia
toetra anaty mitarika antsika tsy hankatע
an’ Andriamanitra. Tsy miova ny toetra nentintsika raha
tonga teto amin’ izao tontolo izao isika, araka ny
vakiantsika ao amin’ ny tenin’ ny Mpamonjy: Izay ateraky
ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia ny
fanahy. Ny hany lאlana
hialאna amin’ io toetra
ratsy io dia amin’ ny alאlan’
ny fahafatesana. Ny hany lאlana
handraisana toetra tsara dia ny fahaterahana indray”.4
Ny
fahafatesana no hany vahaolana ny amin’ ny olona-taloha.
Izao no fomba hisian’ ny fahafatesana ao amin’ ny mpino:
ao amin’ ny vatana no itoeran’ ireo filאna
ambany ary miasa amin’ ny alאlan’
ny vatana izy. Ny teny hoe nofo na araka ny
nofo na filאn’
ny nofo
dia milaza ny toetra ambany. Baikona isika hanombo ny
nofo amin’ ny hazo fijaliana, miaraka amin’ ny faniriany
sy ny filאny.
Amin’ ny fomba ahoana? Amin’ ny fampijaliana ny vatana
ve?, Tsia. Izay tiako atao dia ny mamono ny fakam-panahy
hanota. Vonoy ny eritreritra maloto. Tiako raha fehezin’
i Jesosy Kristy ny eritreritro tsirairay.5
Manambara i
Paoly ao amin’ ny Romana 6, fa zava-misy ny fahafatesan’
ilay olona-taloha. Ao amin’ ny andininy faha-11 dia
lazaina isika hanaiky izany ho zava-misy! Eto no
mahadiso ny Kristiana maro. Mora foana ny mino fa fomba
fitenin’ ny teolojiana io fanandramana io, fa tsy
zavatra tena izy sy azo hampiharina tsy akory.
Satana no
tompon’ andraikitra ny amin’ izany fomba fisainana
izany. Rehefa milaza zava-misy Andriamanitra, dia
hanohitra izany i Satana, ka ovainy na ezahany
hamboarina hifanaraka amin’ ny ataony.
Fantatr’ i
Satana fa raha tena mino ny Kristiana fa maty marina
tokoa ilay olona-taloha, dia tapaka ny heriny.
Mba
hanamafisana ny filazאny
fa tsy tena zava-misy ny fanandramana momba ny
fahafatesana, dia miezaka Satana hahatonga ny Kristiana
hivelona bebe kokoa hatrany araka ny fihetseham-pony fa
tsy amin’ ny finoany. Amin’ izay dia voatariny ho lavo
ao amin’ ny fahotana ny mpino. Mitsimbadika amin’ izay
izy ka manome tsiny azy, lavo ao amin’ ny fahotana. Ary
ampiasainy io fanandramana nahalavoana io ho porofo fa
tsy maty ilay olona-taloha. Saina mandajalanja tsotra no
ampiasainy mazava ka hoy izy: “raha maty ilay
olona-taloha, dia tsy ho azon’ ny fakam-panahy ianao”.
Amin’ izay
fotoana izay, dia ilaina ny hanajanonan’ ny Kristiana ny
fiezahany hanamarina ny lאlany
eo anivon’ ireo fihetseham-po miavosa nanavatsava eo
amin’ ny tenany. Na dia eo aza ny fihetseham-po, dia ny
Tenin’ Andriamanitra no tsy maintsy inoany.
Raha
nanolo-tena ho an’ i Kristy izy dia fantany fa “....
izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony
mbamin’ ny faniriany sy ny filאny
tamin’ ny hazo fijaliana” Galatiana 5:24. Tsy maintsy
miverina mandrakariva ho eo amin’ ny Tenin’
Andriamanitra isika ary mampijanona ny ezaka
hifandahatra amin’ ny eritreritra aroson ‘i Satana, raha
mbola ho Kristina ihany isika. Milaza Andriamanitra fa
maty ny olona-taloha na dia lavo tao amin’ ny fahotana
aza ianao noho ny fakam-panahy.
Satana milaza
fa tsy maty izy. Ny fanontaniana mipetraka amintsika
izao dia tsy ny hoe inona no inoantsika, fa
iza no inoantsika?
Ataoko ahoana
ireo fihetseham-po ireo? Vakio indray ny toko voalohany
(amin’ ity boky ity) ary diniho fa i Satana no tompon’
ny fihetseham-ponao. Manamafy izany ireto teny manaraka
ireto:
“Tokony hanolo-tena isan’andro ho an’
Andriamanitra isika ary hino fa ekeny ny fanatitra, nefa
tsy jereny izay mety ho fifandraisan’ ny fihetseham-po
sy ny finoana. Mifanalavitra tahaka ny atsinאnana
sy ny handrefana ny fihetseham-po sy ny finoana. Tsy
miankina amin’ ny fihetseham-po ny finoana. Tsy maintsy
mitaraina mafy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana
isika, na misy fihetseham-po na tsy misy, ary rehefa
izany dia hivelona amin’ ny vavaka nataontsika. Ny toky
sy porofo ho antsika dia ny Tenin’ Andriamanitra, ary
rehefa nangataka isika dia tokony hino tsy
am-pisalasalana.”6
Mba hanampiana
antsika hahita ny mahasarotra io resaka finoana
mifanohitra amin’ ny fihetseham-po io, andeha
hofakafakaintsika tsara ireto teny manaraka:ireto:
“...Foto-kevitra fa tsy fihetseham-po no
tokony hanompoana an’ Andriamanitra.... Aza afangaro ny
finoana sy ny fihetseham-po. Miavaka tsara ireo.
Anjarantsika ny mampiasa ny finoana. Ny fampiasאna
azy no hitehirizana azy. Minoa, minoa. Aoka ny finoanao
hamikitra ny fitahiana, dia anao izany. Tsy ny
fihetseham-ponao no finoana. Rehefa mitondra fitahiana
ao am-ponao ny finoana, ka mifaly amin’ ny fitahiana
ianao, dia tsy finoana intsony izany, fa fihetseham-po.”7
Tsy mora
raisina ilay fehezan-teny farany ao amin’ ny
andala-dahatsoratra etsy ambony. Hivereno vakiana
indray, azafady. Hojerentsika akaiky amin’ izay. Mazava
fa kely foana ny dingana avy eo amin’ ny finoana mankeo
amin’ ny fihetseham-po. Mety ve ny milaza fa tsy maintsy
ho mailo mandrakariva isika sao mikisaka ho mivelona
amin’ ny fihetseham-po ilay mivelona amin’ ny finoana.
Misy ohatra
mazava ao amin’ ny Baiboly mety hanampy antsika eto. Hoy
ny Baiboly ao amin’ ny Lioka 10:17: “Ary ny fitopolo
lahy niverina tamin’ ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo
פ,
na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny
anaranao.” Alaovy an-tsary ny fientanentanana nasehon’
ireo misionera niverina namita iraka.
Tsy mbola
nanao fanandramana toy izao mihitsy izy na oviana na
oviana. Niharihary ny fifaliany matoa nosoritana
manokana.
Henoy ary
ny valitenin’ i Kristy eo amin’ ny andininy 18: “Fa hoy
i Jesosy taminy: Izaho nahita an’ i Satana latsaka avy
tany an-danitra tahaka ny varatra”. Valiteny izany! Toa
hitako soritra eny amin’ ny endrik’ireo mpiasa ny ao
ampony, ianareo koa ve? Tsy maintsy nandeha ny resaka
teo amin’ izy ireo.
Tsy azony angamba izay
nolazaintsika. Nahoana Izy no manjombona toy izao? Tsy
azoko izay manjo Azy? Nisy aza angamba niezaka nanazava
ny tatitra nataony.
Ny
valintenin’ i Jesosy anefa dia avy amin’ ny haren’ ny
fanandramana izay tsy misy na inona na inona fantatr’
izy ireo. Niverina nankany amin’ ny fahalavעn’
i Losifera ny sain‘ i Kristy ary izao fotsiny no
nolazainy: “Hitako tao amin’ i Satana io toe-tsaina io
fahiny ary izao dia hitako eto indray.
Nomena
fahefana lehibe ho fitahiana i Satana. Nampientanentana
azy ny fahefana, saingy nohadinoiny ilay fitahiana
lehibe kokoa avy amin’ ny fifandraisany tamin’ ny
loharanon’ izany fahefana izany. Ny teny fototra izay
manambara fahamarinana miezinezina eto dia ny hoe
“manaiky anay”.
Henoy izao
ny andininy 19 sy 20: “Indro efa nomeko fahefana
hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery
rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy
hampaninona anareo akory. Kanefa aza mifaly ianareo
satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia satria
voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”
Ny
fitahiana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra harotsaka
– fitahiana izay nanefan’ ny Zanak’ Andriamanitra ny
ainy – dia nahilaka ka napetraka teny anjorontrano
rehefa nampitahaina tamin’ ny famoahana demonia.
Kalvary no sandany naloa
mba ho voasoratra any an-danitra ny anarantsika. Azon’ i
Kristy nomena, tsy misy sandany mihatra amin’ ny tenany
ny fahefana hamoaka demonia. Impiry moa isika no
mamisavisa bebe kokoa sakafo eran’ ny harona tonga amin’
ny fomba mahagaga eo an-tokonana amin’ ny fotoana ilאna
azy, toy izay ny fanomezan’ Andriamanitra namela antsika
ho isan’ ny fianakaviany, “ ...ho momba ny tenany”.
Efesiana 5:30.
Rehefa nasehontsika ny olאna
eo amin’ ny fivelomana amin’ ny fihetseham-po, andeha
hiverenantsika ny fomba fitantאnana
ireo fihetseham-po ireo.
Moa ve mihidy
vazana isika ary mizaka azy? Moa ve iniantsika tsy
hoeverina izany ka hantenaintsika fa hisava? Aleo ve
havoaka ny fihetseham-po ary amin’ izay dia afaka ny
fibosesehiny na ny fanereny antsika? Hisy tompon’
andraikitra ambony hanohina ireo vahaolאna
ireo sy ny maro hafa koa.
Mora tantאnana
kokoa ny fihetseham-po rehetra raha zahאna
aloha ny loharano niaviany. Tsy maintsy hataontsika ao
an-tsaina fa ao amin’ ny fo (saina) no hiasan’
Andriamanitra voalohany indrindra, ary avy ao anaty
izany asa izany vao mankeo ivelany. Satana kosa, etsy
andaniny, miasa amin’ ny alalאn’
ny fihetseham-po ary avy eo ivelany mankao anaty ny
asany.
Manainga ny
asantsika rehetra amin’ ny alאlan’
ny saina Andriamanitra. Satana kosa manainga azy amin’
ny alאlan’ireo
retsika. Dinganiny ny fiasan’ ny saina mandajalanja.
Tsarovy indrindra fa “Tsy misy afa-tsy fahefana roa no
mifehy ny sain’ ny olona – ny fahefan’ Andriamanitra sy
ny fahefan’ i Satana”.8 Rehefa
ao an-tsaina ireo zava-misy ireo dia mora kokoa ny
mamantatra izay loharanon’ ny fihetseham-po ary ny
mahafantatra ny atao amin’ izy ireny.
Ahoana anefa
no fitantana ny fihetseham-po rehefa fantatsika fa avy
amin’ ny devoly ireny, Aoka ho tsaroantsika ny
toro-hevitra ao amin’ ny ‘Adventist Home’, p. 128:
“Vonoy ho faty ny fakam-panahy hanota”.
Tsy vitantsika amin’ ny
herin’ ny tenantsika izany. Eto indrindra no tsy maintsy
hampiasantsika ny fahefan’ ny sitrapo.
Tsy
maintsy misafidy ny hino an’ Andriamanitra isika
na dia eo aza ny fihetseham-pontsika. Rehefa izany, dia
tsy maintsy ekentsika tsotra izao fa tsy voafentsika ny
fihetseham-pontsika. Mandosira mankany amin’i Jehovah
amin’ ny alאlan’ ny
vavaka, manaiky ny tsy fahaizantsika, ary misaora Azy
noho ny fahefany lehibe sy ny finiavany hanafaka antsika.
Ary hanafaka Izy!
Ho lasa ny
fihetseham-po ary hanjaka ao am-pontsika ny fiadanana.
Mety ilaina
ny manao izany matetika aloha mandra–paharesy lahatra
an’ i Satana fa sitrapontsika ny tsy hofehezin’ ny
fihetseham-po. Mandehana amin’ ny finoana - na misy
fihetseham-po na tsy misy fiheseham-po. Eritrereto
hatrany izao: Efa maty aho, ary ny fiainako
miara-miafina ao amin’ i Krity ao amin’ Andriamanitra”.
Kolosiana 3:3. Inona no azon’ ny devoly atao amin’ ny
olona maty? Rehefa ampiasaina ny sitrapo hisafidy na dia
izay tsy azontsika atao aza, dia omem-boninahitra
Andriamanitra, satria tiany ny manao ho antsika izay tsy
haintsika hatao ho an’ ny tenantsika.
Mety tsy
hahasarika antsika ny fivavahana eo an-tokotanim-pasana,
ary azoko antoka fa tsy nahasarika an’i Jesosy koa
izany. Nefa, io no hany lאlana
hialאna
ny olאna
mikasika ny fahotana. Hoy Jesosy tamin’ ireo Grika tonga
nanatona Azy taloha indrindra ny nahafatesany: “... Raha
tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia
mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia
hahavokatra be” Jaona 12:24.
Soso-kevitra ny ahy fa mety ho ao an-tokan-tranonao, ao
amin’ ny toeram-piasanao, ao amin’ ny biraonao, na aiza
na aiza mety hampirongatra ny “izaho” mandritra ny asa
ataonao isan’ andro ny tokontanim-pasana. Mitaky
mihoatra noho ny fahafatesan’ ny “izaho” isan’ andro ny
fihazonana ny maha-Kristiana. Miaraka amin’ i Paoly dia
“mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’
ny tena izahay mba haseho eo amin’ ny tenanay koa ny
fiainan’ i Jesosy. Koa ny fahafatesana no miasa ao
aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo” 2 Korintiana
4:10, 12.
Lאlana
tokana ihany no manintona ny hafa ho eo amin’ i Jesosy
fa tsy ho eo amintsika. Raha miafina (voahombo) ny
“izaho” dia Jesosy no voaseho. “Miandry Kristy sady
maniry mafy indrindra ny hahita ny fanehoana ny toetrany
eo amin’ ny fiangonany. Rehefa hita tanteraka eo amin’
ny vahoakany ny toetran’ i Kristy, dia ho avy Jesosy
hitaky azy ho fananany.”9
IV.
FIVAVAHANA AN-TOKOTANIM-PASANA
A: TRANDRAO
1. Vonona
ny hamela mandrakariva ny fahotana Andriamanitra noho ny
fahamendrehan’ i Kristy, saingy ny ota kosa dia tsy misy
fanאfana
afa-tsy ny fahafatesana. Avaho ary ny “ota” sy ny
“fahotana”.
2. Nahoana
no tokony ho mailo hitandro ny “finoana” tsy ho lasa
“fihetsehampo” isika, ary fomba ahoana no hifehezana ny
fihetsehampo?
B: AMPIHARO
“Soso-kevitra ny ahy fa mety ho ao an-tokantranonao, ao
amin-ny toeram-piasanao, ao amin’ ny biraonao, na aiza
na aiza mety hampirongatra ny “izaho” mandritra ny asa
ataonao isan’ andro. Mitaky mihoatra noho ny
fahafahatesan’ny “izaho” isan’andro ny fihazonana ny
maha-kristiana.” (Jereo 2 Korintiana 4:10, 12). Angataho
amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 The life of
Victory, by Meade MacGuire, p.35
2 The SDA Bible
Commentary, vol. 6 , p. 1075
3 His Cross and
Mine, by Meade MacGuire, p. 80
4 His Cross and
Mine, by Meade MacGuire, p. 91
5
Vavolombelona Mahery, pp. 147, 148
6 Selescted
Messages, book 2, p. 243
7 Testimonies,
vol. 1, p. 167
8 Temperance, p.
276
9 Henoinareo ny Fanoharana, p. 47-48
5.
ATERAKA
Ny
Kristiana FA TSY ATAO
Mihoatra noho ny indroa ambinifolo no resahina ao amin’
ny Testamenta Vaovao ny fanandramana momba ny
fahateraham-baovao ary matetika no diso ny fandraisana
ny dikany.
Ho an’ ny
maro, dia finoana fotsiny an’i Jesosy izany. Ho an’ ny
sasany indray, ny fanekena an’i Jesosy ho Mpamonjy ny
tena manokana no atao hoe ateraka indray. Ho an’ ny hafa
koa, midika ho ateraka indray ny fanaovana batisa
asitrika.
Arosoko ny
hevitra fa fanandramana mitondra hery sy aina indrindra
ny fahaterahana indray, araka ny fanehoana azy an-tsary
ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, hany ka mananosarotra
ny betsaka ny fandraisana ara-bakiteny ny fampianaran’
ny Soratra Masina.
“Izay
rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny
voany no mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy,
satria naterak’ Andriama-nitra” 1 Jaona 3:9
“Izay
rehetra mino fa Jesosy no Kristy, dia naterak’
Andriamanitra ; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia
tia izay naterany koa” 1 Jaona 5:1
“Fa izay
rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo
izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo
izao dia ny finoantsika” 1 Jaona 5:4
Hitantsika
fa eo amin’ ny fahaterahana indray no mitoetra ny hery
eo amin’ ny fiainana Kristiana. Tsy maintsy ho
zahantsika ny mahatonga io hery io ho fanandramana tena
izy ho antsika manokana. Hoy i Jaona: “Ary izao no
fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra
antsika, ary ao amin’ ny Zanaka izany fiainana izany.
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy
manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny
fiainana”. 1 Jaona 5:11, 12.
Noho ny
fahamaizantsika hahalala ny fahamarinina ve no
nanovantsika an-tsirambina ny hahita ny hoe Iza no
Fahamarinana? Izany ve? Raha nikaroka ny fahamarinana
isika, dia nety nisy zavatra izay manampi-maso antsika
tsy hahita ny fahamarinana. Hoezahintsika fantarina
izany manampi-maso ny mpikaroka marina izany, ary tena
mahomby tokoa amin’izany, amin’izay dia ho fantatsika ny
fomba hisavasavאna
ny lאlana
ho amin’io fanandraman’ ny fahaterahana indray, kanto
dia kanto io.
“Indro, efa
mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandעndעna.
Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny vaaravarana dia
hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy
Amiko” Apokalypsy 3:20. Mazava fa miantefa amin’ ny
fiangonana Laodikia amin’izao andro izao ireo teny ireo,
satria ampahan’ny hafatra manokana alefan’i Jesosy ho
an’ ny fiangonany farany izany. Noho izany, tsy maintsy
atao izay ahafantarantsika ny valin’ ilay fanontaniana
miverimberina manao hoe: “Ahoana no hahateraka ahy
indray?” Na hoe fanandramana am-bava fotsiny ve izany?
Ara-bakiteny
ve? Raha ara-bakiteny, ampahany manao ahoana amin’ ny
fiainako no idiran’i Jesosy amin’izany? Ny fiainako ara-pivavahana
ve? Ny fiainako amin’ ny asa aman-draharahako ve? Ny
fiainako eo amin’ ny fialאm-boliko
ve? Mitaky inona mialoha ny fidirany ao amin’ ny
fiainako?
“Ny eritreritra
rehetra dia tokony hoentina ho babon’ i Jesosy Kristy.
Ny fironana ho amin’ ny maha-nofo rehetra dia tokony
halefitra ho eo ambanin’ ireo herin’ ny fanahy ambony
kokoa. Tsy maintsy hanjaka ambony indrindra ny fitiavan’
Andriamanitra; tsy maintsy hipetraka eo amin’ ny seza
fiandrianana tsy zaraina Kristy. Fanאnany
novidiny no tokony handraisana ny tenantsika. Tokony
hanjary fitaovana ho amin’ ny fahamarinana ny momba ny
tenantsika.”1
Mazava fa io
fanandramana io dia midika be lavitra noho ny finiavana
hiala amin’ ny fahazaran-dratsy, ny toetra ratsy ny
nofontsika, ny fitiavantsika an’izao tontolo izao, ary
ny fananantsika ara-nofo. Tsy maintsy hofeheziny ny
eritreritsika rehetra; Tsy maintsy mitaratra ny
fahamarinany ny fironana ara-nofo rehetra sy ny momba ny
tena rehetra.
Hoy i Jesosy
mba ahazoany manatanteraka izany: “Manoro hevitra anao
Aho hividy Amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba
hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafianao, mba
tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso
hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.” Apokalypsy 3:18
“Inona no
mahatonga ny fahantrana, ny fitanjahan’ireo mahatsiaro
ho manan-karena sy efa nihary fananana be?
Ny fahabangan’ ny
fahamarinan’ i Kristy.”2 Na
dia ny finoana matanjaka ireo foto-pinoana marin’ ny
fiangonana aza dia tsy mahavonjy na iza na iza. Tsy
maintsy mifehy feno ny endriky ny fiainantsika rehetra
Jesosy. Tsy fitakiana tsy an-drariny ataon’ ny
Mpamonjintsika izany, fa iray amin’ ny lalאna
tsotra napetrak’ Andriamanitra eo amin’ ny zava-boahary.
Izany dia ilay milaza hoe: “...fa fandrafiana an’
Andriamanitra ny fihevitry ny nofo....” Romana 8:7.
Izay antony
izay no nahatongavan’i Nikodemosy teo amin’i Jesosy
indray alina. Navesatra ny fony, satria naniry ny
hosaronan’ ny fahamarinan’i Kristy izy, ny hahazo antoka
ny famonjena, nefa tsy fantany izay ahazoana izany.
Hitan’ i Jesosy izay nitsiny ka tonga dia nohintsiany.
“...Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo
mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.” Jaona 3:3. Ny
harenan’i Nikodemosy, ny fahefany, ny zava-bitan’ ny
tenany manokana dia samy tsy nisy tombany hoenti-
misetra ireo fepetra nomen’ i Jesosy mba ateraka indray.
Eto ny
zava-tsarotra natrehin’ i Nikodemosy. Tsy hitany izay
havaly, ka hoy izy hoe; “...Hatao ahoana no hahatonga
izany zavatra izany?” Jaona 3:9. Efa nambaran’ i Jesosy
azy fa “ izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky
ny Fanahy dia fanahy.”
Andininy 6. Tsy tian’ i
Nikodemosy ho hita izany.
Tena nanan’
aina be ny “izaho” tao aminy.
Mbola mitoetra
ny teny nambaran’ i Kristy tamin’ i Nikodemosy. Tsy
afaka manombo ny nofo ny nofo, na firy toy inona
fampanantenana, voady, fanoloran-tena ataontsika, na
amin’ ny fo marina toy inona no hiezahantsika. Misy nofo
“izaho” kely foana mbola velona ary hirongatra indray.
Nisy nilaza fa aleo mihevi-dratsy ny “izaho” toy izay
tsy hihevitra azy mihitsy.
Mijoro eo am-baravaran’
ny fiangonany Kristy ary miteny amin’ ny feo mitalaho
hoe; “.... Raha misy mihaino ny feoko, ka mamoha ny
varavarana, dia hiditra ao aminy Aho…..” Apokalypsy
3:20. Nahoana no maneho ny tenany amin’ ny sary toy
izany Jesosy? Satria, tahaka an’ i Nikodemosy isika,
mbola jamba ny amin’ ny “izaho”. Tsy mbola hitantsika fa
ateraka ny Kristiana fa tsy atao.
Betsaka ny
Kristiana mafana fo no mihevitra fa, noho ny fanampian’
Andriamanitra dia mety ho voasasa, ho voadio, ho afaka
amin’ ny ratsy ao anaty ny olona-taloha ao aminy - ny
nofo izany. ary dia ho afaka hiaina amin’ ny fiainana
mandresy ho an’ Andriamanitra izy. Hala-tahaka ataon’i
Satana izany! Ny planany dia ny hitarika ny olombelona
hino fa azo ovאna
ny maha-olombelona, na dia fantany aza fa ny ho faty
ihany no mety amin’ io, kanefa ezahiny saronana amin’ ny
lainga ny marina ka hihazonana antsika ho jamba.
“Ny fiainana kristiana
dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny teo aloha, fa
fanavaozana azy. Misy fahafatesana amin’ ny tena sy amin’
ny fahotana, ary fiainam-baovao miaraka amin’ izany. Tsy
misy afa-tsy ny asa mahomby ataon’ ny Fanahy Masina
ihany no mahatanteraka io fanovana io.”3
“Tonga
teto an-tany Kristy, nandray ny maha-olombelona ary
nijoro ho solon-tenan’ ny olombelona, mba haneho fa, eo
amin’ ny ady amin’ i Satana, ny olona, arak’izay
namoronan’ Andriamanitra azy, mifandray amin’ ny Ray sy
ny Zanaka, dia afaka mankatע
izay rehetra notakian’ Andriamanitra.”4
Tokony
hosaintsainina lalina dia lalina io teny io. Hitantsika
eo ny antony tsy maintsy ho naterahan’ i Jesosy amin’ ny
tena tsy nisy ota tahaka ilay Adama voalohany. Izay
ateraky ny Fanahy ihany no azon’Andriamanitra
volavolaina sy tefena araka ny sitrapony. Tsy
mahatombina ny toetram-pahotana ka tsy hisy vokany izay
ataon’ Ilay Mpiasa Mahay. Mety ho ao an-tsaina ihany ny
faniriana, fa tsy laitra hahitsy ny nofo. Tsy
fahombiazana ny vokany.
Raha niteny
Jesosy hoe: “.... Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny
voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy....”
Jaona
12:24, dia mazava fa ny batisa no noresahiny, izay, raha
ny marina, dia tandindon’ ny fahafatesana.
“Fanandramana mahאlana
ny fahateraham-baovao amin’izao andro izao eo amin’izao
tontolo izao. Izay no antony mahatonga
fahaverezan-kevitra betsaka toy izao ao amin’ ny
fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no mitondra ny
anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary tsy masina.
Natao batisa izy, fa nalevim-belona. Tsy maty ny
“izaho”, ary noho izany, tsy nitsangana ho amin’ ny
fanavaozam-piainana ao amin’i Kristy izy”.5 (nosoratana
tamin’ ny 1897).
“Fa izay
rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga
zanak’Andriamanitra, dia izay rehetra mino ny anarany,
dia ireo izay tsy nateraky ny rא,
na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa
naterak’ Andriamanitra”. Jaona 1:12, 13. Mazava tsara ny
fampianarana avy amin’ ny Tsindrimandry fa tsy maintsy
ilaina ny fahaterahana ara-panahy vao manjary
zanak’Andriamanitra na mambra ao amin’ ny fianakaviany.
Noho izany, dia tsy maintsy mialoha ny fiainana ny
fahafatesana.
Tsy efan’ ny
olombelona izay hamahana io olאna
io. Na dia eo amin’ ny toetram-pahotana misy azy aza ny
olona, dia afaka mampiasa ny sitrapo nomen’
Andriamanitra azy ary misafidy ny ho faty sy ateraka
indray.
Voasoritra ao
amin’ ny toko voalohany ao amin’ity boky ity ny
fizotran’ izany. Tsy nisy azontsika natao tamin’ ny
nahaterahantsika ara-nofo afa-tsy ny midera an’
Andriamanitra, misy anjara kosa nomen’ Andriamanitra
antsika eo amin’ ny fanandraman’ ny fahaterahana indray.
Azontsika atao ny misafidy ny ho teraka indray. Noho
izany, na dia eto amin’ity fahaterahana indray ity aza
dia tsy maintsy misy fifandraisana amin’ ny Ray sy ny
Zanaka: izay no tanterahan’ ny fanamarinana.
Manamarina ny
mpino ny Ray noho izy manaiky an’i Jesosy sy ny
fanavotana nataony teo amin’ ny hazo fijaliana ho an’ ny
mpino.
Niaina ny
fiainany nifandray mivantana tamin’ ny Rainy Jesosy, hoy
Izy hoe: “... ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na
inona ho Azy...” Jaona 5:19. Ny fiainany nankatoavany
izay rehetra fitakian’ Andriamanitra dia tsy naleovany
tena nisaraka tamin’ ny Rainy fa niankinany zato isan-jato
tamin’ ny Rainy. Izany no maha-ohatra tanteraka ny
fiainany harahintsika.
Hoy Jesosy
amintsika: “... raha misaraka Amiko inareo, dia tsy
mahay manao na inona na inona….” Jaona 5:19. Raha
misaraka amin’ i Jesosy isika, na dia eo amin’ ny
fanandramana fahateraham-baovao aza, dia tsy afaka
mankatע
izay rehetra angatahin’ Andriamanitra. Fa Jesosy
mitoetra ao amintsika, tahaka ny nitoeran’ ny Ray tao
Aminy, no mahatonga ny fankatoavana ho azo atao.
Ataony ao
amintsika izany. Ary vaovao mahafaly izany, tsy izany
ve?
Ny
fanontaniana tsy maintsy apetrantsika dia ny hoe: “Inona
no takian’ Andriamanitra hataoko?” Ny teny manaraka no
ahitantsika ny valiny: “Takian’Andriamanitra ny fo
hilefitra tanteraka alohan’ ny hisian’ ny fanamarinana;
ary mba hihazonan’ ny olona ny fanamarinana, dia tsy
maintsy fankatoavana mitohy, amin’ ny alאlan’
ny finoana mavitrika, velona izay miasa amin’ ny
fitiavana sy manadio ny fanahy”.6 Mariho
fa fileferana no fepetran’ ny fanamarinana
aryfankatoavana mitohy no fepetra hihazonana ny
fanamarinana. Moa ve mahatonga antsika hankatע
ny fanamarinana? Tsia. Mifandray fotsiny amin’ ny
tatitra momba antsika araka ny lalאna
ny fanamarinana – izay hijoroantsika eo anatrehan’
Andriamanitra. Ahoana no hahatanterahantsika ny fepetra
faharoa? Izao no izy:
“Raha miasa ao
amin’ ny fo Andriamanitra, ary mampilefitra ny sitrapony
amin’ Andriamanitra ny olona, ka miara-miasa amin’
Andriamanitra, dia tanterahany eo ivelany ny fiainana
izay tanterahan’ Andriamanitra ao anaty amin’ ny alalan’
ny Fanahy Masina, ary hirindra ny fikasan’ ny fo sy ny
fampiharana eo amin’ ny fiainana. Tsy maintsy hafoy ny
fahotana rehetra ho zavatra fankahala izay nanombo Ilay
Tompon’ ny aina be voninahitra teo amin’ ny hazo
fijaliana, ary tsy maintsy mitombo ny fanandramana
ataon’ ny mpino amin’ ny fanaovana mitohy ny asan’i
Kristy. Ny fampileferana mitohy ny sitrapo, amin’ ny
fankatoavana mitohy, no hihazonana ny fitahian’ ny
fanamarinana.”7
Mariho fa
ny asan’ ny olona dia ny mampilefitra ny sitrapony.
Fileferana tsy ankijanona ny fiainan’ i Kristy. Ho
resahintsika bebe kokoa ny amin’izany ao aoriana.
Vokatry ny fanamasinana ny fankatoavana mitohy,
hojerentsika manaraka koa ny amin’izany. Mety misy
hihevitra fa tena tsy misy dikany mihitsy ny olombelona,
raha ny endrika nanehoana azy.
Izany anefa no
izy.
“Rehefa mitolo-batana
amin’i Kristy ny fanahy, dia misy hery vaovao manjaka
ao amin’ ny fo vaovao. Misy fanavaozana vita izay
tsy hain’ ny olona tanterahina na oviana na oviana ho an’
ny tenany. Asa avy any ambony izay manafy toetra avy
any ambony ao amin’ ny toetry ny olombelona izany.
Ny fanahy izay milefitra amin’ i Kristy, dia manjary
tanana mimanda ho Azy, izay anjakany eo anivon’izao
tontolo izao mikomy Aminy, ary ny kasainy dia tsy hisy
fahefana hafa hoekena ao afa-tsy ny Azy irery ihany. Ny
fanahy izay voatahirin’ ny anjelin’ ny lanitra ho an’
Andriamanitra toy izany, dia mahatohitra ny fanafihan’ i
Satana.... Ny hany fiarovana amin’ ny ratsy dia ny
fitoeran’ i Kristy ao amin’ ny fo amin’ ny alאlan’
ny finoana ny fahamarinany. Raha tsy manana firaisana
velona amin’ Andriamanitra isika, dia tsy ho afaka na
oviana na oviana hanohitra ny vokatra tsy masina ateraky
ny fitiavan-tena, sy ny fampanaranam-po ny tena ary ny
fakam-panahy hanota. Azontsika atao ny miala amin’ ny
fahazaran-dratsy maro, eo amin’ ny fotoana mety
isarahantsika amin’i Satana, nefa raha tsy misy
firaisana mitondra aina amin’ Andriamanitra, amin’ ny
alalan’ ny fileferantsika Aminy eo amin’ ny fotoana
rehetra, dia ho resy isika.”8
“Inona no atao hoe
fanamarinana amin’ ny finoana? Asan’ Andriamanitra izay
mametraka ny voninahitry ny olona ao amin’ ny vovoka
izany, sy ny manao ho an’ ny olona izay tsy hain’ ny
olona atao ho an ’ny tenany amin’ ny heriny. Rehefa
mahita ny maha-tsinontsinona azy ny olona, dia vonona ny
hotafiana amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy.”9
“Nahoana no sarotra
toy izany ny manana fiainana feno fahafoizan-tena,
fanetren-tena? Satria tsy maty ny amin’izao tontolo izao
ireo izay misora-tena ho Kristiana. Mora ny miaina
amin’izany aorian’ ny fahafatesana”.10
Tsarovy fa ny
lאlan’
Andriamanitra tsy lאlantsika.
Toa mety hiendrika tsy fahombiazana ny lאlany,
fa ny lאlany
no hany hahitana fahombiazana marina. Fa rehefa tena
ateraka indray isika –
Ny
fahafatesana no fahavelomantsika.
Ny fahalemena
no iavin’ ny hery
Ny fileferana
no ahazoana fandresena
Amin’ izay dia
mety ho fantatsika fa ateraka ny Kristiana fa tsy
atao.
V. ATERAKA
NY KRISTIANA FA TSY ATAO
A: TRANDRAO
1.
Inona no dika-fenon’ny “Fahateraham-baovao”, ary fomba
ahoana no hahatonga izany ho zava-misy ao amin’ny
fiainanao?
2.
Ahoana no hihazonana ny fanamarinana?
B: AMPIHARO
“Azontsika atao ny miala amin’ny fahazaran-dratsy maro,
eo amin’ny fotoana mety hisarahantsika amin’ i Satana,
nefa raha tsy misy firaisana mitondra aina amin’
Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fileferantsika Aminy eo
amin’ny fotoana rehetra, dia ho resy isika” Angataho
amim-bavaka ny fahatanterahan’izany aminao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 The Adventist
Home, p. 128
2 Christ Our
Righteousness, p. 90
3 Ilay fitiavana
Mandresy, p. 167/1
4 The SD A Bible
Commentary, vol. 7A, p. 650, The Signs of the Times,
June 9, 1898
5 The SDA Bible
Commentary, vol. 6, p. 1075 Manuscript p. 148, 1897
6 Selected
Messages, Book 1. p. 366
7 Selected
Messages, Book 1. p. 397
8 Ilay Fitavana
Mandresy, p. 340/2
9 Christ Our
Righteousness, p. 104
10 Messages to
Young People, p. 127
6.
Inona no manaraka ny
Fanamarinana?
Raha
misy olona nohamarinina ka izao no voasoratra momba azy
any an-danitra “toy ny tsy nanota akory”, dia ho
mahagaga raha misy zavatra fanampiny hangatahiny indray
amin’ ny karazan-tatitra toy izany. Ny filazאna
karazam-pisainana toy izany dia manambara fa mbola ny «lalאna»
no mibahana ao an-tsainy. Mbola ao ilay faniriana hanao
zavatra hahatonga antsika hahatsapa fa tena misy izany.
Ny tanjona ambony indrindra ho an’ ny olona nohamarinina,
dia ny mitana, amin’ ny alאlan’
ny finoana, io toerana tsy tokony ho azy io, fa nomen’
Andriamanitra azy ho fanomezana maimaimpoana noho ny
fitiavany. Noho izany, ny fotoana hanamarinana antsika,
no fotoana ihany koa hanamasinina antsika. Samy amin’
ny alalan’ ny finoana ihany no hahatrarana ny fepetra
momba izany.
Mikasika ny tatitra momba anao any an-danitra ny
fanamarinana. Manova an’ io tatitra io avy amin’ ny hoe:
mpanao heloka bevava voaheloka, ho olona afaka, manana
tatitra tsy misy hokianina, hatramin’ ny fiainanao
taloha.
Ny
fanamasinana dia plana nataon’ ny lanitra izay mahatonga
ilay olo-meloka nafahana (isan’ ny fifanakavian’
Andriamanitra ankehitriny) ho afaka hisaotra an’
Andriamanitra hatrany noho ny fanomezany tsy hay lazaina
tamin’ ny fanamarinana ho an’ ny olo-mahantra tsy
mendrika.
Ahoana no
hanaovany izany? Amin’ ny famelany an’ Andriamanitra
hiasa ao aminy isan’ andro araka ny fikasany sy ny
fanaovany hahatanteraka ny sitrapony. Filipiana 2:13.
Ny
anjarantsika dia ny mamela an’ Andriamanitra hiasa ao
amin’ ny fiainantsika, manazatra antsika indray hanao
“eny” isaky ny milaza Jesosy hoe: “Ity no lאlana
ka hizory”. Ny angatahin’ ny lanitra izay hiditra any
dia fitokisana feno tsy misy fisalasalana an’ i Jesosy,
tsy misy hatak’andro na dia hoe fanontaniana ny nahoana
sy ny ahoana aza. Ny valintenintsika ny fitarihany
antsika dia tokony handeha ho azy, tahaka ny fanarahan’
ny voninkazo ny masoandro.
Mazava, fa tsy
tokony hisy fisalasalana ny lאlana
ho amin’ ny fanamarinana antsika (fahamarinana zaraina)
na amin’ ny fanamasinana antsika (fahamarinana isaina).
Amin’ ny alalan’ ny fanamarinana no anisאna
fankatoavana ho antsika, ankehitriny sy amin’ ny ho avy.
“Amin’ ny
alalan’ ny fahamarinany isaina no aneken’ Andriamanitra
azy ho maneho amin’ izao tontolo izao fa manaiky
hiandany amin’ Andriamanitra izy, ary mitandrina ny
didiny rehetra.”1
“Tokony handinika ny fiainan’ ny
Mpanavotra antsika isika, satria Izy no ohatra tanteraka
ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny sorona tsy hita
lany tao Kalvary isika, ary hahita ny toetram-pahotana
mahatsiravina eo amin’ ny fahotana sy ny fahamarinan’ ny
lalאna.
Hahazo hery sy fahamendrehana ianao rehefa nandinika
lalina ny loha-hevitra momba ny fanavotana. Hihalalina
ny fahazoanao ny toetra amam-panahin’Andriamanitra; ary
raha mazava ao an-tsainao ny drafitry ny fanavotana
manontolo, dia ho afaka hanatanteraka kokoa ny iraka
nomen’Andriamanitra anao ianao. Noho ny faharesen-dahatra
lalina ao aminao, dia ho afaka hijoro ho vavolombelona
eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’ ny toetry ny lalאna
tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo
amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny maha-ratsy ny
fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra
raha manamarina ny mino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho
fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra
any an-danitra sy ety an-tany”.2
“Ambany ny fivavahan’
ny tena manokana eo amintsika amin’ ny maha-vahoaka
antsika. Be loatra ny endrika ivelany, ny fombafomba, ny
fivavahana am-bava fotsiny; fa tokony hisy zavatra
lalindalina kokoa sy tsara orina kokoa hoentina ao amin’
ny fanandramanantsika ara-pivavahana…. Ny ilaintsika dia
ny hahalala an’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fitiavany,
araka izay aseho ao amin’ i Kristy, amin’ ny alalan’ ny
fahalalana niainana…. Amin’ ny alalan’ ny fahamendrehan’
i Kristy, amin’ ny alalan’ ny fahamarinany, izay isaina
ho antsika amin’ ny alalan’ ny finoana, dia tokony
hahatratra ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahy
Kristiana isika”.3
Avy amin’ ny
alalan’ ny fanamarinana koa no iavian’ ny
fahatanterahana. Amin’ ny alalan’ ny fanamasinana no
hihazonana izany toerana izany. Izany no toerana hisy
antsika tsy mandra-pahatonga an’ i Jesosy fotsiny fa
mandritra ny mandrakizay koa. Anjara hitondra
hasambarana ho antsika ny manambara amin’ izao rehetra
izao manontolo ny fankasitrahantsika noho ny fanomezana
tsy hay lazaina nomen’ i Kristy ho antsika.
Miankina amin’
ny fanamarinana ny famonjena izay fanomezana
maimaimpoana avy amin’ Andriamanitra. Ny fihetsintsika
manoloana izany fanomezana dia asehon’ ny
fifandraisantsika amin’ ny fanamasinana sy ny
fitiavantsika hamela an’ i Jesosy hamolavola indray ny
toetra amam-panahintsika ka hitaratra ny azy. Asany
izany na toy inona na toy inona fomba ampiasainy
hahatrarany ny fetrany. Ny anjara asantsika dia ny
milefitra Aminy.
Porofon’ ny
fanamarinana ve ny fanamasinana? Hoy i Jesosy ao amin’
ny Jaona 15:5: “...izay miray Amiko, ary izaho ao aminy,
dia mamoa be izy...”
Ny vokatry
ny Fanahy no ho hita ao amin’ izay rehetra tena
nohamarinina marina. Galatiana 5:22, 23. Mitoetra
fotsiny eo amin’ ny fifandraisana ao amin’ i Kristy io
ny mpino dia hamokatra izy. Kristy no voaloboka; ny
mpino no sampana. Ny toerana maha-anisan’ ny
fianakavian’ Andriamanitra antsika no antony
hiravoravoant-sika. Tsy maintsy holavintsika ny
fampanaranam-pon’ ny tenantsika eo amin’ ny eritreritra
arahim-pisalasalana. Fa rehefa natsofoka tao
amin’ ny Voaloboka kosa isika, dia manjary momba ny
tenany. Ho ilaina foana ny fanamarinana. Ny toetra
amam-panahin’ i Kristy no hany fitafiana hisaronana
mahafeno izay rehetra takian’ ny lalאn’
Andriamanitra tanteraka; noho izany, dia tsy maintsy
hohazonina.
“Tsy tian’ ny
fahavalon’ ny olona sy Andriamanitra ny hanehoana mazava
ity fahamarinana ity (fanamarinana amin’ ny finoana);
fantany mantsy fa raha raisin’ ny olona feno izany, dia
ho tapaka ny heriny. Raha afaka mifehy ny saina izy ka
fisalasalana sy tsi-finona ary haizina no hameno ny
fanandramana ataon’ ireo izay misora-tena ho zanak’
Andriamanitra, dia ho azony resena amin’ ny fakam-panahy
izy ireo.”4
“Indro, efa
nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy
handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka
tsy hisy hampaninona anareo akory” Lioka 10:19.
Mazava fa,
raha ny ankapobeny, ny Kristiana dia tsy mahafantatra
amin’ ny fanandramana nataony fa afaka amin’ ny herin’ i
Satana izy amin’ ny fiainany. Tsy midika fahafahana
amin’ ny fakam-panahy izany tsy akory. Fa ho lefy ny
heriny miaraka amin’ ny fahotana. Vaovao mahafaly ho
antsika rehetra izany.
Manana hery
matanjaka miasa mangina ao amin’ ny fianakaviana
olombelona ny fahotana.
Mahasintona ny
toetra mpanota izy.
Mitondra
fahafinaretana vetivety izy. Satria voarara izy, dia
manaitaitra.
Manangana toe-tsaina
hahaleo-tena izy. Manao an-keriny amin’ ny fahefana
misafidy na amin’ ny fampiasana ny sitrapo izy. Efa
voahevitra avokoa ireo rehetra ireo ao amin’ ny
Kristiana tena nateraka marina indray, raha miara-mandeha
amin’ ny Tompony amin’ ny fahamarinana izy.
Misy endrika
saro-pantarina lavitra momba ny herin’ ny fahotana izay
tsy maintsy hojerentsika: “... ny lalאna
no herin’ ny ota” 1 Korintiana 15: 56. Nadika hoe
“hery” eto ilay teny grika hoe dunamis (fahafahana
manao).
Matetika
kokoa dia adika hoe “fahefana” io teny io.
Iray foto-teny amn’ io
teny io ny hoe “dynamite”. Izy afaka mipaoka no herin’
ny dynamita. Raha ny lalאna
no herin’ ny ota, dia tokony ho fantatsika ny mahamarina
an’ izany. Tsy ho fanehoana ny toetra amam-panahiny sady
ho “herin’ ny fahotana no nanoratan’ Andriamanitra ny
lalאny. Ny lalאm-pitiavan’
Andriamanitra no nahatonga Azy hamorona ny olona ho
afaka hanota. Nomeny fahefana hisafidy izy. Ao ve no
misy ny herin’ ny fahotana? “Voatohitra ny fakam-panahy
rehefa misy hery miasa amin-kery amin’ ny olona hanao
zavatra ratsy, ary fantany fa azony atao izany, nefa
manohitra, amim-pinoana izy, raha mamikitra ny herin’
Andriamanitra.”5
Mahaliana ny mahafantatra fa ny fahefana nomen’ i Jesosy
ny mpianany voalaza ao amin’ ny Lioka 10:19 dia
exousia (fahefana) fa tsy fahafahana manao. Fa ny
herin’ ny fahavalo ao amin’ io toko sy andininy io ihany
dia dunamis (fahafahana manao). Azontsika lazaina
izany, fa nomen’ Andriamanitra fahefana amin’ izay
rehetra fahazoan’ i Satana manao rehetra ny olona, fa
notazonin’ Andriamanitra ho ambany fifehezany ny fahazoa
manao sy ny fahafahana amin’ i Satana. Amin’ ny alalan’
i Kristy dia tapaka ny fahefan’ i Satana rehetra satria
fahavalo efa resy izy.
Hoy
ny teny ao amin’ ny Kolosiana 1:13: “sady nahafaka
antsika tamin’ ny fahefan”ny maizina ka namindra antsika
ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany.” Ny fahafahana
amin’ ny fahefan’ i Satana sy ny ho tonga anisan’ ny
fanjakan’ Andriamanitra dia zavatra iray sy mitovy
ihany. “Rehefa afoinao ny sitraponao, ny fahendrenao,
ary mianatra amin’ i Kristy ianao, dia hohekena ao amin’
ny fanjakan’ Andriamanitra ianao.”6
Satria toetra-amam-panahin’ Andriamanitra an-tsoratra ny
lalאn’ Andriamanitra,
ary satria Satana miezaka mandrakariva handiso ny toetra
amam-panahiny, dia tokony hahita fanazavana isika eto
hampahazava ny maha- “herin’ ny fahotana” ny lalאna.
Ny
fandraisana diso sy ny fampiasana diso ny lalאn’
Andriamanitra no nifehezan’ i Satana an’ Israely fahizay
nandritra ny taon-jato maro. Ny planan’ Andriamanitra
dia ny hahatonga ny lalאny,
araka ny nanoratana azy sy ny nanehoana azy tao Sinaן,
ho mpitaiza hitondra ny vahoakany ho eo amin’ i Kristy.
Galatiana 3:24. Nanana plana hafa i Satana. Io lalאn’
ny fahafahana io indrindra no hoentina hanandevozana.
Amin’ ny fomba ahoana? Amin’ ny fampivondronana ny ezaka
rehetra ataony eo amin’ ny asan’ ny lalאna
anankiray – dia ny fahazoany mampiaiky. Hoy i Paoly
manoratra: “Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana
ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoan’ ny iray ...”
Romana 5:18. Io no antitranterin’ i Satana sy itoeran’
ny fahefany amin’ ny olona. Ataony izay hahajamba ny
masontsika tsy hahita ny tapany farany amin’ io andininy
io ihany: “...no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’
ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny
fahamarinana iray.”
Nahindrahindran’ i Satana mandrakariva ny fanamelohana,
dia nasehony ho hany vaholאna
azo ekena ny fankatoavana hentitra ny lalאna.
Amin’ izay dia nivarilavo sy resy ny olona, raha niezaka
tao anatin’ ny fahamoizam-po mahonena, nitandrina izay
tsy hananan’ ny tenany “fahazoana mitandrina” -
dunamis, na “fahefana”, exousia, Miara-miasa
ny fanamelohana sy ny fahatsiarovana ho meloka ka
manjary foibe-toeran’ ny herin’ i Satana eo amin’ ny asa
famitahana ny Kristiana.
Ny
fiaikena sy ny fahatsiarovana ho meloka dia
nokasaina haneho ny olona ny maha-tsinontsinona azy, ka,
amin’ ny fahatereny, dia hitodika amin’ Andriamanitra
izay naniraka ny Zanany hamaha ny olאna
momba ny fahotana izy. Raha misy zaza maniasia, dia samy
asehon’ ny ray aman-dreny tia na “ny fahefana”, na “ny
fahazoana manao” na dia diso aza ny fandraisana ny
fihetsiny. Noho ny fahotana dia nanjary tsy maintsy
naseho ny lalאna
izay efa nisy hatramin’ ny mandrakizay, saingy diso ny
fandraisana sy ny fampiharana azy. Noho ny fanamelohana
dia takona tsy teo imason’ ny olona ny fototr’asan’ ny
lalאna
amin’ ny maha-pitaiza azy.
Nanan-kery
masiaka sy mangeja ny fanamelohana teo amin’ ny
fivavahana jentilisa sy Kristiana. Maro ireo mpanavao
fivavahana no nijaly teo ambanin’ ny fahefany. Ny
fivavahana Kristiana, raha ny ankapobeny, dia nitolona
tamin’ io olאna
io nefa tsy nahita afa-tsy valintenin’ olombelona izay
tsy niteraka fitiavana ho an’ Andriamanitra sy izay
toe-tsaina tokony aseho miatrika ny lalאna.
Nisokatra ny mason’ i Davida ary hitany ny maha-mpitaiza
ny lalאna,
na ny maha-lאlana
azy mankeo amin’ i Kristy. Izao no navaliny: “Endrey ny
fitiavako ny lalאnao;
fisaintsainako mandrakariva izany”. Salamo 119:97.
Nankahala
ny lalאn’
Andriamanitra i Satana hatramin’ ny niantombohan’ ny
fihemorany, niezaka mandrakariva ny hanova na ny
hanamboatra azy izy. Izay rehetra ezaka atao hampiasאna
ny fanamarinana, dia ny fanisאna
ny toetra amam-panahin’ Kristy ho an’ ny olona, ho fomba
hoenti-manova na hitsipahana ny lalאn’
Andriamanitra dia fanekena an’ i Satana sy fiarahana
miasa aminy hikomy amin’ Andriamanitra.
Ny
“Antinomianisma”, fitsipahana ny lalאn’
Andriamanitra, dia valitenin’ ny olona amin’ ny olאna
momba ny fahotana. Valinteny mifanaraka amin’ ny
fiampangana nataon’ i Satana an’ Andriamanitra tany
am-boalohany.
Mety
hihevitra ny olona “maoderina” fa tsy afaka misetra izay
ilainy ny lalאna.
Nefa, mbola mila ihany an’ ilay Mpamonjy izay hitondran’
ny lalאna
azy izy. Ny marina dia ny olona no mila ny ho ovאna
tanteraka, fa tsy ny lalאna.
Toe-javatra roa mifandray, nefa samihafa mazava tsara no
mahatonga io fanovana io. Voalohany, misy toe-javatra
araka ny lalאna
notanterahin’ i Kristy ho an’ ny olona teo amin’ ny Hazo
fijalian’ i Kalvary raha nandray ny toerana izay rariny
raha ho antsika Izy, ka nandoa ny trosa tsy
voaloantsika, nefa ho velona. Noho izany, dia miova ny
tatitra momba ny olona raha vantany vao manaiky an’ i
Kristy ho Mpamonjiny izy ka mampilefitra ny fiainany
hofehezin’ i Kristy. “Rehefa mahita ny
maha-tsinontsinona azy ny olona, dia vonona ny hotafiana
amin’ ny fahamarinan’ i Kristy izy;”7 Mijoro
ho porofo tsy azo lavina ny tsy ahazoana manova ny lalאn’
Andriamanitra Kalvary. Raha azo atao ny nanova na
nitsipaka ny lalאna,
dia ho tsy nilaina Kalvary. Isaorana Andriamanitra noho
ny fanomezany teo Kalvary izay nahazoan’ i Jesosy ny zo
hanafaka ny babo nofikirin’ ilay mpamitaka lehibe.8
“Ary amin’
izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i
Kristy Jesosy, izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka
ny Fanahy” Romana 8:1. Manafaka amin’ ny fanamelohana ny
Kristiana milefitra ny fanamarinana. Hoy ny Mpamonjy:
“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao
tontolo izao hanameloka an’ izao tontolo izao fa mba
hamonjy izao tontolo izao” Jaona 3:17. mbola mampiaiky
ny lalאna,
fa i Satana ihany no miasa amin’ ny fanamelohana. Ny
Kristiana nateraka indray (nohamarinina) dia mahalala,
fa na dia miasa amin’ ny alalan’ ny fihetseham-po aza i
Satana hanameloka, Kristy kosa tsy ao amin’ io asa
fanamelohana io; “na amin’ inona na amin’ iona no
hanamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra
lehibe noho ny fontsika, dia manana fahasahiana eo
anatrehan’ Andriamanitra isika ka mahalala ny zavatra
rehetra. Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny
fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’
Andriamanitra isika” 1 Jaona 3:20, 21.
Hitantsika
ve fa rehefa mazava amintsika ny tena fifandraisan’
Andriamanitra amin’ ny olona—dia fitiavana fa tsy
fanamelohana, amn’ izay ihany vao afaka matoky Azy
isika? Marina koa izany eo amin’ ny fifandraisan’ ny
zaza sy ny ray aman-dreny, ny fifandraisana tena izy
ihany no misy fitokisana marina. “Fa ao amin’ i Kristy
Jesosy ny lalאn’
ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalאn’
ny fahotana sy ny fahafatesana” Romana 8:2. Ny lalאn’
ny Fanahy dia mampianatra antsika ny fiainana ao amin’ i
Kristy Jesosy izay nahafaka antsika tamin’ ny lalאn’
ny fahotana sy ny fahafatesana. Afaka tamin’ izany i
Paoly ao amin’ ny Romana 7.
Ilay lalאn’
ny fahotana, izay milaza hoe: “.... fa fahafatesana no
tambin’ ny ota....’ Romana 6:23 dia manan-kery loza be
manameloka ao amin’ ny fiainantsika rehefa
antitranterin’ i Satana ao amintsika. Planany ny hanery
antsika hibebaka amin’ ny alalan’ ireo fihetseham-po
mahonena ireo. Betsaka amin’ ny fibebahan’ ny Kristiana
no faniriana ho afaka amin’ ireo fihetseham-po mahery
vaika ireo. Raha marina isika dia hitantsika fa ny
fitiavan-tena no fakan’ io fibebahana io. Ny Tenin’
Andriamanitra manambara hoe: “...ny fahamoram-panahin’
Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka.” Romana 2:4.
Tsy noho nyfanamelohana fa noho ny fibanjinana an’ i
Jesosy eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary no mitarika
antsika ho amin’ ny fibebahana marina. Ny fahafantarana
fa manameloka ny fahotana Izy nefa tia ny mpanota dia
manafaka antsika. “Raha ny Zanaka no manafaka anareo dia
ho afaka tokoa ianaeo” Jaona 8:36.
Rehefa hitantsika fa tratry ny aretina mahafaty atao hoe
ota isika izay namela holatra maro atao hoe fahazarana
eo amin’ ny nofontsika – fahazarana izay tsy maintsy
fongorana – dia mazava amintsika ny faharetana, ny
fikirizana, tsy maintsy ampiasain’ i Kristy hanafaka
antsika amin’ ireny fahazarana ireny. Amin’ izay ihany
vao hitantsika ny mahatonga ny fanamasinana – ilay toe-javatra
faharoa – ho fomba ampiasain’ Andriamanitra hanovאna
ireo fahazarantsika ireo ary ny maha-asa mandritra ny
fiainana an’ izany. Tsy hoe ho tonga ho tsy manana ota
isika amin’ ny fetra ny androm-piainantsika, fa ny
rafitra no tsy maintsy apetraka ao amintsika ho
fileferana sy finiavana tanteraka izay ahazoan’
Andriamanitra hiasa ao amintsika “... na ny fikasאna
na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”. Filipiana
2:13.
Miasa ao amin’ ny maha-izy antsika ny fanamarinana. Raha
maty ny amin’ ny “izaho” isika, mampilefitra ny
sitrapontsika, ary manasa Azy handray ny fiainantsika,
dia misy maha-izy azy vaovao homena ny Kristiana vao
teraka indray. Afaka atao manaiky ny lalאn’
Andriamanitra io maha-izy antsika io, raha nankahala ny
lalאn’ Andriamanitra
ilay maha-izy taloha. Romana 8:7 Miandraikitra ny
fanazarana indray ny toetra amam-panahy sy ny
fanesorana ireo fahazarana izay nivelatra tao amin’ ilay
nofo taloha ny fanamasinana. Ireo fahazarana sy ireo
fironana nolovaina ireo no sisa tavela amin’ ilay
fiainana tia tena taloha. Ireo no hamikiran’ i Satana
mafy indrindra eo amin’ ny fiainan’ ireo Kristiana vao
teraka indray.
Isaorana
Andriamanitra fa na dia io famikirana io aza dia mety ho
tapaka noho ilay planan’ ny fanavotana mahagaga.
6. INONA NO
MANARAKA NY FANAMARINANA?
A: TRANDRAO
1. Farito
indray ny fifandraisan’ny fanamarinana sy ny
fanamasinana. Anjara-asan’iza ireo? Inona kosa no
anjarantsika?
2. Ahoana
no fomba fampiasan’ i Satana ny Romana 5:18, sy Romana
6:23 hitarihana antsika ho amin’ny fiaiken-keloka diso
izay vokatry ny tahotra? Inona kosa no mitondra amin’ny
fiaiken-keloka tena izy?
B: AMPIHARO
3. Toetra
vaovao: “Miandraikitra ny fanazarana indray ny toetra
amam-panahy, sy ny fanesorana ireo fahazarana izay
nivelatra tao amin’ilay nofo taloha, ny fanamasinana”.
Angataho amim-bavaka mba ho zava-misy ho anao izany dia
raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ..
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Christ Our
Righteousness, p. 99
2 Christ Our
Righteousness, p. 35
3 Christ Our
Righteousness, pp. 81, 82
4 Christ Our
Righteousness, p. 54
5 The SDA Bible
Commentary, vol. 5, p. 1085, The Youth’s Instructor,
July 20, 1899
6 Selected
Messages, book 1, p. 110
7 Christ our
Righteousness, p. 104
8 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 803
7.
NATAO HIAKARANA
NY
Tohatra
Ny
epistilin ‘ i Petera faharoa dia nataony ho an’ ny
antokon’ olona izay “nahazo finoana soa tahaka ny azy
amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy
Mpamonjy antsika» 2 Petera 1:1.
Sarotra ny hanambara amin’ ny teny kanto kokoa fa tahaka
an’ i Petera ireo olona ireo, nohamarinina – afaka tamin’
ny fahotany taloha – ary mandeha amin’ ny fiainam-baovao.
Rehefa izany dia notarihin’ ny tsindrimandry i Petera,
nanambara mazava teo anatrehan’ ireto Kristiana vao
teraka indray ny planan’ Andriamanitra momba ny
fahamarinany izay ho zaraina ho azy ireo sy ho antsika.
Tsotra sy manan-kery ny tenin’ i Petera momba ny
fanamasinana. Manao fanambarana goavana izy fa nomena
antsika “…ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny
toe-panahy araka an’ Andriamanitra…”. Ambarany mazava
koa aza ny fomba nahatongavan’ ireo fanomezana ireo ho
an’ ny mpino – dia amin’ ny finoana ireo teny fikasana
sady soa no lehibe indrindra izay manondro antsika fa
mety ho mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra ny mpino
teraka indray.
Ambarany aty aoriana fa afa-nandositra ny fahalotoana
izay eo amin’ izao tontolo izao amin’ ny alאlan’
io fomba io ihany izy: 2 Petera 1:3, 4. Ny fitiavan-tena,
izay levona tany am-boalohany raha maty ny toetsika
taloha, tamin’ ny alאlan’
ny finoana, no fahalotoan’ ny nofo voalaza eto. Ny
vokatr’ izany dia ny ahazoan’ i Jesosy manamarina ny
mpino, raha manaiky fa maty ny amin’ ny ota izy. Romana
6:12.
Rehefa izany, araka ny voalazan’ i Paoly, tsy
nohamarinina fotsiny amin’ ny alאlan’
ny rאn’ i Kristy (ny
fahafatesany) ny mpino, fa voavonjy koa noho ny fiainan’
i Jesosy.
Romana 5:10.
Fiainana manao ahoana izany? Deraina ny anarany masina!
Ny fiainany tanteraka (toetra amam-panahy) izay
novolavolainy teto an-tany nandritra ny telo amby
telopolo taona sy tapany.
Ny toetra amam-panahin’
i Jesosy no isaina ho an’ ny mpino aloha ho fanamarinana,
ka manjary toy izao no vakin’ ny tatitra momba ny
fiainana teo aloha: “tahaka ny tsy nanota mihitsy aho”.
Io toetra amam-panahy io, avy eo, no atao zava-misy eo
amin’ ny fiainan’ ny mpino raha iny mianatra ny mandeha
amin’ ny fiainam-baovao iny izy, amim-pahatokisana ny
Tompo izay hanome “ny zavatra rehetra” mifanaraka amin’
io fiainam-baovao io.
Mazava, fa ny
zava-kendrena amin’ ny fianarana mandeha amin’ io
fiainam-baovao io, dia ny fiankinana tanteraka eo amin’
ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra mba hanapotika ny
fahazarana sisa navelan’ ilay toetsika taloha, vao
nohomboana vao haingana teo amin’ ny hazo fijaliana.
“Raha miasa ao amin’
ny fo Andriamanitra, ary mampilefitra ny sitrapony amin’
Andriamanitra ny olona, ka miara-miasa amin’
Andriamanitra, dia tanterahany eo ivelany ny fiainana
izay tanterahin’ Andriamanitra ao anaty amin’ ny alאlan’
ny Fanahy Masina, ary hirindra ny fikasan’ ny fo sy ny
fampiharana eo amin’ ny fiainana. Tsy maintsy afoy ny
fahotana rehetra ho zavatra fankahala izay nanombo Ilay
Tompon’ ny aina be voninahitra teo amin’ ny hazo
fijaliana, ary tsy maintsy mitombo ny fanandramana
ataon’ ny mpino amin’ ny fanaovana hatrany ny asan’ i
Kristy. Ny fampileferana mitohy ny sitrapo, amin’ ny
fankatoavana mitohy, no hihazonana ny fitahian’ ny
fanamarinana.”1
Tena tsy
mahagaga, rehefa eo amin’ io fotoana io, ny hifantohan’
ny saina eo amin’ ny hoe: tokony hankatע.
Eo matetika no maha-diso ny Kristiana. Tokony hifantoka
eo amin’ ny fileferana isika. Raha mahatozo eo amin’ ny
fileferana isika, dia hiasa ao amintsika Andriamanitra
“... na ny fikasana na ny fanaovana ahatanteraka ny
sitrapony.” Filipiana 2:13
“Ny maha-izy antsika
no toetra amam-panahy. Izay heverin’ ny olona momba
antsika kosa no laza. Asehon’ ireo ohatra ho antsika eo
amin’ ny zava-mahazatra antsika ny voalohany, ary
asehon’ ny fifehezan-tena tarihin’ ny saina ny faharoa.
“Ny hisehoan’ izany toe-panahy izany dia tsy ny
fanaovan-tsoa tsindraindray, na ny fahadisoana
tsindraindray, fa ny hita lalandava eo amin’ny fiteny sy
ny fanao mahazatra”.2
Ny fanao
mahazatra dia izay ataontsika tsy am-piheverana intsony.
Betsaka amin’ ny fiainantsika andavanandro no miainga
avy amin’ ny foto-tsiaro (“subconscient”). Tsy maintsy
hanjary fahazarana ny fileferantsika amin’ny fitarihin’
i Kristy ny fiainantsika. Izany hoe tsy maintsy hanjary
ho toetsika ny manao izany.
“Azontsika hatao ny ho
akaiky indrindra an’Andriamanitra, ka raha mamely
tampoka ny fakam-panahy dia hitodika faingana any Aminy
ny saintsika, dia toy ny fitodiky ny voninkazo any amin’
ny masoandro”.3
Mampirisika
antsika i Paoly manao hoe: “Aoka ho aminareo izao saina
izao izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa”. Filipiana 2:5.
Manaraka izany ny fileferana tanteraka indrindra izay
“...hatramin’ny fahafatesana dia fahafatesana ambonin’
ny hazo fijaliana” Andininy 8.
Ny teny hoe
“aoka” dia ahafantarantsika fa eo am-pela-tאnantsika
ny fahefana mifehy. “Miandry Kristy sady maniry mafy
indrindra ny hahita ny fanehoana ny toetrany eo amin’ ny
fiangonany. Rehefa hita tanteraka eo amin’ ny vahoakany
ny toetran’ i Kristy, dia ho avy Jesosy hitaky azy ho
fanאnany”.4
Ny
fanandraman’ ny fahateraham-baovao ao anatin’ ny
fahamarinana amin’ ny finoana ihany no mety hahatrאrana
io tarigetra io. Ny fahamarinana nomena ho tombony mba
ho fanamarinana sy ny fahamarinan’ ny fanamasinana omena
no “...zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny
toe-panahy araka an’ Andriamanitra.... 2 Petera 1:3.
Rehefa avelantsika Andriamanitra hanao ho antsika izay
tsy haintsika hatao ho an’ ny tenantsika dia manjary
antsika ireo fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra
ireo.
Tokony ho
vavaka ataontsika ny nataon’ i Daniela hoe: “Anao ny
fahamarinana, Tompo
פ,
fa anay kosa ny fangaihaizana..” Daniela 9:7.
Mafy amin’
ny olona ny mihatrika ny zava-misy fa tsy misy na inona
na inona mitoetra ao aminy. “Rehefa hitan’ ny olona ny
maha-tsinontsinona azy, dia voaomana hotafiana amin’ ny
fahamarinan’ i Kristy izy.”5 Rehefa
misy mampiasa ny teny hoe “mihatsaravelatsihy” dia
fantatsika ny tiany mpiteny holazaina. Inoako fa izao
fotsiny ihany no tian’ i Daniela hambara: “Tompo
פ,
tsy mampaninona izay endrika ezahiko aseho, mitarika ho
amin’ ny fangaihaizana izany satria tsy tena izy.”
Enga anie
avelantsika Andriamanitra hanao ny tenany ho tena izy ao
amintsika ka ho afaka hiara-miteny amin’ i Paoly isika
hoe: “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava
hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho
amin’ ny fahazavan’ ny fahalalאna
ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’i
Jesosy Kristy. Fa manana izao rakitra izao atao
amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny
halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay. 2 Korintiana
4:6, 7.
Omena
antsika ao amin’ ny 2 Petera 1:5-7 ny tohatr’ i Petera
momba ny fanamasinana: “Amin’ ny finoanareo dia manehoa
fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fantajahan-tsainareo
dia fahalalאna,
ary amin’ ny fahalalאnareo
dia fahononam-po ary amin’ ny fahononam-ponareo dia
faharetana ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy
araka an’ Andriamanitra ary amin’ ny toe-panahinareo
araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary
amin’ ny fitiavana ny rahalahy dia fitiavana ny olona
rehetra. “Asehon’i Petera amintsika eto ireo dingana
izay hahatrאrana
ny fanamasinana araka ny Baiboly.
“Ny finoana, ny
fahatanjahan-tsaina, ny fahalalאna,
ny fahononam-po,ny faharetana, ny toe-panahy araka an’
Andriamanitra ary ny fitiavana ny rahalahy sy ny
fitiavana ny olona rehetra dia samy zana-tohatra
hianihina avokoa. Amin’ ny fianihantsika ireo
zana-tohatra rehetra ireo no hahazoantsika famonjena,
satria amin’ izany no hiakarantsika ambonibony kokoa
hatrany ho fanatrאrana
ny haavo atolotr’ i Kristy hotratrarintsika. Ho amin’
izany no nanaovana Azy ho “fahendrena, sy fahamarinana
sy fanamasinana ary fanavotana ho antsika.”6
Alohan’ ny
hiakarantsika io tohatra io dia tsy maintsy
fantarintsika bebe kokoa ny toetra mampihavaka io
rafitra manokana io. Samy dingana eo amin’ ny fivelaran’
ny toetra amam-panahy ny zana-tohatra tsirairay amin’ io
tohatra io. Nefa tsy tonga eo amin’ ny fahatanterahana
ny dingana tsirairay alohan’ ny handrosoana miakatra ny
tohatra.
Azontsika
lazaina fa tahaka ny tohatra tady, mihantona avy any
ambony io tohatra io. Izany no mahatonga azy ho tohatry
ny finoana, avy any ambony ny tanjany. Manomboka amin’
ny zana-tohatra farany ambany ny mpihanika ka dingana
iray no ataony isaky ny miakatra, izay manampy amin’ ny
toetra amam-panahiny ary “ny kajy ampiasainy amin’ ny
anjara asany dia “fanampiana”, ny kajy ampiasain’
Andriamanitra amin’ ny asa ho azy kosa dia
“fampitomboana”.7
Atao araka
ny filaharany ny dingana satria mifamatotra izy
ireo ary mifampiankina. Eo amin’ ny zana-tohatra
voalohany no miorina ny faharoa. Mbola ny kajy
fampitomboana ihany no ampiasain’ Andriamanitra isaky ny
dingana eo amin’ ny toetra amam-panahy raha mbola mitohy
ny fitomboantsika ara-panahy.
Misy
zavatra fanampiny tsara ho fantatsika momba io tohatra
io:
“Akory ny hakanton’
izany mety hitovizana amin’ i Kristy izay atolotra ny
mpino tsirairay, dia ny fankatoavana ireo fitsipika
rehetra amin’ ny lalאna!
Kanefa tsy vitan’ ny olona velively amin’ ny herin’ ny
tenany samirery ny hahatratra izany fenitra izany,
satria ny fahamasinana izay ambaran’ ny tenin’
Andriamanitra fa tsy maintsy hanאnana
mba havoavonjy azy, dia vokatry ny asan’ ny fahasoavan’
Andriamanitra, rehefa milefitra amin’ ny hery miasa
mangina, manabe sy manitsy, avy amin’ ny Fanahin’ny
fahamarinana izy ...ny anjaran’ ny Kristiana dia ny
hitozo handresy ny diso rehetra eo aminy. Tokony
hivavaka lalandava amin’ ny Mpamonjy izy mba
hanasitranana ny fanahiny voan’ ny aretim-pahotana.
Samy tsy anאnany
na ny fahendrena na ny hery ahazoana ny fandresena. An’
Andriamanitra izany, nefa
omeny amin’ izay mitalaho amin’ ny fo torotoro sy
manetri-tena ka mangataka famonjena Aminy.”8
Voamarikao
ve fa ny anjarantsika dia ny milefitra amin’ ireo
fanandramana entin’ ny fiainana, tsy arahin-taraina, ary
manaiky fa avy amin’ i Kristy ny zavatra rehetra, na dia
mety ho Satana aza no nihaviany? Satria ny
akanjom-paharinanan’ i Kristy no mihodidina antsika, dia
tokony ekentsika fa tsy misy na inona na inona afaka
mikasika antsika ka tsy navelany. Romana 8:28.
Izay hany
avelan’ i Kristy hikasika antsika dia izay hanampy ny
toetra amam-panahintsika ho tonga tahaka ny azy.
(Jereo
Sambatra p. 60). Ny fanekentsika io fahamarinana io no
hianarantsika hahatoky Azy amin’ ny lafim-piainana
rehetra. Dia, velona amin’ ny finoana isika fa tsy amin’
ny fahitana. Toy izany no niveloman’ i Jesosy teto an-tany
ho ohatra ho antsika.
Misy sary
anankiray ity: “Mandritra ny andro iainana ny faharetan’
ny asa fanavozana atao ho an’ ny mpanota mikatsaka
fahamasinana. Miasa ho fanamasinana ny Kristiana isan’
andro isan’ andro Andriamanitra ary ny olona kosa tokony
hiara-miasa Aminy, ka hihezaka hamboly fahazarana tsara.”.9 Voafaritra
mazava indray ny anjara asan’ Andriamanitra sy ny anjara
asan’ ny olona. Ny anjara asan’ Andriamanitra dia ny asa
fanamasinana isan’ andro. Ny anjara asantsika dia
fiaraha-miasa “mba hamboly fahazarana tsara”.
Raha tokony
“hamboly fahazarana tsara” isika, dia tonga ho azy ny
fanontaniana hoe: Ahoana? Mety ho azo handramana ny
fanazarana ny sitrapo, ny ezaka mitohy sy maharitra, ny
famerimberenana ny fahazarana tian-kitoetra, na azo
andramana koa ny vavaka.
Soso-kevitra
ny ahy fa nofidina ny teny hoe “mamboly” noho ny
halalin’ ny dikany, tsy hisalasalana izany. Raha
solointsika hoe “karoty” ny teny hoe “fahazarana”, dia
tsy hanahirana antsika firy ny hahazo ny hoe “Ahoana”?
Samy mahay
mamboly karoty isika rehetra. Alאna
fotsiny ny ahi-dratsy ary havאna
ny tany hanirian’ny karoty. Ary ny karoty kosa?
Avelantsika hokarakarain’ ny Tompo. Izy irery ihany no
afaka hampaniry azy. Ny hany azontsika atao dia ny
manala ny sakana amin’ izany fitomboana izany.
“Maniry mafy ny haneho ny fahasoavany
Izy. Raha hesorin’ ny olona ny zava-misakana, dia
handrotsaka ny onin’ ny famonjena hitosaka be dia be
amin’ ny alאlan’ ny
olombelona natao fantsona Izy”.10
“Tsy
misy zavatra atahoran’ i Satana tahaka ny hanavatsavan’
ny vahoakan’ Andriamanitra ny lאlana
ka hanesorany ny sakana rehetra, hahazoan’ i Jehovah
mandrotsaka ny Fanahiny amin’ ny fiangonana ana sy ny
vahoakany mafy hatoka.”11
Efa
fantatsika fa tsy afaka manova ny tenantsika isika.
“Moa
manova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va
mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa
ianareo izay efa zatra nanao ratsy”. Jeremia 13:23; Ny
anjara asantsika amin’ ny fanalאna
izay manakatsakana sy manembatsembana eo amin’ ny
fanefena ny toetra amam-panahintsika dia ny manavaka azy
rehefa mahita azy. Ary avy eo dia hitozo angataka
amim-bavaka ny fanasitranan’ Andriamanitra ny fanahy
voan’ ny aretim-pahotana. Hoesoriny ireo sakatsakana
rehefa vonona ny tsy hiaro ireo zavatra manakatsakana
ireo isika. Ilaintsika ny manavaka ny ahi-dratsy sy ny
tena zava-maniry.
Zava-maniry
marefo ny vokatry ny Fanahy izay mila fanolokoloana sy
fitandremana mandra-pahazoany faka tsara. Rehefa izany,
dia manjary miroborobo izy, hany ka afaka miteny tahaka
an’ i Paoly isika hoe: “...tsy misy mahazongozona ahy
ireo zavatra ireo....”
Asan’ny Apostoly 20:24
(nadika avy tamin’ny King James Version.)
Io
asa fanomanana rehetra io, tahaka ny fiakarana ny tohatr’
i Petera, dia asan’ ny finoana. “Misy ireo izay miezaka
ny hiakatra ny tohatry ny fandrosoana Kristiana kanefa
arakaraka ny handrosoany dia miha-mametraka ny
fitokisany amin’ ny herin’ olombelona izy ireo, hany ka
vetivety dia tsy mahita an’ i Jesosy intsony, Tompon’ ny
finoantsika sy Mpanefa azy. Vokany: tsy fahombiazana.”
(Jereo
Vavolombelona Mahery, p. 468/3).
Aoka hazava
amintsika fa ny fanamasinana, tahaka ny fanamarinana dia
asan’ ny finoana isaky ny mandingana.
“Tokony ho tahaka an’
i Kristy ireo mpanaraka Azy – noho ny fahasoavan’
Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy
mifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny lalאny
masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly. Tsy
mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ ny alalan’
ny finoana an’ i Kristy ihany sy amin’ ny alalan’ ny
hery avy amin’ ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao
anatiny”.12
“Raha ny tenantsika
samirery dia tsy afaka manao zavatra tsara isika na dia
iray aza; nefa izay tsy azontsika atao, dia
hotanterahina amin’ ny alalan’ ny herin’ Andriamanitra
ho an’ ny fanahy tsotra sy mino rehetra. Tamin’ ny alאlan’
ny finoana no nanomezana ny zanaky ny teny fikasana.
Amin’ ny alאlan’
ny finoana no iforonan’ ny fiainana ara-panahy, ka
mahatonga antsika ho afaka hanao ny asan’ ny
fahamarinana”.13
“Tsy misy afa-tsy
Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra
amam-panahy izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka
ny demonia izay efa nifehy ny sitrapo”.
14
“Amin’ny alאlan’
ny fanomezana ny fahasoavan’ i Kristy no ahafantarana ny
tena toetry ny fahotana mahatsiravina, ary amin’ ny
farany dia voahongotra tsy ho ao amin’ ny tempolin’ ny
fanahy izany”.15
Milaza
amintsika mazava ireo fanambarana ireo fa rehefa zaraina
amintsika ihany ny toetra amam-panahin’ i Kristy eo
amin’ ny fanamasinana vao afaka mahita ny fahotana amin’
ny tena maha-izy azy isika – dia aretina mahafaty. Amin’
izay ihany vao afaka hianatra ny hankahala azy isika.
Manjary mazava izany rehefa manomboka miakatra ny
tohatra isika.
Mariho fa ny
ota no resahina, izay manondro ny aretina fa tsy ny
fahotana, izay fisehoan’ ny aretina. Azontsika atao mora
foana ny hampirongatra fankahalאna
lalina ny fahotana ao am-pontsika izay manambara fa misy
toe-pahotana anaty izay ipoirany. Nefa matetika no
mitodika any amin’ ny fisehoan’ny aretina ny ezaka
ataontsika fa tsy any amin’ ny fototr’ aretina. Ary izay
no tian’ i Satana ataontsika. Fa raha mbola tsy
voakarakara ny aretina, dia fantany fa ho eo hatrany ny
fisehoan’ ny aretina hahatonga antsika hitolona sy ho
resy foana.
Marina koa fa
ataontsika an-tsirambina izao zava-misy izao: Samy
tratry ny aretim-pahotana mitovy daholo ny olombelona
rehetra, eo amin’ ny maha-olombelona (nofo) azy. Na
manao ahoana, na manao ahoana ny firoson’ ny aretina,
araka ny fijerin’ Andriamanitra, dia mbola mahafaty
foana. Misy fisehoan’ny aretina anefa, izay toa azo
ekena ihany eo amin’ ny fiaraha-monina tsara indrindra;
fa ny hafa kosa tsipahina satria hoe mahatonga anao ho
tsy laitra hanarina.
Tsy maintsy
havela Andriamanitra haneho amintsika io toetra mahafaty
io ary hahatonga antsika hahita ny fahotana araka ny
fahitany azy. Amin’ izay dia ho fanirintsika lalina ny
ho afaka amin’ ireo rantsany maloto misandrahaka
mamatotra antsika. Nahoana no sarotra toy izany ho an’
ny olombelona ny mahita? Satria mpanota matevi-koditra
isika, maraorao, hany ka zara raha mahavaka ny fahotana
rehefa mifampikasoka aminy. Izao no zava-doza
amin’izany: rehefa toy izany ny fiainantsika dia
adinontsika fa “tsy nisy pentim-pahotana teo amin’ i
(Kristy), fahoriana tsy hay lazaina ho azy ny
mifampikasoka amin’ny ratsy noho ny toetrany masina,
sarotiny ny amin’izany.”16 Asa
be manao ahoana no tsy maintsy ho tanterahina ao
amintsika mba ahazoantsika mitaratra tanteraka ny
endriny.
Alohan’ ny
hiakarantsika an’ io tohatry ny fanamasinana io, andeha
isika hanao indray mijery ny kisary (Fanazavana
fanampiny D). Tiana naseho eo ny fomba hisandohan’ i
Satana ny planan’ ny fanamasinana toy ny ataony amin’ ny
fahamarinan’ ny Baiboly rehetra. Manomboka amin’ ny
finoana ny planan’ Andriamanitra ary mifarana amin’ ny
fitiavana (Fitiavan’ Andriamanitra). Ny an’ i Satana
kosa manomboka amin’ ny “izaho”, izay tena manan’ aina,
ary mifarana amin’ ny fihetsiky ny fo.
Mamorona
sakana, fanembatsembאnana,
izay tsy ahafahan’ ny Kristiana mamolavola ny toetra
amam-panahin’ i Kristy ny planan’ i Satana. Mihamahery
hatrany ireo toetra mampihavaka ny planany ireo, hany ka
manakana ny zavatra farany kendren’ ny fitiavan’
Andriamanitra tsy ho tratra. Ho solon’ izany dia misy
takalony tena mahaliana, maharenoka, sady mamitaka
antsointsika hoe: fihetsiky ny fo. Ao amin’io faritry ny
fiainana mampihetsika ny fo io no hihazonan’ i Satana
Kristiana aman-tapitrisany revo sady voafitaka.
Ny hafatra
tiako hampitaina tsy ny hoe tsy misy mampihetsika ny fo
eo amin’ ny lאlan’
i Jehovah. Misy tokoa izany.
Fa ny fitiavan’ i Kristy
no manery antsika. 2 Korintiana 5:14. Izany hoe ny
fitiavan’ i Kristy no mampitambatra antsika. Izany no
vokatry ny fitiavan’ Andriamanitra.
Rehefa ny fo no mihetsika dia mitarika ho amin’ ny
fisehoan’ ny fihetseham-po mahery, indrindra eo amin’
izay mifankahazo am-po izany. Ny fitiavan’ i Kristy etsy
an-daniny, mahatratra sy manafotra na dia izay manohitra
antsika ary na dia izay miady amintsika aza. Manaiky ny
fihetsika rehetra isan-karazany atao aminy nefa mbola
fitiavana ihany no asetriny izany.
Mazava fa tsy
toetra anaty eo amin’ ny olombelona izany. Tsy maintsy
ho fanomezana avy amin’ Andriamanitra. Izany no vitan’
ny fanamasinana.
Tokony ho
tsaroantsika koa fa fahasoavana (izay toetra
amam-panahin’ Andriamanitra tsy hananan’ ny mpanota) no
itomboan’ ny Kristiana (hanam-pitoviana amin’ i
Kristy), rehefa mamela an’ Andriamanitra hamolavola ny
toe-panahiny ao aminy izy, fa tsy hoe mitombo
fahasoavana izy (izany hoe: satria manam-pitoviana amin’
i Kristy izy dia mandray fahasoavana, izay toetra
amam-panahin’ Andriamanitra).17 Sarom-pantarina
ny fomba fiasan’ny fitomboana raha eo am-piasאna
izy, fa mazava kosa ny vokany ho an’ ny mpino sy ho an’
izay mifampikasoka aminy.
Raha miakatra
ny tohatra isika dia ataovy ao an-tsaina fa dingan’ ny
finoana avy ny dingana tsirairay araka izay asehon’ ny
fanambarana eo anelanelan’ ireo tohatra roa eo amin’ny
kisarintsika.
Eny, natao
hiakarana ny tohatra, ary efa ho vonona ny hanomboka
hiakatra isika. Andeha isika hivavaka hangataka an’
Andriamanitra haneho antsika ny sakatsakana sy ny
fanelingelenana rehetra izay mety hitsivalana amin’ ny
asany ao amintsika tsy hitondra ny vokatry ny
fahamarinana. Mety ho hevitra tsara ny manopy maso ny
voan’ ny toetra amam-panahy azontsika antenanaina fa
hiseho, raha miasa amin’ ny fomba mahagaga ao amintsika
Izy. “…Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana,
fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahalemem-panahy,
fahononam-po....”
Galatiana
5:22, 23.
7. NATAO
HIAKARANA NY TOHATRA.
A: TRANDRAO
1. Inona
ihany no avelan’ i Kristy hikasika antsika ary nahoana?
2. Miandoha
amin’inona ary miafara amin’ inona ny Planan’
Andriamanitra amin’ny fanamasinana?
Miandoha amin’ inona ary
miafara amin’ inona kosa ny plana sandok’ i Satana?
B: AMPIHARO
3.
“Tokony ho tsaroantsika koa fa fahasoavana (toetra
amam-panahin’Andriamanitra tsy hananan’ ny mpanota) no
itomboan’ ny kristiana (hanampitoviana amin’ i
Kristy), rehefa mamela an’ Andriamanitra hamolavola ny
toe-panahiny ao aminy izy, fa tsy hoe mitombo
fahasoavana izy (izany hoe: satria manam-pitoviana amin’
i Kristy izy dia mandray fahasoavana, izay toetra
amam-panahin’ Andriamanitra”. Ndeha hiakarana ny
tohatra e! Ento amim-bavaka ary raiso ho zava-misy eo
amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Selected
Messages; Book 1, p. 397
2 Ny
Tena Hasambarana, p. 69/1
3 Ny
Tena Hasambarana, p. 118/1
4 Henoinareo ny
fanoharana pp. 47/4
5 Christ our
righteousness, p. 104, The Review and Herald, September
16, 1902
6 Vavolombelona
Mahery, p. 466/1
7 The Acts of
the Apostles, p. 532
8 The Acts of
the Apostles, p. 532 (Sora-mandry avy aminay)
9 The Acts of
the Apostles, p. 532
10 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 253/1
11 Selected
Messages, book 1, p. 124
12
Hery Mifanandrina, p. 484/1
13 Ilay
fitiavana Mandresy, p. 84 /3
14 The Desire of
Ages p. 38
15 Selected
Messages, book 1, p. 366
16 The SDA Bible
Commentary, vol. 7A, p. 451; The Review and Herald, Nov.
8; 1887
17
Henoinareo ny Fanoharana, p. 232
8. Ho tsara fototra .
. .
amin’ny
finoanareo dia manehoa . . .
Alohan’ny
hiakarana tohatra dia mety ny mandinika ny fototra
iorenany! Koa satria ny finoana no zana-tohatra
voalohany, dia andeha horaisintsika hoe ny finoana no
fototra.
Mandefa
hafatra i Petera ho an’ ireo izay tahaka azy, efa
nohamarinina tamin’ ny finoana. Nefa injay misy miteny
hoe: “Efa nilaza ianao fa mihantona avy any ambony io
tohatra io ary tsy misy manohana avy aty ambany”. Marina
izany. Izay no maha-finoana ny fototra iorenany. Hoy i
Paoly “...izay ivelomako ankehitriny ao amin’ ny nofo
dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra
...” Galatiana 2:20. Tsy maintsy ataontsika ao an-tsaina
fa avy amin’ ny alalאn’
ny finoana avy any ambony ny fototra, sy ireo dingana
tsirairay amin’ ity tohatra ity. Raha ny marina, “...Izy
no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika
....” Asa 17:28. “…Tsy tompon’ ny tenanareo ianareo, fa
olom-boavidy ianareo….” 1 Korintiana 6:19-20. Ny rא
nalatsaka tao Kalvary io vidiny naloa io, ka nahatonga
an’ i Kristy ho nanana izay
fepetra
nilaina, araka ny lalאna,
hanamarina antsika sy hanafaka antsika amin’ ny
tenantsika. Mety ho sarotra amin’ ny sasany amintsika ny
manaiky fa ilaintsika ny ho afaka ho amin’ ny
tenantsika.
Hahitantsika ny toetsika ankehitriny ny fanehoan’
Andriamanitra an-tsary an’ i Isiraely fahizay: “…Henika
aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo
rehetra, hatramin’ny faladia ka hatramin’ ny loha dia
tsy misy izay tsy marary, fa ratra sy dian-kapoka ary
fery vao, tsy mbola voaporitra, na voafehy na voalemin’
ny diloilo izy.” Isaia 1:5, 6.
Tsy feno
fisaorana ve isika fa tena maty marina ilay olona-taloha
ao amin’ ny plana fanamarinana nataon’ Andriamanitra?
Dia omena fiainana vaovao isika ao amin’ i Kristy araka
izay ambaran’ i Paoly hoe: “Koa raha misy olona ao amin’
i Kristy dia olom-baovao izy (famoronana) efa lasa ny
zavatra taloha, indro efa tonga vaovao ireo” 2
Korintiana 5:17.
Zava-misy
mifototra amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra izany.
Mahatonga antsika ho mpiray amin’ ny foman’
Andriamanitra izany, araka ny voalazan’ i Petera.
Tsy maintsy
ataontsika mandrakariva ao an-tsaina fa olom-baovao ao
amin’ i Kristy isika. Ho tsapantsika, ombieny ombieny,
eo am-piakarana ny tohatr’ i Petera fa misy hery
matanjaka miasa ao amin’ ny rantsam-batantsika izay
hiady hanohitra ny fitarihin’ ny Fanahy mandritra io
dian’ ny finoana io. Matetika isika no hihika tahaka an’
i Paoly hoe: “Indrisy olo-mahantra aho! Iza no hanafaka
ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?” Romana 7:24.
Zava-dehibe ny
ahatsiarovantsika fa mbola mafotaka ary vao miha-mafy
aza ny ady ifanaovan’ i Kristy – Ilay mpifehy vaovaon’
ilay olona vaovao – sy Satana – ilay mpifehy voahongana
tao amin’ ilay olona-taloha – satria tezitra Satana.
Ny fomba fanaontsika mahazatra no nentiny niasa teo
aloha nifehezana ny fiainantsika. Tsy tokony
hadinointsika mihitsy fa miseho eo amin’ ny fanao
mahazatra ny toetra amam-panahy.
“Ny toetra, ny
mampihavaka ny tsirairay, ny fahazarana izay mampivaotra
ny toetra amam-panahy – izay rehetra atao ao an-tokan-trano
dia hiseho eo amin’ izay rehetra mifandray amin’ ny
fiainana. Ny fironana arahina dia hanjary eritreritra,
teny, fihetsika mifanahaka amin’ izany.”1
Izao koa no
vakiantsika :
“Ny toetra ratsy
ankamamiana eo amin’ ny fikarakarana ny
antsipirian-javatra kely dia mifindra eo amin’ ny
zavatra lehibebe kokoa… Amin’ izany dia mamorona
fahazarana ny asa atao miverimberina, ny fahazarana
mamolavola toetra amam-panahy ary ny toetra amam-panahy
no manapaka izay ho anjarantsika ho avy sy ho
mandrakizay”.2
Rehefa
mazava tsara ao an-tsaina ireo zava-misy ireo, dia
miharihary amintsika ny fototry ny ady: iza no hifehy ny
saina. Tsy maintsy mazava ny saintsika hahita ny
fahasamihafana eo amin’ ireo hery roa miezaka mafy
handray ny fahefana fara-tampony. Izao ary, aoka hilaza
ny marina tanteraka amin’ ny tenantsika isika ka
hamakafaka ary hahita izay fototry ny ankabeazan’ ny
fanapahan-kevitra noraisintsika teo amin’ ny fiainana:
na foto-kevitra na fihetseham-po. Raha milaza ny marina
isika, dia ho hitantsika fa matetika no nibahana na dia
teo amin’ ny fanapahan-kevitra ara-panahy aza ny
fihetsehampo. Ireo fihetseham-po ireo, izay lאlam-be
namehezan’ i Satana antsika, dia namolavola
endrim-pahazarana matanjaka ary tsy ho avelan’ i Satana
ho faty ireny raha tsy misy tena ady. Ny fanao mahazatra
eo amin’ ny fiainantsika aloha no manainga ny
valitenintsika eo amin’ny toe-javatra iray. Raha araka
ny fihetseham-pontsika ny ataontsika, dia andraisan’ i
Satana tombony iny toe-javatra noforoniny iny ary
ampiasain’ ny valitenintsika mahazatra hiampangana,
hanamelohana sy hanakiviana antsika. Miezaka izy amin’
izay ny hahatonga antsika hino fa tsy tena izy ny
fanamarinana antsika ary mamita-tena mihitsy isika.
Tsy maintsy
mampiana-teny ny Kristiana nateraka indray, velona amin’
ny finoana, hanao izay natoron’ ny anjely an’ i Adama sy
Eva rehefa maka fanahy azy Satana. Eto no tena toa
hanafotra antsika ny ady. Tsy nahomby ireo
raiaman-drenintsika voalohany, nefa kosa, afaka mandresy
isika ao amin’ i Kristy!
Amin’ ny fomba
ahoana? Nilazאna
i Adama sy Eva hitsipaka izay hevi-petsy asosok’i Satana
voalohany, dia ho voaaro izy.3 Tsy
maintsy fantarintsika eo amin’ ny valiteny mahazatra ny
fiasan’ ny fahavalo, ary mahalala ny fahalementsika
isika, ka aoka hitodika avy hatrany eo amin’ i Kristy
hitady fanampiana. Tsy maintsy ekentsika fa tsy
hampandresy antsika ny fanoherana, na manao ahoana na
manao ahoana fiezahantsika hifehy ny fihetseham-pontsika!
Rehefa mihatrika ny fahalementsika isika ka mametraka ny
toe-javatra ho amin’ i Kristy, dia hampiasאny
avy hatrany io toe-javatra io ihany ho fitaovana eo am-pela-tאnany
hamolavolana ny toetra amam-panahintsika. “Kristy irery
ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy
izay ravan’ ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia
izay efa nifehy ny sitrapo”.4
Miasa
mamolavola io toetra amam-panahy vaovao io Kristy ary
isika kosa serana dia serana milefitra amin’ ny asa
ataony mandritra ny fiakarana amin’ ny tohatra manontolo.
Andraikitra tsy misy fitsaharana ho antsika tsirairay
izany. Ny fanokafantsika ny varavarana amin’ ny alalאn
ny fileferana ihany no ahazoany manao ny asany ao amin’
izay vao noforonin’ ny tenany indray. Tsy maintsy
hanaiky an-tsitrapo mandrakariva hanala ny sakatsakana
sy ny fanelingelenana izay manohitra ny asany ao amin’
ny fiainantsika isika. Na dia ny fileferana aza dia
ahatsapana fahafam-po ny fahafantarana fa “Andriamanitry
ny fiadanana, Izay nitondra an’ i Jesosy Tompontsika,
Mpiandry ondry lehibe hiala amin’ ny maty, mitondra ny rאn’
ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo
amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao
anatinareo izay hankasitrahana eo imasony amin’ ny
alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra
mandrakizay mandrakizay Amena” Hebreo 13:20-21.
Na Jesosy aza
dia nahazo ny fandresena tamin’ ny alalan’ ny
fileferana, rehefa toa resy sy tsy nahomby Izy araka ny
fijerin’ ny olombelona Azy, noho izany, tokana ihany ny
lאlan’
ny fandresena ho antsika. Ho sarotra hiakarana io
tohatra io, tsy noho izy mitsatoka sy ratsy rafitra na
maraorao, fa noho ny “izaho” miezaka hatrany hanao ny
asan’ Andriamanitra, fa tsy hanao ny asan’ ny tenany –
dia ny milefitra izany.
Misy zavatra
manelingelina tsy maintsy ho esorina alohan’ ny
hanombohana hiakatra io tohatra io. Raha tsy maty ny
“izaho” amin’ ny alalan’ ny fanamarinana, dia tsy ho
afaka hiakatra ny tohatr’i Petera isika fa, indro fa
hanomboka hiakatra ny tohatra tsy izy.
“Fanandramana tsy fahita firy ny
fahateraham-baovao amin’ izao vanim-potoana izao. Izay
no antony mahatonga fahaverezan-kevitra betsaka toy izao
ao amin’ ny fiangonana. Betsaka, eny tena betsaka, no
mitondra ny anaran’ i Kristy, nefa tsy nohamasinina ary
tsy masina. Natao batisa izy,
fa nalevim-belona. Tsy maty ny “izaho”, ary noho izany,
tsy nitsangana ho amin’ ny fanavaozam-piainana ao amin’
i Kristy izy”.5
Hoy i
Paoly: “Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny
fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny
fitsanganany” Romana 6:5. Hoy koa izy: “...
nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny
nahafatesan’ ny Zanany isika, mainka ny hamonjena
antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny rehefa
nampihavanina” Romana 5:10. Miandraikitra izay rehetra
araka ny lalאna
ny fanamarinana, ny fanamasinana, na ny fizarאna
ny fiainan’ i Kristy kosa, no fomba hanapahana izay ho
fahaizantsika hiaina any an-danitra. Tsy misy
tombam-bidiny mitoetra ny fanamarinana tsy misy
fanamasinana ary tsy mety hisy izany fanamasinana tsy
misy fanamarinana izany.
“Takian’
Andriamanitra ny fo hilefitra tanteraka alohan’ ny
hisian’ ny fanamarinana; ary mba hihazonan’ ny olona
ny fanamarinana, dia tsy maintsy hisy fankatoavana
mitohy, amin’ ny alalan’ ny finoana velona sy mahery
izay miasa amin’ ny fitiavana sy manadio ny fanahy”.6 Izany
no fizotry ny fanamasinana.
“Aseho mazava eto ny fahamarinana.
Tsy mendrika tanteraka io famindram-po sy io fahatsarאna
io (ny mpanota). Maimaimpoana no hanamarinana ny mpanota
izay tsy manam-pahamendrehana na zo hitaky avy amin’ ny
tenany ny fahasoavan’ i Kristy. Famelan-keloka feno sy
tanteraka ny fanamarinana. Raha vantany vao manaiky an’
i Kristy amin’ ny alalאn’
ny finoana ny mpanota, amin’ izay fotoana izay indrindra
no mahavoavela azy. Isaina ho azy ny fahamarinan’ i
Kristy, ary tsy tokony hisalasala intsony ny amin’ ny
fahasoavan’ Andriamanitra mamela heloka izy”.7
Raha tsy
mbola niainanao izany fanamarinana amin’ ny finoana,
izany, izay fampileferana tanteraka tsy misy fepetra ny
tenanao amin’ i Kristy, ka nanekenao ny nahafatesany tao
Kalvary ho fahafatesanao amin’ “ny izaho”,
hanoso-kevitra anao aho hanondrika ny lohanao, izao
ankehitriny izao, ary hiditra ho eo amin’ ny fandresena
nomaniny ho anao.
8. HO TSARA
FOTOTRA: AMIN” NY FINOANAREO DIA MANEHOA....
A: TRANDRAO
1. Nahoana
no zava-doza ny fihetsehampo sy ny fihentanampo
(fihetsehan’ny fo)? Inona no fomba fanoherana an’i
Satana nampianarin’ny anjely an’ i Adama sy Eva.
2. Inona
no lאlan-tokana
mankany amin’ny fandresena?
B: AMPIHARO
3.
“Takian’ Andriamanitra ny fo hilefitra tanteraka ....
dia tsy maintsy hisy fankatoavana mitohy.... Izany no
fizotry ny fanamasinana”. Angataho amim-bavaka izany
fandresena eo amin’ny fileferana izany dia raiso ho
zava-misy eo amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Testimonies,
vol. 6, p. 174
2 Henoinareo ny
Fanoharana, p. 310/3
3 Patriarika sy
Mpaminany, p. 34
4 The Desire of
Ages, p. 38
5 The SDA Bible
Commentary, vol. 6, p. 1075, Manuscript 148; 1897
6 Selected
Messages, Book 1. p. 366 (Sora-mandry avy aminay)
7 The SDA Bible Commentary, vol. 6, p. 1071, The
Signs of the Times, May 19, 1898
9.
HITARINA NY FOTOTRA
“Fahatanjahan-tsaina”
Manaiky an’ i
Kristy ho Mpamonjy azy ho afaka amin’ ny fahotana ny
Kristiana manatona an’ i Kristy amin’ ny fileferana
tanteraka. Ny mandrakizay aloha no maha-seriny azy.
Mahatsiaro antoka izy ao amin’ i Kristy ka tsy mila
manahy intsony ny amin’ ny hoe “ho tafita ihany ve” ho
any an-danitra? Mahatsiaro maivamaivana izy nandray
fitahiana sy nahazo toky. Mety maharitra fotoana fohy
ihany izany na mety mitoetra. Nefa kosa, ho tsapan’izay
mpikatsaka mazoto ny fahamarinana fa ny fiainana
Kristiana anie ka tsy fiainana milantolanto tsy akory,
fa mifandray amin’ ny fiainana andavanandro henjana eto
amin’ ity izao tontolo izao itoeran’ ny fahotana ity.
Tsy ela dia fantany fa hafa izany hoe Kristiana miaraka
amin’ ny Kristiana – namana izay mitolona ho azy,
mivavaka ho azy, ary miezaka ny mampahery azy. Aty
aoriana, dia ho fantany fa hafa noho izany ny fiainana
eo amin’ ny toe-javatra samihafa. Hitany fa ny
tokantranon’ny tenany aza toa tsy toerana mora ivelomana
ny fiainana Kristiana tahaka ny any am-piangonana na ny
eo anivon’ ny mpiara-mandinika ny Baiboly izay nianarany
ny momba an’ i Kristy. Mety ho hitany fa misy fanapahan-kevitra
tsy maintsy horaisiny eo amin’ ny asa aman-draharahany
izay manelingelina azy, izao izy an’ i Kristy izao. Misy
fotoana mety handraisany tombon-tsoa betsaka raha
manaiky hifandray tendro kely fotsiny amin’ izao tontolo
izao izy, eo amin’ ny fomba fiainany vaovao. Ny
fihetsika mahazatra isaky ny zava-miseho, dia ny
mampiasa ny saina mandajalanja. Sarotra amintsika loatra
ny mahatsiaro fa tsy sainan’ olombelona mandajalanja tsy
akory ny finoana. Mitaky ny sain’ Andriamanitra
mandajalanja ny fahitana ireo valiteny marina. Hoy
Jesosy: “Avia ary hifandahatra isika...” Isaia 1:18.
“Natoky Ahy ianareo tamin’ ny famonjena anareo. Hatoky
Ahy koa ve ianareo amin’ ny fikarakarana izay ilainareo
isan’ andro? Avelanareo ve Aho hifehy ny endrika
tsirairay eo amin’ ny fiainanareo? Mampanantena Izy fa
raha manao izany isika dia hihantoka izay rehetra
ilaintsika Izy, ary ho fanampin’ izany ny fidirana
malalaka ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
Tsy milaza tsy
akory izany, mazava ho azy, fa fiainana milantolanto no
valiny rehefa dinihina. Nefa kosa, mampahery ny
mahafantatra, fa tokony hilefitra tanteraka amin’ i
Kristy aho izao, ao amin’ ilay fiainam-pinoana vaovao,
tahaka ny nileferako tamin’ ny fanaovan-dratsy talohan’
ny nanatonako an’ i Jesosy. Hoy i Paoly: “... Fa tahaka
ny nanoloranareo ny tenanareo ho mpanompo ny fahalotoana
sy ny tsi-fanarahan-dalאna,
dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny
tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka
fahamasinana” Romana 6:19.
Niaina izany
fiainana nilefitra tanteraka izany Jesosy, nefa nanana
fikendrena ambony Izy, feno herim-po Izy, nitandrina ny
hanao ny asa tsara indrindra nety ho vitany Izy.
Tsy afa-po
na oviana na oviana tamin’ ny asa tsizarizary Izy. Ny
Kristiana nateraka indray dia hanao izay tsara indrindra
mety ho vitany, na dia tsy ahitany tombon-tsoa ho an’ ny
tenany aza izany. Ambony noho ny fanomban’ izao tontolo
izao ny valisoany. Azon’ Andriamanitra hatao, ary
hataony izany, ny mametraka olona toy izany eo amin’ ny
toerana mpanapahana. Ary amin’ izany, ny voninahitry ny
tenany (ny toetra amam-panahiny) dia ho hita taratra eny
amin’ ilay olona izay ho toy ny andriamby hisarika olona
ho eo amin’ i Kristy.
Nolazaintsika tany aloha fa avy ao anaty ka miseho ety
ivelany ny asan’ i Kristy. Manaraka io plana io Izy eo
amin’ ny fanamasinana araka ny nasongadin’ ny tohatr’ i
Petera azy. Mikasika ny fihetsiky ny saina ireo dingana
telo voalohany. Raha milefitra Aminy ny saina dia tsy
hisy olאna
ny amin’ ny nofo. “Aoka ho ao aminareo izao saina izao,
izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa” Filipiana 2:5.
Mariho fa misy hoe “aoka” eo – fileferana ny fomba
fisainantsika mahazatra izany. Mitsofoka hatrany amin’
ny zorom-piainantsika rehetra ny fiainam-pinoana vaovao.
Midika fitokisana an’ i Kristy izany na dia tsy mazava
amintsika aza ny fomba ahazoany manao ny asany sy
hanaovany azy. Tsy mba ny fomba fiasan’ Andriamanitra na
oviana na oviana no maharevo ny finoana marina, fa ny
vokatra nampanantenainy ihany.
Misy
zavatra manembatsembana io karazam-pinoana io. Ny
fisalasalana no anisan’ ny fitaovana mahomby indrindra
fampiאsan’
i Satana. Voamarikareo ve fa rehefa miasa amin’ ny tsy
mpino i Satana dia miezaka ny hampitodika azy tsy ho eo
amin’ i Kristy, sy ny Baiboly ary ny fahamarinana izy?
Nefa kosa, rehefa Kristiana no iasאny,
dia mamorona fisalasalana izy. Io no plana nampiasainy
tamin’ i Eva. Nitandrina tsara izy aloha tsy hanohitra
an’ Andriamanitra.
Izay ampy
hamafy fisalasalana fotsiny ny amin’ ny antony
nanambaran’ Andriamanitra izay nambarany no nolazainy.
Rehefa avy namafy fisalasalana tao an-tsain’ i Eva izy
dia tonga ny fandavana ny fahamarinana. Efa
nampitandremana i Eva hanohitra ny hevi-petsy voalohany
avy amin’ ny fahavalo. Tsapany ho voatosika handositra
any amin’ ny vadiny – Adama- izy. Tsapany indray fa
raha mihatrika ny fahavalo izy dia hanana hery ampy
hanoherana azy. Mifanatri-tava aminy niova endrika izy
izao, ary indro izy fa miady hevitra aminy.1 Tsy
misy zavatra mahafinaritra an’ i Satana mihoatra noho ny
mitarika ny Kristiana hifanandrina aminy. “Miezaka izy
mba hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ ny fitiavan’
Andriamanitra sy ny fahendreny. Milofo tsy an-kijanona
izy mba hanisika ao aminy toe-tsaina lian-kahalala sy
tsy fanajana ary faniriana tsy mety tony ta-hamantatra
ny tsiambaratelon’ ny fahendrena sy ny herin’ ny
Tsitoha”.
2
“Tsy misy afa-tsy lalאn-tokana
no azo hizorana ho an’ ireo izay maniry tokoa ho afaka
amin’ny fisalasalana. Aoka tsy hisalasala na hanao
fanadihadiana diso lאlana
mikasika izay tsy takatry ny saina izy, fa hitandrina
kosa ny fahazavana izay efa mamirapiratra sahady eo
aminy; amin’ izay dia handray fahazavana lehibebe kokoa
izy”.3
Ny
andraikintsika dia ny mandeha amin’ ny finoana; izay
mitaky fankatoavana, na dia tsy azontsika aza ny “nahoana”.
Manambara ny
Hebreo 11, ilay toko lehibe momba ny finoana, fa ny
finoana “no” fahatokiana sy fanehoana, fa tsy “manana”
fahatokiana sy fanehoana. Mety ho sarotra ho antsika ny
mahita ireo toetra roa mampiavaka ny finoana ireo.
Manana fironana isika hihezaka hizaha raha tena
mananafinoana marina isika. Aiza no hizahantsika izany?
Matetika dia ny fihetseham-pontsika no zahantsika! Hoy
isika hoe: “mahatsapa an’ izao sy izao aho”. Eo amin’ ny
zavatra azo itokisana kokoa noho ny fihetsehampo no tsy
maintsy hitoeran’ ny finoantsika.
Kianja filalaovan’ ny
devoly ireny. “Tsy finoana-fahalalana fotsiny ny finoana
fa fahatokisana koa”.4 Ny
devoly koa mba mino, ary mangovitra” Jakoba 2:19. Mazava
fa tsy finoana izany finoana-fahalalany izany.
Inona no maha-zava-dehibe ny fahazoana an’ izany amin’
ny tohatr’ i Petera? “Kristy irery ihany no afaka
hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan’ ny
fahotana”.5 Ny
tena fanontaniana izay tsy maintsy ho valiantsika
tsirairay dia ny hoe: avelantsika ve Izy hanao ny asany
ao amintsika? sa hihizingizina hanao ny ampahan’ny asany
isika?
Ny fironana
dia ny hoe “manadraisa anjara e”. Nefa tokony ho vonona
isika hamela ny Mpanao tanimanga hahatע
ny fikasאny
ka hianom-pahasambarana eo am-pela-tאnany.
Amin’ izay, ary amin’ izay ihany vao hisy vidiny ny
vokatry ny asany!
9. HITARINA NY
FOTOTRA: FANTAJAHAN-TSAINA
A: TRANDRAO
1. Azonao
itokisana ve ny saina-mandanjalanja eo amin’ny ady
amin’ny Ratsy? Nahoana?
2. Ny fomba
fiasan’ Andriamanitra ve sa ny teny fikasany no fototra
iorenan’ny tena finoana?
Inona no
manembat-sembana io karazam-pinoana io?
B: AMPIHARO
3. “Nefa
tokony ho vonona isika hamela ny Mpanao tanimanga hahatע
ny fikasany ka hianom-pahasambarana eo am-pela-tאnany”.
Ento amim-bavaka dia raiso ho zava-misy eo amin’ny
fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1
Jereo Patriarika sy Mpaminany , p. 34-38
2
Patriarika sy Mpaminany , p.36/3
3
Hery Mifanandrina, p. 549
4 Selected
Messages, book 1, p. 389
5 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 31/2
10.
TOVOZAN-KERY TSY MISY FETRA
“Fahalalana”
Nivavaka Jesosy hoe: “...Ary izao ny fiainana
mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao Izay Andriamanitra
tokana sady marina sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao”
Jaona 17:3. Nijoro ho vavolombelona indray i Jaona : “Ry
malala, aoka hifankatia isika fa avy amin’ Andriamanitra
ny fitiavana….
Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jaona 4:7, 8. Tokony
heken’ ny Kristiana tsirairay nateraka indray, fa raha
hitaratra ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra izy, dia
tsy maintsy miseho ho azy eo amin’ ny lafim-piainana
rehetra ny fitiavana. Tsy isandohana izany fitiavana
izany - tsy isalorana – tsy maintsy ho avy ao anaty
izany ary Kristy irery no mety ho loharanon’ izany
fitiavana izany. Tsy afaka hamolavola io fitiavana io ny
Kristiana, fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay avy
amin’ ny fahalalana Azy izany.
“Ny fahalalana an’
Andriamanitra araka izay aseho ao amin’ i Kristy no
fahalalana tsy maintsy hananan’ izay rehetra ho
voavonjy. Fahalalana miasa ho fanovan-toetra amam-panahy
izany. Io fahalalana io, rehefa noraisina, dia hamorona
indray fanahy araka ny endrik’Andriamanitra.
Hizara hery ara-panahy izay avy amin’
Andriamanitra izany eo amin’ ny tena manontolo .…1
Mitombo ny
fahalalana toy izany eo amin’ ny fifandraisana misy
finoana miasa izay mamatotra ny andaniny sy ny ankilany
ho etiety kokoa hatrany, isaky ny fanandramana vaovao.
Vaomarikao ve fa ny fahalalana an’ Andriamanitra, araka
izay aseho ao amin’ i Kristy, no tsy maintsy
hananantsika ary izay no hamerina ny toetra amam-panahin’Andriamanitra
ao amin’ ny olona? Mety ho izany ve no antony
hamporisihina antsika handany adiny iray feno
fieritreretana hamakiana sy handinihina ny fiainan’ i
Kristy, indrindra ireo toe-javatra farany?
Ny
fanandramana toy izany dia haneho amintsika fa, amin’ ny
maha-olombelona Azy Jesosy, dia nianatra momba an’
Andriamanitra teo amin’ ny reniny aloha, avy eo, rehefa
nihalehibe izy, dia avy tamin’ ny zava-boary. Rehefa
nianatra namaki-teny izy, dia avy amin’ ny Soratra
Masina no nianarany ny momba an’ Andriamanitra.
Nitondra fahazavana teo amin’ ny fianarany ny Rainy ary
naneho Azy ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany. Tsy
nampihena, na dia kely aza, ny fahatokiany teo amin’ ny
fanaovana ny anjara fanampiana teo amin’ ny
fanatanterahana ny anjara asany tao amin’ ny
fianakaviana io fahalalana io. Nanjary nahomby izy teo
amin’ ny asam-pivelomany ary niasa mafy izy hanohana ny
fianakaviana mandra-panomboany ny asam-panompoany
ampahibemaso.
Ho hitantsika
fa arakaraka ny nahalalאny
an’ Andriamanitra, ny nileferany bebe kokoa, ary ny
niafarany dia tonga teo amin’ ny fahatanterahany ny
fileferany tao amin’ ny sahan’ i Getsemane, raha
niantsoantso Izy hoe: “Ray o, raha sitrakao, esory amiko
ity kapoaka ity; nefa tsy ny sitrapoko anie no atao fa
ny anao” Lioka 22:42.
“Tokony handinika ny
fiainan’ ny Mpanavotra antsika isika, satria Izy no
ohatra tanteraka ho an’ ny olona. Tokony hibanjina ny
sorona tsy hita lany tao Kalvary isika, ary hahita ny
maha-ota mahatsiravina tanteraka ny fahotana sy ny
fahamarinan’ ny lalאna.
Hahazo hery sy ho mendrika andriana ianao rehefa
nandinika lalina ny loha-hevitra momba ny fanavotana.
Hihalalina ny fahazoanao ny toetra amam-panahin’
Andriamanitra; ary raha mazava ao an-tsainao ny drafitry
ny fanavotana manontolo, dia ho afaka hanatanteraka
kokoa ny iraka nomen’ Andriamanitra anao ianao. Noho ny
faharesen-dahatra lalina ao aminao, dia ho afaka hijoro
ho vavolombelona eo anatrehan’ ny olona ianao ny amin’
ny toetry ny lalאna
tsy miova, izay nasehon’ ny nahafatesan’ i Kristy teo
amin’ ny hazo fijaliana, ny amin’ ny toetra mahafaty ny
fahotana, ary ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra
raha manamarina ny mpino an’ i Jesosy Izy, araka ny ho
fankatoavany ireo fitsipiky ny fanjakan’ Andriamanitra
any an-danitra sy ety an-tany”.2
Vakio tsara ny
lahatsoratra efa noraisina etsy aloha izay haneho
zavatra efatra halalinintsika manokana eo am-pandinihina
ny fiainan’ i Kristy: 1) Ny sorona tsy hita lany nataony,
2) ny maha-fahotana ny fahotana, 3) ny fahamarinan’ ny
lalאna,
4) ny lahakevitra momba ny fanavotana. Raha io
fahalalana io no ataontsika tarigetran’ ny fianarantsika,
dia ampanantenaina setriny efatra manokana isika: 1)
Hahazo hery sy ho mendrika andriana isika, 2) hazava
kokoa amintsika ny fahazoana ny toetra amam-panahin’
Andriamanitra, 3) hazava kokoa amintsika ny drafitry ny
fanavotana, 4) ho afaka kokoa isika hamita ny asa
nanirahan’ Andriamanitra antsika. Amin’izay isika dia ho
afaka hijoro ho vavolombelon’ ireo foto-kevitra telo eo
amin’ ny drafitry ny fanavotan’ Andriamanitra, noho ny
faharesen-dahatry ny tena manokana: 1) ny toetry ny lalאn’
Andriamanitra tsy azo ovאna,
2) Ny toetra mahafaty ny ota, 3) ny planan’
Andriamanitra momba ny fahamarinana amin’ ny finoana.
Maneho antsika ny maha-marina sy ny maha-mpamindrafo an’
Andriamanitra eo amin’ ny toetra amam-panahiny izay
iriny ho dika-mitovy eo amin’ ny mpino tsirairay ireo
foto-kevitra ireo.
Nomanin’
Andriamanitra ny famporisihina rehetra hampahazoto
antsika hiditra eo amin’ ity plana fianarana ity. Romana
5:1, 2, dia manome toky fa ho vita fihavanana amin’
Andriamanitra ny mpino nohamarinina ary manana ny tombon-tsoa
hijoro ao amin’ ny toetra–amam-panahin’ Andriamanitra (nozaraina)
mandritra ny fizotry ny fanamasinana. Manome toky kosa
ny Romana 8:1, 2 fa ho afaka amin’ ny fanamelohana ny
Kristiana ao anaty ny fanamasinana (mandeha miaraka amin’
i Jesosy) ka handray ny fitahiana lehibe indrindra azo
heverina – dia ny Fanahy izay hampianatra azy ny fomba
fiarahana mandeha amin’ i Jesosy. Fa “ny fiainana ao
amin’ i Kristy Jesosy” no tena lalאn’
ny Fanahy.
Jesosy tenany
mihitsy no nilaza hoe “fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy
Masina Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no
hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro
anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo”.
Jaona 14:26. Asan’ ny Fanahy Masina ny maneho amintsika
izay tena dikan’ “ny fiainana ao amin’ i Kristy Jesosy”.
Ny fahalalana
an’ Andriamanitra araka izay aseho ao amin’ i Kristy
Jesosy no fahalalana mazava indrindra, mora azo
indrindra ary azon’ ny olona horaisina indrindra amin’
ny fahalalana rehetra. Voasoratra amin’ ny voninkazo
rehetra izany, amin’ ny hazo rehetra, eny amin’ ireo
kintana eny an-danitra, eo amin’ ny fahazavan’ ny
masoandro, eo amin’ ny ranomasimbe lalina sy eo amin’
izay rehetra noharin’ ny tאnan’
Andriamanitra. Voasoratra eo amin’ ny bokiny izany – dia
ny Baiboly masina. Andriamanitra koa dia nandefa ny
persona fahatelo amin’ Andriamanitra ho Mpampianatra
antsika momba izay vakiantsika ao amin’ ny boky ny
zava-boary na izay voasoratra ao amin’ ny Teniny. Ny
zava-tokana kendreny dia ny hahitantsika ny tena izy eo
amin’ ny “fiainana ao amin’ i Kristy”.
Izao
ankehitriny izao, izao ianao mamaky ireto an-dאlan-tsoratra
ireto, dia mety manana fihetseham-po ianao izay
horaisin’ ny sainao ho antony hampihemorana ny fotoana
hikatsahanao ity fahalalana ity. Ireo fihetseham-po ireo
no sakana lehibe indrindra tsy hahatraranao ny
zava-kendrena.
Izao no
heverintsika: tsy manam-potoana aho, tsy azoko izany,
irery aho – raha mba misy olona miara-mianatra amiko,
sao hiova be ny fiainako, ka hihomehezana na holavin’ny
olona aho. Fihetseham-po avy amin’ i Satana daholo
izany, satria fantany tsara ny herin’ ny fihetseham-po.
Mamelא
ahy hampahatsiaro anao fa mifanohitra ny fihetseham-po
sy ny finoana, mifanao atsimo sy avaratra. Noho izany,
aza fihetseham-po no katsahina, fa ny fahalalana avy any
ambony ary aoka ho afaka hanao fanandramana ny amin’ ny
“fiainana a amin’ i Kristy Jesosy” izay fitiavana tsy
lany ritra – tena herin’ Andriamanitra ianao.
Rehefa miara-mandeha
amin’ i Jesosy isika, dia tsy maintsy ho tsaroantsika fa
tsy manameloka antsika Izy na manao diso aza isika. Izy
no Havantsika any an-danitra izay mijoro, vonona ny
hanampy antsika, amin’ ny fanovאna
ny diso ataontsika ho vato fiakarana fa tsy ho vato
mahatafintohina.
Satana no
mpanameloka gaigilahy. Hoy ny Tenin’ Andriamanitra: “Fa
Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany hanameloka an’ izao
tontolo izao, fa hamonjy an’ izao tontolo izao” Jaona
3:17.
Ny
fahalalana Azy fotsiny dia nanova olon-dia ho tonga
Kristiana tia sy mahate-ho tia.
Tsy misy fahalalana hafa
eto an-tany na any an-danitra afaka hanao izany. Oh!
Manao ahoana ny ilאntsika
mahafantatra Azy izay fiainana mandrakizay ny fahalalana
Azy.
10. TOVOZAN-KERY TSY MISY FETRA.
A: TRANDRAO
1.
Velabelaro ny momba ireo zavatra efatra tokony
hianaranao mifandraika amin’ny fiainan’i Kristy. Inona
no vokatra efatra ho azonao araka ny teny fikasana ary
inona koa ireo fitsipika telo hiharihary maneho ny
fahamarinana sy ny indrafon’ny toetr’Andriamanitra?
2.
Inona no sakana tsy ahitanao ny asan’ny Fanahy Masina,
ilay Mpampahery, hahatraranao ny tanjona?
B: AMPIHARO
3.
Izy no havantsika avy any an-danitra Izay mijoro, vonona
hanampy antsika, amin’ny fanovאna
ny diso ataontsika ho vato fiakarana fa tsy ho vato
mahatafintohina”. Angataho amim-bavaka ny hahalalanao
Azy dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 My Life
Today , p. 293
2 Christ our Righteousness, p. 35
11.
LAHARAM-PAHAMEHANA
“Fahalalana Onony”tc "“Fahalalאna
Onony”"
Ny
fahalalana an’ Andriamanitra norantovina avy tamin’ ny
fandinihina ny fiainan’ i Kristy dia mitarika antsika ho
azy hanasa an’ i Kristy hametraka ao amintsika ny toetra
amam-panahiny. Tamin’ny alalan’ ny finoana no nanovאn’
i Kristy ny saintsika – narindrany tamin’ ny sain’ ny
tenany – ankehitriny koa, toy izany, dia manomboka
manova ny fomba fiainantsika mihitsy izy. Tsy maintsy
hiantomboka amin’ izay tena ilain’ ny olona indrindra
izany asa izany.
“Ny fahalalana onony ihany no fototry
ny fahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra, fototra
iorenan’ ny fandresena rehetra tokony ho azo”.1
Ilaina eto ny famaritana mazava ny atao hoe fahalalana
oniny.
“Ny tena fahalalana oniny dia
mampianatra antsika hifady tanteraka izay zavatra
rehetra manimba, ary hampiasa amim-pahendrena izay
mahasoa. Vitsy no mahatsapa araka izay tokony ho izy
hatraiza ny vokatry ny fahazarany eo amin’ ny
sakafony izay miantraika eo amin’ ny fahasalamany, ny
toetra-amam-panahiny, ny soa mety ho vitany eo amin’
izao tontolo izao, ary ny ho anjarany ho mandrakizay.
Tokony hofehezin’ ireo hery ara-pitondran-tena sy
ara-tsaina ny fitiavan-komana. Tokony
hanompo ny saina ny vatana, fa tsy ny saina no manompo
ny vatana”.2
“Mahafaoka ny
fampanaranam-po ny fitiavan-komana sy ny firehetam-po
manimba rehetra ... ny tsi-fahalalאna
oniny.”3
Ilaina ny
hitazonana mazava tsara ao an-tsaina fa mikasika izay
hifehy ny sain’ ny olona ny ady ifanaovan’ i Kristy sy
Satana. Mazava ho azy, noho izany, fa hanao izay rehetra
azony hatao Satana hanimbana na hampahosana ny herin’ny
sain’ ny olona. Raha azony atao ny hampihena ny fiasan’
ny saina ho ambany noho izay fahafahana nomen’
Andriamanitra azy, dia hahazo tombony be amin’
Andriamanitra izy amin’ izay. Raha tsy afa-manakatra ny
zavatra momba an’ Andriamanitra ny saina, ahoana moa no
ahafahany mamoaka fehin-kevitra mijoro? Vokatr’izany dia
tsy azo ampiasaina amin’ ny fomba mahasoa ny sitrapo.
Fantatr’i Satana fa raha tsy ampiasaina amin’ ny fomba
mahasoa ny sitrapo, dia izy no manatombo. Mamorona
fisalasalana izy, mampiasa ny fanerena avy amin’ ny
namana izy, sns., ka ataony izay hampihemotra ny
fanapahan-kevitra. Tandremany fatratra ny tsy
ahafantarantsika fa fandraisana fanapahan-kevitra anie
ny fanemorana fanapahan-kevitra. Fampiasאna
ny sitrapo izany, saingy manome tombony azy.
“Ny sakafo faran’ izay
tsotra no tokony hampiasainao, nokarakaraina araka izay
fomba tsotra indrindra, mba tsy hahaosa, na hahadonto,
na hahavoan’ ny paralysisa ireo retsika manify ao amin’
ny ati-doha, ka tsy ho hainao ny hanavaka ny zavatra
masina, sy hanombana ho sarobidy indrindra ny fanavotana,
sy ny fanadiovan’ ny rאn’
i Kristy.”4
“Manomboka eo
amim-pisakafoanana ny tsi-fahalalana oniny amin’ ny
fihinana sakafo tsy mahasalama.”5 Koa
tsy maintsy hipaka hatrany amin’ ny fototry ny olאna
ny fahalalana oniny ary avy eo dia hisandrahaka hanenika
ny fiainana manontolo.
Nisy
fandaharana mirindra misy fizarana valo nalefan’
Andriamanitra ho antsika, fitopolo taona lasa izay,
hitehirizana ny fahasalamantsika ara-tsaina sy
ara-batana, hiasa ho amin’ ny heriny fara-tampony. “Ny
rivotra madio, ny masoandro, ny fahalalana oniny, ny
fialan-tsasatra, ny fampiasan-tena, ny sakafo ara-dalאna,
ny rano, ny fitokisana an’ Andriamanitra – ireo no tena
fanafody marina.”6
Maro tsy hita
isa ny filazאna
avy amin’ ny tsindrimandry momba io plana io, azontsika
hianarana ao amin’ ny Baiboly sy ny asa soratr’ i Ellen
White. Raha ekentsika ho manam-pahefana ireo loharano
ireo, dia manana fitaovana fanomba-nana an’ ireo
filazana hafa rehetra isika.
Farany dia
nanamarina ny planan’ Andriamanitra momba ny
fahasalamana ireo mpikaroka amin’ izao fotoana izao, ary
be dia be ny antonta-kevitra momba ny tsirairay amin’ io
plana io. Nisy olona maro izay nomen’ Andriamanitra
fahazavana ka nanoratra tamin’ ny teny manan-kery nefa
mazava, mikasika ireo lafiny samihafa amin’ io plana io.
Tsy misy fialאn-tsiny
azontsika halahatra ankehitriny.
Nefa kosa,
hodinihintsika akaiky ny fahalemena lehibe indrindra eo
amin’ ny olona – dia ny atendany. Raha entina hofehezin’
i Kristy io, dia hahazo ny fandresena amin’ ny fahotana
mandoto rehetra isika.
“Ho hita fa
handringana olona aman’ arivony ny hery mifehy eo amin’
ny atendana, nefa, raha noresin’ izy ireo izany dia ho
nahazo ny fandresena amin’ ny fakam-panahy hafa rehetra
nalefan’ i Satana izy”.7
Ny fahalalאna
oniny dia midika ho “fifehezana ho amin’ ny antonony ny
atenda-kaninan sy ny firehetam-po”. Ny “atenda-kanina
kosa dia “faniriana anaty miredareda”. Rehefa hitantsika
io fifandraisana ety io, sy ny faritra midadasika
faritan’ ny atendana, vao mety ho azontsika ny teny
noraisina etsy ambony.
Nalaim-panahy
tamin’ ny atendana i Eva. Nefa kosa, ny tena atendany,
tsy isalasalana, dia niseho tamin’ ilay fanontaniana tsy
niloaka: Nahoana no tsy nomen’ Andriamanitra ho azy ny
voan’ io hazo io? Io fanontaniana tsy nilaoka io, izay
nasehon’ ny fihetsiny sy nisoritra teny amin’ ny endriny,
no nanosika an’ i Satana hanararaotra ny toe-javatra.
“Hanky! Efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo
ny hazo rehetra eo amin’ ny saha?” Voasodoka i Eva
rehefa nandre ny menarana niteny ny eritreritry ny
tenany mihitsy. Firy no manana atendana ankehitriny te-hahalala
ny “nahoana” momba ny lאlan’
Andriamanitra. “An’ i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina,
fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra
ambara...” Deoteronomia 29:29. Rahoviana isika no ho afa-po
amin’ izay ambaran’ Andriamanitra ka mamela ny “nahoana”
mandra-pisafidiny hanambara izany amintsika?
Miseho amin’ ny lafiny hafa koa ny atendan’ i Eva.
Notohizan’ ny menarana tamin’ ny feo manodoka ny
fiderana ny hatsara tarehiny ary nahafaly azy izany.
Ny
faham-po ampahany ny atendana, dia dingana iray ihany
amin’ ny fampitsirina fisalasalana ao an-tsain’ i Eva,
satria voaomana izy hino feo izy nanambara fitsarana
“tsara” toy izany. Mamaly ny fanontaniana fetsy
ataon’ i Satana izy izao: “...Ny voan’ ny hazo eo amin’
ny saha dia azonay hihinana ihany; fa ny voan’ ny hazo
eo afovoan’ ny saha no efa nataon’ Andriamanitra hoe Aza
ihinanareo, na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo”
Gen. 3: 2, 3. Kinga sady manan-kery ny valitenin’ ny
menarana: “…Tsy ho faty tsy akory ianareo”; Genesisy
3:4. Nohamafisin’ ny fametrahana fisalasalana avy eo io
fandאvana mivantana ny
fanambaran’ Andriamanitra io: “fa fantatr’ Andriamanitra
fa amin’ ny andro izay hihinanareo azy dia hahiratra ny
masonareo; ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo,
hahalala ny tsara sy ny ratsy” Genesisy 3:5.
“Miezaka i Satana mba hahatonga ny
olona hisalasala ny amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy
ny fahendreny. Milofo tsy an-kijanona izy mba hanisika
ao aminy ny toe-tsaina lian-kahalala sy tsy fanajana
ary faniriana tsy mety tony ta-hamantatra ny
tsiambaratelon’ ny fahendrena sy ny herin’ ny Tsitoha.
Ny fitiavana hahafantatra izay tsy nasehon’
Andriamanitra dia mahatonga olona maro handalo fotsiny
ireo fahamarinana nambaran’ Andriamanitra izay
mitera-pamonjena.”8
Nahita-toerana tao an-tsain’ i Eva ny fisalasalana. Nefa
tsy maintsy nohamafisin’ i Satana tamin’ ny fihetsehampo
ny fisalasalana. Jereo indray ilay tohatra tian’ i
Satana hiakarantsika.
Noararaotiny izao ny valitenin’ i Eva ka notazany ny
voankazo ary nametrahany tao an-tאnan’
i Eva. (Mariho ny fomba hanapotehin’ ny fihetsehampo ny
fahalalאna).
Nampahatsihahivin’ ny menarana an’ i Eva ny teniny ihany:
“Aza tendrenareo izany; fandrao maty ianareo”. Miteny
Satana: “Ao an-tאnanao
izy izao ary tsy maty ianao. Toy izany koa ny mihinana.”
Tsy
nisy ratsy nihatra taminy vokatry ny efa nataony ka
nihasahy izy. Tsaroan’ ny sainy ny teny nambaran’ ny
menarana fa mampahahendry io voankazo io koa dia
nohaniny.
Tonga izao
ny fihetsehampo. (Ataovy ao an-tsaina fa ny fihetsehampo
no arabe manokana hiasan’ i Satana.) Tsy nahatsapa
porofo ny amin’ ny tsi-fankasitrahan’ Andriamanitra i
Eva; fangitakitahana nanerana ny tenany manontolo no
tsapany. Noheveriny mihitsy fa izany no zavatra tsapan’
ireo mponina any an-danitra.
Efa
nangitakitaka ve ianao noho ny fampanaranam-po tamin’ ny
fotoana nanotאna?
Tsy mbola nisy very ny herin’ i Satana.
Revon’ ny fihetsehampo i Eva ka nanjary fitaovana
handavo an’ i Adama. Mbola ny fihetsehampo ihany no
hanapotehan’ i Satana na hanovאny
ny fahalalana an’ Andriamanitra izay naseho tamin’ ny
olona.
“Koa amin’
izany na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona
hataonareo dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany
rehetra izany”. 1 Korintiana 10:31. Hanaraka ho azy ny
fahalalאna
oniny ny fahalalאna
eo amin’ ny fiainantsika raha vonona ny hihatrika ny olאna
momba ny fitiavan-komana isika. Raha ny tenantsika, dia
tsy manan-kery isika, nefa manana Ilay Anankiray izay
mahery sy mahavonjy eo anilantsika. Raha mihatrika ny
fahalementsika isika, ary mampiasa ny sitrapo hisafidy
ny Soratra Masina voalaza etsy aloha, na dia efa diso
imbetsaka aza isika, fehezin’ Andriamanitra ny
atendantsika. Ho antsika amin’ izay ny fandresena. Ary
dia voahaja “ny laharam-pahamehana”.
11.
LAHARAM-PAHAMEHANA: FAHALALANA ONINA
A: TRANDRAO
1. Inona no
ady ao ambadikin’ny “tsi-fahalalana onina”?
2. Hivereno
ny paika fampiasan’Ilay ratsy.
B: AMPIHARO
3. “Raha
mihatrika ny fahalementsika isika, ary mampiasa ny
sitrapo hisafidy ny Soratra Masina… fehezin’
Andriamanitra ny atendantsika, ho antsika amin’ izay ny
fandresena.”. Ento amim-bavaka izany teny fikasana
izany ary dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao
....
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1
Temperance, p. 201
2 Tempperance,
p. 138 (Sora-mandry avy aminay)
3 Temperance ,
p. 137
4 Teesimonies,
vol. 2, p. 46. Zahao koa Counsels on Diet and Foods, p.
55 sy Testimonies, vol. 6, p. 327
5 Testimonies,
vol. 3, p. 487
6 Tanamasoandron’
ny fahasalamana, p. 92/4
7 Temperance,
p.16
8 Patriarika sy Mpaminany, p. 36/3
12.Faharetana
ASA
TANTERAKA ATAON’ ANDRIAMANITRA
Ilaina, izao isika miakatra izao – eo amin’ ny
fanamasinana – ny mahatsiaro fa asan’ ny finoana
tanteraka izany. Rehefa manao ny anjarantsika ihany
isika – mamantatra ny zavatra manakatsakana sy
manelingelina, avy eo dia mahita marina fa tsy mahafaka
an’ ireo isika samirery – dia mampiasa ny herin’ ny
sitrapo sy misafidy ny ho afaka amin’ ireny
fanelingelenana ireny isika. Amin’ izay Andriamanitra
vao afaka manao ny asany ao amintsika. Tsy hanery na
oviana na oviana ny sitrapo Izy fa hiandry antsika
hampiasa izany hanome Azy alאlana
hanala ireo. Vao hitantsika teo fa raha vita io asa io
no ho vita dia tsy maintsy Izy no tsy maintsy ho nanao
azy. Tsarovy fa tsy “manana fahendrena na hery
hoenti-mandresy ny ratsy “ isika.1 Tokony
hatao ao an-tsaina mazava izany raha mihatrika ny
dingana tsirairay isika.
Hoy
i Petera: “...ary amin’ ny fahononam-ponareo dia
faharetana...” 2 Petera 1:6. Ny fahasoavan’ ny
halemem-panahy no vokatry ny fanamasinana sarobidy
indrindra”2 Ny
Webster’s Collegiate Dictionary dia mandresy lahatra ny
amin’ny fifandraisana ety amin’ny faharetana sy ny
fahalemem-panahy.
Tsy
isalasalאna, fa azon’
Andriamanitra novolena tao amin’ i Mosesy mihoatra noho
ny tao amin’ ny olombelona hafa rehetra io
lafin-toetrany io. Nefa kosa, na dia hadisoana iray aza
no tao aminy, eny, na dia voavela aza ny helony, dia
nanakana an’ Andriamanitra tsy ho afaka nanatanteraka ny
planany ho an’ ny fiainan’ i Mosesy teto an-tany izany.
Hitantsika eto fa mihaona aok’ izany ny fahamarinan’
Andriamanitra sy ny famindram-pony. “Ny tena
fanamasinana marina ... dia tsy hafa fa fahafatesana ny
amin’ ny “izaho” sy fanarahana ny sitrapon’
Andriamanitra isan’ andro.”3
Io foto-kevitry ny
fanamasinana io dia mipaka hatrany amin’ ny fototry ny
olאna apetrak’ io
dingan’ ny faharetana io, satria ny fanelingelenana
lehibe indrindra dia ny avonavona. Rentsika ny
fivatravatran’ i Petera - ilay lehilahy kinga fiteny sy
fiasa tsy ampiheverana.
“Ity
zava-dratsy nitarika ny fahalavoan’ i Petera sy nanakana
ny Fariseo tsy hifandray amin’ Andriamanitra ity, dia
mbola antony iray izay mahatonga fahaverezana ho an’ ny
olona an’ arivony amin’ izao tontolo izao. Tsy misy
zavatra mampalahelo an’ Andriamanitra sy mampidi-doza ny
fanahin’ ny olombelona tahaka ny avonavona sy ny
fiheveran-tena ho ampy. Eo amin’ ny
fahotana rehetra dia io no tsy misy fanantenana
indrindra sy tsy azo sitranina indrindra”.
4
Mifanohitra
indrindra ny asan’ ny avonavona sy ny fiheverana ho
mahavitan-tena ary ny asan’ ny fanetren-tena sy ny
fampileferana ny “izaho” ao amin’ny sain’ ny olombelona.
Izay no mahatonga antsika hihezaka mafimafy kokoa indray
amin’ ny manaraka rehefa nanandrana ny hifehy ny “izaho”
isika ka tsy nahomby. Ny ezaka rehetra ataon’ ny
olombelona hanana faharetana dia tsy hamokatra na oviana
na oviana ny vokatry ny faharetana. Azo atao ihany ny
miezaka ny haneho saritsarim-paharetana – manao izany
matetika ny mpivarotra, ary mety ho voafitaka tanteraka
ny mpividy, satria hafa tanteraka noho ny endrika aseho
eny ivelany ilay aseho ao an-tokan-trano mandrakariva.
Ny olאna
ho antsika dia mahay mihatsaravelatsihy ny avonavona:
mety hiseho hanetri-tena izy, ho mora ampianarina, ho
tony, ary ho maharitra aza.
“Misy amintsika manana toetra
kizitina, sy kinga fiteny ary tsela-pihetsika; nefa aoka
tsy hisy hihevitra fa tsy azo hianarana ny faharetana.
Zava-maniry haingam-pitombo izy io rehefa tsara voly.”5
Fanalאna
izay rehetra manakatsakana ny fitomboana irina eo amin’
ny zava-maniry ny fikarakarana ny voly. Tsy olאna
amin’ ny ankabeazantsika ny fanalאna
sakana, fa ny tsy fetezana hanaiky izay ilaina
hohesorina avy eo amin’ ny toetra amam-panahy, sy ny
hamela ny Tompo hanaisotra azy kosa no olאna.
Mba hampitombo haingana ny faharetana, dia tsy maintsy
misy fandinihina marina ny “izaho” sy fihatrehina ny
tena zava-misy. “Teo amin’ izay niheveran’ i Petera ny
tenany ho mahery no nahaosa azy indrindra, ary raha tsy
tsapany ny fahalemeny dia tsy nety ho tsapany ny filאny
fiankinana amin’ i Kristy.”6
Mety
misalotra fitafy hafa hodinihintsika ny faharetana.
“Betsaka ny olona
no mihevitra ny tenany ho mendri-koderaina satria
naharitra fanomezan-tsiny sy nanindry fo. Nefa vitsy
manao ahoana kosa ireo izay mankasitraka amin’ ny fony
ny fanitsiana, ary mirary fitahiana ho an’ izay miezaka
hamonjy azy tsy hizotra eo amin’ ny lאlan-dratsiny”.7
Hita mazava
fa tafiditra any amin’ ny faritra tsy noheverintsika
firy ny faharetana. Mitaky mihoatra noho ny
fifehezan-tena tsy hamaly izany. Mikatsaka ny hijery ny
toe-javatra rehetra sy ny olona rehetra eo amin’ izay
endriny tsara indrindra ny faharetana.
Vakio ny
Hebreo 11 ary alao an-tsary ireo vavolombelona marobe
toy ny rahona hatramin’ i Abela ka hatramin’ i Samoela
sy ireo lehilahy sy vehivavy tsy voatonina, manao
andian-tafika, izay nandresy an’ i Satana sy ireo
anjeliny marobe, noho ny amin’ i Kristy. Dia alao sary
an-tsaina ny tenanao ao amin’ ny toko faha-12 raha
miteny i Paoly manao hoe: “...aoka isika koa hanaisotra
izay rehetra mitambesatra amintsika ....” – ny
sakatsakana rehetra.
Aza misy avela haniry ny
ahi-dratsy ary tomboy ny tany mafy. Manaraka izany dia
miteny ny momba ny “…ota izay malaky mahazo antsika ….”
izy Hebreo 12:1, dia ireo fahazarana taloha izay mbola
eo amintsika avy amin’ ilay olona-taloha ireo ary
fampiasan’ i Satana matetika loatra.
“Hitsangana
hanohitra na inona na inona maneho azy ho fahotana ny
fitiavan-tena sy ny avonavona. Raha isika, samy irery,
dia tsy maharesy ny fanirian-dratsy sy ny
fahazaran-dratsy izay miezaka hanjaka amintsika. Tsy
resintsika ilay fahavalo mahery izay mitאna
antsika ho andevony. Andriamanitra irery no manome
antsika fandresena .... Nefa tsy afaka miasa ao
amintsika Izy raha tsy manaiky sy miara-miasa Aminy
isika”.8
Rehefa
izany rehetra izany, vao afaka isika “...hihazakazaka
amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana
napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’ i Jesosy,
Tompon’ ny finoantsika sy Mpanefa azy...”
Hebreo 12:1,2.
Iray
amin’ ireo zana-baratra i Jakoba. Ho niantso afo
hilatsaka avy an-danitra izy sy i Jaona rahalahiny
handevona ireo izay tsy vonona hanaiky an’ i Jesosy sy
ireo mpianatra tao amin’ ny tanאnany.
Afaka nanova izany rehetra izany anefa Jesosy ka
fantatr’ i Jakoba izany asa tanteraky ny faharetana ary
namela izao toro-hevitra izao izy: “...ary aoka ny
faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho
tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na
inona” Jakoba 1:4.
12.
FAHARETANA: ASA TANTERAKA ATAON’ ANDRIAMANITRA
A: TRANDRAO
1.
Inona ireo sakana roa mitovy eo amin’ny faharetana?
2.
Ahoana no fomba handraisana amim-paharetana ny
fanakianana?
B: AMPIHARO
3.
“Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka
sy ho tonga ohatra ianareo……” (Jakoba 1:4). Angataho
amim-bavaka izany ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Vavolombelona
Mahery, p.
2 My Life Today,
p. 253
3 My Life Today,
p. 248
4 Henoinareo ny
Fanoharana , p. 127/1
5 My Life Today,
p. 97
6 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 401/1
7 Patriarchs and
Prophets, p. 667
8 Thoughts from the Mount of Blessings, p.142
13.Tsy
misy fiatona
eto
Sarotra
nianarana ihany hatrizay ny lesona milaza fa « ny tena
fahalehibiazana marina dia ao amin’ ny fahatsaram-panahy
marina”.1 Nianatra
izany tamin’ ny fomba sarotra na dia i Nebokadnezara,
mpanjaka be avona aza. Tena ao amin’ ny maha-izy antsika
tokoa mantsy ny mihevitra fa lasa ambony amin’ ny
toe-panahy araka an’Andriamanitra isika amin’ ny alalan’
ny fanaovana asa tsara.
“Ny antony mahatonga ny maro eo amin’
izao tontolo izao ankehitriny tsy afaka handroso eo
amin’ ny fiainana ara-panahy dia satria heveriny ho ny
sitrapon’ ny tenany no sitrapon’ Andriamanitra koa. Raha
manaraka ny fanirian’ ny tenany izy dia mandoka-tena
milaza fa manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra.
Tsy mitolona hanohitra ny “izaho” izy.
Misy kosa sasany toa mahomby ihany amin’ ny fotoana kely
eo amin’ ny ady ataony amin’ ny faniriany feno fitiavan-tena
hitady fahafinaretana sy izay hahamora ny fiainana. Sady
tsotra ny fony no mafana, nefa mandreraka azy ny ezaka
maharitra ho faty isan’ andro, hihatrika ady sarotra tsy
misy farany. Toa mahasintona ny mipetrapetraka, fa
mampandositra kosa ny ho faty ny amin’ ny “izaho”; koa
dia akimpiny ny masony efa milondolondo, ka lavon’ ny
herin’ ny fakam-panahy izy fa tsy manohitra azy”.2
Misy antokon’
olona roa asehon’ ny lahatsoratra eo aloha.
Ny
voalohany dia azo atao hoe mpino tsy sarotiny. Tsy misy
ady ataony amin’ ny “izaho”, raha misy aza, dia zara fa
misy. Toa mora kokoa ho an’ ireo ny manala ny
fanamasinana tsy ho anisan’ ny fanomezan’ Andriamanitra
ny fanamarinana amin’ ny finoana noho ny hanaraka ny
antson’ ny Tompo manao hoe: ...”Raha misy olona
ta-hanaraka Ahy, aoka izy handא
ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka
Ahy.” Matio 16:24.
Ny antoko
faharoa dia mpino eo amin’ ny tany be vato izay manjary
reraka satria tsy azo antoka tanteraka ao amin’ i Kristy
ny fakany. Tsy fantany izany fifaliana mahafoy ny
“izaho” sy mamela an’ i Kristy hitondra ny
enta-mavesatra izany. Tsy mbola tsapany na oviana na
oviana fa mora ny ziogany ary maivana ny entany.
Mizotra ny
fanamasinana, mitsofoka mihalalina hatrany ao amin’ ny
fiainantsika ary mitaky fileferana feno isaky ny
mandingana. Mazava ho azy, fa tsy mora ho an’ ny fo be
avona ny hahita fifaliana amin’ ny fanaovana izany.3
“Solon-tenan’ izay misora-tena ho
mpanaraka an’ i Kristy Jaona sy Jodasy .... Samy nanana
toetra tena ratsy avy izy ireo; ary samy afaka nandray
ny fahasoavan’ Andriamanitra izay manova ny toetra
amam-panahy... ny anankiray, izay maty isan’ andro ny
amin’ ny “izaho” ary nandresy ny fahotana, dia
nohamasinina tamin’ ny alalan’ ny fahamarinana; ny
anankiray kosa, nanohitra ny hery manova ny fahasoavana
ka namparanam-po ny faniriana feno fitiavan-tena, ka
nanjary andevon’ i Satana.”4
Satria
ivadibadihan’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny
fiainana, dia araka ny hitsiny raha io no sehatra tsy
maintsy hiantombohan’ io fahafatesana isan’ andro amin’
ny “izaho” io. Tahaka ny an’ i Jesosy, Ilay tena Ohatra
ho antsika, ny valitenintsika tonga ho azy amin’ ny
fanapahan-kevitra rehetra dia tsy maintsy ho ny hoe “tsy
ny sitrapoko fa ny anao”. Tsy maintsy mihaotra noho ny
eritreritra miloaka izany. Mitaky finiavana – araka ny
fitarihan’ Andriamanitra izany – hanova, hamela, na
hanajanona plana na faniriana, na tiana manao ahoana aza
izany. Mitaky fifankazarana amin’ ny sitrapon’
Andriamanitra sy fahatakarana azy, araka izay nasehony
avy tamin’ ny Tsindrimandry. Tsy maintsy hitovy
tadin-dokanga amin’ ilay feon’ ny fieritreretana mitsoka
malefaka koa isika ka hitandrina fatratra amin’ ny
fanombanana ny fitondrany antsika.5
“Hitarika
ny saina hiakatra sy hanazatra azy handinika zavatra
madio sy masina”6 ny
fanarahana io fizotry ny fahasoavan’ Andriamanitra io.
Tsy fanaovana izay ataon’ i Kristy tsy akory, ny
toe-panahy araka an’ Andriamanitra, fa fiainana ny
fomba niainany. Ilaintsika ho takatra mazava tsara
ny toro-hevitr’ i Paoly momba ny fiainana masina araka
izay voasoritra ao amin’ ny Kolosiana 3:3, 4. “Fa efa
maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i
Kristy ao amin’ Andriamanitra. Raha hiseho Krisy
fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny
voninahitra ianareo.” Voninahitra inona no resahin’ i
Paoly eto? “Izay efa tian’ Andriamanitra ho
nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity
zava-miafina ity any amin’ ny Jentilisa, dia Kristy ao
anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” Kolosiana
1:27.
Tombon-tsoa
manao ahoana izany isika azon’ Andriamanitra hampiasaina
haneho ny toetra amam-panahiny amin’ izao tontolo izao
tsy mino izany. “Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy
nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’
ny alalan’ ny finoana Azy. Ny fahatanterahany eo amin’
ny maha-olombelona no tokony hananan’ ny mpanaraka Azy
rehetra, raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny
nataony izy”.7
Izany no
tena toe-panahy araka an’ Andriamanitra, tsy miezaka
ho tsara na hanao zavatra tsara fa maty isan’
andro amin’ ny “izaho” – mahatoky marina an’
Andriamanitra. “Anaka, atolory Ahy ny fonao, ary
aoka ny masonao ho faly mijery ny lאlako”.
Ohabolona 23:26. Ho gaga isika mahita izay azon’
Andriamanitra hatao ao amin’ ny fiainantsika raha
mijanona ny miezaka isika fa manomboka maty kosa
- satria milefitra amin’ Andriamanitra tahaka an’ i
Jesosy.
Kanefa,
misy zavatra tena manakatsakana tsy maintsy
hatrehintsika rehefa manandrana ny hanao io dingana io
isika – dia ny fanaovana marimaritra iraisana izany.
Iray amin’ ireo fiadiana mahomby indrindra ao am-pela-tאnan’
i Satana ny hanakana ny Kristiana tsy handroso
ara-panahy araka izay irin’ Andriamnitra hataony. Tsy
nisy marimaritra iraisana amin’ ny ratsy mihitsy ny
fiainan’ i Jesosy. Nanokan-tena tanteraka hanao ny
sitrapon’ ny Rainy Izy. Ny teniny hoe: “Ny hanao ny
sitraponao no sitrako; Andriamanitro
פ....
Sal 40:8 dia maneho ny hany fihetsika tahaka an’
Andriamnitra, na azo ekena, eo imason’ Andriamanitra.
Tsy fankatoavana mihitsy ny fankatoavana misalasala.
“Rehefa raisina ho zavatra mavesatra
ny fitakian’ Andriamanitra, satria mifanipaka amin’ ny
fironan’ ny olombelona, dia aoka ho fantatsika fa tsy
fiainana kristiana izany fiainana izany. Ny fankatoavana
marina dia fanehoana ety ivelany ny foto-kevitra ao
anaty. Mipoitra avy amin’ ny fitiavana ny fahamarinana
izany, ary avy amin’ ny fitiavana ny lalאn’
Andriamanitra. Ny foto-pisian’ny fahamarinana rehetra
dia ny fijoroana ho mahatoky amin’ ny Mpanavotra
antsika”.8
Ireo
mpianatra taloha, ireo mpanavao fivavahana, ary ny
vahoakan’
Andriamanitra tamin’ ny
fotoana rehetra dia samy nisetra ny fakam-panahin’ i
Satana hanasoketa ny toetrany mahatoky eo anatrehan’
Andriamanitra. Matetika eo amin’ izay heverintsika ho
herintsika no ahitan’ i Satana ny fahalementsika.
Andeha hojerentsika indray ny endrika iray hafa eo amin’
ny fanandramana nataon’ i Petera.
“Teo amin’
izay niheveran-tenan’ i Petera ho mahery no nahosa azy
indrindra, ary raha tsy tsapany ny fahalemeny dia tsy
nety ho tsapany ny filאny
fiankinana amin’ i Kristy. Raha nianatra ny lesona
niezahan’ i Jesosy hampianarina azy teo amin’ ity
fanandramana ity teo amin’ ny ranomasina izy, dia tsy ho
resy rehefa tonga taminy ny fisedrana lehibebe kokoa”.9
Mety ho azontsika
mazavazava kokoa izao ireo tenin’ i Paoly ao amin’ ny 2
Korintiana 12:9: “...Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny
heriko tanterahina amin’ ny fahalemena... “Omen’ i Paoly
ny setrin’ izany eo amin’ ny andininy manaraka: “...fa
ny fahalemeko no fatanjahako”. Hitantsika fa ny hany lאlana
ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny
maty isan’ andro amin’ ny “izaho”.
Tsia, tsy misy
fiatona eo. Manokatra ny masontsika ho amin’ ny fahitana
lehibe ao aloha ao fotsiny io zana-tohatra io, raha
Kristy velona ao amintsika no manjary fanalahidy
fampiasa ho amin’ ny fitoviana amin’ Andriamanitra.
13. TSY MISY
FIATONA ETO
A: TRANDRAO
1. Misy
sokajin’olona roa voalaza eto. Sao dia ao anatin’iray
amin’ireo ianao?
2. Aoka
izay ny “ezaka”, aoka “ho faty”. Saingy misy sakana
amin’izany: inona?
B: AMPIHARO
3.
“Hitantsika fa ny hany lאlana
ho amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny
maty isan’ andro amin’ny “izaho”, Tsia, tsy misy fiatona
eto” Angataho amim-bavaka dia raiso ho zava-misy eo
amin’ny fiainanao ..
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Mpaminany sy
Mpanjaka, p. 126/5
2 The Acts of
the Apostles, p. 565
3 Christ our
Righteousness, pp. 33, 34
4 The Acts of
the Apostles, pp. 558, 559
5 Messages to
Young People, p. 156
6 Testimonies,
vol. 2, pp. 478, 479
7 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 718/3
8 Christ‘s Objec
Lessons, p. 97
9 Ilay Fitiavana Mandresy, p. 401/1
14.Ahoana ?
TSY
MISY FIFANINANANA INTSONY?
Tsy
hitanao hafahafa ve fa ao amin’ ny planan’ Andriamanitra
dia tsy maintsy ekentsika fa ny toe-panahy araka an’
Andriamanitra ihany no mety ahazoantsika fitiavana ny
rahalahy? Raha ekentsika izany foto-kevitra ara-Baiboly
izany, dia mihatrika olאna
isika. Iza no rahalahiko? Mamaly an’ izany Jesosy ao
amin’ ny Lioka 8:21. “... Izay mihaino ny tenin’
Andriamanitra ka manaraka azy no reniko sy rahalahiko».
Mazava tsara eto fa tsy noferan’ i Jesosy ho izay mankatע
tanteraka ny lalאna
ihany no “rahalahy”, fa izay manam-paniriana
hankatע koa. Milaza
amintsika ny Matio 12:49 fa raha nanao ireo teny ireo
Izy dia nanondro ny mpianany izay mbola lavitry ny
fanatanterahana izay rehetra nolazain’ ny Teny. Olאna
tsy nisy farany ho azy ireo ny fifaninanana.
Ny
toe-tsaina mampirisika fifaninanana dia toe-tsaina
mitsaratsara. Ny toe-tsaina mifaninana sy mitsara, raha
ny ipoirany, dia samy avy amin’ i Satana ary tsy
manatanteraka afa-tsy izay fikasany. Ahoana ary no tena
hahafaka antsika amin’ ireo zavatra manenlingelina ireo?
Jesosy ihany indray no manome ny valiny. Fanehoana tonga
lafatra izay fomba tokony hiainantsika amin’ ny
fifandraisantsika amin’ ny rahalahintsika sy ny
anabavintsika ny fiainany.
Nisy
teny notsongaina avy tamin’ ny Sambatra p. 60
noraisintsika tao amin’ ny toko fahatelo. Horaisintsika
eto indray izany teny izany satria ahitana ny valin-teny
amin’ ny hoe nanao ahoana izany fiainan’ i Jesosy feno
halemem-panahy tamin’ ny rahalahiny, na dia nanamavo Azy
aza izy ireo.1
“Ny fanatrehan’ ny Ray no nanodidina
an’ i Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-tsy
izay navelan’ Ilay fitiavana tsy manam-petra ihany, mba
ho fitahiana ho an’ izao tontolo izao. Izany no
loharanon’ ny fiononam-pony ary izany koa no antsika.
Izay manana ny Fanahin’ i Kristy be dia be ao aminy no
mitoetra ao amin’ i Kristy, ka ny loza izay nokasaina
hahatra aminy dia mianjady amin’ny Mpamonjy, Izay
manodidina azy amin’ ny fanatrehany.
Na inona na inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy.
Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no
fiarovana ho azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy,
afa-tsy izay eken’ ny Tompo; ary ny zavatra rehetra
”izay avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia
an’ Andriamanitra” (Rom 8:28)”.2
Tamin’ ny
nanekeny ny zavatra rehetra nihatra tamin’ ny fiainany
ho avy amin’ ny tאnan’
Andriamanitra mivantana, na dia i Satana aza no
niaviany; dia nanana fiadanana marina Izy. Afaka nanaiky
ny herisetra ratsy indrindra azon’ ny olombelona zakaina
Izy, ara-tsaina sy ara-batana, nefa nanehoany
halemem-panahy ambony indrindra izay olombelona niavian’
izany. Raha ny marina, dia izany no niaro Azy tsy
handray ny olona ho tompon’ andraikitra amin’ izay
nataony Azy. Ankoatry ny maha-olombelona hatrany ny
fijeriny ary Satana no noraisiny ho tena fahavalo.
Nahatonga Azy ho afaka niray fo na dia tamin’ izay
nanenjika Azy aza ka nandray ireo tamin’ ny
halemem-panahin’ ny rahalahy. Nangoraka azy ireo
Izy fa tsy nangoraka ny tenany. Niezaka ny
hanala-tsiny ireo mpanara-dia Azy Izy noho ny
tsi-fahalalאn’
izy ireo. Fantany fa Satana no manajamba azy ireo.
Lazaina
isika fa ho antsika koa ny loharanon’ ny fiononany.
Azonao an-tsaina ve ny hitranga eo amin’ ny fianakavian’
Andriamanitra raha velona araka ny fitsipika nivelomany
amin’ ny maha-olombelona Azy teto an-tany ny rahalahiny?
Tsy misy fomba hafa mahatonga fahalemem-panahy amin’ ny
rahalahy. Tsy
afaka hanery ny tenantsika halemy fanahy sy ho tia isika.
Tsy maintsy avy ao anaty izany – avy ao amin’ ny fo. Ny
planan’ i Jesosy no hany lאlana
ahazoan’ ny fo mamaly amin’ny fomba tsy manavaka marina,
satria tsy mifantoka intsony amin’ ny olona na amin’ ny
fihetsika masiaka ny maso.
Ao amin’ ny
hoe “ny zavatra rehetra” ao amin’ ny Romana 8:28
no ahitana ny tena sedra. Vonona ny hampihatra ny
fomban’ i Jesosy eo amin’ ny fiainantsika isika, raha ny
zavatra sasany, nefa inona marina no dikan’ ny
hoe ny zavatra rehetra? Eny e, tsy misy avahana.
Na Tompon’ ny rehetra Izy na tsy Tompony mihitsy.
Miaro
fatratra antsika Andriamanitra ka ny zava-dratsy rehetra
azon’ i Satana atoraka antsika dia havadiny ho
fitahiana, raha manaiky isika fa foto-kevitra tsara
fampiasa ao amin’ ny fiainantsika ny hoe “ny zavatra
rehetra”.
“Ny fizahan-toetra
eto an-tany dia ampiasain’ Andriamanitra hanala ny tsy
fahombiazana rehetra amin’ ny toetrantsika. Na tantאnana
miatonta, na fandraka mandoaka, dia samy mampanaintaina
avokoa, ary mafy tsy hay lazaina izany hosilatsilahina;
kanefa fanamboarana toy izany no atao amin’ ny vato mba
hahamendrika azy hanana anjara ao amin’ ny tempolin’ ny
lanitra. Raha zavatra tsy misy vidiny no eo am-pelatאnan’
ny Tompo dia tsy hisahiranany na hikelezany aina akory.
Fa izay fantany ho vatosoa ihany no amboariny toy izany
mba ho sahaza ny toerany izay nokendreny azy”.3
Ity koa
misy antony tena azo ampiasaina mba hinoana, hanekena,
ary hampiharana ny Soratra Masina amin’ ny fiainana
andavanandro. Raha mahafaoka ny fanandramana tsara sy
ratsy ao amin’ ny fiainana ny “zavatra rehetra” dia
manjary mety ampiarina amin’ ny fiainantsika
andavanandro ny tenin’ i Paoly ao amin’ ny 1 Tesaloniana
5:18 hoe: “Misaora amin’ ny zavatra rehetra, fa izany no
sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho
anareo”. Izany no fomba niainan’ i Jesosy. Ary tiantsika
ny hahomby eo amin’ ny fiainana maha-kristiana antsika,
dia tsy maintsy manaraka ny ohatra nomeny isika. Tsy
midika akory izany fa tsy maintsy mahita fahafinaretana
amin’ izay rehetra manjo antsika isika, fa tsy maintsy
misaotra an’ Andriamanitra isika – eny, mifaly aza. Tsy
nahita fifaliana tamin’ ny fihetsiky ny olona tahaka ny
demonia, fa fantany kosa fa hitondra fitahiana ho an’
izao tontolo izao izany. Tsy hifaly amin’ ny “zavatra
rehetra” mihatra amintsika isika, nefa azontsika atao ny
ho feno fankasitrahana! Azontsika atao ny misaotra Azy
noho ny fahitany fa misy azo amboarina ao amintsika.
Isika no akoran-javatra izay rehefa ampalesina , dia ho
mendrika ny lapany ary samy hanana ny toerany avy ny
vato tsirairay ka samy ho afa-po amin’ izany. Ho lasa
mandrakizay ny fifaninanana, satria ho voaongotra
tanteraka miaraka amin’ ilay niaviany ny toe-tsaina
mitsaratsara, ny avonavona sy ny fitiavan-tena.
14. AHOANA?
TSY MISY FIFANINANANA INTSONY?
A:
TRANDRAO
1. Fomba
ahoana no mahafaka antsika amin’ny toetsaina mifaninana
sy mifampitsaratsara?
2. Nahoana
Jesosy no nalahelo ireo nanenjika Azy, fa tsy nalahelo
ny tenany?
B:
AMPIHARO
3. “Isika
no akoran-javatra izay, rehefa ampalesina, dia ho
mendrika ny lapany ary samy manana ny toerany avy ... ho
lasa mandrakizay ny fifaninanana”. Angataho amim-bavaka
ho zava-misy amin’ny fiainanao izany dia raiso ho
zava-misy eo amin’ny fiainanao ....
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 76-77
2 Sambatra, p.
60/1
3 Sambatra p. 18/1
15.Fitiavana
Tsy hita lany
Amin’
ny fitiavana ny rahalahy dia manehoa koa fitiavana ny
olona rehetra, na fitiavan’ Andriamanitra. Tsy
niova mihitsy ny planan’ Andriamanitra. Ny olona dia
haveriny eo amin’ ny toerana maha-fitaovana azy izay
hitosahan’ ny fitiavan’ Andriamanitra tsy voasakatsakana.
Hihoatra ny fanandraman’ i Adama fony izy nivoaka avy
teo amin’ ny tאnan’
Andriamanitra izany. Izay no antom-bavak’ i Jesosy
farany ho an’ ny mpianany alohan’ ny nankanesany ho any
Getsemane: “...mba ho ao aminy ny fitiavana izay
nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy” Jaona 17:26.
Alao sary an-tsaina, raha azonao atao, ny fitiavan’
Andriamanira mitosaka amin’ ny alalan’ ny fantsona
olombelona.
Ny
zava-kendren’ ny fanamasinana dia ny ho rafitra
famokarana an’ io fitiavana io ao amin’ ny olona. Tsy
tanteraka izany noho ny fiezahana ho tia fa ny ho
faty ny amin’ ny “izaho” sy ny amin’ ireo zavatra
manelingelina izay manakana, na manohitra an’
Andriamanitra eo amin’ ny asany eo amin’ ny
fiainantsika.
Nitovy
ihany ny fizotran-javatra teo amin’ izay fiakarana ity
tohatra rehetra ity. Ny dingana farany dia ny mankafy
ilay hery lehibe indrindra any an-danitra na ety an-tany
- dia ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Ny zavatra
manenlingelina dia ala-tahaka mamitaka ataon’ i Satana
ny fitiavan’ Andriamanitra dia ny fihetsiky ny fon’ ny
olombelona. Hisy fihetsiky ny fon’ ny olombelona ho
valin’ ny fitiavan’ Andriamanitra saingy valiny izany,
fa tsy izany no fitiavana.
“Ny fiangonana no
fitaovana notendren’ Andriaman-itra hilaza ny famonjena
amin’ ny olona. Nalamina ho amin’ ny fanompoana izy, ary
hitondra ny filazantsara ho an’ izao tontolo izao... Ny
fiangonana no nametrahana ny haren’ ny fahasoavan’ i
Kristy; ary amin’ ny alalan’ ny fiangonana no hanehoana
farany ny fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny
fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ izao
‘fanapahana sy fahefana any an-danitra‘ aza (Efes 3:10).1
Raha hiseho
izany amin’ izao andro famaranana ny tantarana ny tany
izao, aleo ho fantarintsika izany fitiavana izany sy ny
fomba anehoana izany amin’ ny alalan’ ny olombelona.
Foto-kevitra
izay mifehy ny lanitra sy izao rehetra izao manontolo ny
fitiavan’ Andriamanitra, afa-tsy eto an-tany. Foto-kevitry
ny asa, foto-kevitry ny fiainana. Tahaka ny lאlana
misy zotra roa ny fitiavan’ Andriamanitra; mikoriana avy
amin’ Andriamanitra manaraka zotra roa izany ka tsy misy
fialאn-tsiny
ho antsika – voalohany, Ilay Izy nivonona nandany
fotoana hifandahatra tamim-paharetana tamin’ i Losifera,
ilay anjely nikomy, fa tsy nampihatra avy hatrany ny
fitsarana. Io halemem-panahy io no naseho tamin’ ny
voalohany dia ny namela ireo voaariny hahatakatra ny
tena fitiavan’ Andriamanitra – hanomezana azy fotoana
mety hampiasany ny sitrapony (ny fahazoany misafidy)
amim-pahendrena. Tamin’ ny farany dia nanapa-kevitra
hanohitra an’ Andriamnitra ny ampahatelon’ ny anjelin’
ny lanitra.
Ny adi-tsaina
niaretan’ Andriamanitra nizaka fatiantoka toy izany, sy
ny fikorotanan-tsaina nanaraka izany teo amin’ ireo
anjely nahatoky sy ireo mponina ao amin’ ny planeta hafa,
dia nitarika Azy hampihatra ilay plana fanavotana
mahazendana. Miseho amin’ ny fomba feno kokoa ny
fitiavan’ Andriamanitra rehefa mazava amintsika fa
“hatramin’ny voalohany dia fantatr’ Andriamanitra sy
Kristy ny fivadihan’ i Satana, sy ny fahalavoan’ ny
olona noho ny hery mamitak’ ilay mpihemotra.”2 Tsy
Andriamanitra no nandrafitra ireo zava-doza ireo, fa
tazany mialoha izany ary namolavola plana Izy hampiasana
ireo hamboleny ny fitiavany ho mandrakizay ao ampon’ ny
voaariny.
Mafaoka ny
zavatra rehetra indrindra ny planan’ ny Fanavotana izay
naoriny ho zava-misy manodidina ny nahatongavan’ i
Jesosy ho nofo. Nanjary olona Jesosy Kristy, Zanak’
Andriamanitra mba hahatonga ny fianakavin’ ny olombelona
sy ny voaarin’ Andriamanitra rehetra hanana ohatra
tanteraka hitarika azy mandrakizay raha mikoriana
miverina mankeo amin’ Andriamanitra io riam-pitiavana io.
Io no fanehoana
faharoa lehibe ny fitiavan’ Andriamanitra.
Manome fototra manaraka ny lalאna
io plana io ho famonjena ny olona, ary manome koa ohatra
arahina ho an’ ny Kristiana rehetra, sady mamela ny
fitiavan’ Andriamanitra ikoriana amin’ ny alalan’ izy
ireo. Hoy Jesosy: “Fa tsy nidina avy any an-danitra Aho
mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka
Ahy” Jaona 6;38; Hoy i Paoly: “Voahombo miaraka amin’ i
Kristy amin’ny hazo fijaliana aho; ary tsy izaho intsony
no velona fa Kristy no velona ato anatiko; ary izay
ivelomako amin’ ny nofo ankehitriny dia ivelomako amin’
ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka
nanolotra ny tenany hamonjy ahy” Galatiana 2:20. “...Fa
izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony
mbamin’ ny faniriany sy ny filאny
tamin’ ny hazo fijaliana”. Galatiana 5:24.
Tsy
misy plana hafa izay ho afaka hanakana ny fitiavan’
Andriamanitra tsy hikoriana amin’ ny alalan’ ny
olombelona. Mba ahatonga ny olombelona fitaovana ho
fantsona madio, dia tsy maintsy hombohana ny “izaho”. Na
inona na inona farasisan’ “izaho”, niniana navela, dia
hanimba ny sary ka hanakana ny fiangonana tsy hitondra
ho eo amin’ izao tontolo izao ny ho fanehoana “farany ny
fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny fomba
hentitra sy feno”.
Hahatanteraka ny asany ny fanamasinana eo amin’ ny
fiainantsika rehefa afaka hilaza marina isika amin’ ny
lafim-piainana rehetra hoe “tsy ny sitrapoko fa ny
Anao”. Izany tokoa no fitiavana tsy hita lany.
15.
FITIAVANA TSY HITA LANY
A: TRANDRAO
1.
Ny tanjon’ny fanamasinana dia ny hamokatra io fitiavana
araka an’Andriamanitra io.
Inona no
sakana?
2.
Fariparito io fitiavan’Andriamanitra io.
B: AMPIHARO
3.
“Hahatanteraka ny asany ny fanamasinana eo amin’ny
fiainantsika rehefa afaka hilaza marina isika amin’ny
lafimpiainana rehera hoe “Tsy ny sitrapoko fa ny Anao”.
Angataho amim-bavaka ny hahatanterahan’izany ao amin’ny
fiananao dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao ..
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Vavolombelona
Mahery, p. 11/1
2 Ilay Fitiavana Mandresy, p. 12 /2
16.
MOA
VE JESOSY
Nalaim-panahy TENA TAHAKA ANTSIKA?
“Fa isika tsy manana
mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny
fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny
zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota”
Hebreo 4:15. Tena azo lazaina fa io andinin’ ny Soratra
Masina io no fototra teo aloha, ary mbola izy ihany
ankehitriny, io no iaingan’ ny adi-hevitra tsy mahasoa
momba ny maha-olombelona an’ i Kristy. Misy mitaky fa
tokony ho nalaim-panahy tamin’ ny fomba tsy misy valaka
amin’ ny an’ ny olombelona rehetra Jesosy mba ahazoany
mameno ireo fepetra lazain’ io toko sy andininy io.
Izany fehin-kevitra izany dia mitranga nefa tsy nisy
fiheverana akory izay rehetra nambaran’ Andriamanitra
tamin’ ny fiangonany momba io loha-hevitra io.
Raha nalaim-panahy
hangalatra, handainga, hiozona, haloto eritreritra na
fihetsika Jesosy, dia ho nanohitra io fakam-panahy io
tamin’ iray amin’ ireto fomba roa ireto Izy: (1)
fanoherana ny fironana hilefitra na (2) fahatsapana fa
tsy nanan-kery Izy ka nametraka ny olאna
eo amin’ ny Rainy. Na ny voalohany na ny faharoa dia
tokony ho nisy fironana, izay azon’ i Satana nofohazina.
Nefa hoy Jesosy: “Tsy hilaza zavatra maro aminareo
intsony Aho; fa avy ny andrian’ izao tontolo izao, nefa
tsy manana na inona na inona ato amiko izy” Jaona 14:30.
Tena akaiky ny niafaran’ ny fiainan’ i Jesosy teto an-tany
tamin’ izay. Nosedrain’ i Satana izay rehetra
zorom-piainan’ i Kristy nefa tsy nahita na inona na
inona izay azony nanorenany fakam-panahy izy.
“Na dia
tamin’ ny eritreritra aza dia tsy nahafahany nitarika
an’ i Jesosy hilefitra amin’ ny fakam-panahiny feno
hafetsena. Mahita toerana Satana ao amin’ ny fon’ ny
olombelona izay azony hamaharana – faniriam-pahotana
ankamamiana izany izay hanamafisan’ ny fakam-panahiny ny
heriny.”1
Tsarovy fa tamin’ ny maha-olombelona Jesosy no nihatrika
ireo fakam-panahy ireo. “Tsy nisy na eritreritra na
fihetsehampo iray namaly ako ny fakam-panahy.”2 Mariho
fa tsy nisy namaly ako na ny eritreriny na ny
fihetsehampony izay tsy maintsy mialoha ny fakam-panahy.
“Ny fahotana rehetra, ny tsy fifanarahana rehetra, ny
filאna mandoto rehetra
izay nentin’ ny fandikan-dalאna,
dia fahoriana ho an’ ny saina amam-panahiny.”3 “Na
oviana na oviana, na tamin’ ny fomba inona, na tamin’ ny
fomba inona, tsy nisy nahatsapan’ ny sain’ olombelona,
na dia kely aza fa nisy pentim-pahalotoana, na
fironana ho amin’ izany, nitoetra tao amin’ i
Kristy, na nisy fomba nileferany tamin’ ny fahalotoana.”4 “Nitakemotra
teo anatrehan’ ny ratsy ny maha-izy Azy, dia Ilay tsy
nanana ota.”5
Izao
no lazain’ ny teny dinihintsika: “…Nalaim-panahy tamin’
ny zavatra rehetra tahaka antsika izy…” ary marina
izany. Mba ahitana ny valin’ ny fanontaniana manao hoe
“ahoana”, andeha hojerentsika ny lahatsoratra anankiray
hafa momba ny Tompontsika.
“Zava-tsarotra ho an’ ny andrianan’ ny
fiainana ny nanatanteraka ny plana izay noraisiny ho
famonjena ny olona, raha notafiany maha-olombelona ny
maha-Andriamanitra. Nandray haja amam-boninahitra tany
amin’ny lapa tany an-danitra Izy, ary nahazatra Azy ny
fahefana feno. Sarotra ho Azy ny mijanona eo
amin’ ny laharan’ ny maha-olombelona toy ny
mahasarotra ho an’ ny olona ny mihoatra ambonin’ ny
laharana ambany misy ny toetrany simba, ka ho tonga
mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra.”6
“Ny
fihazonana ny voninahiny ho voasarona noho ny
maha-zanaky ny taranaka lavo Azy no fifehezana henjana
indrindra tsy maintsy nampileferan’ Ilay Andrianan’ ny
fiainana ny tenany.”7 Eo
no manahirana antsika rehetra. Olאna
ho antsika ny hamela ny fomban’ Andriamanitra ao amin’ i
Kristy hitaratra ao amintsika.
Andeha hodinihina izay lazain’ io lahatsoratra io
amintsika. Faran’ izay sarotra ho an’ i Kristy ny nanafy
ny maha-Andriamanitra Azy amin’ny maha-olombelona.
Nahoana? “Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy
nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’
ny alalan’ny finoana Azy. Ny fahatanterahan’ ny
maha-olombelona Azy no azon’ ny mpanaraka Azy hananana,
raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny nataony izy”.8
Hoy
Jesosy: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay na inona na
inona….” Jaona 5:30.
Mazava tsara fa rehefa “napetrak’ i Jesosy ny akanjo
maha-mpanjaka Azy sy ny satroboninahitra fiandrianany,”9 dia
noraisiny teo Aminy ny toetra maha-olombelona “araka
izay namoronanan’ Andriamanitra azy”. “Tonga teto
an-tany Kristy, nandray ny maha-olombelona ary nijoro ho
solon-tenan’ ny olona, haneho, eo amin’ ny ady atao
amin’ i Satana fa, raha mifandray amin’ ny Ray sy ny
Zanaka ny olona, araka ny namoronan’ Andriamanitra
azy, dia afaka mankatע
ny fitakian’ Andriamanitra rehetra”.10 “Teo
amin’ izay niatombohan’ ilay Adama voalohany no
niatombohany”.11 Teo
amin’ izay tsy nahombiazan’ ilay Adama voalohany no tsy
maintsy nahombiazan’ i Kristy, amin’ ny maha-Adama
faharoa Azy, ary tsy nampiasa afa-tsy ilay hery mitovy
amin’ izay azon’ ilay Adama voalohany nampiasaina ihany
Izy. “Tsy nisy pentim-pahotana teo amin’ i Adama raha
nanafika azy ny mpaka-fanahy tao Edena .... nijoro teo
amin’ ny toeran’ i Adama Kristy, tany an-efitry ny
fakam-panahy, hiharitra ny fisedrana tsy zakan’ i
Adama.”12
Tsy
misy mihitsy porofo ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra
izay milaza fa afaka mankatע
an’ Andriamanitra ny manana toetra manota! Ny hafatra
avy amin’ Andriamanitra ho an’ ny olona dia izao: manana
toetra ara-nofo mpanota raiki-tapisaka ao aminy izy izay
tsy azo avotana.
“Ota no nolovain’ ny
zaza. Nampisaraka azy tamin’ Andriamanitra ny ota.
Natolotr’ i Jesosy ny ainy mba ahazoany mampitohy ny
fatorana tapaka tamin’ Andriamanitra. Araka izay
nolazaina tamin’ i Adama, dia fahamelohana sy
didim-pitsarana manameloka ho faty ihany no raisin’ ny
olona avy aminy”.13
“Satria
fandrafiana (fankahalana) an’ Andriamanitra ny fihevitry
ny nofo: fa tsy manaiky ny lalאn’
Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany.”
Romana 8:7 (Sora-mandry avy aminay). Tsy niezaka na
oviana na oviana Kristy haneho na tamin’ iza na tamin’
iza fa mety ho tonga tsy misy ota ny toetra
maha-mpanota..
Izao foana
no hafatra nentiny: “...
Tsy maintsy ateraka
indray ianareo.” Jaona 3:7. “…Raha tsy latsaka ao amin’
ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy….”
Jaona 12:24. “…hainareo ve ny hisotro amin’ ny kapoaka
izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay
anaovana Ahy batisa?….” Marka 10:38.
Raha
nanana toetra tsy misy ota Kristy, ahoana no fomba
nakana fanahy Azy tahaka ahy?
Inona moa
ny fakam-panahy? “Voatohitra ny fakam-panahy rehefa misy
hery mahery vaika miasa amin’ ny olona hanao zavatra
ratsy, ary fantany fa azony atao izany, nefa manohitra,
amim-pinoana izy, raha mamikitra ny herin’
Andriamanitra.”14 Tsy
misy ny fakam-panahy raha tsy misy «hery miasa mahery
hampanao asa ratsy.” “Fa samy alaim-panahy ny olona,
raha tarihin’ ny filאny
sy fitahiny izy” Jakoba 1:14. Fomba ahoana no hisian’ ny
fakam-panahy hanao ratsy ao amin’ i Kristy, raha toa ka
«nahatonga fahoriana tsy hay lazaina taminy ny
fifampikasohana amin’ ny fahotana noho ny haranitry
ny fahatsapan’ ny toeny masina.”15 Nankahala
ny fahotana tamin’ ny fankahalana feno Kristy. Ny
Fanahiny, mitoetra ao amin’ ny olona, no hany hery izay
mitarika ny olona hankahala ny fahotana, zavatra izay
tokony hianaran’ ny Kristiana rehetra nateraka indray
hatao.
Mba
halaim-panahy tahaka antsika Kristy, dia tsy maintsy
nanana faniriana mafy hanao asa ratsy Izy, nefa
notoheriny tamin’ ny fitokisany ny Rainy. Fomba ahoana
no mety ahitan’ i Satana zavatra toy izany ao amin’ i
Jesosy? Fantatr’ i Satana, fa na dia fony zaza aza
Jesosy, dia tsy nisy antony ny ezahiny haka fanahy Azy
hamaly faty. Na dia nanaovana herisetra aza Izy, izany
ho sorena, ho tezitra, na hanao zavatra ratsy,
dia tsy azony noeritreretina akory.
“Tsy nisy izay tsy
nandraman’ i Kristy ny zava-mangidy izay kapoaka
anjaran’ ny taranak’ olombelona. Tao ireo izay nanamavo
Azy noho ny fomba nahaterahany; ary na dia hatramin’ ny
fahazazany aza dia tsy maintsy nisetra ny fijery maneso
sy ny bitsibitsika manaratsy Izy. Raha namaly tamin’ ny
teny na ny fijery nitory fahatezerana Izy, raha
nilefitra tamin’ ireo rahalahiny Izy ka nanao fihetsika
tsy mety na dia iray aza, dia tsy ho tanterany ny
naha-ohatra tonga lafatra Azy. Noho izany dia tsy ho
tanterany ny fanatontosana ny drafitry ny fanavotana
antsika.”16
Fantatr’ i
Satana ny maha-sarotra ho an’ ny olona ny hiaina eto
amin’ ny maha-Kristiana nateraka indray, mihazona ny
toetra maha-mpanota azy rahateo ho voahombo. Fantany fa
midika fahafatesana isan’ andro amin’ “izaho” izany (1
Korintiana 15:31) – ary fanombohana eo amin’ ny hazo
fijaliana mitohy ny fahazarana tao amin’ ilay toetsika
taloha. 2 Korintiana 4:10-12. Noho izany, novainy ny
fomba nanatonany an’ i Kristy, ka nalainy fanahy haneho
ny toetra maha-izy Azy Izy, izay navelany rehefa
tonga teto an-tany Izy. Potika ny planan’ ny famonjena,
raha naneho ny toetra maha-Andriamanitra Azy Kristy,
satria tsy maintsy izay mety ho azon’ ny olona ihany no
nampiasain’ i Kristy.
Tsy mbola
nisy olombelona teraka tsy nanam-pahotana
mandra-piterahan’ i Maria an’ i Kristy. Ary tsy nisy
teraka intsony hatramin’ izay. Tsy nisy vidiny, ny
fanandramana nataon’ i Satana tamin’ ny zaza, ny
ankizy, ny tanora na olon-dehibe manota rehefa
nifanehatra tamin’ ny maha-olombelona tsy manota
izy. Niezaka tamin’ ny fomba rehetra azony natao izy
hanery an’ i Kristy haneho ny toetra
maha-Andriamanitra Azy. Hitan’ i Satana fa ny olאna
lehibe indrindra tamin’ i Kristy raha teto an-tany dia
ny fanekena Azy ho Mesia (Ilay voahosotra), dia
nampiasain’ i Satana io faniriana eo amin’ ny
maha-izy Azy io ka niezaka izy, amin’ ny alalan’ ny
fakam-panahy hanala ny tenany tsy ho eo am-pela-tאnan’
ny Rainy ka hamaly amin’ ny fampiasאna
ny maha-Andriamanitra Azy izay efa napetrany.
Hatramin’ny fahazazany ka hatrany Kalvary dia tsy
namelan’ i Satana io zavatra nokendreny io. Nihanahery
vaika ny fakam-panahiny teo amin’ ny hazo fijaliana raha
nifofofofo taminy nandritra ny ora maro ny fiantsiana
hoe: “Raha ianao no Kristy midina dia hino Anao izahay.”
Fantatr’ i Kristy fa azony natao ny namaly tamin’ ny
fotoana rehetra ary hanery ireo mpampijaly Azy hanaiky
Azy ho Tompo sy Mpanjaka, nefa nolaviny izany ary
nankininy ho eo am-pela-tאnan’
ny Rainy ny fiainany ankehitriny sy ho avy.
“Noho izany rehefa
notsiratsiraina Kristy dia nisy fakam-panahy nahery
vaika tonga taminy mba hampiseho ny toetra
maha-Andriamanitra Azy. Teny iray, fijery iray, dia
azony hanerena ny mpanenjika Azy hanaiky fa Izy no Tompo
ambonin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ny mpisorona sy ny
tempoly. Nefa izay no adidy sarotra tsy maintsy
hotazoniny, dia ny ho iray amin’ ny taranak’ olombelona
ary izay toerana izay no nofidiny”.17
Fakam-panahy re izany! Tsy misy olombelona mbola
niharan’ ny fakam-panahy toy izany!
Fomba ahoana
no nakana fanahy Azy tahaka antsika? Tsy maintsy maty
amin’ ny toetrany taloha maha-mpanota azy, ny
Kristiana nateraka indray. “Fa izay an’ i Kristy Jesosy
dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny
tamin’ny hazo fijaliana” Galatiana 5:24.
Miverimberina hatrany izany ao amin’ ny Tenin’
Andriamanitra.
Ny fitiavan-tena
no voalaza fa fakan’ ny ratsy rehetra.18 Misoratra
eo amin’ny hoe fitiavan-tena daholo ny fahotana rehetra
eo amin’ ny fitsarana.19 “Inona
no famantarana ny fo vaovao? Fiainana miova. Misy
fahafatesana isan’ andro, isan’ ora amin’ ny
fitiavan-tena sy ny avonavona”.20 Ho
fanehoana fitiavan-tena ho an’ i Kristy ny hanao
asa araka ny fanirian’ ny tenany na amin’ ny
fotoana inona na amin’ ny fotoana inona.
Aoka
handinin-tena lalina indrindra ny sainao dia ho hitanao
fa fitiavan-tena daholo ny fahotana rehetra! Noho io
antony io, rehefa maka fanahy ny Kristiana nateraka
indray Satana hanao zavatra ratsy, toa mbola manosika
azy hanao izany zava-dratsy izany ilay olona-taloha,
izay efa nohombohany teo amin’ ny hazo fijaliana.
Ahoana no
mahatonga an’ izany rehefa nohombohana tamin’ ny hazo
fijaliana ilay olona-taloha? Eto no miseho ny fomba
fiasan’ i Satana. Araraotin’ i Satana izao toe-javatra
izao: ilay Kristiana nateraka indray, izay manana
toetra anaty vaovao tamin’ ny fanamarinana, tsy
mandray toetra amam-panahy vaovao amin’ ny fomba
mitovy. Mbola volavolaina ny toetra amam-panahy. Marina
izany tamin’ i Adama, ary mbola marina koa izany amin’
ny fianakaviana olombelona rehetra. Noforonin’
Andriamanitra tanteraka tamin’ ny lafiny rehetra i
Adama, nefa tokony hamolavola toetra amam-panahy
tanteraka izy, ary tsy nahomby izy tamin’ izany. Teo no
nahombiazan’ i Kristy ary tsy nahombiazan i Adama.
Nisain’ i Kristy ho petra-bolan’ ny Kristiana nateraka
indray ny toetra amam-panahin’ ny tenany tsy misy
fahotana. Ary io dia napetraka ao amin’ ny
petra-bolan’ ny Kristiana izay manaiky izany ho
zava-misy izany ka mamela an’ i Kristy hanomboka ny
asan’ ny fanamasinana, izay fanovאn
’ i Kristy ny toetra amam-panahiny mba hitaratra
ny toetra amam-panahy izay petra-bola araka ny
lalאna
ho azy
tamin’ ny fanamarinana.
Inona no
hifandraisan’ izany amin’ ny fomba hakan’ i Satana
fanahy antsika? Andeha hojerentsika inona marina moa ny
toetra amam-panahy. “Ny isehoan’ izany toe-panahy izany
dia tsy ny fanaovan-tsoa tsindraindray, na ny
fahadisoana tsindraindray, fa ny hita lalandava eo amin’
ny fiteny sy ny fanao mahazatra”.21 Ny
fahazarana, izany, no mahatonga ny toetra
amam-panahintsika . Koa, rehefa miaina amin’ ny
toetra anaty manota izay mifehy antsika isika, dia
maneho ny toetra anaty manota ny
fahazarantsika.
Tsy azo homena
eo no eo ny fahazarana na ny toetra amam-panahy; izay no
antony “tsy hisian’ ny fahamasinana eo no eo”.22
Hitantsika ny fomba hamelaran’ i Satana fandrika amin’
ireo fahazarana taloha mbola velona ao amin’ ny
Kristiana vao teraka; na dia miasa ao aminy aza Kristy.
Fantany fa tsy manam-pahefana hamerina ny ain’ ilay
olona taloha izy, ary Kristy koa tsy hamerina
izany; koa ny fanao mahazatra no hany fanantenana
ho an’ i Satana. Velariny io fandrika io, izay mety ho
amin’ ny alalan’ ny olona na ny toe-javatra, koa
valiteny mahazatra no valiteny tonga ho azy.
Melohiny isika namaly io, ary ampiasainy ny
valitenintsika mahazatra ho porofo fa, raha ny tena
marina, tsy maty tsy akory ilay olona taloha.
Manantena izy fa amin’ izany fomba izany izy dia hanery
antsika izy ho kivy ka hitarika antsika hamoy fo sy
hiala tsy ho eo amin’ i Kristy, noho ny
fiheverantsika fa tsy mahavoa ilay plana manontolo. Amin’
izany fomba izany no hananganantsika indray ilay
olona taloha; amin’izay ihany Satana no afaka
mifehy antsika indray.
Hitanao ve fa
maka fanahy ny Kristiana Satana amin’ ny fomba mitovy
amin’ ny nakany fanahy an’ i Kristy? Samy hiezahany
terena izay alainy fanahy haneho ny toetrany anaty.
Ny tsy itovizany dia ratsy ny toetrantsika anaty
ka tsy tiantsika haseho. Ny toetra anatin’ i
Kristy kosa, toetran’ Andriamanitra ka faniriny
ny haneho izany. Nefa samy tsy maintsy miankina
amin’ ny fileferana amin’ny fifehezan’ Andriamanitra
avy izy ireo – Kristy tamin ’ny Rainy ary isika amin’
i Kristy. Ny fileferan’ i Kristy nitarika Azy ho any
Kalvary ary toa faharesena ny fijerin’ ny olombelona
rehetra izany. Ny fileferantsika mitarika antsika ho
amin’ny fiainana mandrakizay sy fihavanana amin’
Andriamanitra.
Ny
fitiavan-tena , izay fakany, no lasibatra. Saingy
misy fahasamihafana goavana ny nakana fanahy an’ i
Kristy sy ny nakana fanahy antsika. Raha tsy mahomby
isika “.... dia manana mpisolovava ao amin’ ny Ray
isika, dia Jesosy Kristy Ilay marina.” 1 Jaona 2:1. Fa
raha tsy nahomby kosa Jesosy, dia ho very izao
rehetra izao ! Ho tsy nahomby ny planan’ ny
fanavotana manontolo ary ho nandresy Satana.
Eny, “....
nalaim-panahy tahaka antsika amin’ ny zavatra rehetra
tahaka antsika (Izy), kanefa tsy nanana ota”. Hebreo
4:15.
16. MOA VE
JESOSY NALAIM-PANAHY TENA TAHAKA ANTSIKA?
A: TRANDRAO
1.
“Nalaim-panahy tamin-javatra rehetra tahaka antsika”
Jesosy: inona no fakam-panahy nahazo an’i Jesosy? (Jereo
tany an-efitra…teo amijn’ny hazo fijaliana…sns) Inona no
fakam-panahy mahazo antsika (isika = ireo “efa
nohamarinina”.
2. Inona no
asan’ ny fanamasinana eo amin’ny toetra-amam-panahin’ny
olona “nateraka indray”? Faritra aiza no hiasan’i Satana
handavona ny olombelona?
B: AMPIHARO
3. “Ny
fileferantsika mitarika antsika ho amin’ny fiainana
mandrakizay sy fihavanana ho amin’ Andriamanitra”
Hivavao mba ho tonga zava-misy amin’ny fiainanao izany .
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 The Review and
Herald, November 8, 1887
2 Testimonies,
vol. 5, p. 422
3 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 99/2
4 The SDA Bible
Commentary, Vol. 5, pp. 1128, 1129, Letter 8, 1895.
5Sora-mandry avy aminay).
5 Testimonies,
vol. 2, p. 202
6 The SDA Bible
Commentary, Vol. 7, p. 930, The Review and Herald, April
1, 1875 (Sora-mandry avy aminay)
7 The SDA
Bible Commentary, vol. 5, p. 1081, Letter 19, 1901.
(Sora-mandry avy aminay).
8 The Desire of
Ages p. 664 (Sora-mandry avy aminay).
9 The Review and
Herald, 9 June 1905
10 Signs of the
times, June 9, 1898 (Sora-mandry avy aminay)
11 The Youth’ s
Instructor, June 2, 1898 (Sora-mandry avy aminay)
12 The Review
and Herald, July 28, 1874
13 Child
Guidance, p. 475
14 The SDA Bible
Commentary, vol. 5, p. 1082, The Youth’s Instructor,
July 20, 1899
15 The SDA Bible
Commentary, vol. 7A, p. 451, The Review and Herald,
November 8, 1887
16 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 77/2
17 Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 752/2 (Sora-mandry avy aminay)
18 Child
Guidance p. 294
19 Testimony
Treasures, vol. 1, p. 518
20 The Youth’s
Instructor; September 26; 1901
21 Ny
Tena Hasambarana, p. 69 /1
22 The
Sanctified Life, p. 10
17.
MANARAHA
Ahy
“Dia hoy Jesosy tamin’
ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy
handא ny tenany sy
hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy” Matio
16:24 .
“Nohazavain‘ i Jesosy tamin’ ny mpianany izao fa ohatra
ny amin’ izay tokony ho fiainany, ny fiainany izay
nanafoanany ny tenany. Nantsoiny nanodidina Azy niaraka
tamin’ ny mpianany ny olona izay nijanona teo akaikiny
teo, ka hoy Izy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka
izy handא ny tenany sy
hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy”.
Nampifandraisina tamin’ ny fahefana
Romana ny hazo fijaliana. Fitaovana fampijaliana feno
habibiana indrindra izany sy endriky ny fahafatesana
mahamenatra indrindra. Ny mpanao heloka be vava
indrindra no nasandratra hitondra hazo fijaliana ho eo
amin’ ny toerana hamonoana azy; ary matetika, rehefa
apetraka eo amin’ ny sorony izany, dia manohitra amin’
ny herisetra faran’ izay tratrany izy, mandra-paharesy
azy, ka voafatotra amin’ ilay fitaovana fampijaliana.
Nibaiko ny mpianany anefa Jesosy handray ny hazo
fijaliana ka hitondra izany manaraka Azy. Ho an’ ny
mpianatra ireo teny ireo. Na dia nanjavozavo aza ny
fahazoany azy, dia nanondro ny fileferany amin’ ny
fanetren-tena mangidy indrindra, - dia fileferana ho an’
i Kristy na dia hatramin’ ny fahafatesana aza. Tsy misy
fampileferana ny “izaho” feno kokoa azon’ ny tenin’ ny
Mpamonjy naseho an-tsary eto”.1
Mariho fa
manampy velarana hafa i Lioka amin’ ny hevitry ny teny
hoe “isan’ andro”. Midika ho “fileferana” na
fahafoizana”, ny hoe “fahafoizan-tena”. Rehefa
tsapantsika fa hatramin’ ny fahafatesana io
fampileferana io, dia mandray dikany tena manokana izany,
indrindra rehefa ampiharahana amin’ ny teny hoe “isan’
andro”. Toa mahazatra izany ny fihainoana azy, satria i
Paoly no nilaza hoe: “maty isan’ andro aho.” 1
Korintiana 15:31, ary koa: “Mitondra ny fahafatesan’ i
Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho
ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy. Fa izahay
velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana
mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’
ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy” 2
Korintiana 4:10-12.
Mazava fa tsy
misy afa-tsy lאlana
tokana hitarafana ny endrik’ i Jesosy ary tsy amin’ ny
alalan’ ny ezaka atao fa amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’
ny tena. Satria mazava indrindra izany ao amin’ ny
Soratra Masina, dia niady tamin’ izany foto-kevitra
izany tamin’ ny heriny rehetra Satana. Nafatony amin’ ny
tenin’ i Kristy ny saintsika ary noantitranteriny ny
teny hoe “mandא”.
Nefa kosa, nataony izay hiheverantsika fa mitovy ny fandאvana
ny “izaho” sy ny fandאvan-tena.
Soloina
fotsiny “tena” ny “izaho”, dia miova tanteraka ny dikany
ao an-tsain’ ny olombelona.
Mety hitera-bokatsoa
marina eo amin’ ny fanorenana toetra amam-panahy ny
fanaovana fandאvan-tena.
Tsy hitovy mihitsy amin’ ny fandאvana
ny “izaho” izany, izay fanomboana ny “izaho” ary
fihazonana azy ho voahombo. Rehefa apetraka eo amin’ ny
seza fiandrianan’ ny fo Kristy, dia miongana ny “izaho”;
ary rehefa hampiakarina ny “izaho”, dia miongana i
Kristy. Amin’ ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika
dia tsy maintsy ampiasantsika ny “raikipohy” fampiasan’
i Kristy hoe: “Tsy ny sitrapoko fa ny anao”. Narahin’ ny
Mpamonjy tanteraka izany fanao izany ka hoy Izy: “…Ny
teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany
lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ao amiko no manao ny
asa” Jaona 14:10.
Io
tsiambaratelo io no nianaran’ i Paoly ary nampitainy
tamin’ i Timoty ho fototry ny fiainantsika miaraka amin’
i Kristy izao dia izao. Hoy izy: “Mahatoky izao teny
izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona
aminy koa” 2 Timoty 2:11.
Tsy niteny
fotsiny Jesosy fa tsy maintsy mandא
ny “izaho” isika, fa tsy maintsy mitondra koa ny hazo
fijaliantsika. Mahagaga ny hampiasain’ i Kristy ny hazo
fijaliana ho fitaovana hamatorana ny mpino amin’ ny
tenany.
“Tandindon’ ny
zavatra mitovy ihany ny zioga sy ny hazo fijaliana, -
ny fahafoizana ny sitrapo amin’ Andriamanitra.
Mampiray ny olona voafetra hiara-dia amin’ Ilay Zanaka
malalan’ Andriamanitra ny mitondra ny zioga. Mampisaraka
ny “izaho” amin’ ny fanahy ny manandratra ny hazo
fijaliana, ka mametraka ny olona eo amin’ izay hianarany
mitondra ny entan’ i Kristy. Tsy afaka manaraka an’ i
Kristy isika raha tsy mitondra ny ziogany, raha tsy
manandratra ny hazo fijaliana”.2
“Tsy afaka hihazona ny “izaho” isika
nefa hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Isika no
hahatratra ny fahamasinana, dia ny fahafoizana ny
“izaho” sy ny fandraisana ny sain’ i Kristy”.3
“‘Ny antony... mahatonga ny maro eo
amin’ izao tontolo izao ankehitriny tsy afaka handroso
eo amin’ ny fiainana ara-panahy dia satria heveriny ho
ny sitrapon’ ny tenany no sitrapon’ Andriamanitra koa.
Raha manaraka ny fanirian’ ny tenany izy dia
mandoka-tena milaza fa manaraka ny sitrapon’
Andriamanitra. Tsy mitolona hanohitra ny “izaho” izy.
Misy kosa sasany toa mahomby ihany amin’ ny fotoana kely
eo amin’ ny ady ataony amin’ ny faniriany feno
fitiavan-tena hitady fahafinaretana sy izay hahamora ny
fiainana. Sady tsotra ny fony no mafana, nefa mandreraka
azy ny ezaka maharitra ho faty isan’ andro, hihatrika
ady sarotra tsy misy farany. Toa mahasintona ny
mipetrapetraka, fa mampandositra kosa ny ho faty ny
amin’ ny “izaho”; koa dia akimpiny ny masony efa
milondolondo, ka lavon’ ny herin’ ny fakam-panahy izy fa
tsy manohitra azy”.4
Ny teny
hentitra nataon’ i Kristy hoe: “Manaraha Ahy”, dia tena
tsy azo tanterahina raha tsy misy fanandramana ny amin’
izay voalaza eo aloha amin’ io andininy io ihany. Tsy
mampirisika ny mpianany sy izay mpanaraka Azy Izy
hanao izay nataony fa hiaina ny fiainany.
Notanterahan’
ny Ray, tamin’ ny alalan’ i Kristy, ny asa izay
nanirahiny ny Zanany hatao eto amin’ izao tontolo izao.
Azony natao izany noho ny safidin’ i Kristy, isam-potoana
teo amin’ ny fiainany, ho tonga tahaka ny tanimanga eo
am-pela-tאnan’
ny Ray. Teo amin’ ny faritra nisy Azy io fileferana io
no nitondra ny hany fanantenam-piadanana ho an’ izao
rehetra izao misavorovoro noho ny fikomian’ i Losifera
izay nanjary Satana. Eo amin’ ny faritra misy antsika
kosa, io fileferana io no hany mitondra fanantenam-pamonjena
ho antsika manokana. Tombon-tsoa manokana ho antsika ny
miaina eto amin’ ny fiainana izay azony hampiasaina toy
ny andriamby mahery mandresy lahatra ny olona ny amin’
ny planan’ ny famonjenan’ Andriamanitra. Io plana
io rahateo no hany fomba azo heverina fa afaka manomana
ny olombelona hiaina mandrakizay eo amin’ ny tontolo
iainana tonga lafatra ao amin’ ny tokan-tranon’ ny
voavonjy.
“Ny finoana ny
tenin’ i Kristy amin’ izao no fanetren-tena marina sy
tena fampileferana marina ny “izaho”.5 “Ny
fampileferana ny “izaho” no votoatin’ ny fampianaran’ i
Kristy”.6 Rehefa
mahita ny maha-zava-dehibe ny fitokisana tanteraka an’ i
Kristy ihany isika, eny na dia toa tsy ho azo
tanterahina aza ny zava-drehetra, izay isika vao afaka
mahazo ny maha-dodona ny tenin’ i Kristy tamin’ i
Nikodemosy hoe: “Tsy maintsy ateraka indray”.
Tsy
nanan-tsafidy isika fony isika nateraka voalohany, fa ny
fahaterahantsika vaovao kosa dia miankina tanteraka
amin’ ny fampisantsika ny sitrapontsika malalaka; ny
hany hitazonantsika io sitrapo io ho malalaka dia ny
safidintsika ny ho faty amin’ ny “izaho” sy ny
famelantsika an’ i Kristy hanjaka ao amintsika.
Ny tenin’ i
Jesosy no namaranan’ i Matio ny filazantsarany manao
hoe: “...Efa nomena Ahy ny fahefana (exousia)
rehetra any an-danitra sy ety an-tany.” Matio 28:18. Io
no valitenin’ ny Ray tamin’ ny Zanany noho ny fiainana
nileferany tanteraka raha teto an-tany Izy, niaina ny
fiainan’ ny nofon’ olombelona izay nekeny tanteraka.
Nisy hitsin-dאlana
narantiranty an’ i Jesosy. Tany an-efitra, raha vao
hanomboka ny asany ampahibemaso Izy, dia niezaka i
Satana hiady varotra Aminy. Nasehony Azy ny fanjakana
rehetra eto amin’ izao tontolo izao sy ny voninahiny,
dia hoy i Satana hoe: “…Izao rehetra izao dia homeko
anao, raha hihankohoka eto anatrehako ianao” Matio 4:9.
Hitsin-dאlana
re izany! Fa nisafidy ny hino sy hatoky an’
Andriamanitra Izy, na dia tamin’ ny lאlan’
ny hazo fijaliana aza, sy fahavononana ny ho faty, koa
noraisiny avy tamin’ ny Ray ny fahefana rehetra any
an-danitra sy ety an-tany. Tsy maintsy tazonintsika
ao an-tsaina fa nanao io safidy io Izy raha nitafy ny
nofon’ ny olombelona ary tsy nisy hery izay tsy
azontsika tsirairay avy raisina nampiasainy.
“Tsy naneho toetra
Jesosy, ary tsy nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho
azon’ ny olona amin’ ny alalan’ ny finoana Azy. Ny
fahatanterahany eo amin’ ny maha-olombelona no tokony
hananan’ ny mpanaraka Azy rehetra, raha milefitra amin’
Andriamanitra tahaka ny nataony izy”.7
Angamba ny
hitsin-dalאna
fetsy indrindra natolotr’ i Satana an’ i Jesosy dia ilay
tamin’ ny fiantombohan’ ny fanandramana tao an’ efitra.
“Nihezak’ i Satana
nampino an’ i Kristy fa tsy mangatak’Azy handeha eo amin’
ny lאlan’
ny fandavan-tena sy ny fahoriana izay nampoiziny
Andriamanitra; fa nirahina avy tany an-danitra izy
hitondra hafatra ho Azy izay milaza fa tian’
Andriamanitra hosedraina fotsiny ny finiavany hiaritra.
“Nambaran’ i Satana
an’ i Kristy fa tokony hametraka fotsiny ny tongony eo
amin’ ilay lאlana
voapentin-drא
Izy, fa tsy handia izany. Nambarany koa fa izy ilay
anjely nitאna
ny tאnan’
i Abrahama raha nanandratra ny antsy hamono an’ i Isaka
izy, ary tonga izy izao hamonjy ny ainy; fa tsy ilainy
ny hiaritra ny hanoanana mandreraka sy ny ho faty noana;
hanampy Azy hitondra am-pahany amin’ ny planan’ ny
famonjena izy”.8
Tonga teo amin’ ny zanak’ i Adama tsirairay i Satana,
hatramin’ ny voalohany, mitondra io hafatra io ihany.
“Maty ho anao Kristy; koa tsy tokony ho faty ianao.”
Toa
tsara faneno izy izany satria fahamarinana am-pahany.
Maty tokoa Kristy hanafaka antsika amin’ ny tambin’ ny
ota, izay fahafatesana mandrakizay. Nefa kosa, nivelona
tamin’ ny fiainana nandאvan’
ny tenany tanteraka Izy, ho ohatra ny amin’ izay tsy
maintsy ho fiainantsika. Hiezaka hitondra izao
karazan-kitsin-dאlana
rehetra izao Satana amin’ ny Kristiana mitolona, kanefa
ny hany lאlana
mankany amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny manaraka
an’ i Jesosy.
17. MANARAHA
AHY.
A: TRANDRAO
1.
“Fandavan-tena sy fandavana ny tena (izaho)”. Avaho ireo
hevitra roa ireo. Nahoana no lazaina fa ambony sanda ny
“fandavana ny tena (izaho) ao amin’ny fiainana
kristiana?
2. Hery toy
inona ihany no ninian’ i Kristy nampiasaina
hoenti-mandresy? Inona ireo hitsin-dאlana
naroson’ i Satana an’i Kristy?
B: AMPIHARO
3. Hihezaka
hitondra izao karazan-kitsin-dאlana
rehetra izao Satana amin’ny kristiana mitolona, kanefa
ny hany lאlana
mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia ny manaraka
an’ i Jesosy”. Angataho amim-bavaka ny hahatanteraka
izany aminao dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao
....
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 447/2,
2 The SDA Bible
Commentary, vol. 5, pp. 1090-91
The Review and Herald, October 23, 1900
(Sora-mandry avy aminay)
3 Thoughts from
the Mount of Blessing, p. 143
(Sora-mandry avy aminay)
4 The Acts of
the Apostles, p. 565
5 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 570/3
6 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 557/3
7 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 718/3
8 Selected
Messages, book 1, p. 273.
18.
TOMOERA
Amiko
Ny
toko fahatelo-ambinifolo ny Jaona dia maneho an-tsary ho
antsika ny fanasan’,ny Paska izay nankalazain’ i Jesosy
sy ny mpianany ny alina talohan’ ny nanombhana Azy teo
amin’ ny hazo fijaliana. Nisy mpianatra iray tamin’ izy
roa-ambinifolo nisintaka tsy hiara-mandeha amin-drizareo
intsony tamin’ io fiaraha-misakafo io. Hamadika ny
Tompony mihitsy Jodasy satria nihevitra ny hampandroso
ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany izy tamin’ izany.
Nambaran’ i Jesosy nandritra ny sakafo fa handeha Izy
ary tsy ho afaka hanaraka Azy ireo. Araka ny mahazatra,
dia nametra-panontaniana, izay tsy isalasalana fa tao
an-tsain’ ny rehetra i Petera, hoe: “Hankaiza moa Ianao
ary nahoana aho no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny?”
Dia
nilokaloka marina izy hoe: “Na ny aiko aza dia hafoiko
noho ny Aminao.” Jaona 13:37. Mbola nilokaloka hafa koa
i Petera sy ny mpianatra iny alina iny ihany.
Izao no
fivakin’ ny Marka 14:30, 31: “Ary hoy Jesosy taminy:
Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina
ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia
handא
Ahy in-telo ianao. Fa vao mainka niteny mafy dia mafy
izy hoe: Na dia hiara-maty Aminao aza aho, tsy mba handא
Anao tokoa aho.
Ary toy izany
koa no nolazain’ izy rehetra.”
(Sora-mandry
avy aminay).
Fantatr’ i
Jesosy fa avy amin’ ny fony ny valitenin’ ireo olona
ireo, fa ny nofo no malemy. Ny tsi-fahombiazan’ ny
tenany no ho fiadiana mahery indrindra hanakivy azy.
Nomen’ i Jesosy ilay hafatra kanto ao amin’ ny Jaona 14
ho setrin’ io fanandramana tsy azo ialאna
io.
Raha namarana
ny hafatra nentiny Izy dia teny tsotra no hitantsika
hoe: “Mitsangאna,
andeha isika hiala eto”.
Fantatr’ i Jesosy izay
halehany. Te-hiaraka Aminy fotsiny ny mpianatra ka
nanaraka. Alina ny andro ary tsy isalasalאna,
fa feno olona ny arabe tao an-tanאna,
satria fotoanan’ ny fankalazana ny Paska tamin’ izay.
Amin’ ireny fotoana toy ireny, dia mitsitokotoko eny
amin’ ny havoana ny lay, satria tsy ampy ny trano ho an’
ireo vahoaka marobe tonga manatrika ireo lanonana ireo.
Nivoaka ny efitrano ambony Jesosy sy ny mpianany dia
nandeha tamin’ ny arabe feno olona. Nitari-dאlana
ho any amin’ ny toerana mahazatra izay tena tiany tokoa
Izy–ny tendrombohitra Oliva izany–Tsy tany no diany,
nefa nohararaotiny ny foto-boaloboka mamelana hanomezana
lesona iray koa ho an’ ireto olona izay tiany fatratra.
Nitaratra teo amin’ io voaloboka io ny volana raha
nijanona Jesosy ary nampifantoka ny fijeriny taminy. Tsy
hisalasalana fa samy nijery ny voaloboka koa ny
mpianatra tsirairay. Dia injay ny teny, mazava sady
hentitra, nanapaka ny fahanginan’ ny alina: “Izaho no
tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra” Jaona 15:1.
Toa reko izany Petera nitodika tany amin’ i Jaona ka
nanao hoe: “Renao ve izany lazainy? Tsy azoko, fantatry
ny rehetra fa Isiraely no voaloboka !” Mety namaly Jaona
hoe: “Tsy azoko koa, fa andeha henoina.
Sao dia
hanazava Izy.” Notohizan’ i Jesosy ny lesona.
“Ny sampany
rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny (ny Raiko);
fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny (ny
Raiko) mba hamoa bebe kokoa.” Jaona 15:2.
Ny
voambolana hoe “voaloboka”, “sampana”, “mpamboatra”,
“esorina”, sns, dia samy nahazatra satria nahazatra ny
tanim-boaloboka teo amin’ io faritra io.
Azon’ ny
mpianatra fa antsy no ampiasain’ ny mpamboatra ho
“fanesorana”. Tsy isalasalana fa, na dia tsy nifanaraka
tamin’ ny fomba fisainany aza ny hafatra, dia nazava
tamin’ ireto olona ireto izany izay milaza fa ny sampana
tsy mamoa dia hotapahina tanteraka, ary izay mitondra
voa dia mbola hotapahina ihany fa saingy tsy mafy tahaka
izany. Azo antoka marina fa tsy nila fitondrana henjana
toy izany ny Jiosy! Isiraelita izy–zanak’ i Abrahama.
Tao amin’ ny voaloboka izy ireo nandritra ny taranaka
maro, mandra-pahatongany ho ilay voaloboka mihitsy,
araka ny fisainany.
Niezaka ny
hampahery ireo lehilahy ireo Jesosy tamin’ ny filazany
hoe: “Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay
nolazaiko taminareo” Jaona 15: 3. Mety ho azo kokoa ny
dikan’ ireo teny ireo raha hazavain’ ny tenin’ ny
Soratra Masina hafa toy ny hoe: “Aoka ny tenin’ i Kristy
hitoetra betsaka ao aminareo...” Kolosiana 3:16. “Koa
ario ny fahalotoana sy ny lolom-po rehetra, ary ekeo
amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena; izay
mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankatע
ny teny ianareo; fa aza mpihaino fotsiny ka mamitaka ny
tenanareo» Jakoba 1:21, 22. Ny tena lazain’ i Kristy
dia hoe: “Efa madio ianareo noho ny finoanareo ny teny
izay nambarako taminareo.”
Ny andininy
manaraka no mampahazava izay nitambesatra teo amin’ ny
fon’ i Kristy: “Tomoera amiko ary Izaho aminareo....”
Jaona 15: 4. Mazava fa nitsinjo ny fitsarana Azy sy ny
hazo fijaliany ny Mpampianatra rehefa handao Azy na dia
ny mpianatra aza. Noantitranteriny taminy ny zavatra tsy
mbola hitany hatramin’ izao. “Tahaka ny sampany tsy
mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka
izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.”
Jaona 15:4. Mbola marina izany ankehitriny. Tsy mhavita
na inona na inona isika raha tsy mitoetra ao Aminy. Na
dia toa tsy misy azo atao aza, ary tsy mahomby ny
zavatra rehetra, mitovy ihany ny hafatra: “Tomoera
Amiko; matokia Ahy”.
Mazava
kokoa io hafatra momba ny voaloboka sy ny sampany io
raha ampirahina amin’ ny Romana 11. Hazo oliva fa tsy
voaloboka no hitantsika ao. Samy tandindon’ Isiraely izy
ireo, ary nohajain’ ny Jiosy noho izany. Tandidon’ ny
Jentilisa ny hazo oliva maniry ho azy, ary tandindon’
Isiraely ny hazo oliva tsara.
Noho ny
grefy dia tonga tsy dia intsony ny hazo oliva maniry ho
azy, ary noho izany, fa lasa mahasoa sy tsara.
Mampianatra ny tsiambaratelo fototry ny fivelomana ny
fiainana Kristiana ny fomba fanaovana grefy. Tahaka ny
zavatra rehetra misy vidiny, dia tokony halalinintsika
kely izany ahitana ny marina.
Ny
fanjakan’ i Satana sy ny fanjakan’ Andriamanitra no
tondroin’ i Paoly ao amin’ ny Romana 11:24 fa hazo oliva
maniry ho azy sy hazo oliva tsara. Ny hany fomba
ahatongavan’ ny sampana avy amin’ i Satana sy ny
fanjakany ho sampana ao amin’ i Kristy sy ny fanjakany
dia amin’ny alalan’ ny fanaovana grefy.
Mitady
sampana (isika) ny Mpamboatra (Kristy) izay
manam-paniriana ho tonga anisan’ ny fanjakany. Hoy
Kristy: “Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy
anareo, ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa....
Jaona 15: 16. Niantso ny olona rehetra Kristy, noho ny
fitiavany tsy hay lazaina, nefa vitsy ihany no namaly ny
antso sy nanaiky Azy.
Tsy maintsy
manomana ny hazo oliva tsara handray ny sampana oliva
maniry ho azy Kristy alohan’ ny ahazoany manao na inona
na inona. Lazain’ i Paoly fa mifanohitra amin’ ny
zava-boary izany. Nefa, moa ve tsy mifanohitra amin’ i
Kristy ny ankabeazan’ ny lאlan’
ny olona? “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny lאlanareo
kosa tsy mba lאlako,
hoy Jehovah”. Isaia 55:8.
Ny olona
maka sampana tsara ary atsofony amin’ ny fototra na
fakany maniry ho azy ary amin’ izany dia mahazo voany
tsara izy. Andriamanitra kosa maka sampana naniry ho azy
ka atsofony amin’ ny fakana tsara, tsy dia, ary
mamokatra ny voa tsara indrindra. Ny olona tsy afaka
manao ny asany araka ny fanaon’ Andriamanitra ny azy.
Asan’ Andriamanitra araka ny fiasany ao amin’ ny
fiainan’ ny olona izay manome azy malalaka hanao izany
ny planan’ ny famonjena manontolo.
Raha misy
olona manao grefy amin’ ny fomba fanaovan’ Andriamanitra
azy, dia ho voankazo vao maika ho dia no ho hany
vokatra. Io fotsiny, dia tokony hampianatra antsika fa
ny hany asantsika dia ny milefitra sy ny mahatoky ny
Tompon’ ny asa. “Raha manaiky sy mankatע
ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany. Ny
finiavana no antsika, ny fankatoavana, dia tanterahiny
ao amin’ ny fanahy matoky tsirairay.
Nanomana ny
Hazo Oliva tsara handray ny sampana naniry ho azy
Andriamanitra tao Kalvary. Hoy isika anefa; “mba ahoana
kosa ary ny momba ireo olona hatramin’ i Adama ka hatreo
Kalvary?” Tsarovy, fa Kristy no “...Ilay Zanak’Ondry
voavono hatry ny nanorenana an’ izao tontolo izao.”
Apokalypsy 13:8. Tsy maintsy natao grefy tao Kalvary ny
sampana rehetra naniry ho azy hatramin’ i Adama ka
hatramin’ ny fiverenan’ i Jesosy.
“Ny fahazavana
mamirapiratra avy amin’ ny hazo fijaliana dia maneho ny
fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika
ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika
dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana,
hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo
amin’ ny hazo fijaliana. Amin’ izay dia mahatonga aina
vaovao ao amin’ ny fanahy ny Fanahin’ Andriamanitra
amin’ ny alalan’ ny finoana. Voababo hankatע
ny sitrapon’ i Kristy ny fisainana sy ny faniriana.
Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik’
Ilay miasa ao amintsika mba hampanaiky ny zavatra
rehetra ho Azy”.1
Voasarika
ho eo Kalvary isika izao, ka andeha hojerentsika ny
fomba ataon’ ny Mpamboatra ny grefiny. Tahaka ny ataon’
ny mpamboly voninkazo, dia raisin’ ny Mpamboatra ny
antsiny fanetezany ka tapahiny ny sampana manaiky izany
ho tafasaraka tanteraka amin’ ny loharanon’ ny ainy teo
aloha. Mafy ny asa voalohany ary ny Mpamboatra no tsy
maintsy manao azy. Ny hany anjarantsika dia ny
manam-paniriana sy ny manaiky azy hanao ny asa. Tsy
maintsy mitandrina isika tsy himenomenona ny amin’ ny
fomba fiasany.
Tsy maintsy
maratra ny Hazo Oliva tsara mba handraisany ny sampana
atao grefy aminy. Nahatra tao Kalvary io ratra io.
Amboarina izao ilay sampana mba ho azo atsofoka ao amin’
ny ratra tao Kalvary. “...Ary izay rehetra manaiky Ahy
amin’ ny fizarאna
ny sorona nataoko ho an’ ny very, dia hekeko ho mpandray
anjara amin’ ny voninahitra sy ny fifalian’ ny
voavotra”.2
Hoy i
Paoly: “Voahombo miaraka amin’ i Kristy.... aho”
Galatiana 2:20 ary koa “.... izay an’ i Kristy dia efa
nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filאny
tamin’ ny hazo fijaliana”. Galatiana 5:24. Rehefa
notapahana ho afaka amin’ ny loharanon’ ainy taloha ny
sampana, dia tapaka tamin’ ilay toetra taloha izy. Tsy
avelan’ ny mpamboatra fotsiny ho faty izy tsy akory.
Mitandrina dia mitandrina izy mametraka ny sampana eo
amin’ ny Hazo Oliva tsara maratra. Dia hosorany mastika
fanaovana grefy (ny akanjom-pahamarinany) ny faritra
ifandraisany. Natao hiaro amin’ ny loto sy ny aretina
rehetra izay mety hisakana ny fitomboana ny mastika
fanaovana grefy.
“Ny fanatrehan’ ny
Ray no nanodidina an’ i Kristy ka tsy nisy navela
hihatra taminy, afa-sy izay navelan’ Ilay fitiavana tsy
manampetra ihany, mba ho fitahiana ho an’ izao tontolo
izao. Izany no loharanon’ ny fiononam-pony ary izany koa
no antsika. Izay manana ny Fanahin’ i Kristy be dia be
ao aminy no mitoetra ao amin’ i Kristy, ka ny loza izay
nokasaina hahatra aminy dia mianjady amin’ ny Mpamonjy
Izay manodidina azy amin’ ny fanatrehany. Na inona na
inona tonga aminy dia avy amin’ i Kristy. Tsy ilainy
akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no fiarovana azy.
Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken’
ny Tompo; ary ny “zavatra rehetra” izay avelany hihatra
dia “miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.”
(Romana 8:28).3
Mbola tsy vita
ny asan’ ny Mpamboatra. Raisiny avy eo ny “horonan-damba
fanaovana grefy ka ahodidiny ny sampana sy ny foto-kazo.
Ataony mihodidina hatrany izany mandra-paha tsy afahan’
ny rivotra sy ny tafiotry ny fiainana mamaha ny sampana
vita grefy. Tsy maintsy manjary iray amin’ ny Hazo Oliva
(na voaloboka) ny sampana.
“Ny fikambanan’ ny
sampana amin’ ny voaloboka hoy Izy, dia mampiseho ny
firaisana tokony hotohizanareo Amiko. Atsofoka ao amin’
ny voaloboka velona ny mason-kazo, toy ny manao grefy ka
hitombo ao amin’ ny foto-boaloboka izany, ny hoza-kazo
mifandray amin’ ny hoza-kazo, ny lalan-dranokazo
mifandray amin’ ny lalan-dranokazo. Ny ain’ ny voaloboka
no manjary ain’ ny sampana”.4
Tsy mbola vita
ihany ny asan’ ny Mpamboatra amin’ ny sampana, satria ny
hitondra vokatra no zava-kendreny. “... Fa ny vokatry ny
Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana,
fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa,
fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po....”
Galatiana 5:22, 23. Mamerina antsika any amin’ ny akanjo
fitondra amin’ ny fampakaram-bady izany, ny akanjon’ ny
fahamarinan’ i Kristy izay toetra amam-panahiny, ilay
akanjo tsy maintsy hanaovantsika mba ho vonona amin’ ny
fiverenan’ ny Tompo isika.
Mba hisehoan’
ny vokatra dia tsy maintsy misy ny fandratsan-ana. Asan’
ny Mpamboatra koa izany. Matetika misy sampana
mitsorapaka tsy maintsy rantsanana mba hampahatanjaka ny
sampana. Ny raviny be loatra koa matetika mandiso ny
fomba fijery ary manakana ny voa tsy hitombo tsara.
Ny
zavatra izay arahin’ny mpamboatra maso dia ny toetra
mahafaty manokana iraha-mananan’ ny ankabeazan’ ny
sampana – dia ny fironany hirefarefa. Ny olאna
dia rehefa mikasika ny tany ny sampana mirefarefa, dia
mandefa fakany madinika izy ary miezaka hitady
famelomana avy amin’ ny loharano roa.
Kristy anefa
nilaza fa “tsy misy olona mahay manompo tompo roa....
Matio 6:24.
Tsy maintsy
ampiasana ny antsy fanetezana hanapahana ireny fakany
madinika ireny mba ho avy amin’ ny loharano tokana ihany
no iavian’ ny ain’ ny sampana. Hakarin’ ny Mpamboatra ny
sampana mirefarefa ary afatony amin’ ny tsanganana mba
hifoka ny rivotra madio sy hianoka amin’ ny
tanamasoandro ny fitiavan’ Andriamanitra. Hetezana ny
fironana rehetra ho amin’ ny ratsy izay nolovaina sy
nokolokoloina eo amin’ io asa fandratsanana io izay atao
hoe fanamasinana. Asan’ ny Mpamboatra izany. Ny sampana
dia mitoetra ary mamela ny Mpamboatra hanao ny asany
araka izay fantany fa tsara indrindra ho antsika.
Ny “mitoetra”
ihany no ahazoantsika mandroso amin’ ny fahatanterahana,
satria Azy io fahatanterahana io fa tsy antsika. Tokony
ho feno fankasitrahana isika noho ny famelany antsika
hotafiana amin’ ny akanjon’ ny fahamarinany.
18. TOMOERA
AMIKO.
A: TRANDRAO
1. Fomba
fanaovana grefy: ny “hazo oliva tsara” no atsofoka
amin’ny “hazo oliva maniry ho azy”, izay fototra, mba
hamokatra ilay vokatra kasaina. Mitovy amin’izany ve ny
“grefin’ny toetran’i Jesosy amintsika? Inona no lesona
azo tsoahina amin’izany?
2. Araho
isa’ambaratongany ny fanaovana grefy:?
B: AMPIHARO
3. “Ny
sampana dia mitoetra ary mamela ny Mpamboatra hanao ny
asany araka izay fantany fa tsara indrindra ho antsika”.
Angataho amin-bavaka izany ho tanteraka amin\ny fiananao
dia raiso ho zava-misy eo amin’ny fiainanao.
Sorito
amin’ny fiteninao manokana izay ho fiainanao satria efa
tanteraka aminao io vavaka io.
(Endnotes)
1 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 171/3
2 Ilay fitiavana
Mandresy, p. 377/1
3 Sambatra, p.
60/2
4 Ilay Fitiavana
Mandresy, p. 729/3
Ny toen’ i KRISTY
Midika ho zava- drehetra ho antsika ny toetra
maha-olombelona an’ i Kristy ary tsy tokony ho
fanadihadiana tsotra fotsiny no andraisana io lohateny
io.
“Raha hanomboka handinika io loha-teny
io isika, dia tokony hotandremana ny teny nambaran’ i
Kristy tamin’ i Mosesy teo amin’ ny roimemy nirehitra
hoe: ‘Esory ny kapanao fa tany masina io ijoroanao io’.
Amin’ ny fanetren-tenan’ izay mitady fahalalאna,
amin’ ny fo torotoro, no tokony hiantrehantsika ity
fianarana ity. Saha mahavokatra ny fandinihina ny
nahatongavan’ i Kristy ho nofo, izay hamaly soa ny
mpikaroka mandinika lalina ny fahamarinana miafina.”1
Izao
no vakiantsika ao amin’ ny Hebreo 2:16: “Fa hita marina
fa tsy naka ny toen’ ny anjely Izy; fa ny toen’ ny
taranak’ i Abrahama” (Dikan-teny avy amin’ ny King
James Version). Raha dinihina maimaika io andininy
io dia misy mety hanatsaoka hevitra hilaza fa raha naka
ny toen’ ny taranak’ i Abrahama Izy, dia tsy nety ho
Adama faharoa. Nefa kosa, ao amin’ i Adama no misy ny
fototry ny fianakavian’ ny olombelona rehetra fa tsy ao
amin’ ny anjely. Inoako fa nanoratra ho an’ ny Romana sy
ny Hebreo i Paoly raha manome antony hafa ho antsika ny
amin’ ny maha-Adama faharoa an’ i Kristy. Izao no
lazainy ao amin’ ny Romana 9:6: “...fa tsy izay rehetra
avy amin’ Israely no Israely”. Hoy ny andininy fahafito:
“...avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
Izao no vakiantsika ao amin’ ny andininy fahavalo: “....
tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny
zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.” Kristy
no Zanaky ny teny fikasana, Zanak’ Andriamanitra. Noho
izany, araka ny tokony ho izy dia taranak’ i Abrahama
Izy satria tsy nateraky ny sitrapon’ ny nofo. Jaona
1:13. Roa ihany no iavian’ ny olona, dia ny sitrapon’ ny
nofo na mivantana avy amin’ Andriamanitra. Nivantana avy
tamin’ Andriamanitra i Adama tahak’ izany koa ilay Adama
faharoa, Jesosy Kristy.
“Tsy nisary ho olombelona Kristy, fa
tena naka marina fomban’ olombelona Izy.
Tena nanana toetra maha- olombelona Izy. Satria manana
nofo aman-drא
ny zaza, dia nandray izany koa Izy. Zanak’ i Maria Izy;
taranak’ i Davida, araka ny maha-olombelona.”2
Eny, tena
olombelona marina Jesosy, tahaka ny naha-olona an’ i
Adama; izay noforoniny.
Raha ny
ara-panahy, dia taranak’ i Abrahama Izy ary, raha ny
ara-nofo, dia taranak’ i Davida.
Mazava
kokoa ny filazאn’
i Paoly ao amin’ ny Romana 8:3, “...naniraka ny Zanany
Andriamanitra, naka ny endriky ny nofo ota....”
Hoy ny fanazavana avy amin’ ny tsindrimandry momba io
andininy io: “Tahaka ny nanandratana ilay sary natao ho
fanasitranana ho azy ireo araka ny endrik’ ireo
menarana nahafaty, dia toy izany koa Ilay Anankiray “naka
ny endriky ny nofo ota” no ho Mpanavotra azy ireo.”3 Fantatry
ny vahoaka Isiraely fa tsy anisan’ ny menarana afo ilay
menarana varahina, fa natao ho araka ny endrik’
izy ireo. Natao araka ny endrik’ ireo rahalahiny
Jesosy. Ny olona natao araka ny endrik’ |